-
Faminaniana Mitondra Fampiononana ho AnaoNy Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
-
-
Afaka naminany araka ny marina ve ny andriamanitr’ireo firenena, ka nanaporofo tamin’izany fa nanam-pahalalana nihoatra noho ny an’ny olombelona izy ireo? Raha eny, dia tena tokony hisy vokany hita, na tsara na ratsy, hanamarina ny fihamboany. Raha ny tena izy anefa, dia tsy nahatontosa na inona na inona ireo andriamanitra sampy, ary naman’ny tsinontsinona.
23. Nahoana i Jehovah no nanameloka tsy an-kijanona ireo sampy?
23 Mety hisy hanontany tena ankehitriny hoe nahoana i Jehovah, tamin’ny alalan’i Isaia sy ny mpaminany hafa, no nandany andro toy izany hanamelohana ny maha hadalana ny fanompoan-tsampy. Mety ho efa miharihary amin’ny olona maro ankehitriny fa zava-poana ny sampy vitan’olombelona. Kanefa, raha vao tafaorina ny finoana diso iray ka eken’ny besinimaro, dia sarotra ny manaisotra azy avy ao an-tsain’izy ireo. Finoana maro ankehitriny no tena hadalana, toy ny finoana fa hoe andriamanitra ireo sary tsy manana aina. Mifikitra amin’ny finoana toy izany ihany anefa ny olona, na dia misy porofo mampiaiky momba ny fahadisoan’izy ireny aza. Rehefa mahare ny fahamarinana miverimberina ihany ny olona sasany vao hahita fa fahendrena ny mitoky amin’i Jehovah.
-
-
Faminaniana Mitondra Fampiononana ho AnaoNy Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
-
-
Aoka hampanatoniny ka hasehony amintsika izay zavatra mbola ho avy; ambarao izay zavatra taloha, mba hoheverinay ka ho fantatray izay hiafarany, na ilazao izay zavatra ho avy izahay.
-