TOKO FAHA-8
Ho toa An’i Jeremia ve Ianao ka “Tsy ho Faty”?
1, 2. Nahoana no samy tokony hasiana fiheverana na ny isam-batan’olona na ny fianakaviana?
REHEFA avy nampirisika ny Israelita i Josoa mba hifidy izay hotompoiny, dia hoy izy: “Izaho sy ny ankohonako kosa hanompo an’i Jehovah.” (Jos. 24:15) Tapa-kevitra ny tsy hivadika amin’Andriamanitra i Josoa, ary natoky izy fa tsy hivadika koa ny fianakaviany. Tatỳ aoriana ela be, rehefa akaiky ho rava i Jerosalema, dia nilaza i Jeremia fa raha mitolo-batana amin’ny Babylonianina i Zedekia Mpanjaka, dia ‘tsy ho faty izy sy ny ankohonany.’ (Jer. 38:17) Tsy nankatò anefa i Zedekia, ka nisy vokany ratsy taminy sy tamin’ny vady aman-janany izany. Novonoina teo imasony ny zanany. Nopotsirina koa ny mason’i Zedekia, ary nentina ho babo tany Babylona izy.—Jer. 38:18-23; 39:6, 7.
2 Olona iray no voakasika voalohany, eo amin’ireo teny natao sora-mandry ireo. Voaresaka eo koa anefa ny fianakaviany. Ara-dalàna izany, satria na dia tompon’andraikitra eo anatrehan’Andriamanitra aza ny Israelita tsirairay, dia nanambady ny ankamaroan’izy ireo ary nanana fianakaviana. Zava-dehibe koa ny fianakaviana amin’ny Kristianina. Hitantsika izany amin’ireo zavatra vakintsika ao amin’ny Baiboly sy dinihintsika any am-pivoriana momba ny fanambadiana, sy ny fitaizan-janaka, ary ny fanajana ny mpianakavy.—1 Kor. 7:36-39; 1 Tim. 5:8.
TOROMARIKA HAFAKELY
3, 4. Inona no tsy nitovizan’i Jeremia tamin’ny ankamaroan’ny olona? Inona no tombony azony tamin’izany?
3 ‘Tsy maty’ i Jeremia tamin’ny fandravana an’i Jerosalema, eny fa na dia tsy mba nitovy tamin’ny an’ny olona aza ny fiainany. (Jer. 21:9; 40:1-4) Nilaza taminy Andriamanitra hoe tsy tokony hanambady izy na hanan-janaka na handray anjara amin’ny fanao sasany nahazatra ny Jiosy.—Vakio ny Jeremia 16:1-4.
4 Ara-dalàna ny hoe manambady sy miteraka tamin’izany. Nanambady ny ankamaroan’ny lehilahy jiosy, mba hahafahan’ny fokony sy ny fianakaviany hihazona ny tany nolovany tamin’ny razambeny.a (Deot. 7:14) Nanaraka ny toromarik’i Jehovah anefa i Jeremia. Nisy loza nananontanona tamin’izay, ka nilaza taminy koa Andriamanitra mba tsy handray anjara amin’ny fanaon’ny olona rehefa misy fahoriana na fifaliana. Tsy tokony hampionona ny mana-manjo izy na hiara-misakafo amin’izy ireo aorian’ny fandevenana. Tsy tokony hiara-mifaly amin’ny olona koa izy rehefa misy fampakaram-bady. Nadiva hitsahatra mantsy ireny fety sy fifalifaliana ireny. (Jer. 7:33; 16:5-9) Nanampy ny olona hino an’ireo hafatra nampitain’i Jeremia ny fanarahany an’ireo toromarika ireo, sady nanamafy fa hitera-doza ho azy ireo ilay didim-pitsarana ho avy. Nitranga tokoa izany. Mba eritrereto ange ny fihetseham-pon’ny olona sasany rehefa voatery nihinana olona e! Na rehefa nahita ny fatin’ny havan-tiany nihasimba! (Vakio ny Jeremia 14:16; Fitom. 2:20.) Tsy hoe nampalahelo àry i Jeremia raha tsy nanambady. Nandripaka fianakaviana maro ilay fahirano herintaona sy tapany tao Jerosalema. Izy kosa tsy nanana vady na zanaka nafoy.
