Toko 30
“Nianjera i Babylona Lehibe!”
1. Inona no ambaran’ilay anjely faharoa, ary iza moa i Babylona Lehibe?
TONGA ny ora fitsaran’Andriamanitra! Henoy àry ny hafatra avy aminy: “Ary nisy anjely hafa faharoa avy eo, nanao hoe: ‘Nianjera, nianjera i Babylona Lehibe, ilay nampisotro ny firenena rehetra ny divain’ny fahatezeran’ny fijangajangany!’ ” (Apokalypsy 14:8) Sambany izao ny Apokalypsy vao mamakafaka momba an’i Babylona Lehibe. Hohazavain’ny Apokalypsy toko 17 fa mpivaro-tena mpanaram-po amin’ny fahafinaretan’ny nofo izy io. Iza moa i Babylona Lehibe? Ho hitantsika fa fivavahana manjaka eran-tany izy io, ary io no ampiasain’i Satana hiadiana amin’ny taranak’ilay vehivavy vadin’Andriamanitra. (Apokalypsy 12:17) Ny fivavahan-diso rehetra no antsoina hoe Babylona Lehibe. Anisan’izy io daholo ny fivavahana mihazona ny fampianarana sy ny fanao ara-pivavahan’i Babylona fahiny, ary maneho ny toe-tsainy.
2. a) Ahoana no nahatonga ny fivavahana tany Babylona hiparitaka eran-tany? b) Iza no ampahany lehibe indrindra amin’i Babylona Lehibe, ary oviana io fandaminana matanjaka io no nipoitra?
2 Nasafotofoton’i Jehovah ny fitenin’ny olona nanorina ny Tilikambon’i Babela tany Babylona, 4 000 taona lasa izay. Niparitaka eran-tany ireo olona samy hafa fiteny, ka niely koa ny zavatra ninoan’ny mpivadi-pinoana sy ny fombafombany, izay lasa foto-pinoan’ny ankamaroan’ny fivavahana ankehitriny. (Genesisy 11:1-9) Ampahany ara-pivavahana amin’ny fandaminan’i Satana i Babylona Lehibe. (Ampitahao amin’ny Jaona 8:43-47.) Ny ampahany lehibe indrindra amin’i Babylona Lehibe dia ny Kristianisma Anarana nivadi-pinoana, izay fandaminana matanjaka sy mpandika lalàna, nipoitra tamin’ny taonjato fahefatra. Tsy avy ao amin’ny Baiboly ny ankamaroan’ny foto-pinoany sy ny fombafombany, fa avy amin’ny fivavahan’i Babylona fahiny.—2 Tesalonianina 2:3-12.
3. Nahoana no lazaina fa nianjera i Babylona Lehibe?
3 Mety hanontany ianao hoe: ‘Nahoana ilay anjely no milaza fa nianjera i Babylona Lehibe, nefa mbola tena manan-kery eto an-tany ihany ny fivavahana?’ Inona no nitranga tamin’ny 539 T.K., rehefa nianjera i Babylona fahiny? Nafahana ny Israely, ka niverina tany an-tanindrazany mba hamerina amin’ny laoniny ny fivavahana marina. Voaporofo fa nianjera toy izany koa i Babylona Lehibe tamin’ny 1919, satria nahazo fitahiana tondraka indray ny Israely ara-panahy, ary mbola mitohy izany hatramin’izao. Tsy afaka mifehy ny vahoakan’Andriamanitra intsony i Babylona Lehibe. Misy olana lehibe koa eo anivony. Naharihary nanomboka tamin’ny 1919, fa manao kolikoly sy manao ny tsy marina ary maloto fitondran-tena izy io. Vitsy ny olona mbola mandeha miangona any Eoropa, ary lazaina fa “fandemena ny saim-bahoaka” ny fivavahana any amin’ny tany sosialista sasany. Mietry i Babylona Lehibe eo imason’ireo tia ny tenim-pahamarinan’Andriamanitra, ka toy ny hoe miandry fahafatesana, satria hihatra aminy ny didim-pitsarana ara-drarin’i Jehovah.
Fianjerana mampietry
4-6. Nahoana no lazaina fa nampisotroin’i Babylona Lehibe ‘ny divain’ny fahatezeran’ny fijangajangany ny firenena rehetra?’
4 Hojerentsika ny tsipiriany manodidina ny fianjeran’i Babylona Lehibe. Lazain’ilay anjely fa nampisotroin’izy io ‘ny divain’ny fahatezeran’ny fijangajangany ny firenena rehetra.’ Inona no dikan’izany? Misy ifandraisana amin’ny fandresena izany. Izao, ohatra, no nolazain’i Jehovah tamin’i Jeremia: “Raiso etỳ an-tànako ity kapoaky ny divay fahatezerana mirehitra ity, ka ampisotroy ny firenena rehetra izay anirahako anao. Ary hisotro izy ka hirepirepy sy ho very saina noho ny sabatra izay hampameleziko azy.” (Jeremia 25:15, 16) Nampiasain’i Jehovah i Babylona fahiny, tamin’ny taonjato fahenina sy fahafito T.K., mba handraraka ny loza avy tao anatin’ilay kaopy an’ohatra, hosotroin’ny firenena maro. Anisan’ireny firenena ireny i Joda nivadi-pinoana, ka natao sesitany hatramin’ny vahoakany. Nianjera anefa i Babylona avy eo, satria nanandra-tena ny mpanjakany, ka nanohitra an’i Jehovah “Tompon’ny lanitra.”—Daniela 5:23.
