Toko 37
Alahelo sy Fifaliana fa Rava i Babylona
1. Inona no hataon’ny “mpanjakan’ny tany” rehefa haringana tampoka i Babylona Lehibe?
FALY ny vahoakan’i Jehovah mandre hoe ho rava i Babylona. Ary ireo firenena? Hoy i Jaona: “Ary rehefa hahita ny setroky ny fandoroana azy ny mpanjakan’ny tany, izay nijangajanga taminy sy niaina tao anatin’ny renty izay efa tsy nahamenatra azy intsony, dia hitomany azy sy hikapo-tratra noho ny alahelony azy. Ary hijoro lavidavitra izy ireo satria matahotra sao hiara-mijaly aminy, sady hilaza hoe: ‘Indrisy! Indrisy, ry tanàna lehibe, ry Babylona tanàna mafy! Fa tao anatin’ny adiny iray monja dia tonga ny fanamelohana anao!’ ”—Apokalypsy 18:9, 10.
2. a) Nahoana “ny mpanjakan’ny tany” no malahelo rehefa rava i Babylona Lehibe, nefa ny tandroka folon’ilay bibidia ihany no nandringana azy? b) Nahoana no mijoro lavidavitra fotsiny ireo mpanjaka, rehefa rava ilay tanàna?
2 Mahagaga ny hoe malahelo ireo firenena, nefa ny tandroka folon’ilay bibidia mena midorehitra ihany no nandringana an’i Babylona. (Apokalypsy 17:16) Hitomany “ny mpanjakan’ny tany” satria ho takatr’izy ireo rehefa hanjavona i Babylona, fa tena nilainy izy mba hampilamina ny vahoaka sy hahatonga azy ireo tsy hikomy. Nanamasina ady ny mpitondra fivavahana, niantso olona hanao miaramila, ary nampirisika ny tanora ho any an’ady. Niseho ho masina ny fivavahana, ary izany no nampiasain’ny mpitondra tia kolikoly mba hampahoriana ny madinika. (Ampitahao amin’ny Jeremia 5:30, 31; Matio 23:27, 28.) Mariho anefa fa mijoro lavidavitra fotsiny ireo mpanjaka malahelo ireo, rehefa rava ilay tanàna. Tsy manatona mba hanampy izy ireo. Malahelo izy ireo mijery azy rava, nefa tsy tena sahy manampy azy.
Mitomany sy malahelo ny mpivarotra
3. Iza koa no halahelo rehefa hanjavona i Babylona Lehibe, ary inona avy no anton’izany, araka ny lazain’i Jaona?
3 Tsy ny mpanjakan’ny tany ihany no malahelo rehefa hanjavona i Babylona Lehibe. “Ary hitomany sy halahelo azy koa ny mpivaro-mandeha amin’ny tany, satria tsy hisy hividy intsony ny tahirin’entany rehetra, dia tahirim-bolamena sy volafotsy sy vatosoa sy perla sy lamba rongonimbazaha tena tsara sy lamba volomparasy sy lamba landy sy lamba mena midorehitra, sy izay rehetra vita amin’ny hazo mani-pofona, sy ny zavatra isan-karazany vita amin’ny ivoara sy vita amin’ny hazo faran’izay sarobidy sy vita amin’ny varahina sy vy ary marbra, mbamin’ny kanelina sy karazana sakamalao sy emboka manitra sy menaka manitra sy ditin-kazo manitra sy divay sy menak’oliva sy lafarinina faran’izay tsara sy varimbazaha sy omby aman’ondry, sy soavaly sy kalesy sy andevo ary ain’olona. Eny, efa niala taminao [tamin’i Babylona Lehibe] ny voankazo masaka nirinao, ary levona niala taminao ny zava-mahafinaritra rehetra sy ny zava-mirenty, ka tsy ho hitan’ny olona intsony mandrakizay.”—Apokalypsy 18:11-14.
