-
Faminaniana Mitondra Fampiononana ho AnaoNy Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
-
-
19, 20. Inona no nosoratan’i Isaia momba ny fampodiana ny Isiraely tany amin’ny toerana kanto iray, ary ahoana no nahatanterahan’izany?
19 Mampiasa teny an’ohatra izao i Jehovah, mba hanamafisana ny fampanantenany hanome fanampiana ny vahoakany. Hoy ny nosoratan’i Isaia: “Ny ory sy ny malahelo mitady rano, fa tsy mahita, ary ny lelany mainan’ny hetaheta; Izaho Jehovah no hihaino azy, Izaho, Andriamanitry ny Isiraely, tsy hahafoy azy;
-
-
Faminaniana Mitondra Fampiononana ho AnaoNy Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
-
-
20 Nonina tao amin’ny renivohitry ny firenena iray natanjaka sy nanankarena ny Isiraelita fony tany an-tsesitany. Nahatsiaro ho toy ny tany an’efitra tsy nisy rano anefa izy ireo. Toy ny an’i Davida, fony izy niafina an’i Saoly Mpanjaka, ny fihetseham-pony. Nampian’i Jehovah izy ireo tamin’ny 537 T.K., ka afaka niverina tany Joda sy nanorina indray ny tempoliny tao Jerosalema, ary namerina tamin’ny laoniny ny fivavahana marina tao.
-
-
Faminaniana Mitondra Fampiononana ho AnaoNy Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
-
-
21. Inona no naverina tamin’ny laoniny tamin’izao androntsika izao, ary inona no hitranga amin’ny hoavy?
21 Misy zavatra mitovy amin’izany nitranga tamin’ny androntsika, fony i Kristy Jesosy, ilay Kyrosy Lehibe, nanafaka ny mpanara-dia azy voahosotra avy tamin’ny fahababoana ara-panahy, mba hamerenana amin’ny laoniny ny fivavahana madio.
-