5 Nahazo fandresena toa an’i Babylona fahiny koa i Babylona Lehibe, saingy tsy tena miharihary izany. “Nampisotro ny firenena rehetra” izy, rehefa nampiasa hafetsen’ny mpivaro-tena mba hitarihana azy ireny hijangajanga taminy. Notaominy ny mpitondra ara-politika mba hanao fifanekena sy hinamana aminy. Nikotrika famoretana ara-politika sy ara-barotra ary ara-toe-karena izy, ka nampiasa fanangolena. Nitarika fanenjehana sy ady ara-pivavahana ary adim-poko koa izy, noho ny antony ara-politika sy ara-barotra. Nohamasininy ireny ady ireny, ka nolazainy hoe sitrapon’Andriamanitra.
6 Fantatry ny rehetra fa niditra tamin’ny ady sy ny politika ny fivavahana tamin’ny taonjato faha-20, toy ny Shintoista any Japon, Hindoa any Inde, Bodista any Vietnam, ireo lazaina fa Kristianina any Irlandy Avaratra sy Amerika Latinina, ary ny maro hafa. Tamin’ny ady lehibe roa, dia teo koa ireo mpitondra fivavahana tao amin’ireo tafika mpifanandrina, izay nampirisika ny tovolahy hifamono. Nampiseho ny fijangajangan’i Babylona Lehibe ny fandraisany anjara tamin’ny Ady An-trano Tany Espaina tamin’ny 1936-1939, izay nahafatesana olona 600 000, fara fahakeliny. Ny mpanohana ny mpitondra fivavahana katolika sy ny mpiara-dia taminy no nahatonga izany fandatsahan-dra izany, satria, ankoatra ny antony hafa, dia nitady handrombaka ny harena sy ny fahefan’ny eglizy ny fanjakana espaniola.
7. Iza no tena lasibatr’i Babylona Lehibe, ary inona avy no fomba ampiasainy hamelezana azy io?
7 Ampahany ara-pivavahana amin’ny taranak’i Satana i Babylona Lehibe, ka ilay “vehivavy”, na i “Jerosalema any ambony” foana no nataony lasibatra. Fantatra tamin’ny taonjato voalohany fa ny fiangonan’ny Kristianina voahosotra no taranak’ilay vehivavy. (Genesisy 3:15; Galatianina 3:29; 4:26) Niezaka mafy i Babylona Lehibe mba handresy an’ilay fiangonana madio, ka nitarika azy hijangajanga amin’ny lafiny ara-pivavahana. Efa nilaza ny apostoly Paoly sy Petera fa maro no ho resy, ka hisy fivadiham-pinoana lehibe. (Asan’ny Apostoly 20:29, 30; 2 Petera 2:1-3) Hita tamin’ireo hafatr’i Jesosy ho an’ny fiangonana fito fa nahomby kely ihany ny ezak’i Babylona Lehibe, taloha kelin’ny nahafatesan’i Jaona. (Apokalypsy 2:6, 14, 15, 20-23) Efa nolazain’i Jesosy anefa ny fetran’ny fahombiazany.
Ny vary sy ny tsimparifary
8, 9. a) Inona no dikan’ny fanoharan’i Jesosy momba ny vary sy ny tsimparifary? b) Inona no nitranga “raha mbola natory ny olona”?
8 Niresaka ny amin’ny lehilahy iray namafy voa tsara i Jesosy, tao amin’ny fanoharany momba ny vary sy ny tsimparifary. “Raha mbola natory [anefa] ny olona”, dia tonga namafy tsimparifary ny fahavalo. Nanjary takon’ny tsimparifary àry ny vary. Nohazavain’i Jesosy toy izao ilay fanoharana: “Ny mpamafy ny voa tsara dia ny Zanak’olona, ny tanimbary dia izao tontolo izao, ny voa tsara dia ny zanak’ilay fanjakana, fa ny tsimparifary kosa dia ny zanak’ilay ratsy, ary ny fahavalo namafy izany dia ny Devoly.” Nolazainy avy eo fa havela hiara-maniry ny vary sy ny tsimparifary, mandra-pahatongan’ny “fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity”, rehefa “hanangona” ny tsimparifary ny anjely.—Matio 13:24-30, 36-43.
9 Nitranga tokoa izay nolazain’i Jesosy sy ny apostoly Paoly sy Petera. Nitsimoka teo anivon’ny fiangonana ny fivadiham-pinoana, “raha mbola natory ny olona”, izany hoe rehefa maty ny apostoly, na rehefa rendremana ny mpiandraikitra kristianina, ka tsy nambenany tsara ny ondrin’Andriamanitra. (Asan’ny Apostoly 20:31) Tsy ela dia nihabe dia be ny tsimparifary ka sarona ny vary. Toa nanakona tanteraka ny taranak’ilay vehivavy i Babylona Lehibe, nandritra ny taonjato maro.
