Ny Fahendrena Araka an’Andriamanitra—Ahoana no Isehoany?
“HAMAVOINA ny fahendren’ny malahelo, ary ny teniny tsy mba henoina.” Tamin’ireo teny ireo no namaranan’i Solomona mpanjaka hendry ny tantaran’ny lehilahy iray tsotsotra nefa hendry, izay namonjy tanàna iray manontolo tsy ho ringana. Nampalahelo anefa fa “tsy nisy olona mba nahatsiahy ilay malahelo”.—Mpitoriteny 9:14-16.
Mirona hanao tsinontsinona ny mahantra ny olombelona, na dia nahavita asa malaza aza ireny mahantra ireny. Marina izany raha ny amin’i Jesosy. Naminany momba azy toy izao i Isaia: “Natao tsinontsinona sy nolavin’ny olona Izy; lehilahy ory sady zatra ny fahoriana”. (Isaia 53:3). Nataon’ny sasany tsinontsinona i Jesosy, satria fotsiny hoe tsy nanana ny saranga, na ny fahambonian’ireo mpitarika tamin’ny androny. Na izany aza, dia nanana fahendrena lehibe lavitra noho ny an’ny olombelona mpanota, na iza na iza, izy. Ny mponina tao amin’ny tanàna niavian’i Jesosy dia tsy nety nanaiky ny hoe naneho fahendrena toy izany sy nahavita asa lehibe toy izany io “Zanaky ny mpandrafitra” io. Fahadisoana lehibe anefa izany, satria mbola nilaza koa ilay fitantarana fa “tsy nanao asa lehibe maro teo Izy [Jesosy] noho ny tsi-finoan’ireo”. Fatiantoka re izany!—Matio 13:54-58.
Enga anie isika tsy hanao fahadisoana mitovy amin’izany. “Ny fahendrena dia hamarinin’ny asany”, hoy i Jesosy. Ny olona izay manao ny asan’Andriamanitra sy mampita fahendrena avy any an-danitra dia miavaka amin’ny “voa tsara” asehony, dia ny finoany sy ny asa miorina amin’ny Baiboly ataony, fa tsy amin’ny sarangany, na ny laharany sosialy.—Matio 7:18-20; 11:19.