4. Nahoana no mitomany sy malahelo “ny mpivaro-mandeha” rehefa rava i Babylona Lehibe?
4 Namana akaiky sady mpanjifa mahafatra-po i Babylona Lehibe ho an’ny mpivarotra mpanefohefo. Ohatra amin’izany ny monasitera, tranon-drelijiozy sy fiangonana maro an’ny Kristianisma Anarana, izay nahangona volamena be dia be, volafotsy, vatosoa, sy hazo sarobidy ary harem-be hafa, nandritra ny taonjato maro. Ankasitrahan’ny fivavahana koa ny fanaranam-po mividy zavatra sy misotro, mandritra ny Krismasy sy ny fety hafa. Mandeha any an-tany lavitra ny misioneran’ny Kristianisma Anarana, ka manokatra lalam-barotra ho an’ny “mpivaro-mandeha” eto amin’ity tontolo ity. Niditra tany Japon, niaraka tamin’ny mpanao raharaham-barotra, ny Fivavahana Katolika tamin’ny taonjato faha-17, ary voatarika tamin’ny adin’andriana. Mitantara toy izao Ny Rakipahalalana Britannica, momba ny ady teo akaikin’ny mandan’ny lapa tany Osaka: “Nitondra faneva nisy lakroa sy sarin’ny Mpamonjy mbamin’ny sarin’i Md. Jakoba, mpiaro an’i Espaina, ny fahavalon’ny tafik’i Tokugawa.” Nanenjika ny Fivavahana Katolika ilay nandresy, ary saika foana tany mihitsy ilay fivavahana. Tsy hitondra soa ho an’ny fivavahana ankehitriny koa ny fidirany amin’ny raharahan’izao tontolo izao.
5. a) Inona koa no nolazain’ilay feo avy tany an-danitra momba ny alahelon’ny “mpivaro-mandeha”? b) Nahoana no ‘mijoro lavidavitra’ koa ny mpivarotra?
5 Hoy koa ilay feo avy tany an-danitra: “Ny mpivaro-mandeha izay nivarotra an’ireny ka tonga mpanankarena noho ny aminy, dia hijoro lavidavitra satria matahotra sao hiara-mijaly aminy, ka hitomany sy halahelo, sady hanao hoe: ‘Indrisy! Indrisy, ry ilay tanàna lehibe, izay nitafy lamba rongonimbazaha tena tsara sy lamba volomparasy ary lamba mena midorehitra, sady niravaka volamena sy vatosoa ary perla be dia be, fa tao anatin’ny adiny iray monja dia foana izany harem-be izany!’ ” (Apokalypsy 18:15-17a) Mitomany ny ‘mpivarotra’ fa very mpiara-miasa, satria ringana i Babylona Lehibe. Milaza tokoa izy hoe: ‘Indrisy! Indrisy!’ Mariho anefa fa fitiavan-tena no mahatonga azy hitomany. ‘Mijoro lavidavitra’ toy ireo mpanjaka izy, fa tsy manatona mba hanampy an’i Babylona Lehibe.
6. Inona no nolazain’ilay feo avy tany an-danitra momba ny alahelon’ireo kapitenin-tsambo sy tantsambo?
6 Mitohy ny fitantarana: “Ary nijoro lavidavitra ny kapitenin-tsambo rehetra sy izay rehetra mpandeha sambo avy any amin’ny faritra rehetra, mbamin’ny tantsambo sy izay rehetra mivelona amin’ny ranomasina. Koa niantsoantso mafy izy ireo teo am-pijerena ny setroky ny fandoroana azy, ka nanao hoe: ‘Iza no tanàna tahaka ilay tanàna lehibe?’ Ary nanipy vovoka teo amin’ny lohany ireo sady niantsoantso mafy no nitomany sy nalahelo, ka nanao hoe: ‘Indrisy! Indrisy, ry tanàna lehibe, fa tao aminy no nampanan-karena an’izay rehetra nanan-tsambo teny an-dranomasina tamin’ny harem-be tao aminy, nefa tao anatin’ny adiny iray monja dia foana izy!’ ” (Apokalypsy 18:17b-19) Mpanao raharaham-barotra i Babylona fahiny, ary nanana andian-tsambo betsaka. Manao toy izany koa i Babylona Lehibe eny amin’ny “rano maro”, na ny olony, ka mahazo asa ny mpivavaka ao aminy. Ho be tokoa ny fatiantoka hahazo azy ireo rehefa ringana i Babylona Lehibe! Ho very tanteraka ny fidiram-bolany.