10. Inona no nitranga tamin’ny 1870 tany ho any, ary inona no nataon’i Babylona Lehibe ho setrin’izany?
10 Niezaka mafy niala tamin’ireo fomban’ny mpivaro-tena nananan’i Babylona Lehibe ny Kristianina voahosotra, tamin’ny 1870 tany ho any. Nialan’izy ireo ny fampianaran-diso nalain’ny Kristianisma Anarana avy amin’ny mpanompo sampy. Sahy nampiasa Baiboly koa izy ireo, rehefa nitory fa hifarana amin’ny 1914 ny andron’ny Jentilisa. Nanohitra an’izany famerenana amin’ny laoniny ny fivavahana marina izany ny mpitondra fivavahan’ny Kristianisma Anarana, izay tena ampiasain’i Babylona Lehibe. Nohararaotin’izy ireo ny fisafotofotoana tamin’ny Ady Lehibe I mba hamongorana an’ireo Kristianina nahatoky vitsy an’isa. Toa nahomby sy nandresy i Babylona Lehibe, rehefa saika nitsahatra tanteraka ny asan’ireo Kristianina ireo tamin’ny 1918.
11. Inona no vokatry ny fianjeran’i Babylona fahiny?
11 Efa noresahintsika fa rava i Babylona, tanàna mpiavonavona, tamin’ny 539 T.K. Re tamin’izay ny antsoantso hoe: “Rava, rava Babylona!” Nandresy an’ilay foiben’ny firenena natanjaka indrindra eran-tany, ny tafiky ny Medianina sy Persanina notarihin’i Kyrosy Lehibe. Tsy rava tanteraka ilay tanàna, nefa tsy nanam-pahefana intsony, ka nafahana avy tao ireo Jiosy babo. Nody tany Jerosalema izy ireo mba hamerina amin’ny laoniny ny fivavahana marina.—Isaia 21:9; 2 Tantara 36:22, 23; Jeremia 51:7, 8.
12. a) Nahoana no azo lazaina hoe nianjera i Babylona Lehibe ankehitriny? b) Inona no porofo fa nolavin’i Jehovah tanteraka ny Kristianisma Anarana?
12 Re koa ankehitriny ilay antsoantso hoe nianjera i Babylona Lehibe! Nandresy vetivety ny Kristianisma Anarana tamin’ny 1918. Nivadika tanteraka anefa ny rasa tamin’ny 1919, satria toy ny hoe natsangana tamin’ny maty ny sisa voahosotra. Nianjera àry i Babylona Lehibe, izany hoe afaka daholo ny vahoakan’Andriamanitra nobaboiny. Toy ny valala nirohotra avy tao amin’ny lavaka mangitsokitsoka ireo voahosotra, rahalahin’i Kristy, ary vonona hiasa. (Apokalypsy 9:1-3; 11:11, 12) Izy ireo no “mpanompo mahatoky sy malina” ankehitriny, ary notendren’ny Tompo hikarakara ny fananany rehetra eto an-tany. (Matio 24:45-47) Matoa izy ireo no ampiasaina, dia porofo izany fa nolavin’i Jehovah tanteraka ny Kristianisma Anarana, na dia milaza ho solontenany eto an-tany aza. Naverina tamin’ny laoniny ny fivavahana marina, ka azo nasiana tombo-kase ny sisa tamin’ny 144 000, izany hoe ny sisa amin’ny taranak’ilay vehivavy, izay fahavalon’i Babylona Lehibe hatry ny ela. Midika izany rehetra izany fa resy tanteraka ny fivavahana tarihin’i Satana.
Fiaretan’ny olona masina
13. a) Inona no nambaran’ilay anjely fahatelo? b) Inona no didim-pitsaran’i Jehovah ho an’ireo mandray ny mariky ny bibidia?
13 Henoy ange ny tenin’ilay anjely fahatelo e! “Ary nisy anjely hafa fahatelo avy eo, niantsoantso mafy hoe: ‘Raha misy mivavaka amin’ny bibidia sy ny sariny ka mandray marika eo amin’ny handriny na eo amin’ny tanany, dia hisotro koa ny divain’ny fahatezeran’Andriamanitra izay araraka tsy mitampoka ao anatin’ny kaopin’ny fahatezerany izy.’ ” (Apokalypsy 14:9, 10a) Naharihary tao amin’ny Apokalypsy 13:16, 17 fa hijaly sy hovonoina ho faty mihitsy ireo tsy mivavaka amin’ny sarin’ilay bibidia, mandritra ny andron’ny Tompo. Hitantsika kosa izao fa hampiharan’i Jehovah ny didim-pitsarany ireo ‘manana ilay marika, dia ny anaran’ilay bibidia na ny isa manondro ny anarany.’ Hoterena hisotro ny mangidy ao amin’ilay ‘kaopin’ny fahatezeran’i Jehovah’ izy ireo. Hidika ho inona ho azy ireo izany? Noteren’i Jehovah hisotro tamin’ny ‘kapoaky ny fahatezerany’ ny firenen’i Jerosalema tamin’ny 607 T.K., ka niharan’ny “fandravana sy fandringanana ary mosary sy sabatra” avy tamin’ny Babylonianina. (Isaia 51:17, 19) Hisotro ny divain’ny fahatezeran’i Jehovah koa ny mpanindrahindra ireo hery ara-politika sy ny sarin’izy ireo, dia ny Firenena Mikambana. Hitondra loza ho azy ireo izany. (Jeremia 25:17, 32, 33) Horinganina tanteraka izy ireo.
