-
“Izao no ho Anaran’ilay Tanàna: ... I Jehovah no Ao”Naverin’i Jehovah Tamin’ny Laoniny ny Fivavahana Madio!
-
-
“Ho eo afovoan’izy io ilay tanàna”
5, 6. a) Ho an’iza ilay tanàna? b) Tsy azo lazaina hoe inona ilay tanàna, ary nahoana isika no milaza an’izany?
5 Vakio ny Ezekiela 48:15. Mba hahitantsika ny lesona azo raisina avy amin’io “tanàna” io sy ny faritra manodidina azy, dia andao aloha hodinihintsika ny mombamomba an’ilay izy. (Ezek. 48:16-18) Mariho fa nilaza i Jehovah tao amin’ilay fahitana hoe “ho an’ny taranak’Israely rehetra” ny faritra misy an’ilay tanàna. (Ezek. 45:6, 7) Midika izany fa tsy anisan’ilay “fanomezana masina” izay ‘tokony hatokana ho an’i Jehovah’ ilay tanàna sy ny faritra manodidina azy. (Ezek. 48:9) Inona koa no fantatsika momba an’ilay tanàna?
6 Tsy ny tanànan’i Jerosalema naorina indray miaraka amin’ny tempoliny io tanàna hitan’i Ezekiela io. Nahoana isika no milaza an’izany? Satria tsy nisy tempoly tao amin’ilay izy. Tsy tanàna tao amin’ilay Tany Nampanantenaina naverina tamin’ny laoniny koa izy io. Tsy nisy nitovy tamin’ilay izy mantsy na ny tanàna naorin’ny Jiosy tafaverina tany an-tanindrazany na ny tanàna naorin’ny taranak’izy ireo. Tsy tanàna any an-danitra koa ilay tanàna satria tsy naorina tao amina faritra natokana ho an’ny fanompoana masina izy io, fa naorina tao amina faritra “azon’ny vahoaka aleha”, izany hoe faritra tsy masina.—Ezek. 42:20.
7. Tanàna ara-bakiteny ve ilay hitan’i Ezekiela, ary mety hanondro inona izy io? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ity toko ity.)
7 Inona àry ilay tanàna hitan’i Ezekiela? Tadidio fa tao amin’ilay fahitana nisy an’ilay tany no nahitany an’io tanàna io. (Ezek. 40:2; 45:1, 6) Asehon’ny Tenin’Andriamanitra fa tsy ara-bakiteny ilay tany. Midika izany fa tsy ara-bakiteny koa ilay tanàna. Matetika no ampiasaina ilay teny hoe “tanàna” mba hampisehoana hoe misy olona miara-mipetraka ao amin’ny toerana iray, dia misy lamina arahin-dry zareo mba hirindra tsara ny zava-drehetra ao. Inona àry no asehon’ilay tanàna hitan’i Ezekiela, izay mitovy tanteraka ny refin’ny sakany sy ny lavany? Mety ho fitondrana na fitantanan-draharaha voalamina tsara izy io.
8. Aiza ilay fitantanan-draharaha no miasa, dia inona no andraikiny? Ahoana no ahafantarantsika an’izany?
8 Hitantsika ao amin’ilay fahitana fa ao amin’ilay tany ilay tanàna, izany hoe ao ihany ilay tanàna no miasa. Midika izany fa ao amin’ilay tany an’ohatra, na ny paradisa ara-panahy, ilay fitantanan-draharaha no manao ny andraikiny. Inona izany andraikiny izany? Mitarika ny asa ataon’ny vahoakan’i Jehovah izy io. Ankoatra an’izany, dia teo amina faritra “azon’ny vahoaka aleha”, izany hoe faritra tsy masina, no nisy an’ilay tanàna. Mampahatsiahy antsika izany fa tsy fitantanan-draharaha any an-danitra ilay tanàna fa eto an-tany, ary eto izy io no miasa mba hahasoa an’izay rehetra ao amin’ilay paradisa ara-panahy.
-
-
Ilay ‘Ampahany Tokony Hatokana ho Fanomezana’Naverin’i Jehovah Tamin’ny Laoniny ny Fivavahana Madio!
-
-
F. Ny “faritra ambiny”
“Ho an’ny taranak’Israely rehetra izy io”, ary “ho azon’ny vahoaka eo an-tanàna ampiasaina mba hanorenana trano na hatao kijana.”
-