-
Ny Fivavahan-diso—Tsinjo ny Hiafarany Hanaitra MafyNy Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
-
-
Haetry ho amin’ny vovoka i Babylona
3. Hazavao ny halehiben’ny Fanjakana Babylonianina.
3 Henoy izao fanambarana manaitra nataon’Andriamanitra izao: “Mialà, ka mipetraha amin’ny vovoka, ry Babylona, zanakavavy virijina! Mipetraha eo amin’ny tany, fa tsy amin’ny seza fiandrianana, ry Kaldea zanakavavy! Fa tsy hatao hoe vehivavy malemilemy sy mihantahanta intsony hianao.” (Isaia 47:1) An-taona maro i Babylona no firenena natanjaka indrindra eran-tany. “Ravaky ny fanjakana maro” izy, izany hoe foibe ara-pivavahana sy ara-barotra ary ara-tafika niroborobo be. (Isaia 13:19) Fony teo amin’ny fara tampony i Babylona, dia tonga hatrany amin’ny sisin-tanin’i Ejipta tany atsimo ny fanjakany. Ary rehefa naharesy an’i Jerosalema izy tamin’ny 607 T.K., na Andriamanitra aza toa tsy nahasakana ny fandreseny! Noho izany, dia nihevi-tena ho “zanakavavy virijina”, tsy hotafihin’ny vahiny mihitsy, izy.b
4. Inona no hanjo an’i Babylona?
4 Kanefa haongana io “virijina” nieboebo io, ka tsy ho ny firenena matanjaka indrindra intsony, fa haetry ka hasaina ‘hipetraka amin’ny vovoka.’ (Isaia 26:5) Tsy hoheverina ho “malemilemy sy mihantahanta”, toy ny mpanjakavavy ampihantaina, intsony izy.
-
-
Ny Fivavahan-diso—Tsinjo ny Hiafarany Hanaitra MafyNy Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
-
-
b Ny hoe “Babylona, zanakavavy virijina” amin’ny teny hebreo dia manondro an’i Babylona na ny mponin’i Babylona. “Virijina” izy satria tsy nisy nandresy na nandroba hatramin’ny naha firenena natanjaka azy.
-