Ireo Vokatra Azo — Ny Tsara sy ny Ratsy
“Jehovah naneho tamiko, ka, indreo, nisy aviavy roa sobiky (...) Ny sobiky iray dia nisy aviavy tsara dia tsara, dia toy ny aviavy mialintaona; ary ny sobiky anankiray kosa dia nisy aviavy ratsy dia ratsy, izay tsy azo hanina noho ny haratsiny.” — JEREMIA 24:1, 2.
1. Ahoana no nanehoan’i Jehovah fiantrana tamin’ny vahoakany, ny Isiraely, kanefa dia nanao ahoana ny fihetsik’izy ireo?
TAONA 617 al.f.i. tamin’izay. Folo taona monja talohan’ny nampiharana tamin’i Jerosalema sy ny mponina tao aminy ny didim-pitsaran’i Jehovah sahaza azy. Efa nitory tamin-kery nandritra ny 30 taona i Jeremia. Mariho ilay filazalazana velombelona nataon’i Ezra momba ilay tarehin-javatra, araka ny hita ao amin’ny 2 Tantara 36:15 manao hoe: “Jehovah, Andriamanitry ny razany, nampitondra teny ny iraka izay nirahiny ho any aminy; eny, nifoha maraina koa Izy ka naniraka, fa namindra fo tamin’ny olony sy ny fonenany.” Ary inona no vokatr’izany ezaka rehetra izany? Mampalahelo fa hoy ny tohin’ny fitantaran’i Ezra eo amin’ny 2Ta 36:16 andininy faha-16: “Kanjo ny olona nihomehy ireny irak’Andriamanitra ireny sady nanazimba ny teniny sy namazivazy ny mpaminaniny mandra-pihatry ny fahatezeran’i Jehovah taminy, ka tsy nisy nahavonjy azy.”
2, 3. Lazalazao ilay fahitana nanaitra izay nasehon’i Jehovah an’i Jeremia.
2 Nidika ve izany fa ho ripaka tanteraka ny firenen’ny Joda? Mba hahitana ny valiny, dia aoka isika handinika ny fahitana lehibe iray izay nomena an’i Jeremia izao, ka voarakitra ao amin’ny Je 24 toko faha-24 amin’ilay boky mitondra ny anarany. Nampiasa sobikin’aviavy roa tao amin’io fahitana io Andriamanitra mba hampisehoana an-tsary ny fisehoan-javatra teo amin’ny olon’ny fanekeny. Izy ireo dia hasehon’ny karazana vokatra roa miavaka tsara, ny tsara sy ny ratsy.
3 Ny Jeremia 24:1, 2 toko faha-24, andininy 1 sy faha-2, dia milazalaza izay hitan’ilay mpaminanin’Andriamanitra, toy izao: “Jehovah naneho tamiko, ka, indreo, nisy aviavy roa sobiky voapetraka teo anoloan’ny tempolin’i Jehovah, taorian’ny nitondran’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babylona, an’i Jekonia, zanak’i Joiakima, mpanjakan’ny Joda, sy ny mpanapaka ny Joda mbamin’ny mahay tao-zavatra sy ny mpanefy vy izay tany Jerosalema, ho babo ho any Babylona. Ny sobiky iray dia nisy aviavy tsara dia tsara, dia toy ny aviavy mialintaona; ary ny sobiky anankiray kosa dia nisy aviavy ratsy dia ratsy, izay tsy azo hanina noho ny haratsiny.”
Aviavy tsara tao amin’ny fahitana
4. Hafatra mampionona inona no nentin’ilay fahitana ny amin’ny aviavy ho an’ireo Isiraelita nahatoky?
4 Rehefa avy nanontany an’i Jeremia momba izay hitany i Jehovah, dia nanohy ny teniny toy izao eo amin’ny andininy faha-5 ka hatramin’ny faha-7: “Tahaka ireto aviavy tsara ireto no fijeriko ny Joda voababo mba hanasoavako azy, dia ireo noroahiko niala tamin’ity tany ity ho any amin’ny tanin’ny Kaldeana. Fa hojeren’ny masoko izy mba hanasoavako azy ka hampodiko ho amin’ity tany ity; ary haoriko izy, fa tsy horavako; ary hamboleko izy, fa tsy hongotako. Ary homeko fo hahalalany Ahy ho Jehovah izy; dia ho oloko izy, ary Izaho kosa ho Andriamaniny; fa hiverina amiko amin’ny fony rehetra izy.”
