Manakaiky ny Fandresen’ny Fanompoam-pivavahana Marina
“Jehovah [dia tsy maintsy tonga, NW ] Mpanjakan’ny tany rehetra”. — ZAKARIA 14:9.
1. Inona no zavatra niainan’ireo Kristiana voahosotra nandritra ny Ady Lehibe Voalohany, ary ahoana no nilazana izany mialoha?
NANDRITRA ny ady lehibe voalohany, dia nizaka zava-tsarotra sy fanaovana an-tranomaizina maro avy tamin’ireo firenena niady, ireo Kristiana voahosotra. Voafepetra mafy ny fanati-piderana nataon’izy ireo tamin’i Jehovah, ary latsaka tao anatin’ny fahababoana ara-panahy izy ireo. Izany rehetra izany dia efa voalaza mialoha ao amin’ny Zakaria 14:2, izay milazalaza fanafihana iraisam-pirenena hatao amin’i Jerosalema. Ilay tanàna ao amin’io faminaniana io dia i “Jerosalema any an-danitra”, ilay Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra sy ny toerana misy “ny seza fiandrianan’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry”. (Hebreo 12:22, 28; 13:14; Apokalypsy 22:3). Nampiseho io tanàna io ireo voahosotr’Andriamanitra eto an-tany. Tafita velona tamin’ilay fanafihana ireo nahatoky teo anivon’izy ireo, tsy nanaiky hamela ny tenany hatao sesitany hiala “amin’ny tanàna”.a
2, 3. a) Ahoana no nandresen’ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah, hatramin’ny 1919? b) Fisehoan-javatra inona no nitranga hatramin’ny 1935?
2 Nafahana tamin’ny fahababoana nahazo azy ireo voahosotra nahatoky tamin’ny 1919, ary nanararaotra avy hatrany ilay fe-potoana nisy fandriampahalemana izay nanaraka ny ady izy ireo. Tamin’ny naha-ambasadaoron’i Jerosalema any ambony azy ireo, dia nohararaotiny ilay fahafahana lehibe hitory ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra sy hanampy amin’ny fanangonana ireo mpikambana farany amin’ny 144 000. (Matio 24:14, NW; 2 Korintiana 5:20, fanamarihana ambany pejy). Tamin’ny 1931 izy ireo dia nandray ilay anarana araka ny Soratra Masina izay mety tsara hoe Vavolombelon’i Jehovah. — Isaia 43:10, 12.
3 Hatramin’io fotoana io, ireo Vavolombelon’Andriamanitra voahosotra dia tsy niverina ilalana mihitsy. Tsy afaka nampangina azy ireo na dia i Hitler niaraka tamin’ny fitaovam-piadiany nazia aza. Na dia teo aza ny fanenjehana maneran-tany, dia nitondra vokatra ny asan’izy ireo, tany amin’ny tany rehetra. Hatramin’ny 1935 indrindra no nanatevin-daharana azy ireo ny “olona betsaka” iraisam-pirenena, voalaza mialoha ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy. Ireo koa dia Kristiana nanolo-tena sy vita batisa, ary efa ‘nanasa sy namotsy ny akanjony tamin’ny ran’ny Zanak’ondry’, dia i Jesosy Kristy. (Apokalypsy 7:9, 14). Tsy voahosotra manana fanantenana fiainana any an-danitra anefa izy ireo. Ny fanantenany dia ny handova izay nafoin’i Adama sy i Eva, izany hoe fiainan’olombelona lavorary eo amin’ny tany zary paradisa. (Salamo 37:29; Matio 25:34). Amin’izao andro izao, dia miisa dimy tapitrisa mahery ny olona betsaka. Mandresy ny fanompoam-pivavahana marina amin’i Jehovah, kanefa dia mbola ho avy ny fandreseny farany.
Hafa firenena ao amin’ny tempolin’Andriamanitra ara-panahy
4, 5. a) Aiza no anoloran’ny olona betsaka fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah? b) Tombontsoa inona avy no ananan’izy ireo, ary ho fahatanterahan’ny faminaniana inona izany?