5. Inona no lesona raisin’ny Kristianina avy amin’ny Jeremia 16:5-9?
5 Mihatra amintsika koa ve ny Jeremia 16:5-9? Tsia. Ampirisihina “hampionona an’izay ao anatin’ny fahoriana isan-karazany” ny Kristianina, ary ‘hiara-mifaly amin’izay mifaly.’ (2 Kor. 1:4; Rom. 12:15) Nanatrika fampakaram-bady, ohatra, i Jesosy ary nanao zavatra mba hampifalifaliana ny mpanatrika. Hisy loza anefa hanjo an’ity tontolo ity. Mety ho sahirana ny Kristianina amin’izay ka tsy hanana izay ilainy eo amin’ny fiainana. Nantitranterin’i Jesosy fa tokony ho vonona isika hanao ny ezaka rehetra ilaina, mba hahafahana hiaritra sy tsy hivadika, toa an’ireo rahalahintsika nandositra an’i Jodia tamin’ny taonjato voalohany. Mila mandinika tsara àry isika hoe hijanona ho mpitovo sa hanambady sa hiteraka.—Vakio ny Matio 24:17, 18.
6. Iza avy no afaka mandray soa amin’ny toromarika nomen’Andriamanitra an’i Jeremia?
6 Inona no ianarantsika avy amin’ilay didy nomena an’i Jeremia hoe aza manambady sy miteraka? Tsy manambady na tsy manan-janaka ny Kristianina sasany ankehitriny. Inona no azon’izy ireo ianarana avy amin’i Jeremia? Ary nahoana no tokony handinika ny nataon’i Jeremia, na dia ireo Kristianina manambady sy manan-janaka aza?
7. Inona no lesona raisintsika avy amin’ilay didy nomena an’i Jeremia hoe aza miteraka?
7 Hojerentsika voalohany ilay didy nomena an’i Jeremia hoe aza miteraka. Tsy nilaza aloha i Jesosy hoe tsy mahazo miteraka ny mpanara-dia azy. Rehefa niresaka momba ny fahoriana hanjo an’i Jerosalema, tanteraka tamin’ny taona 66 ka hatramin’ny 70, anefa izy, dia nilaza hoe ‘lozan’ny bevohoka sy ny mampinono’, izany hoe ho sahirana ny bevohoka sy ny mampinono. (Mat. 24:19) Mbola ho mafy kokoa noho ny tamin’izany anefa ny fahoriana lehibe. Tokony handinika tsara àry ny Kristianina rehefa hanapa-kevitra hoe hiteraka sa tsia. Tsy ekenao ve fa tena mihamafy ny fiainana amin’izao fotoan-tsarotra izao? Miaiky ny ray aman-dreny fa tena tsy mora ny mitaiza ny ankizy mba hahatonga azy ireo “tsy ho faty” amin’ny faran’ity tontolo ity. Koa na dia anjaran’ny mpivady tsirairay aza ny manapa-kevitra hoe hiteraka izy sa tsia, dia tsara ny mandinika ny toe-javatra nisy an’i Jeremia. Ary ahoana ilay hoe tsy nahazo nanambady i Jeremia?
Inona no toromarika hafakely nomena an’i Jeremia, ary inona no lesona raisintsika avy amin’izany?
