Inona no Niafaran’izy Ireo?
I NOFA sy Nô no iantsoan’ny Baiboly an’i Memfisa sy Thèbes, tanàna nalaza, sady renivohitr’i Ejipta fahiny. Telo amby roapolo kilaometatra teo ho eo tany atsimon’i Le Caire, ampita andrefan’ny Reniranon’i Nil, no nisy an’i Nofa (Memfisa). Renivohitr’i Ejipta i Nofa fahiny, saingy veriny izany rehefa nandeha ny fotoana. I Nô (Thèbes) indray no lasa renivohitra vaovaon’i Ejipta, nanomboka tamin’ny fiandohan’ny 1500 Talohan’i Kristy tany ho any. Tokony ho 500 kilaometatra teo ho eo tany atsimon’i Memfisa no nisy an’i Nô. Iray amin’ireo tempoly rava hita any Thèbes ny tempolin’i Karnak. Heverina ho ny lehibe indrindra amin’ny trano misy andry naorina hatramin’izay izy io. Ny tanànan’i Thèbes sy ny tempoly ao Karnak dia natokana ho an’ny fivavahana tamin’i Amona, andriamanitra lehibe indrindra tany Ejipta.
Faminaniana inona no nambaran’ny Baiboly momba an’i Memfisa sy Thèbes? Nisy didim-pitsarana navoaka ho fanamelohana an’i Farao sy ireo andriamanitr’i Ejipta, indrindra fa i “Amona avy any Nô.” (Jeremia 46:25, 26) Nolazaina koa fa ‘hofongorana’ tanteraka ireo mpivavaka maro be tany Nô. (Ezekiela 30:14, 15) Tena tanteraka izany. Foana tanteraka izao ny fivavahana tamin’i Amona, ka tempoly rava sisa niangana. Ny tanàna maoderin’i Louxor, miampy tanàna kely vitsivitsy ary sisan-javatra rava izao no mba hany hita any amin’ilay toerana nisy an’i Thèbes fahiny.
Ny momba an’i Memfisa kosa, dia tsy dia misy na inona na inona intsony izao any, ankoatra an’ireo toeram-pandevenana. Nilaza i Louis Golding, manam-pahaizana momba ny Baiboly, hoe: “Nandritra ny an-jato taona dia nampiasain’ireo Arabo nandresy an’i Ejipta, ireo antontan-javatra rava tany Memfisa mba hanorenana ilay renivohiny [Le Caire] terỳ ampitan’ny renirano. Samy nanao tsara ny asany na i Nil na ireo Arabo mpanorina tanàna. Koa tsy nisy dongom-bato niangana àry, teo amin’ny tany mainty manerana an’ilay tanàna fahiny.” Marina tokoa ny nilazan’ny Baiboly mialoha hoe “ho tonga tany lao . . . tsy hisy mponina” i Memfisa.—Jeremia 46:19.
Vao roa monja amin’ireo ohatra maro be manamarina ny faminanian’ny Baiboly ny faharavan’i Thèbes sy Memfisa. Izany dia manome antsika antony marim-pototra atokisana ireo faminaniana hafa efa nambaran’ny Baiboly, nefa mbola tsy tanteraka.—Salamo 37:10, 11, 29; Lioka 23:43; Apokalypsy 21:3-5.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 32]
Photograph taken by courtesy of the British Museum