Fifaliana rehefa ringana i Babylona
7, 8. Inona no fanasana ataon’ilay feo avy tany an-danitra momba an’i Babylona Lehibe, ary iza no hamaly izany fanasana izany?
7 Hoy i Jeremia, fony resin’ny Medianina sy ny Persanina i Babylona: “Ny lanitra sy ny tany sy izay rehetra ao aminy dia hihoby noho ny amin’i Babylona.” (Jeremia 51:48) Manasa toy izao ilay feo avy tany an-danitra, rehefa ringana i Babylona Lehibe: “Mifalia noho izay manjo azy, ry lanitra, ary koa ianareo olona masina sy ianareo apostoly ary ianareo mpaminany, satria efa nitsara azy Andriamanitra ka efa nitaky sazy ho azy noho ny aminareo!” (Apokalypsy 18:20) Ho faly i Jehovah sy ny anjely hahita ny handringanana an’io fahavalo hatry ny ela io. Ho faly koa ny apostoly sy ny mpaminany kristianina efa natsangana tamin’ny maty sy efa anisan’ny anti-panahy 24.—Ampitahao amin’ny Salamo 97:8-12.
8 Hihoby ny “olona masina” rehetra, na efa natsangana ho any an-danitra izy na mbola velona eto an-tany. Hihoby koa ny vahoaka be anisan’ny ondry hafa. Hatsangana ho ao amin’ny tontolo vaovao ny olo-mahatoky fahiny rehetra, aorian’izay, ka ho faly koa. Tsy manao valifaty amin’ny fivavahan-diso nanenjika azy ny vahoakan’Andriamanitra. Tsaroany ny tenin’i Jehovah hoe: “Ahy ny famaliana. Izaho no hamaly, hoy i Jehovah.” (Romanina 12:19; Deoteronomia 32:35, 41-43) Efa mamaly tokoa i Jehovah izao. Hovaliana ny ra nalatsak’i Babylona Lehibe.
Hatsipy toy ny vato fikosoham-bary
9, 10. a) Hazavao ny zavatra ataon’ny anjely iray sy lazainy. b) Inona no itovizan’ny zavatra nataon’ilay anjely ao amin’ny Apokalypsy 18:21 sy ny natao tamin’ny andron’i Jeremia, ary inona no azo antoka noho izany? d) Inona no azo antoka noho ny zavatra nataon’ilay anjely hitan’i Jaona?
9 Horavan’i Jehovah tanteraka i Babylona Lehibe, araka izao hitan’i Jaona izao: “Ary nisy anjely mahery iray nanainga vato tahaka ny vato lehibe fikosoham-bary, ka nanipy mafy izany tany an-dranomasina, sady niteny hoe: ‘Hatsipy mafy toy izao i Babylona, ilay tanàna lehibe, ka tsy ho hita intsony izy.’ ” (Apokalypsy 18:21) Nisy zavatra toy izany koa natao tamin’ny andron’i Jeremia ary nanana heviny ara-paminaniana koa. Nasaina nosoratan’i Jeremia tao amin’ny boky iray “ny loza rehetra izay hanjo an’i Babylona.” Nomeny an’i Seraia ilay boky, ary nasainy nankany Babylona izy mba hamaky izao fanamelohana an’ilay tanàna izao: “Jehovah ô, Hianao no niteny hamely ity tany ity handringana azy, ka tsy hisy hitoetra eto, na olona na biby, fa ho tany lao mandrakizay izy.” Nofatoran’i Seraia niaraka tamin’ny vato ilay boky, avy eo, ka natsipiny tao amin’ny reniranon’i Eofrata, sady hoy izy: “Toy izao no hilentehan’i Babylona ka tsy hifongarany intsony noho ny loza hataoko mihatra aminy.”—Jeremia 51:59-64.
