Mandeha ny kalesin’i Jehovah any amin’ny lanitra
“Ny amin’ny kodia dia reko nisy niantso azy hoe: Ry kodia [kodia mifampiditra, MN]!” — EZEKIELA 10:13.
1. Fomba fitaterana inona no ananan’i Jehovah?
AMIN’IZAO andron’ny firamanidina mangirana mpitatitra olona mandeha atosiky ny gaza izao, dia mety hihevitra ireo mpitondra eo amin’izao tontolo izao fa manana ny arifomba indrindra amin’ny fanaovana dia lavitra mahomby izy ireo. Eninjato sy roa arivo taona lasa izay anefa, dia nasehon’i Jehovah Andriamanitra fa manana ny fomba fitaterana faran’izay tsara izy, karazany izay mbola tsy hitan’ny injeniera mihitsy. Izany dia kalesy goavana mahatalanjona! Toa hafahafa ve izany hoe ilay Mpamorona izao rehetra izao mitaingina fiara mitovy amin’ny kalesy? Tsia, satria ilay fiaran’i Jehovah any amin’ny lanitra dia hafa tanteraka noho izay rehetra mety ho namboarin’olona.
2. Ahoana no ilazalazan’ny Ezekiela toko voalohany ny kalesin’i Jehovah any amin’ny lanitra, ary ho amin’iza no itarihan’ilay mpaminany ny saintsika voalohany?
2 Ao amin’ny toko voalohany amin’ny faminanian’i Ezekiela, i Jehovah dia aseho eo am-pitaingenana kalesy makadiribe any amin’ny lanitra. Io fiara mahatalanjona manana kodia efatra io, dia mandroso noho ny herin’ny tenany ihany ary afaka manao zavatra mahagaga. Nahita an’io kalesy any an-danitra io tamin’ny fahitana i Ezekiela, tamin’ny taona 613 al.fan.ir., fony izy teo akaikin’ny iray tamin’ireo lakan-dranon’i Babylona fahiny. Mitarika ny saintsika ho amin’ireo manotrona ilay kalesin’i Jehovah any amin’ny lanitra aloha ilay mpaminany. Eo am-pamakiana, dia aoka isika hiezaka haka sary an-tsaina izay hitan’i Ezekiela.
Zavamananaina efatra
3. Inona no asehon’ireo tarehy efatra teo amin’ny tsirairay avy tamin’ireo kerobima efatra?
3 Nanao tatitra toy izao i Ezekiela: “Ary hitako fa, indro, nisy tafio-drivotra avy tany avaratra, dia rahona lehibe sy afo mifandrambondrambona, sady nisy namirapiratra manodidina azy (...). Ary teo aminy koa nisy toa endriky ny zava-manan-aina efatra”. (Ezekiela 1:4, 5). Nanana elatra efatra sy tarehy efatra ny tsirairay tamin’ireo zavamananaina efatra, na kerobima, ireo. Izy ireo dia nanana tarehin-diona, nilaza ny fahamarinan’i Jehovah; tarehin’omby nampiseho ny herin’Andriamanitra, ary tarehim-boromahery nanambara ny fahendreny. Nanana tarehin’olona nanondro ny fitiavan’i Jehovah koa izy ireo. — Deoteronomia 32:4; Joba 12:13; Isaia 40:26; Ezekiela 1:10; 1 Jaona 4:8.
4. Nahoana no manana tarehy efatra ireo kerobima, ary mitovy amin’inona izy ireo raha ny amin’ny hafainganam-pandeha?
4 Nanana tarehy nitodika tany amin’ny vazan-tany efatra ny kerobima tsirairay avy. Noho izany, dia afaka niova lalana teo no ho eo ary nanaraka ilay tarehy nitodika tany amin’izay tiana haleha ireo kerobima. Mitovy amin’inona anefa ireo kerobima ireo raha ny amin’ny hafainganam-pandeha? Afaka mandeha amin’ny hafainganam-pandehan’ny hazavana izy ireo! (Ezekiela 1:14). Tsy misy fiara vitan’olombelona nahatratra izany hafainganam-pandeha izany.
