Famantarana Ilay Karazana Iraka Tsara
“Izaho (...) mahatò ny tenin’ny mpanompoko sy mahatanteraka ny saina atolotry ny irako”. — ISAIA 44:25, 26.
1. Amin’ny fomba ahoana no ampahafantaran’i Jehovah ilay karazana iraka tsara, ary amin’ny fomba ahoana no analany sarona an’ilay karazana iraka sandoka?
I JEHOVAH Andriamanitra no ilay Mpampahafantatra Lehibe an’ireo tena irany. Mampahafantatra azy ireo izy amin’ny fanaovana izay hahatò ny hafatra omeny amin’ny alalan’izy ireo. I Jehovah koa no ilay Mpanala Sarona Lehibe an’ireo iraka sandoka. Amin’ny fomba ahoana no analany sarona azy ireo? Foanany ireo famantarana sy faminaniana lazain’izy ireo. Amin’izany fomba izany no ampisehoany fa izy ireo dia manendry tena ho mpilaza famantarana, izay mitondra hafatra tena avy amin’ny fanjohian-kevitra dison’ny tenany ihany — eny, avy amin’ny fisainany adala sy araka ny nofo!
2. Inona no fifanoherana nitranga teo amin’ireo iraka tamin’ny andron’ny Isiraelita?
2 I Isaia sy i Ezekiela dia samy nilaza tena ho irak’i Jehovah Andriamanitra. Izany tokoa ve izy ireo? Andeha hojerentsika. I Isaia dia naminany tany Jerosalema nanomboka tamin’ny 778 al.f.i. tany ho any ka hatramin’ny fotoana tsy ela taorian’ny 732 al.f.i. I Ezekiela kosa dia natao sesitany tany Babylona tamin’ny 617 al.f.i. Naminany tamin’ireo rahalahiny jiosy tany izy. Ireo mpaminany roa ireo dia samy nanambara tamim-pahasahiana fa horavana i Jerosalema. Nisy mpaminany hafa nilaza fa tsy hamela izany hitranga Andriamanitra. Iza no voaporofo fa ilay karazana iraka tsara?
Manala sarona an’ireo mpaminany sandoka i Jehovah
3, 4. a) Hafatra roa nifanohitra inona avy no nomena an’ireo Isiraelita tany Babylona, ary tamin’ny fomba ahoana no nanalan’i Jehovah sarona ny iraka sandoka iray? b) Inona no nolazain’i Jehovah fa hitranga tamin’ireo mpaminany sandoka?
3 Fony tany Babylona i Ezekiela, dia nomena fahitana ny amin’izay nitranga tao amin’ny tempolin’i Jerosalema. Teo amin’ny fidirana ho amin’ny vavahady atsinanana dia nisy lehilahy 25. Teo amin’izy ireo dia nisy roa lahy lehiben’ny vahoaka, dia i Jazania sy i Pelatia. Ahoana no niheveran’i Jehovah azy ireo? Mamaly toy izao ny Ezekiela 11:2, 3: “Ry zanak’olona, ireo no lehilahy izay mamoron-tsain-dratsy sady manolo-tsain-dratsy eto amin’ity tanàna ity, dia izay manao hoe: Mbola lavitra ny hanaovana trano”. Nilaza ireny iraka nilaza fiadanana feno fieboeboana ireny hoe: ‘Tsy misy loza ho an’i Jerosalema. Handeha hanorina trano fanampiny ao isika tsy ho ela!’ Koa nilaza tamin’i Ezekiela àry Andriamanitra mba haminany zavatra nifanohitra tamin’izay nolazain’ireny mpaminany nandainga ireny. Eo amin’ny andininy faha-13 amin’ny toko faha-11, dia milaza amintsika izay nitranga tamin’ny iray tamin’izy ireny, i Ezekiela: “Raha mbola naminany aho, dia maty Pelatia, zanak’i Benaia.” Azo inoana fa nitranga izany satria i Pelatia no lehiben’ny vahoaka nalaza indrindra sy nanana fahefana indrindra ary mpanompo sampy raindahiny indrindra. Ny fahafatesany tampoka dia nanaporofo fa mpaminany sandoka izy!