14. Inona no hanjo an’ireo mpivavaka amin’ilay bibidia sy ny sariny, na dia alohan’ilay fandringanana aza, ary ahoana no anazavan’i Jaona izany?
14 Na dia alohan’ilay fandringanana aza anefa, dia hijaly noho ny tsy fankasitrahan’i Jehovah ireo mandray ny marik’ilay bibidia. Hoy ilay anjely tamin’i Jaona, momba ny mpivavaka amin’ilay bibidia sy ny sariny: “Hampijalina amin’ny afo sy ny solifara eo imason’ny anjely masina sy eo imason’ny Zanak’ondry [izy]. Ary miakatra mandrakizay mandrakizay ny setroky ny fijalian’izy ireo, ary na andro na alina dia tsy manam-pitsaharana ireo, mbamin’izay mivavaka amin’ny bibidia sy ny sariny sy izay mandray ny mariky ny anarany.”—Apokalypsy 14:10b, 11.
15, 16. Inona no dikan’ny “afo” sy “solifara” ao amin’ny Apokalypsy 14:10?
15 Misy mihevitra fa porofon’ny fisian’ny afobe ny “afo” sy “solifara” voalaza eto. Hazava amintsika anefa ny tena dikan’ireo, raha manao topy maso faminaniana hafa mitovy amin’io isika. Nampitandrina i Jehovah tamin’ny andron’i Isaia fa hosazina ny firenen’i Edoma, satria nankahala ny Israely. Hoy izy: “Hovana ho tonga dity ny renirano any Edoma, ary ho solifara ny vovo-taniny, ary ny taniny ho dity mirehitra. Na alina na andro dia tsy hovonoina izany, ary ny setrony hisavoana mandrakizay; hatramin’ny taranaka fara mandimby dia ho tany karankaina izy, tsy hisy handeha hamaky azy intsony mandrakizay mandrakizay.”—Isaia 34:9, 10.
16 Natsipy tany amin’ny afobe ve i Edoma, mba hodorana mandrakizay? Mazava ho azy fa tsia. Nanjavona tanteraka kosa ilay firenena, ka toy ny hoe levon’ny afo sy solifara. Tsy fampijaliana mandrakizay no vokatr’ilay sazy, fa ‘fikorontanana sy fahafoanana ary fahafonganana.’ (Isaia 34:11, 12) Manondro izany tsara ilay setroka ‘misavoana mandrakizay.’ Mbola midona-tsetroka, ohatra, ny lavenona na dia efa maty aza ny afo, raha nisy trano may. Hitan’ny olona avy amin’izany fa nisy hain-trano teo. Mbola tsaroan’ny vahoakan’Andriamanitra hatramin’izao ny lesona avy amin’ny fandravana an’i Edoma. Toy ny hoe mbola miakatra foana àry ny “setrony.”
17, 18. a) Inona no hiafaran’ireo mandray ny marik’ilay bibidia? b) Inona no dikan’ny hoe hampijalina ireo mivavaka amin’ilay bibidia? d) Inona no dikan’ny hoe hiakatra “mandrakizay mandrakizay ny setroky ny fijalian’izy ireo”?
17 Horinganina tanteraka, toy ny amin’ny afo, koa ireo manana ny marik’ilay bibidia. Hasehon’ilay faminaniana any aoriana fa tsy halevina ireo faty, mba hohanin’ny biby sy ny vorona. (Apokalypsy 19:17, 18) Mazava àry fa tsy hampijalina mandrakizay izy ireo! Koa inona no dikan’ny hoe “hampijalina amin’ny afo sy ny solifara” izy ireo? Ny fanambarana ny fahamarinana dia hampiseho ny maha izy azy ireo sy hampitandrina azy momba ny didim-pitsaran’Andriamanitra ho avy. Manaratsy ny vahoakan’Andriamanitra àry izy ireo, ary mandresy lahatra an’ilay bibidia mba hanenjika ny Vavolombelon’i Jehovah sy hamono azy ireo. Horinganina, toy ny amin’ny afo sy solifara, anefa ireo mpanohitra ireo amin’ny farany. Toy ny “miakatra mandrakizay mandrakizay ny setroky ny fijalian’izy ireo”, satria raha sanatria mbola misy mandà ny zon’i Jehovah hitondra, dia io didim-pitsaran’Andriamanitra io no ho fototry ny fitsarana azy. Hilamina mandrakizay io adihevitra io.
