-
Ahoana no Ampisehoantsika hoe Tiantsika i Jehovah?Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
-
-
LESONA 34
Ahoana no Ampisehoantsika hoe Tiantsika i Jehovah?
Tsapanao ve hoe lasa akaiky kokoa an’Andriamanitra ianao hatramin’izay nianaranao Baiboly izay? Tianao ve raha vao mainka ianareo lasa mpinamana be? Tadidio fa rehefa hitan’i Jehovah hoe mitombo ny fitiavanao azy, dia vao mainka izy ho tia sy hikarakara anao. Ahoana àry no ampisehoanao hoe tianao izy?
1. Ahoana no ampisehoantsika hoe tiantsika i Jehovah?
Hita hoe tia an’i Jehovah isika rehefa mankatò azy. (Vakio ny 1 Jaona 5:3.) Tsy manery na iza na iza izy, fa avelany hisafidy ny tsirairay hoe hankatò azy sa tsia. Tian’i Jehovah mantsy raha ‘mankatò amin’ny fo’ isika. (Romanina 6:17) Inona no dikan’izany? Tiany raha mankatò azy ianao satria tia azy, fa tsy hoe terena. Asehonao hoe tia an’i Jehovah ianao raha ataonao izay zavatra tiany ary halavirinao izay tsy tiany. Hanampy anao amin’izany ny Fizarana faha-3 sy faha-4 amin’ity boky ity.
2. Maninona no sarotra indraindray ny mampiseho hoe tia an’i Jehovah?
“Maro ny zava-tsarotra atrehin’ny olo-marina.” (Salamo 34:19) Samy tsy lavorary daholo isika. Misy koa sahirana ara-bola, iharan’ny tsy rariny, na miatrika olana hafa. Sarotra ny manao an’izay asain’i Jehovah ataontsika rehefa hoatr’izany. Mety ho mora kokoa mantsy amin’izay ny hoe tsy mankatò an’i Jehovah. Raha manao an’izay asain’i Jehovah ataonao anefa ianao, dia ho hita hoe izy no tena tianao. Asehonao amin’izany koa hoe tsy mivadika aminy ianao. Tsy hivadika aminao koa àry izy, sady tsy hanary anao mihitsy.—Vakio ny Salamo 4:3.
ANDAO HOHALALININTSIKA
Hodinihintsika ireto: Nahoana no zava-dehibe amin’i Jehovah ny hoe mankatò azy ianao? Inona no hanampy anao tsy hivadika aminy mihitsy?
3. Nanendrikendrika anao i Satana
Resahina ao amin’ny bokin’i Joba hoe tsy i Joba ihany no nendrikendrehin’i Satana fa ny olona rehetra te hanompo an’i Jehovah koa. Vakio ny Joba 1:1, 6–2:10, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:
Araka ny tenin’i Satana, nahoana i Joba no nankatò an’i Jehovah?—Jereo ny Joba 1:9-11.
Nendrikendrehin’i Satana ny olona rehetra, anisan’izany ianao. Inona no nolazainy?—Jereo ny Joba 2:4.
Vakio ny Joba 27:5b, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:
Ahoana no nampisehoan’i Joba hoe tena tia an’i Jehovah izy?
4. Ampifalio ny fon’i Jehovah
Vakio ny Ohabolana 27:11, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:
Inona no tsapan’i Jehovah rehefa hendry sy mankatò azy ianao? Nahoana?
5. Ho vitanao ny tsy hivadika amin’i Jehovah
Rehefa tia an’i Jehovah isika, dia lasa te hiresaka momba azy amin’ny hafa. Tsy mivadika aminy isika ka miresaka momba azy foana, na dia tsy mora aza izany indraindray. Alefaso ilay VIDEO, ary iaraho midinika ny fanontaniana.
Sarotra aminao ve indraindray ny miresaka amin’ny olona momba an’i Jehovah?
Inona no nanampy an’i Eric tsy hatahotra?
Mora kokoa ny hoe tsy mivadika amin’i Jehovah rehefa tiantsika ny zavatra tiany ary halantsika izay halany. Vakio ny Salamo 97:10, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:
Raha ny nianaranao hatramin’izay, inona ny zavatra sasany tian’i Jehovah? Ary inona no halany?
Inona no hanampy anao ho tia ny tsara sy hankahala ny ratsy?
6. Mahasoa antsika ny mankatò an’i Jehovah
Ny mankatò an’i Jehovah foana no tsara indrindra. Vakio ny Isaia 48:17, 18, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:
Mino ve ianao hoe fantatr’i Jehovah foana izay tena mahasoa antsika? Nahoana?
Inona no soa noraisinao rehefa nianatra momba an’i Jehovah sy ny zavatra hafa ao amin’ny Baiboly ianao?
MISY MITENY HOE: “Tsy ho vitantsika mihitsy izany hampifaly an’Andriamanitra izany.”
Inona ny andinin-teny azonao ampiasaina mba hampisehoana fa afaka mampifaly an’Andriamanitra isika?
FAMINTINANA
Hita hoe tia an’i Jehovah ianao rehefa mankatò azy sy tsy mivadika aminy, na dia tsy mora aza izany indraindray.