5, 6. a) Tamin’ny ahoana ny Isiraelita sasany no ‘noroahina hiala ho any Kaldea mba hanasoavana azy’? b) Tamin’ny ahoana ‘ny mason’i Jehovah no nijery’ ireo Isiraelita nahatoky tany an-tsesitany ‘mba hanasoavany azy’?
5 Toa hita avy amin’izay nolazain’i Jehovah eto àry fa hisy fotoana tsara kokoa ho avy, ary koa fa tsy ho ripaka tanteraka akory ny firenen’ny Joda. Fa inona anefa no hevitr’io sobikin’aviavy tsara io?
6 Vao telo volana sy folo andro monja no naha-mpanjaka an’i Jekonia, na Joiakina, teo amin’ny Joda, talohan’ny nanolorany an-tsitrapo an’i Jerosalema ho eo an-tanan’i Nebokadnezara Mpanjaka. Anisan’ireo nentina ho babo niaraka taminy tany an-tsesitany i Daniela sy ireo namany hebreo telo lahy, dia i Hanania sy i Misaela ary i Azaria, ary koa i Ezekiela. Notsimbinin’ny mpanjakan’i Babylona ny ain’izy ireo, hany ka azo lazaina hoe nijery ireo babo rehetra ireo ho toy ny noroahina hiala ho any amin’ny tanin’ny Kaldeana mba hanasoavana azy, i Jehovah. Voamarikao ve fa nampanantena koa i Jehovah fa ‘hijery azy ny masony mba hanasoavany azy’? Ahoana no nahatanterahan’izany? Valopolo taona tatỳ aoriana, tamin’ny 537 al.f.i., dia nataon’i Jehovah izay hamoahan’i Kyrosy Mpanjaka didy iray namela sisa tamin’ny taranak’izy ireo hiverina tany amin’ny tanin’ny Joda. Ireo Jiosy nahatoky ireo dia nanorina indray ny tanànan’i Jerosalema; nanangana tempoly vaovao ho an’ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah Andriamaniny, izy ireo; ary niverina taminy tamin’ny fony manontolo izy ireo. Koa tamin’izany rehetra izany àry no naha-toy ny aviavy mialintaona tsara dia tsara an’ireo babo ireo sy ny taranany teo imason’i Jehovah.
7. Oviana ary tamin’ny fomba ahoana ny mason’i Jehovah no teo amin’ny kilasin’i Jeremia maoderina ‘mba hanasoavany azy’?
7 Mety ho tsaroanao fa tao amin’ilay lahatsoratra teo aloha mikasika ny teny ara-paminanian’i Jeremia dia nianarantsika fa misy heviny ho an’izao taonjato faha-20 misy antsika izao izy ireo. Ary tsy maningana amin’izany ny Je 24 toko faha-24. Nandritra ireo taona nanjombona nisian’ny Ady Lehibe Voalohany, dia maro tamin’ireo mpanompon’i Jehovah nanolo-tena no niharan’ny fitaoman’i Babylona Lehibe tamin’ny fomba iray na hafa. Kanefa ‘nijery azy ireo mba hanasoavana azy’ ny mason’i Jehovah niambina. Koa tamin’ny alalan’ilay Kyrosy Lehibe, i Kristy Jesosy, àry no namaranan’i Jehovah ny fanapahan’i Babylona Lehibe teo amin’izy ireo sy nitondrany azy ireo miandalana tao amin’ny paradisa ara-panahy. Ireny Isiraelita ara-panahy ireny dia nanaiky izany ka niverina tamin’i Jehovah tamin’ny fony manontolo. Avy eo, tamin’ny 1931, dia faly izy ireo nanaiky ny anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah. Tena azo lazaina marina izao fa nanjary toy ny sobiky nisy aviavy tsara dia tsara teo imason’i Jehovah izy ireo.
