-
Nanambara Fahafahana Ilay Andriamanitra MarinaNy Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
-
-
Nanaitra mafy ilay faminaniana, rehefa nambara ny anaran’ilay lehilahy hanafaka ilay firenena avy tao Babylona.
-
-
Nanambara Fahafahana Ilay Andriamanitra MarinaNy Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
-
-
ary milaza an’i Kyrosy hoe: Izy no mpiandry ondriko, ka izay sitrako rehetra dia hotanterahiny; ary izy hanao amin’i Jerosalema hoe: Hatsangana hianao, ary amin’ny tempoly hoe: Haorina indray ny fanorenanao.”—Isaia 44:24-28.
-
-
Nanambara Fahafahana Ilay Andriamanitra MarinaNy Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
-
-
22. Lazao ny fomba nahatankina ny Ony Eofrata.
22 Mazàna ny mpisandoka ho milaza ny hoavy no tsy sahy manao vinavina hentitra loatra, sao hita fa diso ilay izy, rehefa mandeha ny fotoana. Mifanohitra amin’izany i Jehovah, fa na ny anaran’ilay lehilahy hampiasainy aza dia efa nampahafantariny tamin’ny alalan’i Isaia. Izy no hanafaka ny vahoakany avy tamin’ny fahababoana, mba hodiany sy hanorenany indray an’i Jerosalema sy ny tempoly. Kyrosy no anarany, ary Kyrosy Lehibe avy any Persia no ahafantarana azy.
-
-
Nanambara Fahafahana Ilay Andriamanitra MarinaNy Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
-
-
23. Inona no porofo ananantsika fa tanteraka ilay faminaniana hoe hanafaka ny Isiraely i Kyrosy?
23 Ahoana ny amin’ilay teny hoe hanafaka ny vahoakan’Andriamanitra i Kyrosy, sy hanao izay hanorenana indray an’i Jerosalema sy ny tempoly? Nanao izao fanambarana ofisialy voatahiry ao amin’ny Baiboly izao mihitsy i Kyrosy: “Izao no lazain’i Kyrosy, mpanjakan’i Persia: Ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany dia efa nomen’i Jehovah, Andriamanitry ny lanitra, ahy; ary Izy efa nandidy ahy hanao trano ho Azy any Jerosalema izay any Joda. Koa iza avy moa aminareo rehetra no olony? Andriamaniny anie homba azy, fa aoka hiakatra any Jerosalema izay any Joda izy ka hanao ny tranon’i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely,—Izy no Andriamanitra Izay any Jerosalema.” (Ezra 1:2, 3) Tanteraka tamin’ny fomba feno ny tenin’i Jehovah tamin’ny alalan’i Isaia!
-