Iza no Mamolavola ny Fisainanao?
“TSY mila an’iza na iza hilaza amiko izay tokony hosainiko aho! Ary tsy mila an’iza na iza hilaza amiko izay tokony hataoko!” Ny fanizingizinana an’izany dia mazàna no midika fa matoky be ny tenanao sy ny fomba fitsaranao zavatra ianao. Izany ve no tsapanao? Mazava ho azy fa tsy misy olon-kafa tokony hanapa-kevitra eo amin’ny toeranao. Fahendrena ve anefa ny mandà avy hatrany ny torohevitra izay mety ho hita fa tsara amin’ny farany? Tena tsy misy na iza na iza tokoa ve afaka manampy anao hanao fanapahan-kevitra mampiseho fahendrena? Na ahoana na ahoana, moa ve ianao afaka mahazo antoka marina fa tena tsy misy tokoa mamolavola ny fisainanao, amin’ny fomba tsy tsapanao akory?
Talohan’ny ady lehibe faharoa, ohatra, i Joseph Goebbels, minisitr’i Hitler nisahana ny fampielezan-kevitra, dia naka ny indostria mpanao sarimihetsika tany Alemaina, ho eo ambany fifehezany. Nahoana? Satria takany fa izany dia nanome azy fitaovam-piadiana faran’izay mahery izay nahafahany “hanan-kery teo amin’ny zavatra ninoan’ny olona, ka hananany hery koa teo amin’ny fitondran-tenan’ny olona”. (Propaganda and the German Cinema 1933-1945). Azo inoana fa fantatrao hoe nandaitra tamin’ny fomba nahakivy izany sy ireo fomba hafa nampiasainy mba hifetsena olon-tsotra — olona ara-dalàna sy nahay nisaina — hanaraka an-jambany ny filôzôfia nazia.
Izao no zava-misy: Ny fihetseham-po sy ny fomba fihevitr’ireo izay henoinao, dia manan-kery foana eo amin’ny fomba fisainanao, ka noho izany dia manan-kery koa eo amin’ny fomba anaovanao zavatra. Tsy voatery ho ratsy akory izany, mazava ho azy. Raha toa izy ireny ka olona mitady amim-pahatsorana izay hahasoa anao, toy ny mpampianatra, namana, na ray aman-dreny, dia handray soa lehibe avy amin’ny toroheviny ianao. Raha toa kosa izy ireny ka olona tsy mitady afa-tsy izay hahasoa azy manokana, ka ny tenany aza mba voafitaka, na mikororosy fisainana, “mpamitaka ny saina”, araka ny ilazalazan’ny apostoly Paoly azy, dia mitandrema! — Titosy 1:10, NW; Deoteronomia 13:7-9.
Noho izany, dia aoka ianao tsy ho afa-po loatra amin’ny tenanao ka hieritreritra fa tsy misy na iza na iza afaka manan-kery eo aminao. (Ampitahao amin’ny 1 Korintiana 10:12.) Azo inoana tokoa fa efa nitranga izany, tamin’ny fomba tsy voamarikao akory, ary efa nitranga matetika kokoa noho izay mety hekenao aza. Makà ohatra tsotra, dia ny amin’izay entam-barotra efa tapakao fa hovidinao rehefa miantsena ianao. Fanapahan-kevitrao manokana sy niankina tamin’ny fisainanao samirery tanteraka foana ve izany? Sa manan-kery an-kolaka nefa mahery, eo amin’ny safidinao ny olon-kafa, izay matetika tsy hitanao? Misy heriny tokoa ny olon-kafa, hoy ny hevitr’i Eric Clark, mpanao gazety iray tia mamotopototra. “Arakaraka ny maha tototry ny dokam-barotra antsika”, hoy izy, “no hihenan’ny fahatsapantsika [ny herin’izy io], kanefa saiky azo antoka tanteraka fa, arakaraka izany no vao mainka andairany kokoa amintsika.” Nilaza koa izy fa rehefa anontaniana ny olona hoe mandaitra ve ny dokam-barotra, “dia miaiky ny ankamaroan’izy ireo fa mandaitra ilay izy, nefa kosa tsy mandaitra aminy”. Mirona hihevitra ny olona hoe ny olon-kafa no mora voa fa tsy ny tenany. “Toa vita fanefitra izy ireo rehefa raisina tsirairay.” — The Want Makers.
