-
Famantarana Ilay Karazana Iraka TsaraNy Tilikambo Fiambenana—1997 | 1 Mey
-
-
7, 8. Inona no hafatra ara-tsindrimandry nomena an’i Isaia ho an’i Babylona, ary inona no dikan’ny teniny?
7 Natao ho aolo i Joda sy i Jerosalema, ka tsy hisy olombelona honina mandritra ny 70 taona. Kanefa, nolazain’i Jehovah tamin’ny alalan’i Isaia sy i Ezekiela fa haorina indray ilay tanàna, ary hisy mponina indray ilay tany amin’ilay fotoana hentitra nambarany mialoha! Faminaniana nahagaga ilay izy. Nahoana? Satria i Babylona dia nalaza ho tsy mba nanafaka ireo mpifatony mihitsy. (Isaia 14:4, 15-17). Koa iza àry no ho afaka hanafaka an’ireny mpifatotra ireny? Iza no ho afaka handresy an’i Babylona natanjaka be, izay voaron’ireo mandany goavana sy ny ony izay rafi-piarovany? I Jehovah Tsitoha! Ary nilaza izy fa hanao izany: “Izaho (...) milaza amin’ny rano lalina [izany hoe ny rano fiarovana an’ilay tanàna] hoe: Tankìna, fa hataoko tankina ny oninao, ary milaza an’i Kyrosy hoe: Izy no mpiandry ondriko, ka izay sitrako rehetra dia hotanterahiny; ary izy hanao amin’i Jerosalema hoe: Hatsangana hianao, ary amin’ny tempoly hoe: Haorina indray ny fanorenanao.” — Isaia 44:25, 27, 28.
8 Eritrereto ange izany e! Ny Ony Eofrata, izay tena sakana nahatahotra ho an’ny olona, dia toy ny rano indray mitete eo ambony zavatra mahamay ho an’i Jehovah. Poatoizay, dia iny fa lasa etona ilay sakana! Hianjera i Babylona. Na dia mbola tokony ho 150 taona talohan’ny hahaterahan’i Kyrosy Persiana aza izany, dia nasain’i Jehovah i Isaia hanambara mialoha ny hamaboan’io mpanjaka io an’i Babylona, sy ny hanafahany an’ireo babo jiosy tamin’ny fanomezana azy ireo lalana hiverina mba hanorina indray an’i Jerosalema sy ny tempoliny.
-
-
Famantarana Ilay Karazana Iraka TsaraNy Tilikambo Fiambenana—1997 | 1 Mey
-
-
11. Nahoana no nihevi-tena ho nilamin-tsaina ny mponina tao Babylona?
11 Tamin’ny fotoana nandehanan’i Kyrosy hamely an’i Babylona, dia nihevi-tena ho voaro sy nilamin-tsaina erỳ ireo mponina tao aminy. Voahodidina hady vory fiarovana lalina sy malalaka iray, voaforon’ny Ony Eofrata, ny tanànan’izy ireo. Teo amin’ny toerana namakivakian’ilay ony an’ilay tanàna, dia nasiana sisiny teo amin’ny andaniny atsinanana tamin’ny ony. Mba hanasarahana azy io tamin’ilay tanàna, i Nebokadnezara dia nanorina izay nantsoiny hoe “manda lehibe, izay toa tendrombohitra tsy azo nohozongozonina. (...) Ny tampony dia natsangany ho avo toy ny tendrombohitra”.a Io manda io dia nanana vavahady nisy lelany varahina goavana. Mba hidirana tamin’izy ireo, dia tsy maintsy nianika ilay toerana nisolampy avy teo amoron’ilay ony ny olona iray. Tsy mahagaga raha namoy ny fanantenana ny hafahana avy tao ireo mpifatotra tao Babylona!
12, 13. Ahoana no nahatanteraka ny tenin’i Jehovah tamin’ny alalan’i Isaia izay irany, rehefa nianjera teo an-tanan’i Kyrosy i Babylona?
12 Tsy mba toy izany anefa ny amin’ireo babo jiosy ireo izay nanam-pinoana an’i Jehovah! Nanana fanantenana namirapiratra izy ireo. Tamin’ny alalan’ireo mpaminaniny no nampanantenan’Andriamanitra fanafahana azy ireo. Ahoana no nanatanterahan’Andriamanitra ny fampanantenany? Nanome baiko an’ireo tafiny i Kyrosy mba hampivily ny Ony Eofrata tany amin’ny kilaometatra maro tany avaratr’i Babylona. Toy izany no nahatonga an’ilay fiarovana lehibe indrindran’ilay tanàna ho fanambanin’ny ony maimaina ihany.
-