5. Ahoana no nilazalazan’i Ezekiela ireo kodian’ny kalesy sy ny boriboriny?
5 Tampoka teo, dia nanjary taza-maso ny kodian’ilay kalesy. Hafa dia hafa re izy izany! Hoy ny andininy faha-16 sy faha-18: “Ny tarehiny sy ny rafiny dia toy ny kodia ao anatin’ny kodia. Ary ny boriboriny manodidina azy dia avo sy mahatahotra, sady feno maso manodidina izy efatra”. Satria nisy kodia iray teo anilan’ny kerobima tsirairay, izany dia nanome kodia efatra tamin’ny toerana efatra nifandray. Nanjopiaka toy ny krysolita, vato maitso na mavo mangarangarana na tantera-pahazavana ireo kodia. Nanampy fahazavana sy hatsaran-tarehy ho an’io fahitana be voninahitra io izany. Koa satria “feno maso manodidina” ny boriborin’ireo kodia, dia tsy nandeha an-jambany teny rehetra teny fotsiny akory izy ireo. Avo dia avo ireo kodia ka afaka mahalasa lavitra be amin’ny fihodinana indray mandeha monja eo amin’ny tezany (axe). Sahala amin’ireo kerobima efatra, izy ireo dia afaka mandeha haingana toy ny hazavana.
Kodia anatin’ny kodia
6. a) Amin’ny ahoana ilay kalesy no nanana kodia ao anatin’ny kodia? b) Nampifanaraka ny lalana nalehany tamin’inona ireo kodia?
6 Tsy fahita ny zavatra hafa iray. Nanana kodia iray tao anatiny ny kodia tsirairay — anankiray nitovy savaivo izay tafiditra nitsivalana tao anatin’ilay kodia fototra. Amin’io fomba io ihany vao azo nolazaina fa “nandeha tamin’izay hitsin’ny lafiny efatra” ireo kodia. (Andininy faha-17). Teo no ho eo, dia afaka niova lalana ireo kodia, satria nisy ilany tamin’ny kodia nitodika tany amin’ny lafiny tsirairay. Nampifanaraka ny lalana nalehany tamin’ny an’ireo kerobima efatra ireo kodia. Eo ambonin’ireo kodia efatra, ny vatan’ilay kalesin’Andriamanitra dia afaka mitaingina amin’ny zavatra manohana iray tsy hita maso mitovy amin’ny sambo kely matanjaka iray, izay ingain’ny sosona rivotra eo am-pisidinany ambonin’ny rano.
7. Inona no loharanon-kerin’ireo kodia?
7 Taiza no nahazoan’ireo kodia an’io hery mampifanaraka ny fandehany rehetra amin’ny an’ireo kerobima efatra io? Avy tamin’ny fanahy masin’ilay Andriamanitra Tsitoha. Hoy ny andininy faha-20: “Na aiza na aiza no tian’ny fanahy ho naleha dia nalehan’ireo koa (...) fa teo amin’ny kodia ny fanahin’ny zava-manan-aina”. Hery miasan’Andriamanitra tsy hita maso mitovy amin’izay tao anatin’ireo kerobima no tao amin’ireo kodia ireo.
8. Anarana inona no nomena an’ireo kodia, ary nahoana?
8 Notondroina tamin’ny fitenenana hoe “kodia mifampiditra” ireo kodia. (Ezekiela 10:13, MN). Izany dia miharihary fa avy amin’izay ataon’ny kodia tsirairay. Mikodiadia na mihodinkodina haingana izy io. Ny fanondroana io faritra amin’ilay kalesy any amin’ny lanitra io amin’izany fomba izany dia manintona ny saina ho amin’ny hafainganam-pandehan’ilay kalesy any amin’ny lanitra. Na dia nihodinkodina haingana be aoka izany aza ireo kodiany, dia afaka nahita ny lalany foana izy ireo noho izy feno maso.
9. Ahoana no nilazalazan’i Ezekiela izay teo ambonin’ireo kodia efatra haingam-pandeha an’ilay kalesy?
9 Izao anefa, dia aoka isika hijery sy hahita izay eo ambonin’ireo kodia efatra avo be mahatahotra sady haingam-pandeha ireo. Hoy ny andininy faha-22 amin’ny Ezekiela toko voalohany hoe: “Ary teo ambonin’ny lohan’ny zava-manan-aina dia nisy toa endriky ny eloelo, toy ny volon’ny krystaly mahatahotra, mivelatra eo ambonin’ny lohany”. Ilay eloelo, na dia mivaingana aza, dia tantera-pahazavana, “toy ny volon’ny krystaly mahatahotra”. Nanjelajelatra toy ny diamondra an’arivony maro eo am-pitarafan’ny masoandro azy izany. Mahatahotra marina tokoa!