Voafatratra ao anatin’ny lasitr’i Satana?
Mety tsy hisy voka-dratsy lehibe raha voataonan’ny dokam-barotra isan’andro ianao, na tsia. Misy anefa fitaomana hafa iray izay mampidi-doza lavitra. Asehon’ny Baiboly mazava tsara fa kalazalahy amin’ny fampiasana amin-kafetsena ny hafa, i Satana. (Apokalypsy 12:9). Ny filôzôfiany, raha ny marina, dia mitovy amin’ny fisainan’ny masoivoho mpanao dokam-barotra iray izay nilaza fa misy fomba roa hitaomana ny mpividy: “Amin’ny fanaovana izay hahasodoka azy, na amin’ny famolavolana azy.” Raha ireo mpanao fampielezan-kevitra sy ireo mpanao dokam-barotra aza moa afaka mampiasa teknika an-kolaka toy izany mba hamolavolana ny fisainanao, mainka fa i Satana! Tsy maintsy havanana lavitra eo amin’ny fampiasana paikady mitovy amin’izany, izy. — Jaona 8:44.
Nahafantatra izany ny apostoly Paoly. Natahotra izy sao hampihena ny fitandremany ireo Kristianina tahaka azy ka hanjary voan’ny fitak’i Satana. Nanoratra toy izao izy: “Matahotra aho, fandrao ny sainareo ho simba hiala amin’ny fahitsiam-po sy ny fahadiovana amin’i Kristy, tahaka ny namitahan’ny menarana an’i Eva tamin’ny fihendreny.” (2 Korintiana 11:3). Raiso ho zava-dehibe io fampitandremana io. Raha tsy izany, ianao koa dia mety ho sahala amin’ireo olona izay mino fa mandaitra ny fampielezan-kevitra sy ny famolavolana, “nefa kosa tsy mandaitra aminy”. Hita mazava tsara manodidina antsika fa tena mandaitra ny fampielezan-kevitr’i Satana. Hita izany eo amin’ny fitiavana setrasetra, eo amin’ny fahambanian-toetra eo amin’ny maha-lahy sy ny maha-vavy, ary eo amin’ny fihatsarambelatsihy izay mampiavaka ity taranaka ity.
Noho izany, dia niangavy ireo namany kristianina i Paoly, mba ‘hitsahatra tsy hovolavolain’ity fandehan-javatra ity’. (Romana 12:2, NW ). Nilaza tamin’ny fomba hafa toy izao ny tenin’i Paoly, ny mpandika tenin’ny Baiboly iray: “Aza mamela ny tontolo manodidina anao hamatratra anao ao anatin’ny lasiny.” (Romana 12:2, Phillips). Hiezaka hanao izay rehetra azony atao i Satana mba hanerena anao hiditra ao anaty lasiny, toy ny mpanefy tanimanga fahiny izay namatratra ny tanimanga tao anaty lasitra iray nisokatra, mba hahazoana ireo soratsoratra sy endriny manokana tiany hisoritra eo amin’izy io. Efa novononin’i Satana hanao izany ny tontolo eo amin’ny sehatry ny politika sy ny varotra sy ny fivavahana ary ny fialam-boly. Manao ahoana anefa ny fihanaky ny fitaomany? Miely patrana toy ny tamin’ny andron’ny apostoly Jaona, ny fitaomany. “Izao tontolo izao”, hoy i Jaona, “dia mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa.” (1 Jaona 5:19; jereo koa ny 2 Korintiana 4:4.) Raha misalasala ny amin’ny fahaizan’i Satana manodoka olona sy mampikororosy ny fisainany ianao, dia tadidio fa nandaitra ny fomba nanaovany izany tamin’ny firenena manontolon’ny Isiraely, izay vahoaka nanolo-tena ho an’Andriamanitra. (1 Korintiana 10:6-12). Mety hitranga aminao koa ve izany zavatra izany? Mety hitranga izany raha mamela ny sainao hisokatra ho amin’ny fitaoman’i Satana mahasodoka, ianao.
