-
“Ho Velona ny Zava-drehetra any Amin’izay Ikorianan’ilay Renirano”Naverin’i Jehovah Tamin’ny Laoniny ny Fivavahana Madio!
-
-
2 Lasa fantatr’i Ezekiela hoe nivarina tany amin’ny Ranomasina Maty io renirano io. Nasira be ilay ranomasina ka tsy nisy trondro mihitsy tao. Nositranin’ilay renirano anefa ilay ranomasina, dia lasa feno trondro izay nandalovan’ilay izy tao amin’ilay ranomasina.
-
-
“Ho Velona ny Zava-drehetra any Amin’izay Ikorianan’ilay Renirano”Naverin’i Jehovah Tamin’ny Laoniny ny Fivavahana Madio!
-
-
6. a) Inona no toky azontsika avy amin’ilay rano mahavelona tao amin’ilay fahitana? b) Inona ny fampitandremana azo avy amin’izy io? (Jereo ny fanamarihana.)
6 Rano mahavelona. Nikoriana nankany amin’ny Ranomasina Maty ilay renirano hitan’i Ezekiela, dia lasa velona izay rano nandalovan’izy io tao. Mariho fa lasa nisy trondro be dia be tao amin’izay toerana nandalovan’ilay rano, ary nisy karazany maro ilay izy, hoatran’ny tao amin’ny Ranomasina Lehibe (Ranomasina Mediterane). Niroborobo be mihitsy aza ny fanaratoana teo amoron’ny Ranomasina Maty, teo anelanelan’ny tanàna roa izay azo inoana hoe nifanalavitra be. Hoy koa ilay anjely: “Ho velona ny zava-drehetra any amin’izay ikorianan’ilay renirano.”
-