-
“Hianareo no Vavolombeloko”!Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
-
-
Indro, Izaho efa hanao zava-baovao, koa ankehitriny dia efa miposaka izany; tsy hahalala izany va hianareo? Eny, any an-efitra no hanaovako làlana ary any amin’ny tany lao no hasiako ony;
-
-
“Hianareo no Vavolombeloko”!Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
-
-
Kanefa izao dia nirin’i Jehovah ny hankalazan’ny vahoakany azy noho ny “zava-baovao” iray, izay hiainan’izy ireo mivantana. Anisan’izany ny fanafahana azy avy tany Babylona, sy ny diany nody, izay tena fahagagana, angamba nanaraka ilay lalana nahitsy kokoa tany an’efitra. Hanao “làlana” ho azy ireo i Jehovah tany amin’io tany ngazana io, ary hanao asa mahery izay hampahatsiahy azy ireo ny nataony ho an’ny Isiraelita tamin’ny andron’i Mosesy. Eny tokoa, hamahana azy ireo any an’efitra izy ary hanafaka ny hetahetany amin’ny alalan’ny renirano ara-bakiteny.
-
-
“Hianareo no Vavolombeloko”!Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
-
-
19. Ahoana no andehanan’ny Isiraely ara-panahy sy ny namany eo amin’ny “Làlan’ny fahamasinana”?
19 Toy izany koa, tamin’ny 1919, dia nafahana tamin’ny fahababoan’i Babylona Lehibe ny sisa amin’ny Isiraely ara-panahy, ka nanomboka nandeha teo amin’ny “Làlan’ny fahamasinana”, izay nomanin’i Jehovah ho azy. (Isaia 35:8) Tsy voatery nifindrafindra toerana ara-bakiteny tany an’efitra nahamay, toy ny Isiraelita, izy ireo. Tsy vita tao anatin’ny volana vitsivitsy ny diany, ary tsy nankany Jerosalema izy ireo. Kanefa tena nitarika ny sisa amin’ny Kristianina voahosotra ho any amin’ny paradisa ara-panahy iray ilay “Làlan’ny fahamasinana.” Tsy miala amin’io “Làlan’ny fahamasinana” io izy ireo, satria mbola voatery mamakivaky ity tontolo ity. Raha tsy miala amin’io lalambe io izy ireo, izany hoe mitandrina foana ny fitsipik’Andriamanitra momba ny fahadiovana sy ny fahamasinana, dia tsy hiala amin’ilay paradisa ara-panahy.
-