-
Ny Fiadian-kevitra eo Amin’i Jehovah sy Ireo FirenenaNy Tilikambo Fiambenana—1994 | 1 Martsa
-
-
Didim-pitsarana hamelezana “ny firenena rehetra”
13. Inona no tiana holazaina amin’ny hoe “ity kapoaky ny divay fahatezerana mirehitra ity”, ary inona no manjo an’ireo izay misotro amin’ilay kapoaka?
13 Noho izany, dia izao no ambaran’i Jeremia, araka ny voarakitra ao amin’ny Je 25:15, 16 toko faha-25, andininy faha-15 sy faha-16: “Izao no nolazain’i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, tamiko: Raiso etỳ an-tànako ity kapoaky ny divay fahatezerana mirehitra ity, ka ampisotroy ny firenena rehetra izay anirahako anao. Ary hisotro izy ka hirepirepy sy ho very saina noho ny sabatra izay hampameleziko azy.” Nahoana izy io no ‘kapoaky ny divay fahatezerana mirehitr’i Jehovah’? Ao amin’ny Matio 26:39, 42 sy Jaona 18:11, i Jesosy dia niresaka momba ny “kapoaka” iray ho fampisehoana ny sitrapon’Andriamanitra momba azy. Mitovy amin’izany koa fa ampiasaina ny kapoaka iray ho sary hampisehoana ny sitrapon’i Jehovah hisotroan’ireo firenena ny famalian’Andriamanitra.
-
-
Ny Fiadian-kevitra eo Amin’i Jehovah sy Ireo FirenenaNy Tilikambo Fiambenana—1994 | 1 Martsa
-
-
Mitovy amin’izany koa fa ampiasaina ny kapoaka iray ho sary hampisehoana ny sitrapon’i Jehovah hisotroan’ireo firenena ny famalian’Andriamanitra. Ny Jeremia 25:17-26 dia mitanisa ireo antokom-pirenena ireo izay nampiseho mialoha ireo firenena amin’izao andro izao.
-