18 Iza no manambara ilay hafatra mampijaly ankehitriny? Tsarovy fa nomena fahefana ireo valala an’ohatra mba hampijaly an’izay tsy manana ny tombo-kasen’Andriamanitra eo amin’ny handriny. (Apokalypsy 9:5) Izy ireo àry no mpampijaly, eo ambany fitarihan’ny anjely. Mazoto be ireo valala, ka “na andro na alina dia tsy manam-pitsaharana [ny fampijaliana an’ireo] ... mivavaka amin’ny bibidia sy ny sariny sy izay mandray ny mariky ny anarany.” Rehefa ringana izy ireo, dia hiakatra mandrakizay mandrakizay ny “setroky ny fijalian’izy ireo”, izay porofo lehibe fa manana zo hitondra i Jehovah. Enga anie samy haharitra ireo voahosotra toa an’i Jaona, mandra-pahavitan’io fanamarinana io! Hoy tokoa ilay anjely: “Eto no mila fiaretana ny olona masina, dia ireo mitandrina ny didin’Andriamanitra sy ny finoana an’i Jesosy.”—Apokalypsy 14:12.
19. Nahoana no mila fiaretana ny olona masina, ary inona no tenin’i Jaona mampahery azy ireo?
19 Manana “fiaretana ny olona masina” satria mivavaka amin’i Jehovah irery ihany amin’ny alalan’i Jesosy Kristy. Tsy tian’ny olona ny hafatra entin’izy ireo, ka toherina sy enjehina ary vonoina ho maritiora izy ireo. Mampahery azy ireo anefa ny tenin’i Jaona hoe: “Ary nahare feo avy tany an-danitra aho nanao hoe: ‘Soraty izao: Sambatra ny maty, izay maty ao amin’ny Tompo manomboka izao. Eny, hoy ny fanahy, aoka izy hitsahatra amin’ny asa mafy nataony, fa ny zavatra nataony manaraka azy.’ ”—Apokalypsy 14:13.
20. a) Mifanaraka amin’ilay fampanantenana noresahin’i Jaona ny faminanian’i Paoly momba ny fanatrehan’i Kristy. Hazavao. b) Inona no tombontsoa manokana ho azon’ireo voahosotra maty taorian’ny nandroahana an’i Satana avy tany an-danitra?
20 Mifanaraka amin’io fampanantenana io ny faminanian’i Paoly momba ny fanatrehan’i Kristy hoe: “Izay maty ao amin’i Kristy no hitsangana voalohany. Ary aorian’izay, isika izay velona [ireo voahosotra velona mandritra ny andron’ny Tompo] ka mahatratra izany fanatrehany izany, mbamin’izy ireo koa, dia hoentina anaty rahona, mba hihaona amin’ny Tompo eny amin’ny rivotra.” (1 Tesalonianina 4:15-17) Natsangana voalohany ireo maty tao amin’i Kristy, taorian’ny nandroahana an’i Satana avy tany an-danitra. (Ampitahao amin’ny Apokalypsy 6:9-11.) Homena tombontsoa manokana kosa ireo voahosotra maty mandritra ny andron’ny Tompo. Mitsangana avy hatrany “ao anatin’ny indray mipy maso” mantsy izy ireo, ary mankany an-danitra. (1 Korintianina 15:52) Tena mahatalanjona izany! Mitohy hatrany an-danitra ny asam-pahamarinana nataony.
Fijinjana ny vokatry ny tany
21. Inona no nolazain’i Jaona momba ny ‘fijinjana ny vokatry ny tany’?
21 Hitondra soa ho an’ny olon-kafa koa io andro fitsarana io, araka ny lazain’i Jaona hoe: “Ary nahita aho, ary indro, nisy rahona fotsy, ary nisy tahaka ny zanak’olona nipetraka teo ambonin’ilay rahona, nanana satroboninahitra volamena teo amin’ny lohany sy antsy fijinjana maranitra teny an-tanany. Ary nisy anjely hafa [fahefatra] nivoaka avy tao amin’ny toerana masin’ny tempoly, niantsoantso mafy tamin’ilay nipetraka teo ambonin’ny rahona, nanao hoe: ‘Arosoy ny antsy fijinjanao ka mijinjà, satria tonga ny ora fijinjana, fa masaka tanteraka ny vokatry ny tany.’ Ary ilay nipetraka teo ambonin’ny rahona dia nijinja ny tany tamin’ny antsy fijinjany, ka voajinja ny tany.”—Apokalypsy 14:14-16.
22. a) Iza ilay manana satroboninahitra volamena sy mipetraka eo amin’ny rahona fotsy? b) Rahoviana no hahatratra ny fara tampony ilay fijinjana, ary amin’ny fomba ahoana?
22 Fantatra avy hatrany hoe iza ilay mipetraka eo amin’ny rahona fotsy. Tahaka ny zanak’olona izy io, ary manana satroboninahitra volamena. Midika izany fa i Jesosy, ilay Mesia Mpanjaka hitan’i Daniela tamin’ny fahitana, io hitan’i Jaona io. (Daniela 7:13, 14; Marka 14:61, 62) Inona anefa ilay fijinjana resahina eto? Noharin’i Jesosy tamin’ny fijinjana vokatra ny asa fanaovana mpianatra. (Matio 9:37, 38; Jaona 4:35, 36) Hahatratra ny fara tampony izy io mandritra ny andron’ny Tompo, rehefa lasa Mpanjaka i Jesosy, ka hanatanteraka ny didim-pitsaran-dRainy. Fotoam-pifaliana sy fanangonam-bokatra àry ny fotoana anjakany, nanomboka tamin’ny 1914.—Ampitahao amin’ny Deoteronomia 16:13-15.