4 Araka ny voalaza mialoha, ny olona betsaka dia “manolotra fanompoam-pivavahana [amin’Andriamanitra] andro aman’alina ao amin’ny tempoliny”. (Apokalypsy 7:15, NW, fanamarihana ambany pejy). Koa satria izy ireo tsy Isiraelita ara-panahy anisan’ny mpisorona, dia azo inoana fa i Jaona dia nahita azy ireo nitsangana tao amin’ny tempoly, teo amin’ilay kianja ivelany ho an’ny Jentilisa. (1 Petera 2:5). Nanjary be voninahitra toy inona moa ilay tempolin’i Jehovah ara-panahy noho ny faritra manodidina azy feno an’io vahoaka sesehena io izay midera an’i Jehovah miaraka amin’ny sisa amin’ny Isiraely ara-panahy!
5 Tsy manompo an’Andriamanitra ao anatin’ilay toe-piainana naseho tamin’ilay kianja anatiny ho an’ny mpisorona akory ny olona betsaka. Tsy ambara fa marina mba ho tonga zanaka ara-panahy natsangan’Andriamanitra, izy ireo. (Romana 8:1, 15). Na dia izany aza, amin’ny fanehoana finoana ny avotr’i Jesosy, dia mitana toerana madio eo anatrehan’i Jehovah izy ireo. Ambara fa marina mba ho tonga sakaizan’Andriamanitra, izy ireo. (Ampitahao amin’ny Jakoba 2:21, 23.) Manana tombontsoa hanolotra fanatitra azo ekena eo amin’ny alitaran’Andriamanitra ara-panahy koa izy ireo. Araka izany, dia mahita fahatanterahany be voninahitra ao amin’io vahoaka sesehena io ilay faminanian’ny Isaia 56:6, 7 manao hoe: “Ny hafa firenena izay efa manaiky ho an’i Jehovah mba hanompo Azy sy ho tia ny anaran’i Jehovah mba ho mpanompony (...) dia ho entiko ho any an-tendrombohitro masina, ka hampifaliko ao an-tranoko fivavahana; ny fanatitra dorany sy ny fanatitra hafa alatsa-dra dia hankasitrahana eo ambonin’ny alitarako, fa ny tranoko hatao hoe trano fivavahana ho an’ny firenena rehetra.”
6. a) Karazana fanatitra inona avy no atolotr’ireo hafa firenena? b) Nampahatsiahy azy ireo ny amin’inona ilay fitoeran-drano teo amin’ny kianja ho an’ny mpisorona?
6 Anisan’ireo fanatitra atolotr’ireny hafa firenena ireny “ny vokatry ny molotra [toy ny fanatitra hohanina tsara toto] izay manaiky ny anaran[’Andriamanitra]” sy ny “hanao soa sy hiantra”. (Hebreo 13:15, 16). Ilay fitoeran-drano lehibe izay tsy maintsy nampiasain’ireo mpisorona mba hisasany dia fampahatsiahivana lehibe koa ho an’ireny hafa firenena ireny. Izy ireo koa dia tsy maintsy mandalo fanadiovana ara-panahy sy ara-pitondran-tena, arakaraka ny mampahazava kokoa tsikelikely ny Tenin’Andriamanitra amin’izy ireo.
Ny Masina sy ireo kojakojany
7. a) Ahoana no iheveran’ny olona betsaka ny tombontsoan’ilay fisoronana masina? b) Tombontsoa fanampiny inona avy no azon’ny hafa firenena sasany?
7 Moa ve ny Masina sy ireo kojakojany manana heviny ho an’io olona betsaka hafa firenena io? Tsy ho ao anatin’ilay toe-piainana asehon’ny Masina na oviana na oviana izy ireo. Izy ireo dia tsy nateraka indray ho zanak’Andriamanitra ara-panahy manana ny maha-olom-pirenena any an-danitra. Moa ve izany mahatonga azy ireo hitsiriritra? Tsia. Mifaly noho ny tombontsoany hanohana ny sisa amin’ireo 144 000 kosa izy ireo, ary mankasitraka lalina ny fikasan’Andriamanitra tamin’ny fananganana ireny zanaka ara-panahy ireny hiara-mandray anjara amin’i Kristy amin’ny fanandratana ny olombelona ho amin’ny fahalavorariana. Afa-tsy izany koa, ny olona betsaka hafa firenena dia mankamamy ny hatsaram-panahin’Andriamanitra amin’izay tsy mendrika akory, tamin’ny nanomezana azy ireo fanantenana eto an-tany, dia fiainana mandrakizay ao amin’ny Paradisa. Ny sasany amin’ireny hafa firenena ireny, sahala amin’ireo Netinima taloha, dia nomena tombontsoam-piandraiketana eo amin’ny fanampiana ilay fisoronana masina.b (Isaia 61:5). Avy eo amin’izy ireo no hanendren’i Jesosy “mpanapaka eny amin’ny tany rehetra”. — Salamo 45:16.