8. Tamin’ny fomba ahoana no nanambaran’ny Vavolombelon’i Jehovah hatraiza hatraiza ny hamamin’ny hafatr’ilay Fanjakana, toy ny hamamin’aviavy?
8 Ary ny Vavolombelon’i Jehovah dia tsy diso ny zava-kendren’ny hatsaram-panahin’Andriamanitra amin’izay tsy mendrika akory tamin’ny nanafahany azy ireo avy tamin’i Babylona Lehibe. Tsy nohazonin’izy ireo ho an’ny tenany ny hamamin’ilay hafatra momba ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana, toy ny hamamin’ny aviavy. Nambaran’izy ireo hatraiza hatraiza kosa izy io, ho fanarahana ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Matio 24:14 (NW ) manao hoe: “Hotorina amin’ny tany onenana manontolo itỳ vaovao tsaran’ny Fanjakana itỳ ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra”. Ary ny vokatr’izany? Olona toy ny ondry maherin’ny 4 700 000, tsy anisan’ny Isiraelita ara-panahy no nanafa-tena avy tamin’i Babylona Lehibe!
Aviavy ratsy tao amin’ny fahitana
9. Iza no nasehon’ireo aviavy ratsy tao amin’ny fahitan’i Jeremia, ary inona no tsy maintsy nanjo azy ireo?
9 Ahoana kosa ny amin’ilay sobiky nisy aviavy ratsy tao amin’ny fahitan’i Jeremia? Izao i Jeremia dia mampifantoka tanteraka ny sainy amin’ireo tenin’i Jehovah hita ao amin’ny Jeremia 24:8-10 toko faha-24, andininy faha-8 ka hatramin’ny faha-10, manao hoe: “Ary ny amin’ny aviavy ratsy izay tsy azo hanina kosa noho ny haratsiny, dia izao no lazain’i Jehovah: Toy izany no hanolorako an’i Zedekia, mpanjakan’ny Joda, sy ny mpanapaka ary izay sisa any Jerosalema, dia izay mbola sisa amin’ity tany ity sy izay mitoetra any amin’ny tany Egypta, eny, hatolotro ho mpanjenjena sy fiharan-doza any amin’ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany izy, ho fandatsa sy ohabolana sy ambentinteny ary fanozonana any amin’ny tany rehetra izay handroahako azy. Ary hampameleziko azy ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana ambara-pahalany ritrany tsy ho amin’ny tany izay nomeko azy sy ny razany.”
10. Nahoana i Jehovah no nihevitra an’i Zedekia ho “aviavy ratsy”?
10 Tena niseho ho “aviavy ratsy” marina àry i Zedekia teo imason’i Jehovah. Tsy vitan’ny hoe nikomy tamin’i Nebokadnezara Mpanjaka fotsiny izy, tamin’ny fivadihana tamin’ilay voadim-pahatokiana nataony tamin’io mpanjaka io tamin’ny anaran’i Jehovah, fa nolaviny tanteraka koa ny fiantrana nasehon’i Jehovah taminy tamin’ny alalan’i Jeremia. Raha ny marina aza, dia tonga hatramin’ny fihazonana an’i Jeremia an-tranomaizina mihitsy koa izy! Tsy mahagaga raha mamintina ny fihetsik’io mpanjaka io toy izao i Ezra, ao amin’ny 2 Tantara 36:12: “Nanao izay ratsy eo imason’i Jehovah Andriamaniny izy, fa tsy nanetry tena”. Teo imason’i Jehovah, i Zedekia sy ireo sisa tany Jerosalema dia toy ny sobiky iray nisy aviavy ratsy, aviavy lo!
Aviavy lo ara-panoharana amin’izao androntsika izao
11, 12. Iza avy no fantatra ho aviavy ratsy amin’izao andro izao, ary inona no hanjo azy ireo?