Ilay Mitaingina kalesy be voninahitra
10. a) Ahoana no ilazalazana ny seza fiandrianana sy Ilay eo amboniny? b) Mampiseho inona ny hoe rakotry ny voninahitra ilay Mitaingina kalesy?
10 Mazava ho azy fa nijanona ilay kalesy mba hahafahan’ilay Mitaingina azy hiresaka amin’i Ezekiela. Eo ambonin’ilay eloelo, dia misy endriky ny seza fiandrianana, safira na manga antitra ny fisehony. Eo ambonin’ny seza fiandrianana dia misy Persona toa endrik’olombelona eto an-tany ny fisehony. Ilay endrik’olombelona dia afaka nanampy tsara indrindra an’i Ezekiela hahatakatra izay nofonosin’io fisehoan’Andriamanitra io. Rakotry ny voninahitra anefa io bikan’olombelona io, ka manjopiaka toy ny “electrum”, metaly mamirapiratra avy amin’ny fitambaran’ny volafotsy sy volamena. Hakanton-javatra mampangovitra re izany! Avy eo amin’ny valahan’io bika toa olombelona io, dia sady miitatra miakatra no miitatra midina io voninahitra mihaja io. Voahodidin’ny voninahitra amin’izay ilay bika manontolo. Izany dia manondro fa be voninahitra amin’ny fomba tsy hay lazalazaina i Jehovah. Ankoatra izany, dia narahin’ny avana iray tsara tarehy ilay Mitaingina kalesy. Fahatoniana sy filaminana toy inona moa no omen’ny avana iray aorian’ny oram-baratra! Amin’ny fananana io fihetsika tony io, i Jehovah dia mitana amim-pahaiza-mandanjalanja tanteraka ireo toetrany toy ny fahendrena, fahamarinana, hery ary fitiavana.
11. Inona no akon’ny fahitana ny kalesin’i Jehovah sy ny seza fiandrianany teo amin’i Ezekiela?
11 Voahodidin’ny hazavana sy loko tsara tarehy ny kalesin’i Jehovah sy ny seza fiandrianany. Endrey izany fifanoherany amin’ny Satana, ilay andrian’ny fahamaizinana sy ny asan’ny maizina! Ary inona no akon’izany rehetra izany tamin’i Ezekiela? “Nony nahita izany aho, dia nikarapoka nihohoka ka nandre ny feon’ny anankiray niteny.” — Ezekiela 1:28.
Izay nasehon’ilay kalesy
12. Inona no asehon’ny kalesin’i Jehovah any amin’ny lanitra?
12 Inona no asehon’io kalesy mahatalanjona io? Ilay fandaminan’i Jehovah Andriamanitra any amin’ny lanitra na any an-danitra. Izy io dia voaforon’ireo zavaboariny ara-panahy masina rehetra any amin’ny faritra tsy hita maso — serafima, kerobima ary anjely. Koa satria Andriamanitra Avo Indrindra i Jehovah, dia manaiky azy ny zavaboariny ara-panahy rehetra, ary mitaingina azy ireo izy amin’ny heviny hoe manapaka azy ireo amin-katsaram-panahy izy ary mampiasa azy ireo mifanaraka amin’ny fikasany. — Salamo 103:20.
13. a) Nahoana no azo atao ny milaza fa mitaingina ny fandaminany i Jehovah? b) Amin’ny ahoana ny fahitana ny amin’ny kalesin’i Jehovah manana kodia efatra mandeha no misy fiantraikany eo aminao?
13 Mitaingina io fandaminana io i Jehovah, mampandeha azy io any amin’izay rehetra anosehan’ny fanahy masina azy haleha. Tsy mirifatra tsy misy fifehezana na fanaraha-maso amim-pisainana akory izy io. Tsy avelan’Andriamanitra handeha any amin’izay lalana rehetra mety ho tiany haleha akory io fandaminana io. Manaraka ny toromarika avy any aminy kosa izy io. Miara-mandroso amim-piraisan-kina izy rehetra ho amin’ny fanatanterahana feno ireo zava-kendren’Andriamanitra. Fandaminana mahatalanjona toy inona moa no aseho amin’io fahitana ny kalesin’i Jehovah any amin’ny lanitra manana kodia efatra nandeha io! Mifanaraka amin’izany, ny fandaminan’i Jehovah dia aseho ho efamira, voalanjalanja tanteraka.
