-
Angonina ao An-tranon’Andriamanitra ny Hafa FirenenaNy Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
-
-
Sambatra ny zanak’olombelona izay manao izany, ary ny zanak’olona izay mitana izany, dia izay mitandrina ny Sabata ka tsy manao azy ho tsy masina sady miaro ny tànany tsy hanao izay ratsy akory.” (Isaia 56:1, 2)
-
-
Angonina ao An-tranon’Andriamanitra ny Hafa FirenenaNy Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
-
-
4. Nahoana no zava-dehibe teo amin’ny Isiraely ny fitandremana ny Sabata?
4 Nasongadin’ilay faminaniana ny fitandremana ny Sabata, satria lafiny lehibe tamin’ny Lalàn’i Mosesy izy io. Raha ny marina aza, dia ny nanaovan’ny mponin’i Joda tsirambina ny Sabata no anisan’ny antony nanaovana sesitany azy ireo. (Levitikosy 26:34, 35; 2 Tantara 36:20, 21) Famantarana ny fifandraisana manokana nisy teo amin’i Jehovah sy ny Jiosy ny Sabata. Nampiseho ny fankasitrahany izany fifandraisana izany àry izay nitandrina ny Sabata. (Eksodosy 31:13) Ny fitandreman’ny mpiara-belona tamin’i Isaia ny Sabata koa dia nampahatsiahy azy ireo fa i Jehovah no Mpamorona. Nampahatsiahy azy ireo ny famindram-pony tamin’izy ireo koa izany. (Eksodosy 20:8-11; Deoteronomia 5:12-15) Afaka nanompo an’i Jehovah tamin’ny fomba voalamina sy tsy tapaka koa izy ireo, tamin’ny andro Sabata. Rehefa nitsahatra tamin’ny asany indray mandeha isan-kerinandro tokoa ny mponin’i Joda, dia afaka nivavaka sy nianatra ary nisaintsaina.
5. Ahoana no ampiharan’ny Kristianina ny torohevitra hitandrina ny Sabata?
5 Ahoana kosa ny amin’ny Kristianina? Mihatra aminy ve ny fampirisihana hitandrina ny Sabata? Tsy eo ambanin’ny Lalàna ny Kristianina, ka tsy voatery hitandrina ny Sabata. (Kolosiana 2:16, 17) Na izany aza, dia nilaza ny apostoly Paoly fa misy “sabata fitsaharana” ho an’ny Kristianina mahatoky. Ny hoe miditra amin’io “sabata fitsaharana” io dia midika hoe mino ny sorom-panavotan’i Jesosy mba ho voavonjy sy mitsahatra tsy manao afa-tsy izay tian’ny tena. (Hebreo 4:6-10) Ny tenin’i Isaia mpaminany momba ny Sabata àry dia mampahatsiahy ny mpanompon’i Jehovah ankehitriny fa tena ilaina ny mino ny fomba famonjena nalamin’Andriamanitra. Mampahatsiahy antsika koa izy io fa ilaina ny manana fifandraisana akaiky amin’i Jehovah sy manompo azy tsy tapaka ka tsy hiovaova.
-