4 Tsy nisakana an’ireo mpaminany sandoka hafa tsy hilaza lainga tamin’ny anaran’Andriamanitra ny nandringanan’i Jehovah an’i Pelatia. Nanohy nanaraka ny lalam-pitondran-tenany adala, dia ny filazana faminaniana nanohitra ny sitrapon’Andriamanitra, ireny mpamitaka ireny. Koa nilaza toy izao tamin’i Ezekiela i Jehovah Andriamanitra: “Lozan’ny mpaminany adala, izay manaraka ny fanahiny sy ny zavatra tsy hitany.” Tahaka an’i Pelatia, dia ‘tsy hisy intsony’ izy ireo noho ny nahitany tamim-pihaikana ho an’i Jerosalema, “fahitana fiadanana (...), kanjo tsy misy fiadanana tsinona”. — Ezekiela 13:3, 15, 16.
5, 6. Na dia teo aza ireo iraka sandoka rehetra, ahoana no nanamarinana ny naha-tena mpaminany an’i Isaia?
5 Raha ny amin’i Isaia indray, dia tanteraka avokoa ireo hafatra avy tamin’Andriamanitra nentiny momba an’i Jerosalema. Tamin’ny fahavaratry ny 607 al.f.i., dia noravan’ny Babyloniana ilay tanàna, ary nentiny ho babo tany Babylona ireo sisa tamin’ny Jiosy. (2 Tantara 36:15-21; Ezekiela 22:28; Daniela 9:2). Nisakana an’ireo mpaminany sandoka tsy hanototra ny vahoakan’Andriamanitra tamin’ny rediredy foana ve ireny loza ireny? Tsia, fa nifikitra tamin’izany ireny iraka nandainga ireny!
6 Fanampin’izany, dia mbola niatrika an’ireo mpanandro sy mpisikidy (na mpanao fankatovana) ary astrology nieboebo tao Babylona koa ireo Isiraelita natao sesitany. Kanefa, i Jehovah dia nanaporofo fa olona adala izay ho diso fanantenana satria naminany ny nifanohitra tamin’izay hitranga, ireny iraka sandoka rehetra ireny. Tatỳ aoriana, dia nasehony fa i Ezekiela no tena irany, ary toy izany koa i Isaia. Notanterahin’i Jehovah avokoa ny teny rehetra nolazainy tamin’ny alalan’izy ireo, tsy nisy hafa tamin’izay nampanantenainy toy izao: “Izaho mahafoana ny famantarana lazain’ny mpibedibedy sy mampahavery saina ny mpanao fankatovana ary mampihemotra ny olon-kendry ka mampody ny fahalalany ho fahadalana, ary mahatò ny tenin’ny mpanompoko sy mahatanteraka ny saina atolotry ny irako”. — Isaia 44:25, 26.
Hafatra nanaitra momba an’i Babylona sy i Jerosalema
7, 8. Inona no hafatra ara-tsindrimandry nomena an’i Isaia ho an’i Babylona, ary inona no dikan’ny teniny?
7 Natao ho aolo i Joda sy i Jerosalema, ka tsy hisy olombelona honina mandritra ny 70 taona. Kanefa, nolazain’i Jehovah tamin’ny alalan’i Isaia sy i Ezekiela fa haorina indray ilay tanàna, ary hisy mponina indray ilay tany amin’ilay fotoana hentitra nambarany mialoha! Faminaniana nahagaga ilay izy. Nahoana? Satria i Babylona dia nalaza ho tsy mba nanafaka ireo mpifatony mihitsy. (Isaia 14:4, 15-17). Koa iza àry no ho afaka hanafaka an’ireny mpifatotra ireny? Iza no ho afaka handresy an’i Babylona natanjaka be, izay voaron’ireo mandany goavana sy ny ony izay rafi-piarovany? I Jehovah Tsitoha! Ary nilaza izy fa hanao izany: “Izaho (...) milaza amin’ny rano lalina [izany hoe ny rano fiarovana an’ilay tanàna] hoe: Tankìna, fa hataoko tankina ny oninao, ary milaza an’i Kyrosy hoe: Izy no mpiandry ondriko, ka izay sitrako rehetra dia hotanterahiny; ary izy hanao amin’i Jerosalema hoe: Hatsangana hianao, ary amin’ny tempoly hoe: Haorina indray ny fanorenanao.” — Isaia 44:25, 27, 28.