Voatendry ho mpiambina
14. Iza no asehon’ny mpaminany Ezekiela?
14 Iza anefa no asehon’ny mpaminany Ezekiela? Avy amin’ireo zava-nisy teo amin’ny tantara, dia miharihary fa nampifandraisina tamin’ilay kalesy any amin’ny lanitra ny kilasin’ireo Vavolombelon’i Jehovah voahosotry ny fanahy. Araka izany, i Ezekiela dia mampiseho tsara ny sisa voahosotra amin’ny Vavolombelon’i Jehovah hatramin’ny 1919. Ara-panahy, ny fandaminan’Andriamanitra any an-danitra dia nifandray tamin’ny sisa voahosotra tamin’io taona io mba hamelomana azy ireo indray ho Vavolombelona ho an’i Jehovah eo amin’izao tontolo izao manontolo. (Ampitahao amin’ny Apokalypsy 11:1-12.) Io fandaminana mitovy amin’ny kalesy io dia nandeha tamin’izay, tahaka ny mbola ataony amin’izao andro izao. Raha ny marina, ireo kodia fandehanany dia mihodina haingana tsy mbola nisy toy izany. Mitondra ilay fiara mandroso haingana i Jehovah!
15. Inona no nolazain’ny feon’ilay Mitaingina ny kalesy any amin’ny lanitra, ary fanirahana inona no azon’i Ezekiela?
15 Naniry ny hahafantatra i Ezekiela hoe nahoana ilay kalesy any amin’ny lanitra no tonga teo anoloany ary nijanona. Nanjary nahalala izy rehefa tonga taminy ny feo avy tamin’Ilay nipetraka teo ambonin’ny kalesy. Talanjona tanteraka tamin’io fisehoan-javatra nahatahotra io i Ezekiela ka niankohoka tamin’ny tany. Henoy izay nolazain’ny feon’ilay Mitaingina ny kalesy any amin’ny lanitra: “Ry zanak’olona, mitsangàna, fa hiteny aminao Aho”. (Ezekiela 2:1). Naniraka an’i Ezekiela ho tonga mpiambina sy hampitandrina ny taranak’Isiraely mpikomy avy eo i Jehovah. Nasaina niteny tamin’ny anaran’Andriamanitra mihitsy aza izy. Midika hoe “Andriamanitra manatanjaka” ny anaran’i Ezekiela. Koa izany no nanatanjahan’Andriamanitra ny kilasin’i Ezekiela sy nanirahany azy, nanendreny azy ho mpiambina ho an’ny fivavahana lazaina fa kristiana.
16, 17. a) Ahoana no nandraisan’i Ezekiela soa avy tamin’ilay fahitana momba ilay kalesy any amin’ny lanitra? b) Amin’izao androntsika izao, amin’ny ahoana ny fahatakarana ny fahitana momba ilay kalesy any amin’ny lanitra no misy akony amin’ny kilasin’i Ezekiela sy ny olona betsaka?
16 Nampifoha ny sain’i Ezekiela sy nahagaga azy ilay fahitana ny amin’ilay kalesy any amin’ny lanitra, kanefa izany dia nanomana azy koa ho amin’ny fanirahana azy ho mpiambina mba hampanakoako ny fampitandremana mikasika ny fandravana ho avy amin’i Jerosalema. Marina koa izany ho an’ny kilasin’ny mpiambina amin’izao andro izao. Ny fahatakaran’izy ireo ilay fahitana ny amin’ilay kalesy any amin’ny lanitra nandeha dia nisy fiantraikany lehibe teo amin’ny sisa voahosotra. Tamin’ny 1931, dia nianatra kokoa ny amin’ny fahitan’i Ezekiela izy ireo, araka ny aseho ao amin’ny Justification, boky voalohany. Feno fankasitrahana lehibe aoka izany àry izy ireo ka, nanomboka tamin’ny nomeraon’ny 15 Oktobra 1931 hatramin’ny an’ny 1 Aogositra 1950, ny lohateny famantarana Ny Tilikambo Fiambenana teo amin’ny fonony, dia nitondra teo amin’ny zorony havanana ambony, sary iray nataon’ny mpanan-talenta, momba ny fahitan’i Ezekiela ilay kalesy any amin’ny lanitra. Tamin’izay, dia nankatò ny fanirahana nomena azy ny kilasin’i Ezekiela, ka nanompo tamin’ny naha-mpiambina azy izy, nampanakoako ny fampitandreman’Andriamanitra. Akaiky mbola tsy nisy toy izany ny fotoana fandravana amin’ny afo ny fivavahana lazaina fa kristiana, avy amin’i Jehovah mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana eo ambonin’ilay kalesy any amin’ny lanitra!
