-
Mamelombelona ny Fanahin’ny Manetry Tena i JehovahNy Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
-
-
Raha mitaraina hianao, dia aoka ireo maronao no hamonjy anao, nefa hongahan’ny rivotra avokoa ireo sy ho lasan’ny tso-drivotra malemilemy aza.” (Isaia 57:12, 13a)
-
-
Mamelombelona ny Fanahin’ny Manetry Tena i JehovahNy Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
-
-
Tsy hamonjy azy ny ‘marony’, na sampiny maro isan-karazany. Tsio-drivotra kely fotsiny dia hahafaoka ireo sampy ireo, rehefa hamely ny loza.
15 Tanteraka tamin’ny 607 T.K. ny tenin’i Jehovah. Tamin’izay i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babylona, no nandrava an’i Jerosalema sy nandoro ny tempoly ary namabo ny ankamaroan’ny olona tao. “Toy izany no nitondrana ny Joda ho babo niala tamin’ny taniny.”—2 Mpanjaka 25:1-21.
16. Inona no miandry ny Kristianisma Anarana sy ny sisa amin’i “Babylona Lehibe”?
16 Tsy hamonjy ny Kristianisma Anarana ankehitriny koa ireo sampiny maro isan-karazany, amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah. (Isaia 2:19-22; 2 Tesaloniana 1:6-10) Hofoanana miaraka amin’i “Babylona Lehibe” (ny fivavahan-diso maneran-tany) ny Kristianisma Anarana. Ilay bibidia mivolon-jaky ara-panoharana sy ny tandrony folo no “hahatsinontsinona [an’i Babylona Lehibe] sy hampitanjaka azy sy hihinana ny nofony ary handevona ny tenany amin’ny afo.” (Apokalypsy 17:3, 16, 17) Tena faly tokoa isika nankatò ilay baiko hoe: “Mialà aminy hianareo, ry oloko, mba tsy hiombonanareo ota aminy, ary mba tsy hisy hahazo anareo ny loza manjo azy”! (Apokalypsy 18:4, 5) Enga anie isika tsy hiverina intsony mihitsy ho any amin’i Babylona Lehibe na ny fanaony.
‘Izay mialoka amiko no hanana ny tany’
17. Inona no nampanantenaina ‘an’izay nialoka tamin’i Jehovah’, ary oviana izany no tanteraka?
17 Ahoana kosa ny amin’ireo teny manaraka manao hoe: “Izay mialoka amiko kosa no hanana ny tany sy handova ny tendrombohitro masina.” (Isaia 57:13b) Iza io nitenenan’i Jehovah io? Naminany momba izay hitranga taorian’ilay loza hoavy izy, dia ny hanafahana ny vahoakany avy tao Babylona sy hamerenana ny fivavahana madio tany Jerosalema, tendrombohiny masina. (Isaia 66:20; Daniela 9:16) Azo antoka fa tena nampahery an’ireo Jiosy nahatoky izany!
-