8 Eritrereto ange izany e! Ny Ony Eofrata, izay tena sakana nahatahotra ho an’ny olona, dia toy ny rano indray mitete eo ambony zavatra mahamay ho an’i Jehovah. Poatoizay, dia iny fa lasa etona ilay sakana! Hianjera i Babylona. Na dia mbola tokony ho 150 taona talohan’ny hahaterahan’i Kyrosy Persiana aza izany, dia nasain’i Jehovah i Isaia hanambara mialoha ny hamaboan’io mpanjaka io an’i Babylona, sy ny hanafahany an’ireo babo jiosy tamin’ny fanomezana azy ireo lalana hiverina mba hanorina indray an’i Jerosalema sy ny tempoliny.
9. Iza no iraka nomen’i Jehovah fahefana hanafay an’i Babylona?
9 Io faminaniana io dia hitantsika ao amin’ny Isaia 45:1-3, manao hoe: “Izao no lazain’i Jehovah amin’ny voahosony, dia Kyrosy, izay notantanako tamin’ny tànany ankavanana, mba handreseko firenena eo anoloany (...), mba hamohako [ireo varavarana kopa-droa, NW ] eo anoloany, ka tsy hirindrina intsony ny vavahady: Handroso eo alohanao Aho ary handravona ny mikitoantoana sy hanorotoro ny varavarana varahina ary hanapatapaka ny hidy vy; dia homeko anao ny rakitra ao amin’ny maizina sy ny harena nafenina ao amin’ny mangingina, mba hahafantaranao fa Izaho no Jehovah Izay miantso anao amin’ny anaranao”.
10. Tamin’ny fomba ahoana no ‘nanosorana’ an’i Kyrosy, ary ahoana no nahafahan’i Jehovah niresaka taminy maherin’ny zato taona talohan’ny nahaterahany?
10 Mariho fa i Jehovah dia miresaka amin’i Kyrosy toy ny hoe efa velona sahady izy. Izany dia mifanaraka amin’ny filazan’i Paoly fa “miantso ny tsy misy toy ny misy” i Jehovah. (Romana 4:17). Afa-tsy izany koa, dia mampahafantatra an’i Kyrosy ho ilay “voahosony” Andriamanitra. Nahoana izy no nanao izany? Raha dinihina tokoa, ny mpisoronaben’i Jehovah dia tsy nandraraka na oviana na oviana diloilo fanosorana masina teo amin’ny lohan’i Kyrosy. Marina izany, saingy fanosorana ara-paminaniana io. Izy io dia manondro fanomezana andraikitra manokana. Koa afaka niresaka ny amin’ny fanendreny mialoha an’i Kyrosy ho toy ny fanosorana àry Andriamanitra. — Ampitahao amin’ny 1 Mpanjaka 19:15-17; 2 Mpanjaka 8:13.
Manatanteraka ny tenin’ireo irany Andriamanitra
11. Nahoana no nihevi-tena ho nilamin-tsaina ny mponina tao Babylona?
11 Tamin’ny fotoana nandehanan’i Kyrosy hamely an’i Babylona, dia nihevi-tena ho voaro sy nilamin-tsaina erỳ ireo mponina tao aminy. Voahodidina hady vory fiarovana lalina sy malalaka iray, voaforon’ny Ony Eofrata, ny tanànan’izy ireo. Teo amin’ny toerana namakivakian’ilay ony an’ilay tanàna, dia nasiana sisiny teo amin’ny andaniny atsinanana tamin’ny ony. Mba hanasarahana azy io tamin’ilay tanàna, i Nebokadnezara dia nanorina izay nantsoiny hoe “manda lehibe, izay toa tendrombohitra tsy azo nohozongozonina. (...) Ny tampony dia natsangany ho avo toy ny tendrombohitra”.a Io manda io dia nanana vavahady nisy lelany varahina goavana. Mba hidirana tamin’izy ireo, dia tsy maintsy nianika ilay toerana nisolampy avy teo amoron’ilay ony ny olona iray. Tsy mahagaga raha namoy ny fanantenana ny hafahana avy tao ireo mpifatotra tao Babylona!
12, 13. Ahoana no nahatanteraka ny tenin’i Jehovah tamin’ny alalan’i Isaia izay irany, rehefa nianjera teo an-tanan’i Kyrosy i Babylona?