TSY NANAMBADY I JEREMIA
8. Nahoana no azo lazaina fa tsy voatery manambady ny olona iray vao afaka mampifaly an’Andriamanitra?
8 Tsy hoe namorona fitsipika ho an’ny mpanompony rehetra akory Andriamanitra rehefa nilaza tamin’i Jeremia hoe aza manambady. Tsy ratsy ny manambady. Nanao ny fanambadiana i Jehovah, mba hahatonga ny tany ho feno olona sy mba hahatonga ny mpivady hahita fahafaham-po sy fahafinaretana. (Ohab. 5:18) Tsy ny olona rehetra anefa no nanambady. Mety ho nisy olona tsy nanambady teo anivon’ny vahoakan’Andriamanitra tamin’ny andron’i Jeremia.b Azo antoka koa fa nisy lehilahy sy vehivavy maty vady tamin’izany. Tsy i Jeremia irery àry no tsy nanambady. Nisy antony matoa izy tsy nanambady, ary toy izany koa ireo Kristianina sasany ankehitriny.
9. Inona no torohevitry ny Baiboly momba ny fijanonana ho mpitovo, tokony hodinihintsika amim-pitandremana?
9 Kristianina maro no manambady, kanefa tsy ny rehetra. Tsy nanambady, ohatra, i Jesosy, ary nilaza izy fa hisy mpianany sasany vonona ‘hitoetra ho tsy manambady.’ Nampirisika izy hoe izay afaka manao izany, dia aoka izy hanao izany. (Vakio ny Matio 19:11, 12.) Mijanona ho mpitovo ny Kristianina sasany mba hahafahany hanompo bebe kokoa. Tokony hoderaina izy ireo fa tsy tokony hanihaniana. Misy tsy manambady koa noho ny toe-javatra misy azy. Angamba izy ireo mbola tsy nahita vady kristianina mety aminy. Mendri-piderana izy ireo, satria tapa-kevitra hanaraka ny fitsipik’Andriamanitra hoe hanambady “ao amin’ny Tompo ihany.” (1 Kor. 7:39) Misy koa olona maty vady, ary tsy manambady ny sasany amin’izy ireo.c Na inona na inona anefa antony, dia tsy tokony hohadinoin’izy ireo fa niahy an’ireo olona tsy nanambady Andriamanitra sy Jesosy hatramin’izay.—Jer. 22:3; vakio ny 1 Korintianina 7:8, 9.
10, 11. a) Inona no nanampy an’i Jeremia ho faly foana na dia mpitovo aza? b) Inona no mampiseho fa afaka ny ho afa-po amin’ny fiainana ireo mijanona ho mpitovo?
10 Niantehitra tamin’Andriamanitra i Jeremia rehefa nijanona ho mpitovo. Tadidio fa nahafinaritra azy ny tenin’i Jehovah. Tsy maintsy ho nampahery azy izany nandritra ireo taona nifantohany tamin’ny fanompoana. Ankoatra izany, dia nitandrina tsara izy mba tsy hifanerasera tamin’ireo olona mety haneso azy noho izy tsy nanambady. Naleony ‘nipetraka irery’ toy izay hiaraka amin’ny olona toy izany.—Vakio ny Jeremia 15:17.
11 Maro ireo Kristianina mpitovo manahaka an’i Jeremia. Ao ny lehilahy, ny vehivavy, ny tanora, ny efa zokinjokiny. Hita amin’ny zavatra niainan’izy ireny fa tena mahasoa ny hoe revo amin’ny fanompoana. Hoy ny anabavy iray eo anivon’ny fiangonana miteny sinoa: “Lasa misy heviny ny fiainako rehefa nanao ny asan’ny mpisava lalana aho. Tsy mahatsiaro ho manirery mihitsy aho na dia mpitovo aza, satria be atao foana. Afa-po aho isaky ny mifarana ny andro tsirairay, satria hitako fa tena manampy olona ny fanompoako. Tena mahafaly ahy izany.” Hoy koa ny mpisava lalana mpitovo iray, 38 taona: “Amiko, ny fanalahidin’ny fahasambarana dia ny fahaizana mijery lafy tsaran-javatra.” Nitsotra toy izao koa ny anabavy iray any amin’ny faritra atsimon’i Eoropa: “Marina fa tsy nandeha araka ny nieritreretako azy ny fiainako, nefa sambatra aho ary ho sambatra foana.”