Famerenana
Inona no nianaranao avy amin’ny ohatr’i Joba?
Ahoana no ampisehoanao hoe tia an’i Jehovah ianao?
Inona no hanampy anao tsy hivadika amin’i Jehovah?
JEREO KOA IRETO
Ahoana no ampisehoanao hoe tsy mivadika amin’i Jehovah sy ny fiangonana ianao?
Hazavaina bebe kokoa ato ilay fanendrikendrehan’i Satana.
“Tsy Nivadika Mihitsy i Joba” (Inona no Voalaza ao Amin’ny Baiboly?, fizarana 6)
Afaka mampiseho koa ve ny ankizy hoe tia an’i Jehovah?
Inona no hanampy ny tanora tsy hivadika amin’i Jehovah na dia mitarika azy haditra aza ny tanora hafa?
-
-
Ahoana no Atao Raha Te Hahay Hanapa-kevitra?Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
-
-
LESONA 35
Ahoana no Atao Raha Te Hahay Hanapa-kevitra?
Be dia be ny fanapahan-kevitra mila raisintsika eo amin’ny fiainana. Mety hisy vokany be amintsika sy amin’ny fifandraisantsika amin’i Jehovah ny ankamaroan’izy ireny. Mila manapa-kevitra, ohatra, isika hoe aiza no hipetraka, inona no asa hatao, ary hanambady ve sa tsia. Mampifaly an’i Jehovah isika sady sambatra rehefa mahay manapa-kevitra.
1. Ahoana no azonao ampiasana ny Baiboly rehefa hanapa-kevitra?
Rehefa hanapa-kevitra ianao, dia mangataha aloha fanampiana amin’i Jehovah ary jereo ao amin’ny Baiboly ny heviny. (Vakio ny Ohabolana 2:3-6.) Tonga dia manome lalàna mazava be i Jehovah indraindray. Mila manaraka an’ilay izy fotsiny àry isika raha te handray fanapahan-kevitra tsara.
Ahoana anefa raha tsy misy lalàna mazava milaza an’izay tokony hataonao, ao amin’ny Baiboly? Mbola afaka mitarika anao “any amin’izay lalana tokony halehanao” ihany i Jehovah. (Isaia 48:17) Ahoana no ataony? Manome toro lalana izy ao amin’ny Baiboly. Fampianarana fototra mampiseho ny fomba fihevitr’i Jehovah sy ny fihetseham-pony no atao hoe toro lalana. Rehefa mamaky tantara ao amin’ny Baiboly isika, dia matetika no lasa mahafantatra ny hevitr’i Jehovah momba ny zavatra iray. Ho haintsika avy eo hoe inona no tokony hatao mba hampifaliana azy.
2. Inona avy no tokony hoeritreretinao alohan’ny hanapahana hevitra?
Milaza ny Baiboly hoe: “Ny olona malina ... mieritreritra tsara isaky ny hanao zavatra.” (Ohabolana 14:15) Midika izany fa mila maka fotoana handinihana ny safidy rehetra anananao ianao, alohan’ny hanapahana hevitra. Eritrereto hoe: ‘Inona ny toro lalan’ny Baiboly afaka manampy ahy? Iza amin’ireo safidy ireo no hampilamina ny eritreritro? Inona no ho vokatr’ity fanapahan-kevitro ity amin’ny hafa?’ Ary ny tena zava-dehibe dia hoe: ‘Hampifaly an’i Jehovah ve ilay izy?’—Deoteronomia 32:29.
Manana zo hilaza amintsika i Jehovah hoe inona no tsara dia inona no ratsy. Rehefa mahafantatra tsara ny lalàny sy ny toro lalany isika sady tapa-kevitra hanaraka azy ireny, dia lasa miasa tsara ny feon’ny fieritreretantsika. Ny feon’ny fieritreretana dia ny fahaizantsika mamantatra ny atao hoe tsara sy ratsy. (Romanina 2:14, 15) Raha zarintsika hanaraka an’izay lazain’ny Baiboly ny feon’ny fieritreretantsika, dia hanampy antsika handray fanapahan-kevitra tsara izy io.
ANDAO HOHALALININTSIKA
Hodinihintsika bebe kokoa hoe nahoana ny toro lalan’ny Baiboly sy ny feon’ny fieritreretana no manampy antsika hahay hanapa-kevitra.
3. Avelao hitari-dalana anao ny Baiboly
Nahoana ny toro lalan’ny Baiboly no afaka manampy antsika hanapa-kevitra? Alefaso ilay VIDEO, ary iaraho midinika ny fanontaniana.
Avelan’i Jehovah hanao inona isika?
Nahoana isika no nomen’i Jehovah safidy malalaka?
Inona no nomeny antsika mba hanampiana antsika handray fanapahan-kevitra tsara?
Hoatran’ny ahoana izany hoe toro lalana izany? Vakio ny Efesianina 5:15, 16. Iaraho midinika avy eo hoe: Ahoana no ‘hampiasanao tsara ny fotoananao’ mba...
hamakiana Baiboly isan’andro?
hanatsarana ny fifandraisana amin’ny vady aman-janaka, na amin’ny ray aman-dreny?
hanatrehana ny fivorian’ny fiangonana?