8, 9. Soa inona no raisin’ny olona betsaka avy amin’ny fandinihana ireo kojakojan’ny Masina?
8 Na dia tsy hiditra na oviana na oviana ao amin’ilay Masina nasehon’ny tandindona aza ny olona betsaka hafa firenena, dia maka fianarana sarobidy avy amin’ireo kojakojan’izy io, izy ireo. Tsy misy hafa amin’ny nilan’ireo fitoeran-jiro vatsin-tsolika tsy tapaka, no ilan’ireo hafa firenena ny fanahy masina mba hanampy azy ireo hahazo ny hevitr’ireo fahamarinana mihamazava avy amin’ny Tenin’Andriamanitra, izay ampitaina amin’ny alalan’ny “mpanompo mahatoky sy malina”. (Matio 24:45-47, NW ). Ankoatra izany, ny fanahin’Andriamanitra dia manampy azy ireo hamaly itỳ fanasana itỳ: “Ny Fanahy sy ny ampakarina [ny sisa voahosotra] manao hoe: Avia; ary aoka izay mahare hanao hoe: Avia. Ary aoka ho avy izay mangetaheta; ary izay mety, aoka izy hisotro maimaimpoana amin’ny ranon’aina.” (Apokalypsy 22:17). Araka izany, ilay fitoeran-jiro dia fampahatsiahivana ny olona betsaka ny amin’ny adidin’izy ireo hamirapiratra amin’ny maha-Kristiana sy hanalavitra na inona na inona fihetsika, na eritreritra, na teny, na atao izay hampalahelo ny fanahy masin’Andriamanitra. — Efesiana 4:30.
9 Ilay latabatra nisy mofo aseho dia mampahatsiahy ny olona betsaka fa mba hitoerana ho salama ara-panahy, dia tsy maintsy mandray anjara tsy tapaka amin’ny sakafo ara-panahy avy ao amin’ny Baiboly sy ireo zavatra vita an-tsoratry ny “mpanompo mahatoky sy malina”, izy ireo. (Matio 4:4). Ilay alitara fandoroana ditin-kazo manitra dia mampahatsiahy azy ireo ny maha-zava-dehibe ny fivavahana amin-kafanam-po amin’i Jehovah mba hahazoana fanampiana hitanany ny tsy fivadihany. (Lioka 21:36). Ny vavak’izy ireo dia tokony hahatafiditra teny fiderana sy fisaorana feno fahatsorana. (Salamo 106:1, NW ). Ilay alitara fandoroana ditin-kazo manitra dia mampahatsiahy azy ireo koa ny amin’ny ilana hidera an’Andriamanitra amin’ny fomba hafa, toy ny amin’ny alalan’ny fihiran’izy ireo amin’ny fo manontolo ireo hiran’ilay Fanjakana any amin’ireo fivoriana kristiana sy amin’ny fiomanany tsara mba hanaovana “fanambarana ampahibemaso hahazoana famonjena”. — Romana 10:10, NW.
Fandresena tanteraka azon’ny fanompoam-pivavahana marina
10. a) Afaka miandrandra fahatsinjovan-javatra lehibe inona isika? b) Fisehoan-javatra inona aloha no tsy maintsy mitranga?
10 Amin’izao andro izao, dia “olona maro” avy amin’ny firenena rehetra no mitanjozotra mankany amin’ny trano fanaovana fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah. (Isaia 2:2, 3, NW ). Ho fanamafisana izany, dia milaza toy izao ny Apokalypsy 15:4: “Iza no tsy hatahotra? Ary iza no tsy hankalaza ny anaranao Tompo ô? Fa Hianao ihany no masina, ary ny firenena rehetra ho avy hiankohoka eo anatrehanao; fa efa naharihary ny fitsarana marina nataonao.” Milazalaza izay manaraka izany ny Zakaria toko faha-14. Amin’ny hoavy tsy ho ela, dia hahatratra ny fara tampony ny fihetsika ratsin’ny ankamaroan’ny olona eto an-tany, rehefa hiangona farany izy ireo mba hiady amin’i Jerosalema — ireo solontenan’ilay Jerosalema any an-danitra, izay mbola eto an-tany. Hanao zavatra i Jehovah amin’izay. Amin’ny maha-Andriamanitra-Mpiady azy, dia ‘hivoaka hiady amin’ireny jentilisa ireny’ izay sahy nanao io fanafihana io, izy. — Zakaria 14:2, 3.