12, 13. a) Raha mijery ny zava-misy isika, ahoana no tokony hiheverantsika ny hoe mpitovo sy ny hoe manambady? b) Inona no misongadina amin’ny ohatra navelan’i Paoly sy ny toroheviny?
12 Hitan’i Jeremia angamba fa tsy araka ny nieritreretany azy ny fiainany rehefa nihalehibe izy. Mety ho hitany koa anefa hoe toy izany ihany no manjo ny olona maro manambady sy manan-janaka. Nahatsapa toy izany koa ny mpisava lalana iray any Espaina. Hoy izy: “Mahafantatra mpivady sambatra aho ary misy kosa tsy sambatra. Takatro avy amin’izany fa tsy voatery ho sambatra aho raha manambady.” Porofoin’ny tantaran’i Jeremia sy ny maro hafa toa azy, fa afaka ny ho sambatra sy ho afa-po amin’ny fiainana ny mpitovo, ary afaka hanan-javatra maro mahafinaritra hatao. Manamafy izany ny ohatra navelan’ny apostoly Paoly, izay nilaza hoe: “Izao no lazaiko amin’ny tsy manambady sy ny vehivavy mpitondratena: Tsara raha mitoetra ho tahaka ahy izy ireo.” (1 Kor. 7:8) Mety ho maty vady i Paoly. Na marina anefa izany na tsia, dia nahavita be teo amin’ny asa misionera izy noho izy tsy nanambady. Tsy hitanao àry ve hoe nahazo tombony izy noho izy tsy nanambady? Afaka ‘nanompo ny Tompo mandrakariva tsy nisy fieritreretana zavatra hafa’ izy, ka nahavita zavatra tsara betsaka.—1 Kor. 7:35.
13 Nasain’Andriamanitra nanoratra an’ireto koa i Paoly: ‘Hanam-pahoriana amin’ny nofony ireo hanambady. ... Raha misy tapa-kevitra ao am-pony ny hitoetra ho virjiny, dia tsara ny ataony. Noho izany, izay tsy mitoetra ho virjiny fa manambady dia manao tsara, fa izay mitoetra ho virjiny kosa ka tsy manambady dia manao tsara kokoa.’ (1 Kor. 7:28, 37, 38) Tsy nahalala an’ireo tenin’i Paoly ireo i Jeremia. Hitantsika amin’ny tantarany anefa fa tsy misakana ny mpanompon’i Jehovah tsy hanana fiainana mahafa-po ny fijanonana ho mpitovo. Vao mainka aza izany hahatonga azy ireo hifantoka amin’ny fanompoana, ka hampisy heviny ny fiainany. Nanambady i Zedekia Mpanjaka, nefa tsy nankatò ny torohevitr’i Jeremia, ka ‘maty.’ I Jeremia kosa tsy nanambady, nefa nankatò an’i Jehovah, ka ‘tsy maty.’
Inona no ianarantsika avy amin’ny fijanonan’i Jeremia ho mpitovo?