17 Amin’izao andro izao, ny “olona betsaka” amin’ny vahoaka toy ny ondry dia miaraka amin’ny sisa voahosotra. (Apokalypsy 7:9). Miara-mampanakoako ny fampitandremana momba ny fandravana hamely ny fivavahana lazaina fa kristiana sy ity fandehan-javatry ny Devoly manontolo ity izy ireo. Mandroso manao dia maika io asa fampitandremana io, ary araka ny Apokalypsy 14:6, 7, dia tohanan’ny anjely izy io.
Miara-mandeha amin’ilay kalesy any amin’ny lanitra
18. Inona no tsy maintsy atao mba hahazoana ny fanohanana mitohy avy amin’ireo anjely, ary tokony ho mora andairan’ny inona isika?
18 Miara-mandeha amin’ny maha-anisan’ny fandaminan’Andriamanitra any an-danitra azy ireo anjely feno fanekena, eo am-panampiana ny mpanompon’i Jehovah eto an-tany hanatanteraka ny asa nanirahana azy hanambara ny fampitandremana ny amin’ny fitsaran’Andriamanitra. Raha irintsika ny fiarovana sy fitarihana mitohy avy amin’ireo anjely mahery mpanompon’Andriamanitra ireo, isika koa dia tsy maintsy miara-mandeha, ary miara-mamindra amin’ilay kodia mifampiditra ara-panoharana. Ankoatra izany, amin’ny maha-anisan’ny fandaminan’i Jehovah hita maso antsika miara-mandeha amin’ny kalesiny any amin’ny lanitra, dia tsy maintsy ho mora andairan’ny fitarihan’ny fanahin’Andriamanitra isika. (Ampitahao amin’ny Filipiana 2:13.) Raha Vavolombelon’i Jehovah isika, dia tsy maintsy mandeha amin’ny lalana mitovy amin’ny an’ilay kalesy any amin’ny lanitra. Azo antoka fa tsy tokony hiasa mifanipaka amin’ny fikasany isika. Rehefa misy fitarihana omena ny amin’ny lalana tokony halehantsika, dia tokony hanaraka izany isika. Amin’izay dia tsy ho voasaratsaraka ny kongregasiona. — 1 Korintiana 1:10.
19. a) Toy ny ananan’ireo kodian’ilay kalesy any amin’ny lanitra maso manodidina azy, tokony ho mailaka ny hanao inona ny vahoakan’i Jehovah? b) Inona no tokony ho fihetsika arahintsika amin’izao fotoana mikorontana izao?
19 Manondro fahamailahana ireo maso manodidina ny kodia amin’ny kalesin’Andriamanitra. Toy ny maha-mailaka ilay fandaminana any an-danitra, dia tsy maintsy mailaka koa isika hanohana ny fandaminan’i Jehovah eto an-tany. Eo anivon’ny kongregasiona, dia afaka mampiseho io fanohanana io isika amin’ny fiaraha-miasa amin’ireo loholona eo an-toerana. (Hebreo 13:17). Ary amin’izao fotoana mikorontana izao, ny kristiana dia mila ny mifikitra akaiky dia akaiky amin’ny fandaminan’i Jehovah. Tsy tiantsika ny hanome ny fanazavantsika manokana ireo zava-mitranga, satria amin’izay isika dia tsy hiara-mandeha amin’ny kalesin’i Jehovah any amin’ny lanitra. Aoka isika hanontany tena mandrakariva hoe: ‘Lalana aiza no alehan’ilay kalesy any amin’ny lanitra?’ Raha mandroso miaraka amin’ny fandaminan’Andriamanitra hita maso isika, dia ho eo am-pandehanana miaraka amin’ilay fandaminana tsy hita maso koa.
20. Torohevitra tsara dia tsara inona no nomen’ny apostoly Paoly ao amin’ny Filipiana 3:13-16, MN?
20 Ny amin’izany, dia nanoratra toy izao i Paoly: “Ry rahalahy, tsy mbola ataoko fa efa nahazo ny tenako, fa zavatra iray loha no ataoko: manadino izay zavatra ao aoriana ka miezaka manatratra izay eo aloha, eny, manohy [ny fihazakazahako] hanatratra ny zava-kendrena aho hahazoako ny lokan’ny fiantsoan’Andriamanitra, fiantsoana ho any ambony, noho Kristy Jesosy. Koa aoka àry isika rehetra izay matotra hanana izany toe-tsaina izany; ary raha hafa noho izany ny fiheveranareo ny amin’ny zavatra sasany, dia hasehon’Andriamanitra aminareo izany [toe-tsaina] resahina izany. Amin’ny toe-javatra rehetra, na toy inona na toy inona fandrosoana vitantsika, dia aoka isika hanohy handeha manaraka lalàm-pifehezana amin’io fahazarana io ihany”. — Filipiana 3:13-16, MN.