Fantaro izay mitranga
Amin’ny ankapobeny, dia tsy hisy heriny eo amin’ny fisainanao ireny hery misoko mangina ireny, raha tsy avelanao hanao izany izy ireny. Nilaza izao hevitra izao i Vance Packard, ao amin’ilay bokiny hoe The Hidden Persuaders (Ireo Mpandresy Lahatra Miafina): “Mbola manana fiarovana mafy azo ampiasaina amin’ireny mpandresy lahatra [miafina] ireny isika: afaka mifidy ny tsy ho resy lahatra isika. Saiky amin’ny toe-javatra rehetra, dia mbola manana safidy isika, ary tsy dia ho azon’ny hafa ampiasaina amin-kafetsena loatra isika raha mahafantatra izay mitranga.” Marina koa izany raha ny amin’ny fampielezan-kevitra sy ny fitaka.
Mazava ho azy fa mba ‘hahafantarana izay mitranga’, dia tsy maintsy mihazona ny sainao hisokatra sy ho mora mandray fitaomana tsara ianao. Tsy misy hafa amin’ny vatana salama ny saina salama fa mila mahazo sakafo tsara, raha tiana hiasa araka ny tokony ho izy. (Ohabolana 5:1, 2). Mety hanimba, toy ny fanazavana diso ny tsy fisian’ny fanazavana. Koa na dia marina aza fa mila miaro ny sainao amin’ny hevitra mamitaka sy ny filôzôfia ianao, dia miezaha mba tsy hieritreritra hoe ratsy foana na tsy azo itokisana ny torohevitra na fanazavana rehetra atolotra anao. — 1 Jaona 4:1.
Tsy mitovy ny fampielezan-kevitra miafina sy ny fandresen-dahatra amim-pahamarinana. Tena nampitandreman’ny apostoly Paoly tokoa i Timoty, izay tovolahy, mba hiambina satria “ireo ratsy fanahy sy mpisoloky dia handroso hiharatsy kokoa hatrany, sady mamitaka no voafitaka”. Nanampy teny toy izao anefa i Paoly: “Ianao kosa anefa, manohiza amin’izay zavatra nianaranao sy nandresen-dahatra anao mba hinoana, fa fantatrao izay olona nianaranao an’izany.” (2 Timoty 3:13, 14, NW ). Koa satria izay rehetra ampidirinao ao an-tsainao dia hisy heriny eo aminao, amin’ny ampahany sasany, ny vahaolana dia ny ‘fahafantarana izay olona nahalalanao zavatra’, mba hahazoana antoka fa mitady izay hahasoa anao indrindra izy ireny fa tsy izay hahasoa ny tenany.
Anao ny safidy. Afaka mifidy ny “hovolavolain’ity fandehan-javatra ity” ianao, ka ny filôzôfian’ity tontolo ity sy izay heveriny fa sarobidy no avelanao hanjaka eo amin’ny fisainanao. (Romana 12:2, NW ). Tsy mitady izay hahasoa anao anefa ity tontolo ity. “Tandremo” àry, hoy ny fampitandreman’ny apostoly Paoly, “fandrao misy mahalasa anareo ho babony amin’ny filosofia sy ny famitahana foana, araka ny fampianarana voatolotry ny razana”. (Kolosiana 2:8). Tsy mitaky ezaka ny fahatongavana ho voafatratra ao anatin’ny lasitr’i Satana amin’izany fomba izany, na ny ho ‘lasa babony’. Izany dia mitovy amin’ny setro-tsigara avy amin’ny mpifoka iray. Mety hisy fiantraikany eo aminao izany raha mifoka fotsiny ilay rivotra voaloto ianao.
