Ny Fitahian’i Jehovah ny ‘Tanintsika’
“Ho velona izay rehetra hidiran’ny ony.” — EZEKIELA 47:9.
1, 2. a) Manao ahoana ny maha zava-dehibe ny rano? b) Sary mampiseho inona ny ranon’ilay ony hitan’i Ezekiela tamin’ny fahitana?
RANOKA miavaka ny rano. Miankina amin’izy io avokoa rehefa zavamiaina hita maso. Tsy misy amintsika afaka ny ho velona maharitra raha tsy misy azy io. Miankina amin’izy io koa isika mba hidiovana, satria afaka mandevona sy manala ny loto ny rano. Sasantsika amin’ny rano àry ny vatantsika sy ny fitafiantsika, ary eny fa na dia ny sakafontsika aza. Mety hamonjy ny aintsika ny fanaovana izany.
2 Ny Baiboly dia mampiasa ny rano mba hoenti-mampiseho ireo fandaharana ara-panahy nataon’i Jehovah hanomezana fiainana. (Jeremia 2:13; Jaona 4:7-15). Anisan’izany fandaharana izany ny fanadiovana ny vahoakany amin’ny alalan’ny sorom-panavotan’i Kristy, sy ny fahalalana an’Andriamanitra hita ao amin’ny Teniny. (Efesiana 5:25-27). Ao amin’ny fahitan’i Ezekiela momba ny tempoly, dia sary mampiseho izany fitahiana manome fiainana izany, ilay ony mahagaga mikoriana avy ao amin’ny tempoly. Oviana anefa no nikoriana izany ony izany, ary inona no hevitr’izany ho antsika amin’izao andro izao?
Ony mikoriana ao amin’ny tany iray tafaverina amin’ny laoniny
3. Inona no hitan’i Ezekiela, araka ny taterina ao amin’ny Ezekiela 47:2-12?
3 Babo tany Babylona ny firenen’i Ezekiela, ka nila fatratra ireo fandaharana nataon’i Jehovah. Nampahery an’i Ezekiela tokoa àry ny nahita rano nitsika avy tao amin’ny fitoerana masina, ka nikoriana nivoaka ilay tempoly tao amin’ny fahitana! Nandrefy ilay ony isaky ny 1 000 hakiho ny anjely iray. Nanomboka teny amin’ny kitrokely ny halalin’izy io no nitombo hatreny an-dohalika, niakatra hatreny amin’ny andilana, ka tonga ony iray tsy maintsy nilomanosana. Nitondra fiainana sy fahavokarana ilay ony. (Ezekiela 47:2-11). Nilazana toy izao i Ezekiela: “Eny amoron’ny ony, eny an-daniny roa, no anirian’ny hazo rehetra fihinam-boa”. (Ezekiela 47:12a). Rehefa nankao amin’ny Ranomasina Maty, izay tsy nisy zavamananaina, ilay ony, dia nisy aina nipoitra! Nihahohaho ny trondro. Niroborobo ny asa fanjonoana.
4, 5. Amin’ny ahoana ny faminanian’i Joela mahakasika ny ony iray no mitovy amin’ny an’i Ezekiela, ary nahoana izany no zava-dehibe?
4 Noho io faminaniana kanto io, dia mety ho nitamberina tao an-tsain’ny Jiosy natao sesitany ity faminaniana hafa iray ity, izay noraketina an-tsoratra efa taonjato roa mahery talohan’izay: “Hisy loharano hivoaka avy ao an-tranon’i Jehovah ka handena ny lohasahan-driak’i Sitima.”a (Joela 4:18). Sahala amin’ny faminanian’i Ezekiela, dia manambara mialoha koa ny faminanian’i Joela fa hisy ony iray hikoriana avy ao amin’ny tempoly, tranon’Andriamanitra, ka hampisy fiainana any amin’ny faritra karankaina iray.
5 Efa nohazavain’ny Tilikambo Fiambenana hatramin’ny ela fa eo am-pahatanterahana amin’izao androntsika izao, ny faminanian’i Joela.b Azo antoka àry fa marina koa izany raha ny amin’ny fahitan’i Ezekiela mitovy amin’izy io. Ao amin’ilay tany tafaverina amin’ny laoniny misy ny vahoakan’Andriamanitra amin’izao andro izao, dia tondraka tokoa ny fitahiana avy amin’i Jehovah, tsy misy hafa amin’ny nitahiany ny Isiraely fahiny.