10 Azo antoka àry fa ho hadino tanteraka sy tsy ho tafarina intsony i Babylona, toy ilay boky nafatotra niaraka tamin’ny vato sy natsipy tao anaty rano. Hitan’i Jaona nanipy vato toy izany koa ilay anjely. Tena azo antoka àry fa ho tanteraka koa izay tian’i Jehovah hatao amin’i Babylona Lehibe. Rava tanteraka ilay Babylona fahiny, ary porofo mahery izany fa tsy ho ela dia ho rava koa ny fivavahan-diso.
11, 12. a) Inona no tenin’ilay anjely amin’i Babylona Lehibe? b) Inona no faminanian’i Jeremia momba an’i Jerosalema nivadi-pinoana, ary midika ho inona izany amin’izao andro izao?
11 Miteny toy izao amin’i Babylona Lehibe ilay anjely: “Ary tsy ho re ao aminao intsony ny feon’ny mpihira izay mampiaraka ny hirany amin’ny harpa sy ny mpitendry zavamaneno sy ny mpitsoka sodina ary ny mpitsoka trompetra. Ary tsy ho hita ao aminao intsony rehefa mety ho mpanao asa tanana, sady tsy ho re ao aminao intsony ny feon’ny vato fikosoham-bary, ary tsy hisy fahazavan’ny jiro intsony hamirapiratra ao aminao, ary tsy hisy feon’ny mpampakatra na ny ampakarina ho re ao aminao intsony, satria manam-pahefana ambony teny ambonin’ny tany ny mpivaro-mandehanao, fa voafitaky ny filalaovanao ody ny firenena rehetra.”—Apokalypsy 18:22, 23.
12 Mitovy amin’izany ny faminanian’i Jeremia momba an’i Jerosalema nivadi-pinoana: “Hatsahatro eo aminy ny feo mifaly sy ny feo miravoravo, dia ny feon’ny mpampakatra sy ny feon’ny ampakarina, ny feon’ny vato fikosoham-bary ary ny fahazavan’ny jiro. Ary ity tany rehetra ity dia ho foana sy lao.” (Jeremia 25:10, 11) Rava sy lao i Jerosalema tamin’ny 607 T.K. Ho rava sy ho faty koa ny Kristianisma Anarana izay ampahany lehibe indrindra amin’i Babylona Lehibe. Falifaly sy naresaka erỳ izy teo aloha, fa ho resy sy ho lao kosa izao.
13. Inona no fiovana tampoka hanjo an’i Babylona Lehibe, ary inona no ho vokatr’izany eo amin’ny “mpivaro-mandeha”?
13 Nanjaka eran-tany sady natanjaka i Babylona Lehibe manontolo, nefa ho tany efitra sy karakaina, araka ny tenin’ilay anjely. Nifampiraharaha tamin’izy io ireo “mpivaro-mandeha” sy ny mpanapitrisa. Nataon’izy ireny fitaovana ny fivavahana mba hahazoany tombony sy hanaronana ny ataony, ary tian’ny mpitondra fivavahana ny misehoseho miaraka amin’izy ireny. Tsy ho eo intsony anefa i Babylona Lehibe, mpiray tetika amin’izy ireny. Tsy hamitaka ny firenena rehetra amin’ny fombafombany hafahafa intsony izy.
Fandatsahan-dra mahatsiravina
14. Inona no antony nolazain’ilay anjely fa nanamelohan’i Jehovah mafy an’i Babylona Lehibe, ary inona no teny mitovy amin’izany nolazain’i Jesosy?