23. a) Iza no manome ilay baiko hanombohana ny fijinjana? b) Inona ilay fijinjana nanomboka tamin’ny 1919 ka hatramin’izao?
23 Mpanjaka sady Mpitsara i Jesosy, nefa miandry ny baikon’i Jehovah Andriamaniny izy vao mijinja. Nisy anjely nampita ilay baiko avy tao amin’ny “toerana masin’ny tempoly.” Nankatò avy hatrany i Jesosy. Nasainy namita ny fijinjana an’ireo 144 000 aloha ny anjeliny, nanomboka tamin’ny 1919. (Matio 13:39, 43; Jaona 15:1, 5, 16) Aorian’izay kosa ny fanangonana ny vahoaka be anisan’ny ondry hafa. (Jaona 10:16; Apokalypsy 7:9) Asehon’ny tantara fa nipoitra ny ondry hafa maro be tamin’ny 1931 ka hatramin’ny 1935. Nampian’i Jehovah ireo voahosotra tamin’ny 1935, mba hamantatra hoe iza marina ny vahoaka be ao amin’ny Apokalypsy 7:9-17. Nantitranterina nanomboka teo ny fanangonana ny vahoaka be. Efa nihoatra ny enina tapitrisa izy ireo tamin’ny 2005, ary mbola mihamaro hatrany. Nahangona vokatra be sady nahafaly àry ilay tahaka ny zanak’olona nandritra ny andro farany.—Ampitahao amin’ny Eksodosy 23:16; 34:22.
Fanitsahana ny voaloboky ny tany
24. Inona no eny an-tanan’ilay anjely fahadimy, ary inona no lazain’ilay anjely fahenina?
24 Hisy fijinjana hafa, aorian’ilay fijinjana ho amin’ny famonjena. Hoy i Jaona: “Ary nisy anjely hafa koa [fahadimy] nivoaka avy tao amin’ny toerana masin’ny tempoly izay any an-danitra, ary nanana antsy fijinjana maranitra koa izy. Ary mbola nisy anjely hafa koa [fahenina] nivoaka avy teo amin’ny alitara, ary nanana fahefana tamin’ny afo izy. Ary niantsoantso mafy tamin’ilay nanana antsy fijinjana maranitra izy, nanao hoe: ‘Arosoy ny antsy fijinjanao ka angony ny salohim-boaloboky ny tany, satria efa masaka ny voalobony.’ ” (Apokalypsy 14:17, 18) Miandraikitra fijinjana be dia be ireo anjely mandritra ny andron’ny Tompo, ka hanavaka ny tsara sy ny ratsy!
25. a) Inona no dikan’ilay hoe avy tao amin’ny toerana masin’ny tempoly ilay anjely fahadimy? b) Nahoana no mety ny hoe anjely “avy teo amin’ny alitara”, no nampita ilay baiko hanombohana ny fijinjana?
25 Avy teo anatrehan’i Jehovah, tao amin’ny toerana masin’ny tempoly, ilay anjely fahadimy. Midika izany fa mifanaraka amin’ny sitrapon’i Jehovah koa ilay fijinjana farany. Nanome baiko azy hanomboka ny asany ny hafatra avy amin’ilay anjely iray “nivoaka avy teo amin’ny alitara.” Misy heviny manokana izany, satria toy ny manontany avy ao ambanin’ny alitara ny ain’ireo olona nahatoky novonoina, hoe: “Ry Tompo Fara Tampony, izay masina sy marina ô, mandra-pahoviana ianao no mbola tsy hitsara ka tsy hamaly ny ranay amin’izay monina eny ambonin’ny tany?” (Apokalypsy 6:9, 10) Hotanterahina izany famaliana izany, rehefa hojinjaina ny voaloboky ny tany.
26. Inona ilay ‘voaloboky ny tany’?
26 Inona anefa ilay ‘voaloboky ny tany’? Antsoina hoe voalobok’i Jehovah ny firenena jiosy, ao amin’ny Soratra Hebreo. (Isaia 5:7; Jeremia 2:21) Antsoina hoe voaloboka koa i Jesosy Kristy sy ireo hiara-miasa aminy ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. (Jaona 15:1-8) Ny famokarany voa no tena mampiavaka an’ilay voaloboka, ary mamokatra be ho fiderana an’i Jehovah ny tena Kristianina, izay toy ny voaloboka. (Matio 21:43) Tsy io tena voaloboka io àry ilay ‘voaloboky ny tany’, fa voaloboka sandoka nataon’i Satana, na ny rafi-pitondrana ratsy napetrany teo amin’ny olombelona. Ny ‘salohiny’ dia ny vokatra avy amin’ny demonia nandritra ny taonjato maro. Manana fahefana lehibe eo amin’io voaloboka mahafaty io i Babylona Lehibe, ary ny Kristianisma nivadi-pinoana no matanjaka indrindra ao aminy.—Ampitahao amin’ny Deoteronomia 32:32-35.
27. a) Inona no hitranga rehefa hanangona ny voaloboky ny tany ilay anjely mitondra antsy fijinjana? b) Inona avy ireo faminaniana manondro ny halehiben’ilay fijinjana?