AOKA ISIKA HIFAMPAHERY AMIN’IREO MPITOVO
14. Inona no asongadin’ny fifandraisan’i Akoila sy Prisila tamin’i Paoly?
14 Nanambady ny ankamaroan’ny olona tamin’ny andron’i Jeremia. Toy izany koa tamin’ny andron’i Paoly. Azo antoka anefa fa tsy afaka nanao toa an’i Paoly ny ankamaroan’ny Kristianina nanambady na nanan-janaka tamin’izany. Tsy afaka nanompo tany ivelan’ny taniny izy ireo. Nisy zavatra betsaka azon’izy ireo natao anefa teo an-toerana, anisan’izany ny fanampiana an’ireo rahalahy sy anabavy tsy manambady. Tadidinao angamba fa nampiantrano an’i Paoly i Akoila sy Prisila, ary niara-niasa nanao lay izy ireo. Nandray an’i Paoly ho namana izy ireo, ary azo inoana fa nampahery azy izany. Mety ho nahafinaritra koa ny fiarahan’izy ireo nisakafo na nanao zavatra hafa! Ary i Jeremia? Nandray soa tamin’ny fiarahana toy izany koa ve izy? Marina fa mpitovo izy, ary nanararaotra an’izany mba hanaovana fanompoana. Tsy tokony hieritreritra anefa isika hoe tia nitokantokana izy. Azo inoana kosa fa nankafy fiarahana nahafinaritra tamin’ny fianakaviana nanompo an’Andriamanitra izy. Mety ho anisan’izany ny fianakavian’i Baroka sy Ebeda-meleka.—Rom. 16:3; vakio ny Asan’ny Apostoly 18:1-3.
15. Inona no azon’ny fianakaviana kristianina atao mba hanampiana an’ireo Kristianina tsy manambady?
15 Mandray soa amin’ny fiarahana mahafinaritra toy izany ny Kristianina mpitovo ankehitriny. Koa raha manana fianakaviana ianao, dia mieritrereta hoe miezaka mifanerasera amin’izy ireny ve ny fianakavianao? Namboraka ny tao am-pony toy izao ny anabavy mpitovo iray: “Niala tamin’izao tontolo izao aho ary tsy te hiverina any. Mila fiahiana sy fitiavana anefa aho na izany aza. Mangataka amin’i Jehovah aho mba hanome sakafo ara-panahy sy fampaherezana fanampiny ho anay mpitovo. Mila fanohanana izahay ka aza atao an-kilabao. Tsy hoe izahay rehetra akory no maniry mafy hanambady. Hoatran’ny hoe irery anefa izahay. Marina fa afaka miantehitra amin’i Jehovah izahay. Mba mila namana koa anefa izahay, saingy misalasala hiresaka amin’ny fianakavianay ara-panahy indraindray.” Tena azo atao ny miresaka amin’ny Kristianina hafa. Maro ny mpitovo afaka manamarina izany. Tena tian’izy ireo ny mifandray amin’ny rehetra eo anivon’ny fiangonana, na tanora na antitra, fa tsy ireo mitovy taona aminy ihany.
16. Inona no zavatra tsotsotra azonao atao mba hampaherezana an’ireo Kristianina tsy manambady eo anivon’ny fiangonana?
16 Ho afaka hampahery an’ireo tsy manambady ianao, raha manasa azy ireny hanao zavatra miaraka amin’ny fianakavianao, ohatra hoe amin’ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana. Handray soa be dia be koa izy ireny, raha asainao hisakafo. Nahoana koa raha mifanao fotoana hiara-manompo aminy? Na manasa azy hiaraka aminareo rehefa hanao asa momba ny Efitrano Fanjakana ianareo na hiantsena? Misy fianakaviana sasany nanasa olona maty vady na mpisava lalana mpitovo mba hiaraka amin’izy ireo rehefa hanao dia ho any amin’ny fivoriambe na hanao vakansy. Tena afaka nifampahery izy ireo tamin’izany.
17-19. a) Nahoana ny mpiray tam-po no mila mandanjalanja sy mifaneho fitiavana rehefa miara-midinika momba ny fikarakarana ray aman-dreny? b) Inona no ianarantsika avy amin’ny ohatra navelan’i Jesosy?
17 Hodinihintsika indray ny momba an’ireo mpitovo mikarakara ray aman-dreny be taona. Nanao hafetsena mba hialana tamin’io andraikitra io ny Jiosy sasany nitana toerana ambony tamin’ny andron’i Jesosy. Nilaza izy ireo fa mbola zava-dehibe noho io adidy nomen’Andriamanitra io ny adidy ara-pivavahana noforonin’izy ireo. (Mar. 7:9-13) Tsy tokony hiala andraikitra toy izany ny Kristianina.—1 Tim. 5:3-8.