11, 12. a) Hanao ahoana ny fihetsik’i Jehovah manoloana ilay fanafihana maneran-tany ho avy hatao amin’ireo mpivavaka aminy ao amin’ny tempoliny? b) Inona no ho vokatr’ilay adin’Andriamanitra?
11 “Izao no areti-mandringana hamelezan’i Jehovah ny firenena rehetra izay efa nanafika an’i Jerosalema: Hataony mihalevona am-pitsanganana ny nofony, ary hihalevona eo amin’ny itoerany ny masony, ary ny lelany koa hihalevona ao am-bavany. Ary amin’izany andro izany dia hisy fifanaritahana lehibe avy amin’i Jehovah ao aminy, ary hifampihazon-tànana izy, sady samy hanainga tànana hifamely.” — Zakaria 14:12, 13.
12 Na ara-bakiteny na ara-panoharana io famelezana io, dia tsy maintsy miandry isika mba hahitana izany. Zavatra iray anefa no azo antoka. Raha eo am-pihetsehana ireo fahavalon’Andriamanitra mba hanao ny fanafihany maneran-tany eo amin’ireo mpanompon’i Jehovah, dia ho voasakana izy ireo noho ny fampisehoana mahatahotra ny herin’Andriamanitra tsitoha. Ho tankina ny vavany. Izany dia ho toy ny hoe nihalevona ny lelany mpila ady. Hanjary hanjavozavo ny fahitany ilay tanjona iombonany, toy ny hoe nihalevona ny masony. Hihena ny herin’izy ireo ara-batana, izay nahasahisahy azy ireo hanao ilay fanafihana. Ao anatin’ny fifanaritahana, dia hifamely izy ireo amin’ny fandripahana lehibe. Araka izany, dia ho fongotra avokoa ireo fahavalon’Andriamanitra rehetra eto an-tany. Amin’ny farany, dia ho voatery hiaiky ny fiandrianan’i Jehovah eo amin’izao rehetra izao ny firenena rehetra. Ho tanteraka ilay faminaniana manao hoe: “Jehovah [dia tsy maintsy tonga, NW ] Mpanjakan’ny tany rehetra”. (Zakaria 14:9). Aorian’izay, dia hofatorana i Satana sy ny demoniany rehefa hanomboka ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy, miaraka amin’ireo fitahiana lehibe miandry ny olombelona. — Apokalypsy 20:1, 2; 21:3, 4.
Ny fananganana amin’ny maty ho eto an-tany
13. Iza moa ireo “sisa rehetra amin’ny jentilisa rehetra”?
13 Manohy toy izao ilay faminanian’i Zakaria eo amin’ny toko faha-14, andininy faha-16: “Ny sisa rehetra amin’ny jentilisa rehetra, izay niakatra namely an’i Jerosalema, dia hiakatra isan-taona isan-taona hiankohoka eo anatrehan’ny Mpanjaka, dia Jehovah, Tompon’ny maro, sy hitandrina ny andro firavoravoana fitoerana an-trano rantsan-kazo.” Araka ny Baiboly, ny olona rehetra velona amin’izao andro izao, ka manohy miaina hatramin’ny faran’itỳ fandehan-javatra ratsy itỳ ary voatsara ho fahavalon’ny fanompoam-pivavahana marina, dia hiharan’ny “famaliana marina, dia [fandringanana, NW ] mandrakizay”. (2 Tesaloniana 1:7-9; jereo koa ny Matio 25:31-33, 46.) Tsy hatsangana amin’ny maty izy ireny. Azo inoana àry fa, ireo “sisa” dia mahatafiditra ireo anisan’ny firenena izay maty talohan’ilay adin’Andriamanitra farany, ka ho azy ireo dia misy fanantenana fitsanganana miorina amin’ny Baiboly. “Avy ny andro”, hoy ny fampanantenan’i Jesosy, “izay handrenesan’ny olona rehetra any am-pasana ny feony; dia hivoaka izy: izay nanao ny tsara dia ho any amin’ny fitsanganana ho fiainana; fa izay nanao ratsy kosa dia ho any amin’ny fitsanganana ho fahamelohana.” — Jaona 5:28, 29.