14 Hoy ilay anjely momba ny antony nanamelohan’i Jehovah mafy an’i Babylona Lehibe: “Eny, tao aminy no nahitana ny ran’ny mpaminany sy ny olona masina sy izay rehetra naripaka teny ambonin’ny tany.” (Apokalypsy 18:24) Nilazan’i Jesosy ny mpitondra fivavahana tany Jerosalema fa atao ampamoaka izy ireo noho “ny ran’ny olo-marina rehetra nalatsaka teto ambonin’ny tany, nanomboka tamin’ny ran’i Abela.” Naringana tokoa ilay taranaka ratsy fanahy, tamin’ny taona 70. (Matio 23:35-38) Mpivavaka hafa indray ankehitriny no meloka satria nandatsa-dra sy nanenjika ny mpanompon’Andriamanitra.
15. Inona avy ireo antony roa nahatonga ny Eglizy Katolika tany Alemaina Nazia ho meloka noho ny fandatsahan-dra?
15 Hoy i Guenter Lewy ao amin’ilay bokiny hoe Ny Eglizy Katolika sy Alemaina Nazia (anglisy): “Nofoanana tamin’ny 13 Aprily [1933] ny Vavolombelon’i Jehovah tao Bavière, ary neken’ny Eglizy ny nanendren’ny Minisiteran’ny Fanabeazana sy ny Fivavahana azy hanoro an’izay mbola manaraka an’ilay sekta voarara.” Tompon’andraikitra tamin’ny nandefasana Vavolombelona an’arivony tany amin’ny toby fitanana àry ny Eglizy Katolika, ka voaloton’ny ran’ny Vavolombelona an-jatony novonoina. Nasehon’ny tanora Vavolombelona maro, toa an’i Wilhelm Kusserow, fa tsy natahotra ny hotifirina izy. Zavatra ratsy kokoa àry no nasain’i Hitler natao tamin’izay tsy nety nanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany. Notapahin-doha i Wolfgang, rahalahin’i Wilhelm, raha vao 20 taona monja. Ny Eglizy Katolika kosa nampirisika tanora katolika alemà ho faty tany an’ady ho an’ny tanindrazany. Miharihary fa meloka noho ny fandatsahan-dra ny eglizy!
16, 17. a) Inona no trosan-dra hotakina amin’i Babylona Lehibe, ary nahoana i Vatikana no tompon’andraikitra tamin’ny namonoan’ny Nazia ny Jiosy? b) Inona no antony iray naha tompon’andraikitra ny fivavahan-diso tamin’ny nandripahana olona an-tapitrisany tamin’ny ady maro ankehitriny?
16 Lazain’ilay faminaniana anefa fa hotakina amin’i Babylona Lehibe ny ‘ran’izay rehetra naripaka teny ambonin’ny tany.’ Marina izany ankehitriny. Ny tetika nataon’ny Katolika, ohatra, no anisan’ny nahazoan’i Hitler fahefana tany Alemaina. Tompon’andraikitra àry i Vatikana tamin’ny namonoan’ny Nazia ny Jiosy enina tapitrisa. Olona iray hetsy mahery koa no novonoina tamin’ny ady an-jatony ankehitriny. Tompon’andraikitra tamin’izany ve ny fivavahan-diso? Eny, ary noho ny antony roa.
17 Voalohany, ny tsy fitovian-kevitra ara-pivavahana no nampisy ady maro. Ny fivavahana, ohatra, no nahatonga ny herisetra teo amin’ny Silamo sy ny Hindoa tany Inde tamin’ny 1946-1948, ka namoizana ain’olona ana hetsiny. Nisy nifandraisany tamin’ny tsy fifanarahan’ireo sekta koa ny adin’i Irak sy Iran teo anelanelan’ny 1980 sy 1990, ka nahafatesana olona ana hetsiny. Namoizana aina an’arivony ny adin’ny Katolika sy Protestanta any Irlandy Avaratra. Nanadihady momba izany i C. Sulzberger, mpanao gazety, ka nilaza toy izao tamin’ny 1976: “Mampalahelo nefa marina ny hoe ny antsasany na mahery amin’ny ady eran-tany no ady ifanaovan’ny fivavahana na ady nahavoarohirohy fivavahana.” Izany tokoa no mampiavaka ny tantaran’i Babylona Lehibe.