11 Jereo izao ny manerana ny tany rehetra amin’izao andro izao. Heverinao ve fa afaka mahita sobiky ara-panoharana iray misy aviavy ratsy isika? Aoka isika handinika ny zava-misy amin’ny fampitahana ny androntsika amin’ny an’i Jeremia. Tamin’itỳ taonjato faha-20 itỳ, i Jehovah dia nampiasa ny kilasin’i Jeremia, dia ny sisa voahosotra, mba hanohy hampitandrina ireo firenena momba ny hatezerany ho avy amin’ny fahoriana lehibe. Nampirisika ireo firenena izy mba hanome azy ny laza mendrika ny anarany sy hivavaka aminy amin’ny fanahy sy ny fahamarinana, ary hanaiky ny Zanany efa manjaka, i Kristy Jesosy, ho ilay Mpanapaka ara-dalàna ny tany. Nanao ahoana ny fihetsiky ny olona teo anoloan’izany? Tsy misy hafa amin’ny tamin’ny andron’i Jeremia. Manohy manao izay ratsy eo imason’i Jehovah ireo firenena.
12 Iza avy ireo izay mandrisika io fihetsika feno fikomiana io? Iza avy ireo izay tsy mitsahatra mihomehy an’ireo irak’Andriamanitra toa an’i Jeremia ireo amin’ny fisalasalana momba ny fahefany amin’ny maha-minisitr’Andriamanitra? Iza avy ireo izay tsy mitsahatra manamavo ny Tenin’Andriamanitra? Iza amin’izao andro izao no tao ambadiky ny ankamaroan’ny fanenjehana natao tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah? Mora hitan’ny rehetra ny valiny: ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana, ary indrindra fa ny klerjy! Ary jereo fotsiny ny vokatra lo, ny vokatra ratsy, rehetra navoakan’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana nodinihintsika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha. Eny tokoa, tena misy sobikin’aviavy ratsy ara-panoharana tokoa eto an-tany amin’izao andro izao. Raha ny marina aza dia nilaza i Jehovah fa “tsy azo hanina noho ny haratsiny” izy ireo. Manako hatramin’izao androntsika izao ny tenin’i Jehovah tamin’ny alalan’i Jeremia hoe: ‘Ho lany ritra izy’! Tsy hisy hahavonjy amin’ny fahatezeran’i Jehovah hampihariny amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana.
Fianarana fampitandremana ho antsika
13. Noho ny tenin’i Paoly hita ao amin’ny 1 Korintiana 10:11, ahoana no tokony hahatakarantsika ny fahitana ny amin’ireo sobikin’aviavy roa?
13 Eo am-pandinihantsika ny hevitry ny hafatra fampitandremana nanomezana tsindrimandry an’i Jeremia, dia miverina indray ao an-tsofintsika ny tenin’ny apostoly Paoly ao amin’ny 1 Korintiana 10:11 manao hoe: “Ary izany dia nanjo azy mba ho anatra, sady voasoratra izany ho fananarana antsika izay niharan’ny faran’izao tontolo izao.” Moa ve ny tenantsika manokana nandray am-po ilay fampitandremana nampitaina tamintsika tamin’ny alalan’io fahitana ny amin’ireo sobikin’aviavy roa ireo? Ilay nodinihintsika teo dia tapany tena lehibe amin’ireo zavatra nanjo ny Isiraely ho ohatra fampitandremana ho antsika.
14. Ahoana no nandraisan’ny Isiraely ny fikarakaran’i Jehovah feno fanehoam-pitiavana?
14 Farany, dia aoka isika hitadidy ny tenin’i Jehovah tamin’i Davida Mpanjaka momba ny Isiraely, hita ao amin’ny 2 Samoela 7:10 manao hoe: “Hifidy tany ho an’ny Isiraely oloko Aho sady hamponina azy”. Nikarakara tamim-panehoam-pitiavana ny Isiraely olony tamin’ny lafiny rehetra i Jehovah. Nanana ny antony rehetra mba hamokarana vokatra tsara teo amin’ny fiainany ireo Isiraelita. Ny hany tokony ho nataony dia ny nihaino ny fampianarana araka an’Andriamanitra avy amin’i Jehovah sy nitandrina ny didiny. Vitsy tamin’izy ireo ihany anefa no nanao izany. Ny ankamaroany dia mafy hatoka sy feno ditra aoka izany, hany ka namokatra vokatra ratsy, vokatra lo, izy ireo.