27 Tsy maintsy tanterahina ny didim-pitsarana! “Ary ilay anjely nijinja ny tany tamin’ny antsy fijinjany ka nanangona ny voaloboky ny tany, dia nanipy mafy izany tao amin’ny famiazam-boaloboka lehibe, dia ny fahatezeran’Andriamanitra. Ary nohitsakitsahina tany ivelan’ny tanàna ilay famiazam-boaloboka, ka nisy ra nivoaka avy tao. Ary tafakatra hatreo amin’ny lamboridin-tsoavaly ny ra sady tonga hatrany amin’ny eninjato sy arivo stadio.” (Apokalypsy 14:19, 20) Efa nambara hatry ny ela fa tezitra amin’io voaloboka io i Jehovah. (Zefania 3:8) Mazava avy amin’ny faminanian’i Isaia fa firenena manontolo no horinganina, rehefa hohitsakitsahina ilay famiazam-boaloboka. (Isaia 63:3-6) Naminany koa i Joela fa hisy “vahoaka”, na firenena manontolo horinganina tanteraka, izany hoe hohitsakitsahina ao amin’ny “famiazam-boaloboka” ao amin’ny “lohasaha fitsarana.” (Joela 4:12-14) Tsy hisy fijinjana lehibe toy izany intsony any aoriana! Tsy ny voaloboka ihany no hojinjaina, fa ilay hazo manontolo mihitsy no hotapahina sy hatsipy ao amin’ny famiazam-boaloboka ary hohitsakitsahina, araka ny fahitan’i Jaona. Hopotehina sy tsy ho afaka haniry intsony àry ilay voaloboky ny tany.
28. Iza no manitsakitsaka ny voaloboky ny tany, ary inona no dikan’ny hoe “tany ivelan’ny tanàna” no nanitsakitsahana ilay famiazam-boaloboka?
28 Soavaly no manitsakitsaka an’ilay famiazam-boaloboka, satria lazaina hoe tonga hatreo amin’ny “lamboridin-tsoavaly” ny ra avy ao amin’ilay famiazana. Matetika ny teny hoe “soavaly” no manondro ady, ka tsy maintsy ho fotoan’ny ady ilay resahina eo. Voalaza fa manitsakitsaka “ny famiazam-boaloboky ny fisafoaky ny fahatezeran’Andriamanitra Mahery Indrindra” ireo tafiky ny lanitra manaraka an’i Jesosy, hanao ilay ady farany amin’ny tontolon’i Satana. (Apokalypsy 19:11-16) Izy ireo àry no manitsakitsaka ilay voaloboky ny tany. “Tany ivelan’ny tanàna”, izany hoe tany ivelan’i Ziona any an-danitra, no nanaovana izany. Mety raha eto an-tany no hanitsakitsahana ny voaloboky ny tany. Azo lazaina koa anefa hoe ‘hohitsakitsahina any ivelan’ny tanàna’ ilay izy, satria tsy hisy haninona ny sisa amin’ny taranak’ilay vehivavy mbola eto an-tany, dia ireo solontenan’ilay Ziona any an-danitra. Hafenina ao amin’ny fandaminan’i Jehovah eto an-tany izy ireo sy ny vahoaka be, mba ho voaro.—Isaia 26:20, 21.
29. Manao ahoana ny halalin’ny ra avy amin’ilay famiazam-boaloboka, mahatratra hatraiza ilay izy, ary inona no dikan’izany rehetra izany?
29 Mifanitsy amin’io fahitana io ny famotehan’ilay vato, na ny Fanjakan’Andriamanitra, an’ireo fanjakana eto an-tany, araka ny Daniela 2:34, 44. Ho fongana tanteraka izy ireo. Lalina be toy ny renirano ny ra avy amin’ilay famiazam-boaloboka, satria lazaina hoe tonga hatreo amin’ny lamboridin-tsoavaly, sady mahatratra hatrany amin’ny 1 600 stadio.a Lavitra tokoa ny 1 600 stadio satria efatra ampitomboina efatra, ampitomboina amin’ny folo ampitomboina folo (4 x 4 x 10 x 10). Manaporofo izany fa haneran-tany ilay fandringanana. (Isaia 66:15, 16) Fandringanana tanteraka izany sady tsy misy fanafany. Tsy haniry intsony mandrakizay doria ny voalobok’i Satana!—Salamo 83:17, 18.
30. Inona no vokatry ny voalobok’i Satana, ary tokony ho tapa-kevitra ny hanao inona isika?
30 Efa tena ao anatin’ny andro farany isika, ka misy heviny lehibe ho antsika ny fahitana momba ireo fijinjana roa. Mijery manodidina antsika fotsiny isika, dia efa mahita ny vokatry ny voalobok’i Satana: Fanalana zaza sy famonoana olona amin’ny fomba hafa, firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy, fanitsakitsaham-bady sy fitondran-tena maloto hafa, fanaovana ny tsy marina sy ny tsy fifankatiavan’ny mpianakavy. Maharikoriko an’i Jehovah ity tontolo ity, noho izany rehetra izany. “Zava-mangidy sady mahafaty” no vokatry ny voalobok’i Satana. Manala baraka an’ilay Mpamorona ny fitondran-tena ratsiny sy ny fanompoan-tsampiny. (Deoteronomia 29:17; 32:5; Isaia 42:5, 8) Tombontsoa tokoa ny miaraka amin’ireo voahosotra mijinja ny vokatra tsara, izay angonin’i Jesosy ho fiderana an’i Jehovah! (Lioka 10:2) Enga anie isika rehetra ho tapa-kevitra ny tsy ho voaloton’ny voalobok’ity tontolo ity. Enga anie koa isika hiezaka mba tsy ho voahitsakitsaka miaraka amin’ny voaloboky ny tany, rehefa hampihatra ny didim-pitsarany i Jehovah.