14. a) Inona no tsy maintsy ataon’ireo hatsangana mba hahazoana fiainana mandrakizay? b) Inona no hitranga amin’izay tsy mety manolo-tena ho an’i Jehovah sy tsy mety manaraka ny fanompoam-pivavahana marina?
14 Ireo hatsangana rehetra ireo dia tsy maintsy manao zavatra mba hahatonga ny fitsanganany ho ilay ho fiainana fa tsy ilay ho fanamelohana. Tsy maintsy mankao an-kianjan’ny tempolin’i Jehovah eto an-tany izy ireo, ary miankohoka ho fanoloran-tena ho an’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy. Na iza na iza hatsangana ka tsy mety manao izany, dia hizaka famelezana mitovy amin’ilay manjo an’ireo firenena amin’izao andro izao. (Zakaria 14:18). Iza moa no mahalala hoe firy ireo hatsangana hanatevin-daharana amin-kafaliana ny olona betsaka amin’ny fankalazana ny Andro Firavoravoana Fitoerana Amin’ny Trano Rantsan-kazo nasehon’ny tandindona? Tsy isalasalana fa ho maro izy ireo, ary vao mainka hanjary ho be voninahitra kokoa ilay tempolin’i Jehovah ara-panahy lehibe, ho vokatr’izany!
Ilay andro Firavoravoana Fitoerana Amin’ny Trano Rantsankazo nasehon’ny tandindona
15. a) Inona avy no lafiny miavaka sasany amin’ilay Andro Firavoravoana Fitoerana Amin’ny Trano Rantsankazo teo amin’ny Isiraelita fahiny? b) Nahoana no vantotr’ombilahy 70 no natolotra nandritra ilay andro firavoravoana?
15 Isan-taona, dia notakina hankalaza ny Andro Firavoravoana Fitoerana Amin’ny Trano Rantsankazo ny Isiraely fahiny. Naharitra herinandro izy io, ary natao tamin’ny faran’ny fanangonan’izy ireo ny vokatra. Fotoam-pifaliana ho fisaorana ilay izy. Nandritra ilay herinandro maninjitra izy ireo dia tsy maintsy nipetraka tao anatin’ny trano rantsankazo vonjimaika notafoana ravinkazo, sampan-drofia indrindra indrindra. Io andro firavoravoana io dia nampahatsiahy ny Isiraely ny amin’ny fomba namonjen’Andriamanitra ireo razambeny nivoaka an’i Egypta, sy ny nikarakarany azy ireo fony izy ireo nitoetra tamin’ny trano rantsankazo teo am-pifindrafindrana tany an’efitra nandritra ny 40 taona mandra-pahatodin’izy ireo tany amin’ny Tany Nampanantenaina. (Levitikosy 23:39-43). Nandritra ilay andro firavoravoana dia nisy vantotr’ombilahy 70 natao fanatitra teo ambonin’ny alitaran’ny tempoly. Miharihary fa io lafiny amin’ilay andro firavoravoana io dia faminaniana ny amin’ilay asa famonjena aina tonga lafatra sy tanteraka nataon’i Jesosy Kristy. Ny soa entin’ny sorom-panavotany dia hirotsaka amin’ireo taranaka tsy tambo isain’ireo fianakavian’olombelona 70 izay avy tamin’i Noa. — Genesisy 10:1-29; Nomery 29:12-34; Matio 20:28.
16, 17. a) Oviana no nanomboka ilay Andro Firavoravoana Fitoerana Amin’ny Trano Rantsankazo nasehon’ny tandindona, ary ahoana no nitohizan’izy io indray? b) Ahoana no andraisan’ny olona betsaka anjara amin’ilay fankalazana?