Afaka manao izay tsy hifohana io “rivotra” io koa anefa ianao. (Efesiana 2:2). Araho kosa ilay torohevitr’i Paoly manao hoe: “Miovà amin’ny fanavaozana ny sainareo, mba ho ny tenanareo mihitsy no hanamarina fa tsara sy azo ekena ary lavorary ny sitrapon’Andriamanitra.” (Romana 12:2, NW ). Tena mitaky ezaka tokoa izany. (Ohabolana 2:1-5). Tadidio fa tsy mpampiasa ny hafa amin-kafetsena akory i Jehovah. Omeny avokoa izay fanazavana rehetra ilaina, kanefa mba handraisan-tsoa avy amin’izany, dia tsy maintsy mihaino izany ianao ary mamela izany hanan-kery eo amin’ny fisainanao. (Isaia 30:20, 21; 1 Tesaloniana 2:13). Tsy maintsy vonona ianao hameno ny sainao amin’ny fahamarinana voarakitra ao amin’ny “Soratra Masina”, dia ny Teny ara-tsindrimandrin’Andriamanitra, izany hoe ny Baiboly. — 2 Timoty 3:15-17.
Ekeo ny famolavolan’i Jehovah
Ilaina ny fahavononanao sy ny fankatoavanao raha tianao ny handray soa avy amin’ny fitaoman’i Jehovah, izay mamolavola. Voazava tamin’ny ohatra mafonja izany, rehefa nilaza tamin’i Jeremia mpaminany i Jehovah mba hitsidika ny trano fiasan’ny mpanefy tanimanga iray. Hitan’i Jeremia fa niova hevitra ny amin’izay hanaovany ny vilany iray ilay mpanefy tanimanga, rehefa ‘simban’ny tanany’ ilay zavatra niezahany hatao. Hoy i Jehovah tamin’izay: “Moa tsy mahazo manao aminareo toy ny ataon’ity mpanefy tanimanga ity va Aho, ry taranak’Isiraely? (...) Indro, toy ny tanimanga eo an-tànan’ny mpanefy azy, dia toy izany hianareo eo an-tànako ry taranak’Isiraely.” (Jeremia 18:1-6). Midika ve izany fa ny olona teo amin’ny Isiraely dia toy ny bolongan-tanimanga tsy nisy aina teo an-tanan’i Jehovah, ka novolavolainy araka izay tiany, ho karazam-bilany toy izao na toy izao?
Tsy mampiasa na oviana na oviana ny heriny tsy toha mba hanerena olona hanao zavatra tsy araka ny sitrapony i Jehovah; ary tsy tompon’andraikitra amin’ireo zava-bita misy tsininy koa izy, toy ny mety hitranga amin’ny olombelona mpanefy tanimanga. (Deoteronomia 32:4). Manjary misy ny tsy mety rehefa manohitra ny fitarihan’i Jehovah ireo izay ezahin’i Jehovah hovolavolaina amin’ny fomba tsara. Tsy fitoviana goavana iray eo aminao sy ny bolongan-tanimanga tsy misy aina izany. Manana safidy malalaka ianao. Rehefa mampiasa izany ianao, dia afaka mifidy ny hanaiky na hinia handa ny fitaoman’i Jehovah, izay mamolavola.
Izany ka fianarana mampieritreritra! Tsy aleo lavitra ve mihaino ny feon’i Jehovah toy izay hianjonanjona hilaza hoe: “Tsy mila an’iza na iza hilaza amiko izay tokony hataoko aho”! Isika rehetra dia samy mila ny fitaoman’i Jehovah izay mitari-dalana. (Jaona 17:3). Aoka ianao ho sahala amin’i Davida mpanao salamo izay nivavaka toy izao: “Ampahafantaro ny làlanao aho, Jehovah ô; ampianaro ny sitrakao aho.” (Salamo 25:4). Tadidio izay nolazain’i Solomona Mpanjaka nanao hoe: “Aoka ny hendry hihaino ka hitombo saina”. (Ohabolana 1:5). Hihaino ve ianao? Raha manao izany ianao, “dia hiaro anao ny fisainana mazava, ary hiambina anao ny fahalalana”. — Ohabolana 2:11.