18. Inona no antony faharoa mahatonga ny fivavahana no meloka noho ny fandatsahan-dra?
18 Faharoa, amin’i Jehovah dia meloka ho nandatsa-dra ny fivavahana eto amin’ity tontolo ity, satria tsy nampianatra an’izay tena takin’i Jehovah amin’ny mpanompony. Tsy nampiaiky sy nampianatra ny olona izy hoe mila manahaka an’i Jesosy Kristy ny tena mpivavaka, ka ho tia ny mpiara-belona aminy na inona na inona fireneny. (Mika 4:3, 5; Jaona 13:34, 35; Asan’ny Apostoly 10:34, 35; 1 Jaona 3:10-12) Tsy nampianatra an’izany ireo fivavahana anisan’i Babylona Lehibe, ka nanjary voatarika tao amin’ny ady isan-karazany ny mpivavaka tao aminy. Tena hita be izany tamin’ireo ady lehibe roa tany am-piandohan’ny taonjato faha-20! Nanomboka tao amin’ny tany kristianina ireo ady ireo, ary niteraka fifamonoan’ny mpiara-mivavaka. Tsy ho nisy izany raha nanaraka ny toro lalan’ny Baiboly foana ireo milaza tena ho Kristianina.
19. Inona no fandatsahan-dra mahatsiravina anamelohana an’i Babylona Lehibe?
19 I Babylona Lehibe no omen’i Jehovah tsiny noho izany ra latsaka rehetra izany. Tsy ho nisy mantsy izany raha nampianatra ny fahamarinana ny mpitondra fivavahana, indrindra fa ny ao amin’ny Kristianisma Anarana. Tsy maintsy ataon’i Jehovah ampamoaka àry i Babylona Lehibe, ilay mpivaro-tena lehibe, na ny fivavahan-diso rehetra eran-tany. Atao ampamoaka izy noho ny “ran’ny mpaminany sy ny olona masina” nenjehiny sy novonoiny, sy noho ny ‘ran’izay rehetra naripaka teny ambonin’ny tany.’ Meloka noho ny fandatsahan-dra mahatsiravina tokoa i Babylona Lehibe. Aleo hanjavona any izy rehefa ho ringana tanteraka!
[Efajoro, pejy 270]
Vokatry ny Fanekena Lembenana
Hoy i Guenter Lewy ao amin’ilay bokiny hoe Ny Eglizy Katolika sy Alemaina Nazia: “Ho hafa mihitsy ny fizotran’ny tantara raha tany am-boalohany ny Fivavahana Katolika teto Alemaina dia efa nanohitra mafy ny Nazia. Nety ho tsy naharesy an’i Hitler izy, na nahasakana azy tsy hamono ireny olona rehetra ireny, nefa kosa nety ho nahatonga ny olona hanaja tsara ny Eglizy. Ekena fa nety ho be ny aina nafoy raha nanohitra azy [ny Eglizy], nefa antony tena mavesa-danja no ho nahatonga izany. Nety tsy ho sahy niady koa i Hitler raha tsy azony nianteherana ny tao amin’ny taniny, ka ho aina an-tapitrisany no voavonjy. ... Nanohana an’ilay fitondrana nahavanon-doza anefa ny Eglizy Katolika teto Alemaina, rehefa nampijalijalina ho faty tany amin’ny toby fitanana ny Alemà an’arivony nanohitra ny Nazia, ary naripaka ireo Poloney avara-pianarana, ary nentina toy ny andevo ireo Rosianina ana hetsiny ka maty, ary novonoina ny olona 6 000 000 satria ‘tsy Aryanina.’ Tsy niteny ny Papa tany Roma, izay ray am-panahy sy mpampianatra ambony indrindra ao amin’ny Eglizy Katolika Romanina.”—Pejy 320, 341.
[Sary, pejy 268]
‘Indrisy! Indrisy!’, hoy ny mpitondra
[Sary, pejy 268]
‘Indrisy! Indrisy!’, hoy ny mpivarotra