-
Ny Fivavahan-diso—Tsinjo ny Hiafarany Hanaitra MafyNy Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
-
-
14. Amin’ny heviny ahoana i Babylona no hiharan’ny “fahafoanan-anaka sy ny fananoan-tena”?
14 Inona no ho vokatr’izany ho an’i Babylona? Hoy ny tohin’ny tenin’i Jehovah: “Kanjo hanjo anao tampoka amin’ny indray andro monja ireto zavatra roa ireto, dia ny fahafoanan-anaka sy ny fananoan-tena; hotanterahina aminao avokoa izany, na dia maro aza ny fankatovanao, ary na dia be dia be aza ny odinao.” (Isaia 47:9) Eny, hifarana tampoka ny maha fanjakana fara tampony an’i Babylona. Ny famoizana vady sy zanaka no faran’izay nangidy indrindra tamin’ny vehivavy tatsinanana fahiny. Tsy fantatsika hoe firy ny ‘zanaka’ nafoin’i Babylona tamin’ilay alina nianjerany.d Amin’ny farany anefa, dia ho lao tanteraka io tanàna io. (Jeremia 51:29) Ho tonga mpitondratena koa izy, amin’ny heviny hoe haongana ireo mpanjakany.
15. Ankoatra ny halozan’i Babylona tamin’ny Jiosy, inona koa no nahatezitra an’i Jehovah taminy?
15 Tsy ny fampijalian’i Babylona ny Jiosy ihany anefa no antony nahatezitra an’i Jehovah. Nahatezitra azy koa ny ‘fankatovana maro’ nataon’izy io. Nanameloka ny fifandraisana tamin’ny fanahy ratsy ny Lalàn’Andriamanitra ho an’ny Isiraely; i Babylona anefa nanaram-po fatratra tamin’ny asan’ny maizina. (Deoteronomia 18:10-12; Ezekiela 21:21) Milaza ny boky Ny Fiaraha-monina teo Amin’ny Asyrianina sy ny Babylonianina (anglisy) fa ny Babylonianina dia “niaina tao anatin’ny tahotra tsy an-kijanona an’ireo demonia tsy toko tsy forohana izay ninoany fa nanodidina azy.”
-
-
Ny Fivavahan-diso—Tsinjo ny Hiafarany Hanaitra MafyNy Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
-
-
d Lazain’ny boky Nabonida sy Belsazara (anglisy), nataon’i Raymond Dougherty, fa araka ny Tantaran’i Nabonida, dia niditra “tsy niady” ny mpanafika an’i Babylona, fa araka an’i Xénophon, mpahay tantara grika, kosa dia nety ho nisy ra nandriaka be tamin’izay.
-