Jehovah — “Mpiady mahery”
NAMPANJAVONINA ny miaramila kalazalahin’ny tafika Egyptiana. Teo amin’ny Ranomasina Mena, no nanipazan’ny onja mahery ny fatin’ny mpitondra kalesy sy mpitaingin-tsoavaly, ary nihahaka teo amin’ny moron-drano ny fitaovam-piadian’ny tafika. Notarihin’i Mosesy ny olon’ny Isiraely ary nientan-kafaliana tamin’izao hiram-pandresena izao: “Hihira ho an’i Jehovah aho, fa avo indrindra Izy; ny soavaly sy ny mpitaingina azy efa nariany ao amin’ny ranomasina. Jehovah dia mpiady mahery, Jehovah no anarany.” — Eksodosy 15:1, 3.
Ny fandresen’i Jehovah tao amin’ny Ranomasina Mena tokoa dia fampisehoany ny fahamboniany eo amin’ny ady. Nandao an’i Egypta voalamina ho amin’ny ady ny Isiraely, nefa tsy nanana fahaizana miady firy. Tamin’ny alalan’ny andry rahona izay nanjary andry afo nony alina, no nitarihan’i Jehovah azy ireo avy tany Ramesesa nankany Etama “teo an-tsisin’ny efitra”. (Eksodosy 12:37; 13:18, 20-22). Avy eo i Jehovah dia niteny toy izao tamin’i Mosesy: “Lazao amin’ny Zanak’Isiraely mba hivily izy ka hitoby eo akaikin’i Pi-hahirota, eo anelanelan’i Migdola sy ny ranomasina; eo akaikin’i Bala-zefona (...) Ary Farao hilaza ny Zanak’Isiraely hoe: Azon’ny tamberintany izy ka voahidin’ny efitra. (...) ka hanenjika anareo izy.” (Eksodosy 14:1-4). Tamim-pankatoavana, dia niverina ny Isiraely ary nizotra nankany Pi-hahirota. Nitatitra ilay toa fisavorovoroana ireo mpitsikilon’i Farao, ary araka ny efa nambara mialoha, dia nanomana ny tafiny hanenjika i Farao. — Eksodosy 14:5-9.
Fandrika — Ho an’ny Isiraely sa ho an’i Farao?
Voahodidin’ny tendrombohitra teo amin’ny andaniny roa sy ny ranomasina teo anoloana ary ny Egyptiana avy tao aoriana ny Isiraelita raiki-tahotra, izay toa voafandrika ka nitaraina tamin’Andriamanitra mba hanampy azy ireo. Namory ny vahoaka i Mosesy ary niteny hoe: “Aza matahotra hianareo, mijanòna, fa ho hitanareo ny famonjen’i Jehovah, izay hataony ho anareo anio; fa ny Egyptiana, izay hitanareo anio, dia tsy ho hitanareo intsony mandrakizay. Jehovah hiady ho anareo, fa hianareo kosa hangina.” (Eksodosy 14:10-14). Nifanaraka tamin’izany fampanantenana izany, “ny andri-rahona nifindra niala teo alohany dia nijanona teo aoriany ka tonga teo anelanelan’ny tobin’ny Egyptiana sy ny tobin’ny Isiraely (...) ka dia tsy nifanatona izy roa tonta mandritra ny alina.” — Eksodosy 14:15-20.
Araka ny natoron’i Jehovah, dia nanainga ny tehiny teo ambonin’ny ranomasina i Mosesy ary ‘nanasaraka ny rano’ mba hahafahan’ny Isiraelita mandositra. Ary nisy fahagagana nahazendana nitranga! (Eksodosy 14:16, 21). Nisy rivotra mahery avy any atsinanana nanomboka nampisaraka ny ranon’ny Ranomasina Mena, ary nahaforona lalantsara malalaka tsara mba handalovan’ilay firenena manontolo — teo amin’ny telo tapitrisa natanjaka — izay voalamina ho amin’ny ady. Teo ankavia sy ankavanan’ny laharan’ny Isiraelita, dia nijoro toy ny rindrim-be roa ny rano “nandry”. — Eksodosy 15:8.
Ny Isiraelita, nampian’ny fahazavana avy tamin’ny andry afo, dia nandositra namakivaky ny fanambanin’ny ranomasina mainan’ny rivotra. Tamin’ny maraina, dia nipoitra teo amin’ny moron-dranomasina ampita ny farany tamin’ireo Isiraelita. “Dia nanenjika azy ny Egyptiana ka niditra nanaraka azy teo afovoan’ny ranomasina, dia ny soavalin’i Farao rehetra sy ny kalesiny ary ny mpitaingin-tsoavaliny.” Nihazakazaka tao anaty fandrika ireo mpanenjika! — Eksodosy 14:23.
