-
Hafatra Mahavelom-panantenana An’ireo Babo KivyNy Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
-
-
Ny hazo kypreso haniry ho solon’ny tsilo, ary ny rotra ho solon’ny sampivato; ary ho anarana ho an’i Jehovah izany, dia ho famantarana mandrakizay izay tsy hesorina.”—Isaia 55:12, 13.
-
-
Hafatra Mahavelom-panantenana An’ireo Babo KivyNy Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
-
-
Rehefa tonga tany Jerosalema izy ireo, dia tany rakotra tsilo sy zavamaniry dia hafa no hitany, satria lao nandritra ny am-polo taona ilay tany. Afaka nanova azy io ho tany mahafinaritra anefa izao ilay vahoakan’i Jehovah tafody! Hazo nijoalajoala, toy ny hazo kypreso sy ny hazo rotra, no nisolo ny tsilo.
-
-
Hafatra Mahavelom-panantenana An’ireo Babo KivyNy Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
-
-
26. Inona no fitahiana hitan’ny vahoakan’Andriamanitra ankehitriny?
26 Nafahana tamin’ny fahababoana ara-panahy ny sisa amin’ny Kristianina voahosotra, tamin’ny 1919. (Isaia 66:8) Faly izy ireo sy ny olona betsaka miara-manompo an’Andriamanitra ao amin’ny paradisa ara-panahy. Tsy ahitana pentina avy amin’i Babylona intsony izy ireo, ka ankasitrahan’i Jehovah. Nanjary toy ny “anarana” ho an’ilay Andriamaniny izany, satria manome voninahitra ny anarany ny fanambinana ara-panahy hitan’izy ireo, ary mankalaza azy ho ilay Andriamanitry ny faminaniana marina. Ny zavatra nataon’i Jehovah ho azy ireo, dia manaporofo ny maha Andriamanitra azy, sy ny fahaizany mitana ny teny nataony, ary ny famindram-pony amin’ireo mibebaka.
-