-
Fanontanian’ny MpamakyNy Tilikambo Fiambenana (Fianarana)—2016 | Martsa
-
-
Diniho, ohatra, ny faminaniana ao amin’ny Ezekiela 37:1-14. Resahina ao amin’io fahitana hitan’i Ezekiela io, fa ho babo ny vahoakan’Andriamanitra nefa hafahana avy eo. Nahita tany lemaka feno taolam-paty izy. Nilaza i Jehovah fa “ny taranak’Israely manontolo” ireo taolana ireo. Tanteraka amin’ny “Israelin’Andriamanitra” koa anefa io faminaniana io. (Gal. 6:16; Asa. 3:21)
-
-
Fanontanian’ny MpamakyNy Tilikambo Fiambenana (Fianarana)—2016 | Martsa
-
-
Voalohany, voalaza fa “maina” na “maina be” ireo taolana. (Ezek. 37:2, 11) Midika izany fa taolan’olona efa maty ela be ireo.
-
-
Fanontanian’ny MpamakyNy Tilikambo Fiambenana (Fianarana)—2016 | Martsa
-
-
Elaela ihany ny firenen’Israely fahiny no babo. Nanomboka izany tamin’ny 740 T.K., rehefa resy ny fanjakan’ny foko folo tany avaratra ary natao sesitany ny mponina tao. Rava koa i Jerosalema tamin’ny 607 T.K., ary natao sesitany ny mponin’ny fanjakan’ny Joda tany atsimo. Tamin’ny 537 T.K. vao nafahana ireo Jiosy babo. Nisy tamin’izy ireo nody tany Jerosalema mba hanorina indray ny tempoly, sy hamerina amin’ny laoniny ny fivavahana marina.
Mazava àry fa tsy tamin’ny 1918 ka hatramin’ny 1919 ihany no babo tao amin’i Babylona Lehibe ny vahoakan’i Jehovah. Babo izy ireo nandritra ny fotoana niarahan’ny tsimparifary sy ny vary naniry. Lasa be lavitra noho ny tena Kristianina na ny “zanak’ilay fanjakana” mantsy ny mpivadi-pinoana tamin’izany. (Mat. 13:36-43) Takona ny fiangonana kristianina ka toy ny hoe babo tao amin’i Babylona Lehibe. Nanomboka babo izy io taorian’ny taona 100 ka hatramin’ny fotoana nanadiovana ny tempoly ara-panahy, mandritra ny fotoanan’ny farany.—Asa. 20:29, 30; 2 Tes. 2:3, 6; 1 Jaona 2:18, 19.
Te hanjakazaka tamin’ny olom-peheziny ny mpitondra fivavahana sy ny mpanao politika, nandritra an’io fotoana io, ka tsy navelany hanana Baiboly ny olona. Nomelohina, ohatra, izay namaky Baiboly tamin’ny fiteny be mpampiasa, ka nisy aza nodorana teo amin’ny tsato-kazo. Nosazina mafy koa izay sahy nanohitra ny hevitry ny mpitondra fivavahana, ka tsy afaka niely ny fahamarinana.
-