15. Ahoana no nandraisan’ny Isiraely ara-panahy ankehitriny sy ny namany oharina amin’ny ondry ny fiantran’i Jehovah?
15 Ahoana àry ny amin’izao androntsika izao? Naneho fiantrana lehibe aoka izany tamin’ny sisa amin’ny Isiraely ara-panahy sy ny namany oharina amin’ny ondry, i Jehovah. Nijery azy ireo mandrakariva ny masony nanomboka tamin’ny fanafahana azy ireo ara-panahy tamin’ny 1919. Araka ny nolazainy mialoha tamin’ny alalan’i Isaia, dia mandray fampianarana araka an’Andriamanitra isan’andro izy ireo avy amin’ilay Mpampianatra lehibe indrindra eo amin’izao rehetra izao, dia i Jehovah Andriamanitra. (Isaia 54:13). Io fampianarana araka an’Andriamanitra notarihina tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy, Zanany malala, io dia nahatonga fiadanana tondraka teo anivon’izy ireo ary nitondra azy ireo miandalana ho amin’ny fifandraisana akaiky kokoa amin’i Jehovah. Toe-piainana ara-panahy mahatalanjona toy inona moa no atolotr’izany ho antsika rehetra, mba hahafantarana an’i Jehovah sy mba hihainoana azy ary avy eo dia mba hanohizana hamokatra vokatra tsara eo amin’ny fiainantsika — vokatra izay mitondra fiderana ho an’i Jehovah! Midika ho fiainana ho antsika mihitsy izany!
16. Fampiharana manokana inona no azon’ny tsirairay amintsika atao mikasika ilay fahitana ny amin’ireo sobikin’aviavy roa?
16 Kanefa, na dia eo aza ny hatsaram-panahy rehetran’Andriamanitra amin’izay tsy mendrika akory, dia mbola misy ihany sasany manjary mikomy sy mafy fo, toy ny nataon’ny maro teo amin’ny Joda fahiny, ka mamokatra vokatra ratsy, vokatra lo, eo amin’ny fiainany. Tena mampalahelo tokoa izany! Enga anie tsy hisy amintsika hanjary tsy hanaraka ilay fianarana fampitandremana nanintonana mazava ny saintsika tamin’ny alalan’ireo sobikin’aviavy roa ireo sy ny vokany avy — ny tsara sy ny ratsy. Arakaraka ny anatonan’ny fampiharana ny didim-pitsaran’i Jehovah sahaza hamelezana ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana nivadi-pinoana, dia enga anie isika handray am-po ilay fananaran’ny apostoly Paoly hoe: ‘Mandehana mendrika ny Tompo, manao ny sitrapony amin’ny zavatra rehetra, dia mahavokatra amin’ny asa tsara rehetra.’ — Kolosiana 1:10.
Famerenana “Ireo Vokatra Azo — Ny Tsara sy ny Ratsy” sy ny fehintsoratra 1-4 amin’ny “Ny Fiadian-kevitra eo Amin’i Jehovah sy Ireo Firenena”
◻ Mampiseho inona ilay sobikin’aviavy tsara?
◻ Ahoana no nanjary nihariharian’ilay sobikin’aviavy ratsy tao amin’ny fahitana?
◻ Fianarana fampitandremana inona no omen’ny hafatr’i Jeremia antsika?
◻ Inona no zavatra miavaka mahakasika ny taona 607 al.f.i.? ary ny taona 1914 am.f.i.?
[Sary, pejy 15]
Sahala amin’ny aviavy tsara, ny vahoakan’Andriamanitra dia namokatra vokatra mamin’ilay Fanjakana
Niseho ho toy ny sobikin’aviavy ratsy ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana