-
“Aza Matoky ny Lehibe”Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
-
-
Indro, izy rehetra ho tonga tahaka ny lamba mangarahara, ho lanin’ny kalalao izy.” (Isaia 50:8, 9)
-
-
“Aza Matoky ny Lehibe”Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
-
-
Tsy nanota velively io Zanak’Andriamanitra lavorary io. (1 Petera 2:22) Nampangain’ny fahavalony ho mpandika ny Sabata sy mpimamo ary azon’ny demonia izy. Tsy nahafa-baraka an’i Jesosy anefa ny laingan’izy ireo. Nomba azy Andriamanitra, koa iza no hahatohitra azy?—Lioka 7:34; Jaona 5:18; 7:20; Romana 8:31; Hebreo 12:3.
18, 19. Inona avy no zavatra nihatra tamin’i Jesosy ka nihatra tamin’ny Kristianina voahosotra koa?
18 Nampitandrina ny mpianany i Jesosy hoe: “Raha nanenjika Ahy izy, dia hanenjika anareo koa.” (Jaona 15:20) Tsy ela dia hita fa marina izany. Nirotsaka tamin’ny mpianatra nahatokin’i Jesosy ny fanahy masina, tamin’ny Pentekosta taona 33, ary niforona ny fiangonana kristianina. Avy hatrany, dia nitady hampijanona ny asa fitoriana nataon’ireo lehilahy sy vehivavy nahatoky ireo ny filoha ara-pivavahana. Tafaray tamin’i Jesosy mantsy izy ireo izao, izany hoe anisan’ny “taranak’i Abrahama” sady natsangana ho zanaka ara-panahin’Andriamanitra. (Galatiana 3:26, 29; 4:5, 6) Hatramin’izay ka hatramin’izao, dia tsy maintsy niaritra fiampangana lainga sy fanenjehana namaivay avy tamin’ny fahavalon’i Jesosy ny Kristianina voahosotra, izay miandany amin’ny fahamarinana koa.
19 Na izany aza, dia tadidin’izy ireo izao fampaherezan’i Jesosy izao: “Sambatra hianareo, raha haratsin’ny olona sy enjehiny ary asiany izay teny ratsy rehetra hitenenany lainga anareo noho ny amiko. Mifalia sy miravoravoa hianareo, fa lehibe ny valim-pitianareo any an-danitra.” (Matio 5:11, 12) Noho izany, dia tsy mitanondrika ny Kristianina voahosotra, na faran’izay mafy aza ny famelezana. Fantany fa efa nohamarinin’Andriamanitra ny tenany, na inona na inona lazain’ny mpanohitra azy. ‘Tsy manan-tsiny amam-pondro’ izy ireo, eo imasony.—Kolosiana 1:21, 22.
20. a) Iza no manampy ny Kristianina voahosotra, ary inona koa no iaretan’izy ireo? b) Ahoana no ahazoan’ny Kristianina voahosotra sy ny “ondry hafa” ny lelan’ny efa mahay?
20 Misy “olona betsaka” anisan’ny “ondry hafa” manampy ny Kristianina voahosotra ankehitriny. Miandany amin’ny fahamarinana koa izy ireo. Miara-mijaly amin’ny rahalahiny voahosotra koa àry izy ireo, ary efa ‘nanasa sy namotsy ny akanjony tamin’ny ran’ny Zanak’ondry.’ Nohamarinin’i Jehovah izy ireo, mba ho tafita velona amin’ny “fahoriana lehibe.” (Apokalypsy 7:9, 14, 15; Jaona 10:16; Jakoba 2:23) Na dia toa matanjaka aza ny mpanohitra azy ireo ankehitriny, dia ho tahaka ny lamba lanin’ny kalalao ka hariana fotsiny, amin’ny fotoana voatondron’Andriamanitra, hoy ny faminanian’i Isaia. Mandra-pahatongan’izany, dia mivavaka sy mianatra ny Tenin’Andriamanitra ary manatrika fivoriana tsy tapaka ny Kristianina voahosotra sy ny “ondry hafa”, mba hatanjaka hatrany. Ampianarin’i Jehovah izy ireo amin’izany, ka mianatra miteny amin’ny lelan’ny efa mahay.
-