“Nampifanaritaka ny tobin’ny Egyptiana [i Jehovah]. Ary nanala ny kodian’ny kalesiny Izy ka nampahasarotra ny nandehanany.” Naninjitra ny tanany teo ambonin’ny ranomasina izao i Mosesy ary “nikatona ho tahaka ny teo ny ranomasina”. Nikoa ireo rindrin-drano ary nanomboka nanarona ny Egyptiana. Nanandrana nandositra izy ireo, kanjo ‘narian’i Jehovah tao amin’ny ranomasina’. Tsy nisy tafita velona! Tamim-piravoravoana, dia nihira ny hiram-pandreseny ho an’i Jehovah ny Isiraelita. — Eksodosy 14:24–15:3; Salamo 106:11.
Niady ho an’i Josoa i Jehovah
Nampiseho ny tenany ho “mpiady mahery” i Jehovah tamin’ny ady hafa koa. Ny iray dia ny ady tany Ay. Tsy nahomby ny famelezana voalohany ilay tanàna noho ny ratsy lehibe nataon’i Akana. Rehefa voalamina ilay raharaha, dia nanome baiko an’i Josoa hiady i Jehovah. — Josoa 7:1, 4, 5, 11-26; 8:1, 2.
Nanaraka ny toromarik’i Jehovah i Josoa ka nametraka otrika teo ivohon’ny tanàna, teo amin’ny lafiny andrefana izy nony alina. Nandroso nianavaratra ho eo amin’ny lohasaha teo ivelan’i Ay indrindra ny tafiny lehibe, ary niseho ho vonona ny hanafika avy eo anoloana. Voasarika ho ao amin’ny fandrika ireo lehilahin’i Ay. Mbola nentanin’ny fahataitairana noho ny fandreseny tamin’ny ady nataony teo aloha izy ireo ka nirohotra haingana tsy tamim-piheverana nivoaka ny tanàna hamely ny Isiraelita. Mody nanao tari-dositra ny Isiraelita ka niverina nanaraka “ny làlana mankany an-efitra”, ary nitarika ny fahavalo lavidavitra kokoa an’i Ay. — Josoa 8:3-17.
Tamin’ny fotoana nety indrindra, dia niteny toy izao tamin’i Josoa i Jehovah: “Atondroy an’i Ay ny lefona izay eny an-tànanao; fa hatolotro eo an-tànanao Ay.” Vao nahita io famantarana io ireo lehilahy tao amin’ny otrika, dia nanafika ny tanàna ka namely azy tamin’ny sabatra sy ny afo. Rehefa nahita ny setroka ny tafika fahavalo teny ivelany, dia nanjary kivy tanteraka. I Josoa izay nifotitra niverina avy tamin’ny fandosirana ho amin’ny fanafihana, dia namandrika ny fahavalo teo afovoan’ny tafiny roa. Fandresen’olombelona ve izany? Tsia. Nandresy ny Isiraelita noho izay nolazain’i Josoa taoriana kelin’izay tamin’izy ireo hoe: “Jehovah Andriamanitrareo no niady ho anareo.” — Josoa 8:18-27; 23:3.
Ny ady tao Kisona
Naseho indray tao amin’ny Lohasaha Kisona, akaikin’i Megido, ny fahambonian’i Jehovah eo amin’ny ady. Nampahory ny Isiraely nandritra ny 20 taona i Jabina, mpanjaka kananita. Ny tafiny, teo ambany fiadidian’i Sisera — nahafaoka kalesy mpiady 900 nisy antsy vy fijinjana ny kodiarany — dia toa tafika iray tsy hay tohaina tamin’izany andro izany. — Mpitsara 4:1-3.
Na dia izany aza, tamin’ny alalan’i Debora mpaminanivavy, i Jehovah dia nanome baiko an’i Baraka mpitsara hamory mpiady iray alina teo an-tampon’ny Tendrombohitra Tabora mba hihaika ny tafik’i Jabina. Namaly haingana izany fanangonan-tafika izany i Sisera ka nihazakazaka avy tany Haroseta ho any amin’ny lohasahan-driakan’i Kisona, teo anelanelan’ny Tendrombohitra Tabora sy Megido. Tsy isalasalana fa nanjohy hevitra izy fa eo amin’io tany marin-tampona io, dia tsy hanana fanantenana handresy ireo kalesiny ny miaramilan’ny Isiraely nandeha an-tongotra sady tsy ampy fitaovana. Tsy novinavinainy anefa ny hoe hiady amin’ny Fahavalo iray any an-danitra izy. — Mpitsara 4:4-7, 12, 13.
Nandidy an’i Baraka i Jehovah hiainga avy teo amin’ny havoanan’i Tabora tsara fiarovana ho eo amin’ny lemaky ny lohasaha, hitaona amim-pitaka ny tafik’i Sisera ho amin’ny ady. Namely amin’izay àry i Jehovah! Nisy tondra-drano tampoka nanova ilay saha fiadiana ho fotaka nandrevo tsy nahafahan’ny tafik’i Sisera nihetsika. Tao amin’ny fifanjevoana naterak’izany, dia nandresy mora foana ny fahavalony ireo miaramila nandeha an-tongotry ny Isiraely. “Lavon’ny lelan-tsabatra avokoa ny miaramilan’i Sisera rehetra; tsy nisy niangana na dia iray akory aza.” Nandentika ireo kalesy kananita ny rano tondraka naherin’i Kisona ary nety ho nipaoka faty nanaraka azy. — Mpitsara 4:14-16; 5:20, 21.