12 Tsy mba toy izany anefa ny amin’ireo babo jiosy ireo izay nanam-pinoana an’i Jehovah! Nanana fanantenana namirapiratra izy ireo. Tamin’ny alalan’ireo mpaminaniny no nampanantenan’Andriamanitra fanafahana azy ireo. Ahoana no nanatanterahan’Andriamanitra ny fampanantenany? Nanome baiko an’ireo tafiny i Kyrosy mba hampivily ny Ony Eofrata tany amin’ny kilaometatra maro tany avaratr’i Babylona. Toy izany no nahatonga an’ilay fiarovana lehibe indrindran’ilay tanàna ho fanambanin’ny ony maimaina ihany. Tamin’ilay alina tena lehibe, dia tsy nitandrina ireo mpikorana nanaram-po tamin’ny fisotroana tao Babylona, ka namela ireo varavarana kopa-droa teo amoron’i Eofrata hivoha. Tsy nanorotoro ara-bakiteny ireo varavarana varahina akory i Jehovah; ary tsy nanapatapaka ireo hidy vy koa izy, kanefa ny fitarihany nahatalanjona mba hamelana azy ireo hivoha sy tsy hisy hidiny, dia nanome vokatra nitovy tamin’izany. Tsy nisy nilana azy ireo mandan’i Babylona. Tsy voatery nianika azy ireo ny tafik’i Kyrosy mba hidirana tao. Nialoha lalana an’i Kyrosy i Jehovah, ka nanaisotra ny “mikitoantoana”, eny, ny vato nisakana rehetra. Voaporofo ho tena irak’Andriamanitra i Isaia.
13 Rehefa avy nifehy tanteraka an’ilay tanàna i Kyrosy, dia lasany avokoa ny rakitra rehetra tao aminy, anisan’izany izay nafenina tao amin’ireo efitra maizina sy niafina. Nahoana i Jehovah Andriamanitra no nanao izany ho an’i Kyrosy? Mba hahafantarany fa i Jehovah, ‘Izay miantso azy amin’ny anarany’, no ilay Andriamanitry ny faminaniana marina sady Tompo Manam-piandrianana eo amin’izao rehetra izao. Ho fantany fa Andriamanitra efa nanao fandaharana mba hahatongavan’i Kyrosy teo amin’ny fahefana ka hanafaka ny Isiraely vahoakany.
14, 15. Ahoana no ahafantarantsika fa noho i Jehovah no nandresen’i Kyrosy an’i Babylona?
14 Henoy ny tenin’i Jehovah tamin’i Kyrosy: “Noho ny amin’i Jakoba mpanompoko sy Isiraely voafidiko no niantsoako anao tamin’ny anaranao sy nanomezako anarana malaza ho anao, na dia tsy nahafantatra Ahy aza hianao. Izaho no Jehovah, fa tsy misy hafa: Tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho; Izaho efa nampisikina anao, kanefa tsy nahafantatra Ahy hianao, mba hahafantarana hatrany amin’ny fiposahan’ny masoandro ka hatrany amin’ny filentehany fa tsy misy afa-tsy Izaho: Izaho no Jehovah, fa tsy misy hafa, dia Izaho Izay mamorona ny mazava sy mahary ny maizina, manao ny fiadanana [izany hoe ho an’ny vahoakany tany an-tsesitany] sy mahary ny loza [ho an’i Babylona]; Izaho Jehovah no manao izany rehetra izany.” — Isaia 45:4-7.
15 Noho i Jehovah no nandresen’i Kyrosy an’i Babylona, satria i Jehovah no nanatanjaka azy mba hanatanteraka ny sitrapony ny amin’ny hamelezana an’io tanàna ratsy fanahy io sy ny hanafahana ny vahoakany babo. Tamin’ny fanaovana izany, Andriamanitra dia niantso ny lanitra, izay azy, mba handrotsaka fitaomana na hery feno fahitsiana. Niantso ny tany, izay azy, izy, mba hisokatra sy hamokatra fisehoan-javatra sy famonjena feno fahitsiana ho an’ny vahoakany tany an-tsesitany. Ary namaly ny baikony ny lanitra sy ny tany ara-panoharana, izay azy. (Isaia 45:8). Maherin’ny zato taona taorian’ny nahafatesan’i Isaia, dia naseho ho tena irak’i Jehovah, izy!