Fitahiana tondraka dia tondraka
6. Tokony ho nampahatsiahy inona an’ireo Jiosy ny famafazana ra teo amin’ilay alitara tao amin’ny fahitana?
6 Inona no loharanon’ireo fitahiana azon’ny vahoakan’Andriamanitra tafaverina any amin’ny taniny? Mariho fa mikoriana avy ao amin’ny tempolin’Andriamanitra ilay rano. Tahaka izany koa amin’izao andro izao fa avy amin’i Jehovah ireo fitahiana, izay omeny amin’ny alalan’ilay tempoliny ara-panahy lehibe, dia ny fandaharana natao mahakasika ny fanompoam-pivavahana madio. Manampy tsipirian-javatra lehibe iray ny fahitan’i Ezekiela. Tao amin’ny kianja anatiny, dia nandalo teo atsimo kelin’ny alitara ilay ony. (Ezekiela 47:1). Tena teo afovoan’ilay tempoly tao amin’ny fahitana no nisy ny alitara. Nilazalaza ny tsipirian’izy io tamin’i Ezekiela i Jehovah, ka nandidy mba hafafy teo ambonin’izy io ny ran’ny biby natao sorona. (Ezekiela 43:13-18, 20). Nisy heviny lehibe ho an’ny Isiraelita rehetra io alitara io. Ela be talohan’izay, dia natao izay hampanan-kery ny fanekena nifanaovan’izy ireo tamin’i Jehovah, rehefa namafy ra teo ambonin’ny alitara iray, teo am-pototry ny Tendrombohitra Sinay, i Mosesy. (Eksodosy 24:4-8). Ny famafazana ra teo ambonin’ilay alitara tao amin’ilay fahitana dia tokony ho nampahatsiahy azy ireo fa rehefa hiverina ao amin’ny taniny tafaverina amin’ny laoniny izy ireo, dia ho tondraka ny fitahian’i Jehovah, raha mbola manaja ilay fanekena nifanaovany tamin’i Jehovah koa izy ireo. — Deoteronomia 28:1-14.
7. Misy heviny inona ho an’ny Kristianina amin’izao andro izao ilay alitara ara-panoharana?
7 Mitovy amin’izany koa fa ny vahoakan’Andriamanitra amin’izao andro izao, dia tahina amin’ny alalan’ny fanekena iray tsara kokoa, dia ny fanekena vaovao. (Jeremia 31:31-34). Efa ela izay, dia natao koa izay hampanan-kery azy io tamin’ny alalan’ny ra, dia ny ran’i Jesosy Kristy. (Hebreo 9:15-20). Amin’izao andro izao, dia misy heviny lehibe amintsika io alitara ara-panoharana io, na anisan’ny voahosotra tafiditra amin’izany fanekena izany isika, na anisan’ny “ondry hafa” izay mandray soa avy amin’izy io. Sary mampiseho ny sitrapon’Andriamanitra mifandray amin’ny soron’i Kristy izy io. (Jaona 10:16; Hebreo 10:10). Tena eo afovoan’ilay tempoly ara-panahy no nisy ilay alitara ara-panoharana. Mitovy amin’izany koa fa votoatin’ny fanompoam-pivavahana madio ny sorom-panavotan’i Kristy. Fototra hahazoantsika famelan-keloka izy io, ka fototry ny fanantenantsika rehetra momba ny hoavy koa. (1 Jaona 2:2). Miezaka mafy àry isika mba hiaina mifanaraka amin’ny lalàna mifandray amin’ilay fanekena vaovao, dia “ny lalàn’i Kristy”. (Galatiana 6:2). Raha mbola manao izany koa isika, dia handray soa avy amin’ireo fandaharana nataon’i Jehovah mba hanomezana fiainana.
8. a) Inona no tsy nisy tao amin’ny kianja anatin’ilay tempoly tao amin’ny fahitana? b) Afaka nidio tamin’inona ireo mpisorona tao amin’ilay tempoly tao amin’ny fahitana?