[Fanamarihana ambany pejy]
a 300 kilaometatra eo ho eo ny 1 600 stadio.—Apokalypsy 14:20, fanamarihana ambany pejy.
[Efajoro, pejy 208]
‘Ny Divain’ny Fijangajangany’
Ampahany lehibe indrindra amin’i Babylona Lehibe ny Eglizy Katolika. Ny papa any Roma no mifehy azy, ary samy milaza ho dimbin’ny apostoly Petera ny papa tsirairay. Hoy ny boky sasany momba ireny olona lazaina fa dimbin’i Petera ireny:
Formose (891-896): “Nofongarina avy tao amin’ny fasan’ny papa ny fatiny, sivy volana taorian’ny nahafatesany, ary notsaraina teo anoloan’ny konsily iray. I Étienne [mpandimby azy] no nitarika ilay fitsarana. Nampangaina ho nitady tetika hahatongavana ho papa izy noho ny fitsiriritana io toerana io. Nambara àry fa tsy manan-kery ny zava-drehetra nataony. ... Nesorina tamin’ilay faty ny akanjon’ny papa, ary notapahina ny rantsan-tanany havanana.”—Rakipahalalana Katolika Vaovao.
Étienne Faha-6 (896-897): “Nisy fikomiana mahery vaika volana vitsivitsy [taorian’ny nitsarana ny fatin’i Formose], ka nesorina tsy ho papa i Étienne. Nalaina ny famantarana ny maha papa azy, nogadraina izy, ary nokendaina.”—Rakipahalalana Katolika Vaovao.
Sergius III (904-911): “Nokendaina tany am-ponja ... ireo papa roa teo alohany. ... Nanampy azy ny fianakaviana Théophylacte, satria toa niterahany zazalahy i Marozia, iray tamin’ireo zanakavavin’ilay fianakaviana. Lasa Papa Jean Faha-11 ilay zanak’izy ireo, tatỳ aoriana.”—Rakipahalalana Katolika Vaovao.
Étienne Faha-7 (928-931): ‘Nanao izay nahatezitra an’i Marozia, izay nanana fahefana be tany Roma, ny Papa Jean Faha-10, tamin’ireo taona faramparany naha Papa azy. Nogadraina sy novonoina ho faty àry izy. Ny Papa Léon Faha-6 avy eo no nomen’i Marozia fahefana. Maty anefa io papa io, afaka enim-bolana sy tapany. Nandimby azy i Étienne Faha-7, angamba mbola noho i Marozia ihany. Teo ambany fifehezan’i Marozia foana izy, nandritra ireo roa taona naha Papa azy.’—Rakipahalalana Katolika Vaovao.
Jean Faha-11 (931-935): “Vao maty i Étienne Faha-7 ..., dia nanao izay hahalasa papa an’i Jean zanany lahy, 20 taona teo ho eo, i Marozia, anisan’ny Fianakaviana Théophylacte. ... Teo ambany fahefan-dreniny i Jean, na dia lasa papa aza.”—Rakipahalalana Katolika Vaovao.
Jean Faha-12 (955-964): “Tsy ampy 18 taona akory izy, ary betsaka no nilaza tamin’izany fa tsy liana tamin’ny fivavahana izy, sady finaritra tamin’ny fijalian’ny olona, ary tena ratsy fitondran-tena.”—Diksionera Oxford Momba Ireo Papa (anglisy).
Benoît Faha-9 (1032-1044; 1045; 1047-1048): “Nalaza hoe namidiny ny toeran’ny papa, ka ny rainy tamin’ny batemy no nivarotany izany. Indroa anefa izy no nitaky ilay toerana tatỳ aoriana.”—Rakipahalalana Britannica Vaovao (anglisy).
Tsy nanahaka an’i Petera nahatoky àry ireo papa ireo sy ny hafa. Nitarika ny olona hanao ratsy kosa izy ireo, ary navelany hanimba ny fiangonana nofeheziny ny fandatsahan-dra, fijangajangana ara-panahy sy ara-bakiteny, ary ny fitaoman-dratsy toy ny an’i Jezebela. (Jakoba 4:4) Miresaka amin’ny an-tsipiriany momba izany ny boky Ilay Mistery Fantatra, navoakan’ny Mpianatra ny Baiboly, tamin’ny 1917. Anisan’ny fomba nampiasain’izy ireo izany ‘hamelezana ny tany amin’izao karazana loza rehetra izao.’—Apokalypsy 11:6; 14:8; 17:1, 2, 5.
[Sary, pejy 206]
Manampy an’i Kristy Mpanjaka hanatanteraka didim-pitsarana ny anjely
[Sary, pejy 207]
Nafahana ireo babo rehefa nianjera i Babylona, tamin’ny 539 T.K.