Fandresena an’i Goga sy ny vahoakany
Ireny zava-niseho taloha ireny dia nanome fanazavana mialoha ny amin’ny fandresena lehiben’i Jehovah mbola ho avy. Manangasanga eny amin’ny faravodilanitra ny ady iray izay hitranga “any am-parany”. Araka ny faminanian’i Ezekiela, i Goga, mampiseho an’i Satana Devoly, “andrianan’izao tontolo izao”, dia hanomana tafika mpiady iraisam-pirenena. Izy io dia hitarika ny andian-tafiny hanafika ny “tendrombohitry ny Isiraely” ara-panoharana, izany hoe ny toerana ara-panahy ambony misy ny “Isiraelin’Andriamanitra”. — Ezekiela 38:1-9; Jaona 12:31; Galatiana 6:16.
Inona no manintona an’i Goga hanao io fanafihana amin-kery ny vahoakan’Andriamanitra io? Miresaka ny amin’ny toe-piainana feno fanambinana ara-panahy sy fiadanana misy azy ireo ny faminaniana. Hoy i Goga hoe: “Hiakatra aho hamely ny tany izay misy tanàna tsy mimànda; hankamin’izay mandry fahizay sy mitoetra tsy manana ahiahy aho, samy monina ao an-tanàna tsy misy mànda na hidy na vavahady izy rehetra, — mba hamabo sy handroba ary hamely indray izay efa rava (...) misy mponina (...) izay nangonina (...) sady nihary omby sy fananana.” — Ezekiela 38:10-12.
Amin’ny ankapobeny, dia tsy manan-karena eo amin’ny lafiny ara-nofo ny vahoakan’i Jehovah. Kanefa namokatra harena ara-panahy tondraka izy ireo ho vokatry ny asa fitoriana maneran-tany ataony. Misy “olona betsaka (...) avy tamin’ny firenena rehetra” angonina, maherin’ny efatra tapitrisa izao. (Apokalypsy 7:9, 10). Tena harena tokoa izany! I Satana, romotra noho izany fanambinana ara-panahy izany, dia manandrana manafoana ny vahoakan’Andriamanitra.
Nefa amin’ny famelezany ny tany ara-panoharan’ny Isiraely, dia i Jehovah Andriamanitra mihitsy, raha ny marina, no asian’i Goga. “Hiefona eo am-bavoroko ny fahatezerako”, hoy i Jehovah, izay hamaly azy ho tombontsoan’ny vahoakany. Ho levona ao anatin’ny fisavorovoroana tanteraka ny tafik’i Goga. “Hifamely sabatra amin’ny namany avy izy rehetra.” Hamoaka ny heriny mpandringana i Jehovah avy eo, dia “ny ranonorana manafotra ary ny havandra vaventy (...) ary (...) afo sy solifara”. Toy ny tany amin’ny Ranomasina Mena sy Ay ary Kisona, dia hiady indray ho an’ny vahoakany sy hankalaza ny anarany i Jehovah. “Ka dia hasehoko ny fahalehibiazako sy ny fahamasinako; ary ho fantatra eo imason’ny firenena maro Aho; ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah.” — Ezekiela 38:18-23.
Ny firaketana ara-tantara ireo adin’i Jehovah fahiny dia manome antsika antony hitokiana tanteraka amin’ny fandreseny ho avy mandritra ny “fahoriana lehibe”. (Matio 24:21, 22). Mifehy mandrakariva i Jehovah ka afaka misaina mihoatra lavitra noho ireo fahavalony sy mitantana ny toe-draharaha ho famonjena ny vahoakany. Izany tokoa no ho izy, araka ny naminanian’Isaia azy hoe: “Jehovah mivoaka tahaka ny lehilahy mahery, tahaka ny fanaon’ny mpiady no amohazany ny fahatezerany. Miantsoantso Izy, eny, mihiaka mafy; mampiseho hery haharesy ny fahavalony Izy.” (Isaia 42:13). Eo imason’ny Vavolombelony izy dia ho JEHOVAH, “MPIADY MAHERY” mandrakizay! — Eksodosy 15:3.
[Sarintany, pejy 25]
(Jereo ny gazety)
Ny lalana tamin’ny fivoahana avy tany Egypta
GOSENA
Memfisy
Ramesesa
Sokota
Migdola
Pi-hahirota
Etama
[Sary, pejy 26]
Teto, tao amin’ny faritr’i Ay, dia nitarika an’i Josoa sy ny vahoakany ho amin’ny fandresena nanaitra i Jehovah.
Nisondrotra haingana ny ranon’i Kisona, ka nahatonga ny faharesen’ireo fahavalon’i Jehovah.
[Sary nahazoan-dalana]
Sary: Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.