Ny vaovao tsara nentin’ilay iraka ho an’i Ziona!
16. Inona no vaovao tsara azo nambara tao amin’ilay tanàna aolon’i Jerosalema, rehefa latsaka tao amin’ny faharesena i Babylona?
16 Misy zavatra amboniny anefa. Ny Isaia 52:7 dia milaza vaovao tsara toy izao ho an’i Jerosalema: “Akory ny hatsaran’ny tongotr’irỳ mitondra [vaovao tsara, NW ] erỳ an-tendrombohitra sady mitory fiadanana! Dia izay mitondra [vaovao tsara ny amin’ny zavatra tsara kokoa, NW ] sady mitory famonjena, eny, izay manao amin’i Ziona hoe: Mpanjaka Andriamanitrao!” Alao sary an-tsaina hoe nampientam-po toy inona moa ny nahita iraka iray, nanatona an’i Jerosalema avy teny amin’ireo tendrombohitra! Tsy maintsy ho nanana vaovao izy. Inona izany? Vaovao nampientanentana ho an’i Ziona. Vaovao momba ny fiadanana, eny, vaovao momba ny fankasitrahan’Andriamanitra. Haorina indray i Jerosalema sy ny tempoliny! Ary hoy ny ambaran’ilay iraka manana hafanam-pom-pandresena: “Mpanjaka Andriamanitrao!”
17, 18. Inona no fiantraikan’ny fandresen’i Kyrosy an’i Babylona teo amin’ny anaran’i Jehovah?
17 Rehefa navelan’i Jehovah ny Babyloniana hanongana ny seza fiandrianany tandindona, izay nipetrahan’ireo mpanjaka tamin’ny firazanan’i Davida, dia nety ho toy ny hoe tsy Mpanjaka intsony ny tenany. Toa i Mardoka, andriamanitra lehibe indrindran’i Babylona indray no mpanjaka. Kanefa, rehefa naongan’Andriamanitr’i Ziona i Babylona, dia nasehony ny maha-tompom-piandrianana eo amin’izao rehetra izao azy — fa izy no Mpanjaka lehibe indrindra. Ary mba hanamafisana io zava-misy io, dia haorina indray i Jerosalema, ilay “tanànan’ny Mpanjaka lehibe”, niaraka tamin’ny tempoliny. (Matio 5:35). Raha ny amin’ilay iraka nitondra izany vaovao tsara izany, na dia feno vovoka, naloto sy naratra aza ny tongony, teo imason’ireo tia an’i Ziona sy ny Andriamaniny, izy ireo dia, endre, tsara erỳ!
18 Amin’ny heviny ara-paminaniana, ny fianjeran’i Babylona dia nidika fa voaorina ny fanjakan’Andriamanitra, ary koa fa ilay mpitondra vaovao tsara dia mpanambara an’izany zava-misy izany. Ankoatra izany, io mpitondra hafatra fahiny nambara mialoha tamin’ny alalan’i Isaia io, dia sary nampiseho iraka hilaza vaovao tsara lehibe kokoa — lehibe kokoa satria nirakitra zavatra faran’izay kanto sy foto-kevitra momba ilay Fanjakana, izay mifono heviny mahatalanjona ho an’ny olona rehetra manam-pinoana.
19. Inona ny hafatra momba ny tanin’ny Isiraely nomen’i Jehovah tamin’ny alalan’i Ezekiela?
19 I Ezekiela koa dia nomena faminaniana mamirapiratra momba ny famerenana amin’ny laoniny. Hoy izy naminany: “Izao no lazain’i Jehovah Tompo: (...) Hametrahako mponina ao amin’ny tanàna, ary haorina indray ny efa rava. Fa holazainy hoe: Ity tany efa lao ity dia tonga tahaka ny saha Edena”. — Ezekiela 36:33, 35.
20. Fampirisihana mahafaly inona no nomen’i Isaia ara-paminaniana an’i Jerosalema?
20 Nandritra ny fahababoana tao Babylona, dia nalahelo noho i Ziona ny vahoakan’Andriamanitra. (Salamo 137:1). Ankehitriny izy ireo dia afaka nifaly. Nampirisika toy izao i Isaia: “Velomy ny hoby, ry fitoeran-drava any Jerosalema; fa Jehovah efa nampionona ny olony sady efa nanavotra an’i Jerosalema. Jehovah efa nampitanjaka ny sandriny masina teo imason’ny firenena rehetra; ary ny faran’ny tany rehetra hahita ny famonjen’Andriamanitsika.” — Isaia 52:9, 10, fanamarihana ambany pejy.