4. Zaro hiasa tsara ny feon’ny fieritreretanao
Mora ny manapa-kevitra rehefa mazava be ny lalàn’ny Baiboly momba ny zavatra iray. Ahoana anefa rehefa tsy manome lalàna mazava ny Baiboly? Alefaso ilay VIDEO, ary iaraho midinika ny fanontaniana.
Inona no nataon’ilay anabavy tao amin’ilay video mba ho zatra hiasa tsara ny feon’ny fieritreretany, ka hampifaly an’i Jehovah ny fanapahan-kevitra raisiny?
Nahoana no tsy mety raha ny olon-kafa no asaintsika manapa-kevitra ho antsika? Vakio ny Hebreo 5:14, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:
Hoatran’ny tsotra kokoa ilay hoe ny hafa no asaintsika manapa-kevitra ho antsika. Inona anefa no tokony ho vitantsika tsirairay, araka ilay andinin-teny?
Inona ny fitaovana azontsika ampiasaina mba hanazarana ny feon’ny fieritreretantsika, ka hahatonga antsika hahay hanapa-kevitra?
5. Hajao ny feon’ny fieritreretan’ny hafa
Tsy mitovy ny fanapahan-kevitra raisin’ny olona. Ahoana àry no ampisehoantsika hoe manaja ny feon’ny fieritreretan’ny hafa isika? Diniho ireto zava-mitranga roa ireto:
Zava-mitranga 1: Tia manao makiazy ny anabavy iray. Ny anabavy any amin’ny fiangonana nifindrany anefa tafintohina rehefa mahita olona manao an’izany.
Vakio ny Romanina 15:1 sy ny 1 Korintianina 10:23, 24, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:
Inona no mety hataon’io anabavy io, raha manaraka an’ireo andinin-teny ireo izy? Inona no hataonao raha misy zavatra iray mety amin’ny feon’ny fieritreretanao nefa tsy mety amin’ny feon’ny fieritreretan’ny hafa?
Zava-mitranga 2: Fantatry ny rahalahy iray fa tsy raran’ny Baiboly ny hoe misotro zava-pisotro misy alkaola raha araka ny antonony. Nanapa-kevitra anefa izy hoe tsy hisotro mihitsy. Voasa amin’ny fiaraha-mikorana iray izy, ary mahita rahalahy vitsivitsy misotro zava-pisotro misy alkaola.
Vakio ny Mpitoriteny 7:16 sy ny Romanina 14:1, 10, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:
Inona no mety hataon’io rahalahy io, raha manaraka an’ireo andinin-teny ireo izy? Inona no hataonao raha mahita olona manao zavatra tsy mety amin’ny feon’ny fieritreretanao ianao?
Inona no hanampy anao hahay hanapa-kevitra?
1. Mivavaha amin’i Jehovah mba hahitanao an’izay tokony hatao.—Jakoba 1:5.
2. Manaova fikarohana ao amin’ny Baiboly sy ao amin’ny boky sy gazety mba hahitanao toro lalana. Afaka manontany Kristianina matotra koa ianao.
3. Eritrereto ny vokatr’ilay izy eo amin’ny feon’ny fieritreretanao sy ny feon’ny fieritreretan’ny hafa.
MISY MITENY HOE: “Afaka manao an’izay tianao ianao, fa aza miraharaha an’izay eritreretin’ny olona any.”
Nahoana isika no tokony hieritreritra ny fihetseham-pon’Andriamanitra sy ny an’ny olon-kafa?
FAMINTINANA
Hahay hanapa-kevitra isika raha miezaka hahafantatra ny hevitr’i Jehovah. Mila dinihintsika koa sao dia hisy vokany ratsy amin’ny hafa ny zavatra hataontsika.
Famerenana
Inona no tokony hataonao raha tianao hampifaly an’i Jehovah ny fanapahan-kevitra raisinao?
Inona no azonao atao mba ho zatra hiasa tsara ny feon’ny fieritreretanao?
Ahoana no ampisehoanao hoe manaja ny feon’ny fieritreretan’ny hafa ianao?
JEREO KOA IRETO
Inona no hanampy anao handray fanapahan-kevitra manome voninahitra an’Andriamanitra?
“Omeo Voninahitra i Jehovah Rehefa Manapa-kevitra Ianao” (Ny Tilikambo Fiambenana 15 Aprily 2011)
Ahoana no ataon’i Jehovah rehefa manoro hevitra antsika?
Nila nandray fanapahan-kevitra lehibe ny lehilahy iray. Inona no nanampy azy?
Avy Amin’i Jehovah ny Zavatra Tsara Azo Antoka Rehetra (5:51)
Ahoana no atao rehefa tsy manome lalàna mazava momba ny zavatra iray i Jehovah?
“Mila Lalàna Ara-baiboly Foana ve Ianao?” (Ny Tilikambo Fiambenana 1 Desambra 2003)
-