18 Misy mihevitra hoe izay zanaka tsy manambady no tena tompon’andraikitra amin’ny fikarakarana ray aman-dreny be taona. Tokony ho toy izany koa ve ny Kristianina? Hoy ny anabavy iray any Japon: “Te hanambady aho nefa tsy afaka, satria izaho no mikarakara ny ray aman-dreninay. Mino aho fa takatr’i Jehovah ny adin-tsaina mahazo ny olona mikarakara ray aman-dreny sy ny alahelon’ny mpitovo toa ahy.” Mety hoe tsy niresaka tamin’io anabavy io ve ireo iray tam-po aminy efa manambady, fa tonga dia nanapa-kevitra hoe izy no hikarakara ny ray aman-drenin’izy ireo? Nanana rahalahy nanao ny tsy rariny toy izany koa i Jeremia.—Vakio ny Jeremia 12:6.
19 Takatr’i Jehovah izay manjo ny olona tsy manambady ary mangoraka an’ireo miatrika zava-tsarotra izy. (Sal. 103:11-14) Iza àry no tokony hikarakara ny ray aman-dreny be taona na marary? Eritrereto izao: Iza no zanak’ilay ray aman-dreny mila fikarakarana? Ilay tsy manambady ihany ve? Marina fa mety ho efa manambady sy niteraka ny sasany. Tsy manafoana ny fatoram-pianakaviana misy eo amin’izy ireo sy ny ray aman-dreniny anefa izany, na manala azy amin’ny andraikiny hikarakara ny ray aman-dreniny. Tadidio fa na dia efa akaiky ho faty teo amin’ny hazo fijaliana aza i Jesosy, dia nahatsapa adidy. Nanao zavatra hikarakarana ny reniny izy. (Jaona 19:25-27) Tsy misy lalàna ao amin’ny Baiboly mamaritra hoe ahoana no tokony hizarana ny andraikitra rehefa mikarakara ray aman-dreny be taona na marary. Tsy voalaza ao koa hoe ireo zanaka tsy manambady no manana andraikitra bebe kokoa. Mila miara-midinika àry ireo rehetra voakasika mba hizarana ny andraikitra. Mila mahay mandanjalanja sy mifaneho fiheverana izy ireo rehefa manao izany, ka hitadidy ny ohatra navelan’i Jesosy.
20. Inona no tsapanao rehefa miaraka amin’ireo olona tsy manambady eo anivon’ny fiangonanareo?
20 Hita amin’ny faminanian’i Jeremia fa hisy ‘namana sy rahalahy’ eo anivon’ny vahoakan’i Jehovah. (Jer. 31:34) Efa tanteraka izany izao. Tena mahafinaritra ny fifandraisana misy eo amintsika vahoakan’i Jehovah ankehitriny. Mahafinaritra koa ny miaraka amin’ireo rahalahy sy anabavy tsy manambady. Irintsika rehetra ny hifampahery amin’izy ireny, ary tiantsika “tsy ho faty” izy ireny amin’ny fandringanana.
Ankoatra ny voalaza teo, inona no azonao atao mba hifampaherezana amin’ireo rahalahy sy anabavy mpitovo?
a Tsy misy teny hoe “mpitovo” ao amin’ny Soratra Hebreo tany am-boalohany.
b Nisy olona tsy nanambady satria novosirina na nanan-takaitra hatrany an-kibon-dreniny. Tsy afaka nandray anjara firy tamin’ny fanompoana nataon’ny Israelita izy ireny. Naminany i Isaia hoe raha mankatò izy ireny, dia hahazo zavatra “tsara kokoa noho ny zanakalahy sy zanakavavy.” Hahazo “anarana maharitra mandritra ny fotoana tsy voafetra” ao an-tranon’Andriamanitra izy ireo.—Isaia 56:4, 5.
c Mety ho mipetra-drery ny olona sasany, satria nisintaka na nisaraka taminy ny vadiny, izay angamba tsy Vavolombelona.