-
“Hianareo no Vavolombeloko”!Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
-
-
6. Ahoana no nisehoan’i Jehovah ho Andriamanitry ny rariny, fony izy nanavotra a) ny Isiraely ara-nofo? b) ny Isiraely ara-panahy?
6 Nanome ny teniny i Jehovah hoe hanafaka ny vahoakany avy tany Babylona tamin’ny alalan’ny tafik’i Media sy i Persia. (Isaia 13:17-19; 21:2, 9; 44:28; Daniela 5:28) Andriamanitry ny rariny i Jehovah, ka handoa amin’ireo Medianina sy Persanina “nampiasainy”, avotra ampy tsara ho takalon’ny Isiraely. “Omeko ho avotrao Egypta, ary Etiopia sy Seba ho solonao.
-
-
“Hianareo no Vavolombeloko”!Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
-
-
Hamarinin’ny tantara fa tena nandresy an’i Ejipta sy Etiopia ary Seba teo akaikiny, tokoa ny Fanjakana Persanina, araka ny nolazain’Andriamanitra mialoha. (Ohabolana 21:18) Nanafaka ny sisa tamin’ny Isiraely ara-panahy tamin’ny fahababoana, i Jehovah, tamin’ny 1919, tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy. Tsy nila valisoa anefa i Jesosy, noho izany asa fanampiana nataony izany. Tsy filoha mpanompo sampy akory izy. Ary ny rahalahiny ara-panahy no nafahany. Ankoatra izany, dia efa nomen’i Jehovah ‘ny jentilisa ho lovany ary ny faran’ny tany ho fananany’ izy, tamin’ny 1914.—Salamo 2:8.
-