-
Ny Fitahian’i Jehovah ny ‘Tanintsika’Ny Tilikambo Fiambenana—1999 | 1 Martsa
-
-
Rehefa nahafantatra ny amin’ireo hazo naniry teny an-daniny roa amin’ilay ony i Ezekiela, dia nilazana toy izao: “Tsy halazo ny raviny, na ho lany ny voany; (...) ary ho fihinana ny voany, ary ho fanafody ny raviny.” Nahoana no mamoa amin’ny fomba mahazendana toy izany ireo hazo ireo? “Satria mivoaka avy ao amin’ny fitoerana masina ny ranony”. (Ezekiela 47:12b). Ireo hazo ara-panoharana ireo dia tandindon’ny fandaharana rehetra noraisin’Andriamanitra mba hamerenana ny olombelona ho amin’ny fahalavorariana, miorina amin’ny sorom-panavotan’i Jesosy. Amin’izao fotoana izao, dia mitari-dalana amin’ny fanomezana hanina ara-panahy sy fanasitranana ara-panahy eto an-tany ny sisa voahosotra. Rehefa ho samy nandray ny valisoany any an-danitra avokoa ny 144 000, dia hiitatra hatrany amin’ny hoavy ny soa entin’ny asa fisoronana ataon’izy ireo amin’ny maha mpiara-manjaka amin’i Kristy azy. Hitarika ho amin’ny fandresena tanteraka ny fahafatesana avy tamin’i Adama izany amin’ny farany. — Apokalypsy 5:9, 10; 21:2-4.
-
-
Ny Fitahian’i Jehovah ny ‘Tanintsika’Ny Tilikambo Fiambenana—1999 | 1 Martsa
-
-
17, 18. a) Ahoana no ilazalazana ny ony iray manome fiainana, ao amin’ny Apokalypsy 22:1, 2, ary rahoviana no fotoana lehibe indrindra hahatanterahan’io fahitana io? b) Nahoana no hisy fotoana hampiitatra be ilay onin’ny ranon’aina, ao amin’ny Paradisa?
17 Raha ny marina, dia hikorianan’ny ranon’aina mahery indrindra ilay ony hitan’i Ezekiela, amin’izany fotoana izany. Io no fotoana lehibe indrindra hahatanterahan’ilay faminaniana voarakitra ao amin’ny Apokalypsy 22:1, 2 hoe: “Izy naneho ahy onin’ny ranon’aina, manganohano tahaka ny vato krystaly, nivoaka avy teo amin’ny seza fiandrianan’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry teo afovoan’ny làlambeny. Ary teny an-daniny roa amin’ny ony nisy hazon’aina mamoa voa roa ambin’ny folo samy hafa sady mamoa isam-bolana; ary ny ravin’ny hazo dia ho fanasitranana ny firenena maro.”
18 Mandritra ny Fanjakana Arivo Taona, dia hositranina ny aretina rehetra, ara-batana sy ara-tsaina ary ara-pihetseham-po. Mampiseho izany tsara ny “fanasitranana ny firenena maro” amin’ny alalan’ireo hazo ara-panoharana. Noho ireo fandaharana hampiharin’i Kristy sy ireo 144 000, dia “tsy hisy amin’ny mponina ao hilaza hoe: Marary aho”. (Isaia 33:24).
-