16 Araka izany, ilay Andro Firavoravoana Fitoerana Amin’ny Trano Rantsankazo fahiny dia nanintona ny saina ho amin’ilay fanangonana amim-pifaliana an’ireo mpanota navotana ho ao amin’ny tempolin’i Jehovah ara-panahy lehibe. Ny fahatanterahan’io andro firavoravoana io dia nanomboka tamin’ny Pentekosta 33 am.f.i., tamin’ny fanombohan’ilay fanangonana tamim-pifaliana an’ireo Isiraelita ara-panahy hankao amin’ny kongregasiona kristiana. (Asan’ny Apostoly 2:41, 46, 47). Ireny voahosotra ireny dia nahatakatra fa “mpivahiny” teo amin’ny tontolon’i Satana izy ireo satria ny tena ‘fanjakana misy azy ireo dia any an-danitra’. (1 Petera 2:11; Filipiana 3:20). Voatakon-drahona tsy naharitra ilay andro firavoravoana falifaly noho ny fivadiham-pinoana izay nahatonga ny fiforonan’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana. (2 Tesaloniana 2:1-3). Notohizina indray anefa ilay andro firavoravoana tamin’ny 1919, tamin’ny fanangonana tamim-pifaliana ireo mpikambana farany amin’ny Isiraelita ara-panahy 144 000, narahin’ny fanangonana ny olona betsaka iraisam-pirenena voalazan’ny Apokalypsy 7:9.
17 Voalazalaza ho manana sampan-drofia eny an-tanany ny olona betsaka, ka izany dia mampiseho fa izy ireo koa dia mpankalaza falifaly an’ilay Andro Firavoravoana Fitoerana Amin’ny Trano Rantsankazo nasehon’ny tandindona. Amin’ny maha-Kristiana vita fanoloran-tena azy, dia mandray anjara amim-pifaliana amin’ilay asa fanangonana mpivavaka bebe kokoa hankao amin’ny tempolin’i Jehovah, izy ireo. Ankoatra izany, amin’ny maha-mpanota azy ireo, dia takany fa tsy manana zo honina maharitra eto an-tany izy. Miaraka amin’ireo hatsangana amin’ny maty amin’ny hoavy, dia tsy maintsy maneho finoana ny sorom-panavotan’i Kristy izy ireo, mandra-pahatratrarany ny fahalavorarian’olombelona, amin’ny faran’ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy. — Apokalypsy 20:5.
18. a) Inona no hitranga amin’ny faran’ny Fanjakana Arivo Taonan’i Jesosy Kristy? b) Ahoana no handresen’ny fanompoam-pivavahana marina amin’i Jehovah amin’ny farany?
18 Amin’izay ireo mpivavaka amin’Andriamanitra eto an-tany dia hijoro eo anatrehany, manana fahalavorarian’olombelona, tsy mila fisoronana any an-danitra. Ho tonga ny fotoana ‘hanoloran’i Jesosy Kristy ho an’Andriamanitra Ray ny fanjakana’. (1 Korintiana 15:24). Hovahana “kelikely aloha” i Satana mba hitsapa ny olombelona lavorary. Izay rehetra tsy mahatoky dia horinganina mandrakizay, miaraka amin’i Satana sy ireo demoniany. Ireo izay mitoetra ho mahatoky dia homena fiainana mandrakizay. Ho tonga mponina maharitra eo amin’ilay Paradisa an-tany izy ireo. Hifarana amim-boninahitra sy amim-pahombiazana amin’izany fomba izany ilay Andro Firavoravoana Fitoerana Amin’ny Trano Rantsankazo nasehon’ny tandindona. Handresy ny fanompoam-pivavahana marina ho voninahitr’i Jehovah mandrakizay sy ho fahasambaran’ny olombelona mandrakizay. — Apokalypsy 20:3, 7-10, 14, 15.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Mba hahazoana fanazavana isan’andininy amin’ny Zakaria toko faha-14, dia jereo ilay boky hoe Le paradis rétabli parmi les hommes — grâce à la Théocracie! navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania, tamin’ny 1972, toko faha-21 sy faha-22.
b Mba hahazoana fanazavana bebe kokoa momba ny Netinima amin’ny andro maoderina, dia jereo Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 May 1992, pejy faha-16.
Fanontaniana ho Famerenana
◻ Ahoana no nanafihana an’i “Jerosalema” nandritra ny ady lehibe voalohany? — Zakaria 14:2.
◻ Inona no nitranga tamin’ny vahoakan’Andriamanitra hatramin’ny 1919?
◻ Iza amin’izao andro izao no mandray anjara amin’ny fankalazana ny Andro Firavoravoana Fitoerana Amin’ny Trano Rantsankazo nasehon’ny tandindona?
◻ Ahoana no hahazoan’ny fanompoam-pivavahana marina fandresena tanteraka?
[Sary, pejy 23]
Nampiasaina tamin’ny fankalazana ny Andro Firavoravoana Fitoerana Amin’ny Trano Rantsankazo ny sampan-drofia