21. Ahoana no nahatanterahan’ny teny ao amin’ny Isaia 52:9, 10 taorian’ny naharesen’i Babylona?
21 Eny, nanana antony lehibe tokony hifaliana ilay vahoaka voafidin’i Jehovah. Izao izy ireo dia handeha honina indray any amin’ireny toerana lao taloha ireny, ka hanao izay hahatonga azy ho tahaka ny saha Edena. “Nampitanjaka ny sandriny masina” ho azy ireo i Jehovah. Namoritra ny tanan’akanjony izy, raha azo atao ny milaza izany, mba hahafahany hampiverina azy ireo any an-tanindrazany malala. Tsy hoe zava-nitranga madinika sady tsy be mpahalala teo amin’ny tantara izany. Tsia, ny olona rehetra velona tamin’izany dia nahita ny ‘sandrin’Andriamanitra nitanjaka’ nampiasa hery teo amin’ny raharahan’ny olombelona mba hanatanterahana ilay famonjena mahagaga ho an’ny firenena iray. Nomena porofo tsy azo nolavina izy ireo fa tena irak’i Jehovah i Isaia sy i Ezekiela. Tsy nisy na iza na iza afaka nisalasala fa ny Andriamanitr’i Ziona no ilay hany Andriamanitra velona sady marina eo amin’ny tany rehetra. Izao no vakintsika ao amin’ny Isaia 35:2: “Hahita ny voninahitr’i Jehovah izy sy ny famirapiratan’Andriamanitsika.” Ireo izay nanaiky io porofon’ny maha-Andriamanitra an’i Jehovah io dia nitodika ho amin’ny fanolorana fanompoam-pivavahana ho azy.
22. a) Ny amin’inona no tokony hahavelom-pankasitrahana antsika amin’izao andro izao? b) Nahoana isika no tokony ho velom-pankasitrahana indrindra noho ny fanalan’i Jehovah sarona an’ireo iraka sandoka?
22 Tokony ho velom-pankasitrahana toy inona moa isika noho ny fampahafantaran’i Jehovah an’ireo tena irany! Eny tokoa, izy no ‘Ilay mahatò ny tenin’ny mpanompony sy mahatanteraka ny saina atolotry ny irany’. (Isaia 44:26, fanamarihana ambany pejy). Ireo faminaniana momba ny famerenana amin’ny laoniny nomeny an’i Isaia sy i Ezekiela dia manandratra ny fitiavany lehibe sy ny hatsaram-panahiny ho an’izay tsy mendrika akory ary ny famindram-pony amin’ireo mpanompony. Eny tokoa, mendrika ny fiderantsika rehetra i Jehovah noho izany! Ary isika amin’izao andro izao dia tokony ho velom-pankasitrahana indrindra noho ny fanalany sarona an’ireo iraka sandoka. Izany no izy satria maro izy ireny ankehitriny eo amin’ny sehatr’izao tontolo izao. Ireo hafatra mirenty entiny dia tsy miraharaha ireo fikasan’i Jehovah voambara. Hanampy antsika hamantatra ireo iraka sandoka ireo ny lahatsoratra manaraka.
[Fanamarihana ambany pejy]
a The Monuments and the Old Testament, nataon’i Ira Maurice Price, 1925.
Azonao Hazavaina Ve?
◻ Amin’ny fomba ahoana no ampahafantaran’i Jehovah an’ireo tena irany?
◻ Tamin’ny alalan’i Isaia, iza no notondroin’i Jehovah ho iraka nomeny fahefana handresy an’i Babylona?
◻ Ahoana no nahatanterahan’ireo faminanian’i Isaia nilazalaza momba ny faharesen’i Babylona?
◻ Inona no vokatra tsara nentin’ny naharesen’i Babylona, teo amin’ny anaran’i Jehovah?
[Sary, pejy 9]
Toy ny hoe tsy azon’ireo firenena tamin’ny andron’i Ezekiela noresena i Babylona