21. Amin’ny fanarahana fahazarana inona no azo androsoana ara-panahy miaraka amin’ny fandaminan’Andriamanitra?
21 Eto, ny teny hoe “fahazarana”, dia tsy midika ho fomba raikitra ratsy izay tsy hahafahantsika mikofoka. Manana fahazarana tsara dia tsara izay ahafahany mandroso ara-panahy ny mpanompon’i Jehovah. Izany dia fahazarana eo amin’ny fanaovana fianarana manokana, fanatrehana ireo fivorian’ny kongregasiona, fitoriana tsy tapaka ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana, ary amin’ny fanomezana taratr’ireo toetra tsaran’ny fandaminan’Andriamanitra any an-danitra. Ny fahazarana toy izany dia mahatonga azy ireo ho afaka hanaraka ny fitarihan’ny fandaminan’i Jehovah toy ny kalesy any amin’ny lanitra. Amin’ny faharetana amin’izany fomba izany, dia ho tratrantsika ny zava-kendrentsika, na ny loka ho amin’ny fiainana tsy mety maty any an-danitra izany na fiainana mandrakizay eto an-tany ho tonga paradisa.
22. a) Inona no tsy maintsy atao mba hahatonga ny sisa voahosotra sy ny olona betsaka amin’ny ondry hafa ho voalamina amim-piraisan-kina? b) Zavatra inona no tsy miafina amin’i Jehovah?
22 Araka ny ambaran’ny Jaona 10:16, ny “ondry hafa” sy ny kilasin’i Ezekiela dia ho voalamina amim-piraisan-kina. Amin’izany, dia tena ilaina ny hahatakaran’ny rehetra ao amin’ny fandaminan’i Jehovah ny dikany feno sy ny maha-zava-dehibe an’ilay fahitana voarakitra ao amin’ny Ezekiela toko voalohany raha tokony hiara-mandeha amin’ny kalesin’i Jehovah any amin’ny lanitra izy ireo. Ny fahitana momba azy io dia manampy antsika hiaiky fa tokony hiara-mandeha amin’ny fandaminan’Andriamanitra hita maso sy tsy hita maso isika. Tadidio ao an-tsaina koa fa ny mason’i Jehovah “mijery eny tontolo eny eran’ny tany rehetra, mba hisehoany aman-kery hamonjy izay manana fo mahitsy aminy”. (2 Tantara 16:9). Tsy misy zavatra miafina amin’i Jehovah na dia iray aza, indrindra fa izay momba ny fikasany hanamarina ny tenany amin’ny maha-Tompom-piandrianana eo amin’izao rehetra izao.
23. Inona no tsy maintsy ataontsika miaraka amin’io kalesin’i Jehovah any amin’ny lanitra mandeha io?
23 Azo antoka fa mandeha amin’izao andro izao ny kalesin’i Jehovah any amin’ny lanitra. Tsy ho ela dia hahazo voninahitra ny zava-drehetra mifanaraka amin’Ilay be voninahitra izay mitaingina io kalesy io — izay rehetra manamarina azy ho Tompom-piandrianana eo amin’izao rehetra izao. Manohana antsika amin’ny asa fitoriana maneran-tany lehibe ataontsika ny serafimany, sy ny kerobimany ary ny anjeliny. Aoka àry isika handroso miaraka amin’ny fandaminan’i Jehovah any an-danitra. Ahoana anefa no ahafahantsika miara-mamindra amin’io kalesy haingam-pandeha any amin’ny lanitra io?
Ahoana no havalinao?
◻ Toetra inona avy no asehon’ireo zavamananaina efatra hitan’i Ezekiela?
◻ Mampiseho inona ny kalesin’i Jehovah any amin’ny lanitra?
◻ Iza no asehon’i Ezekiela mpaminanin’Andriamanitra?
◻ Tamin’ny ahoana ny fahatakarana ny amin’ny kalesin’i Jehovah any amin’ny lanitra no nisy akony teo amin’ny kilasin’i Ezekiela sy ny olona betsaka?