8 Iray amin’izany soa izany ny hoe mitana toeran’ny olona madio eo anatrehan’i Jehovah. Tsy nisy tao amin’ny kianja anatin’ilay tempoly tao amin’ny fahitana, ny zavatra iray izay tena nisongadina tao amin’ny kianjan’ny tabernakely sy tao amin’ny tempolin’i Solomona. Tsy inona akory izany fa ny tavin-drano lehibe iray, izay nantsoina hoe ranomasina, tatỳ aoriana. Natao mba hisasan’ny mpisorona izy io. (Eksodosy 30:18-21; 2 Tantara 4:2-6). Inona no azon’ny mpisorona nampiasaina mba hidiovana, tao amin’ilay tempoly hitan’i Ezekiela tamin’ny fahitana? Tsy inona fa ilay ony mahagaga nikoriana namakivaky ny kianja anatiny! Eny, hitahy azy ireo i Jehovah, amin’ny fanomezana azy ireo ny fomba hitanana toeran’ny olona madio na masina eo anatrehany.
9. Ahoana no ahafahan’ireo anisan’ny voahosotra sy ny olona betsaka mitana toeran’ny olona madio amin’izao andro izao?
9 Tahaka izany koa amin’izao andro izao, fa notahina ireo voahosotra ka mitana toeran’ny olona madio eo anatrehan’i Jehovah. Mihevitra azy ireo ho masina i Jehovah, ka manambara azy ho olo-marina. (Romana 5:1, 2). Ahoana ny amin’ny “olona betsaka”, izay asehon’ireo foko tsy mpisorona? Manolotra fanompoam-pivavahana ao amin’ny kianja ivelany izy ireo, ary ilay ony teo ihany no mamakivaky an’io faritr’ilay tempoly tao amin’ny fahitana io. Tena mety mihitsy àry ny nahitan’ny apostoly Jaona ny olona betsaka manao akanjo fotsy madio, eo am-panompoan’izy ireo ao amin’ny kianjan’ny tempoly ara-panahy! (Apokalypsy 7:9-14). Na ahoana na ahoana fomba nitondrana azy ireo teo anivon’ity tontolo mikororosy ity, dia afaka mahazo antoka izy ireo fa mihevitra azy ireo ho madio i Jehovah raha mbola maneho finoana ny sorom-panavotan’i Kristy koa izy ireo. Ahoana no anehoan’izy ireo finoana? Amin’ny fanarahana ny dian’i Jesosy, sy amin’ny fatokisana tanteraka ny sorom-panavotany. — 1 Petera 2:21.
10, 11. Inona no lafiny lehibe iray amin’ilay rano ara-panoharana, ary ahoana no ifandraisan’izany amin’ny hoe miitatra be ilay ony?
10 Araka ny efa voalaza, dia misy lafiny hafa iray tena lehibe amin’io rano ara-panoharana io, dia ny fahalalana. Teo amin’ny Isiraely tafaverina tany amin’ny taniny, dia nitahy ny vahoakany i Jehovah, ka nanome azy fampianarana araka ny Soratra Masina, tamin’ny alalan’ny mpisorona. (Ezekiela 44:23). Nitahy toy izany koa ny vahoakany amin’izao andro izao i Jehovah, ka nanome azy fampianarana ampy tsara momba ny Teny fahamarinany, tamin’ny alalan’ny “fanjakà-mpisorona”. (1 Petera 2:9). Ao anatin’izao andro farany izao, dia mikoriana tsy mitsaha-mitombo ny fahalalana momba an’i Jehovah Andriamanitra sy ny fikasany ho an’ny olombelona, ary indrindra momba an’i Jesosy Kristy sy ny Fanjakana Mesianika. Mahatalanjona tokoa ny famelombelomana ara-panahy azontsika, izay sady tondraka no mihalalina hatrany! — Daniela 12:4.
11 Tsy misy hafa amin’ny nahalalina tsikelikely ilay ony norefesin’ilay anjely, dia toy izany koa fa nitombo be ireo fitahiana manome fiainana izay arotsak’i Jehovah mba hanomezana izay ilain’ny vahoaka mirohotra mankao amin’ilay tanintsika ara-panahy misy fitahiana. Nanambara mialoha toy izao ny faminaniana hafa iray momba ny famerenana amin’ny laoniny: “Ny kely ho tonga arivo, ary ny malemy ho tonga firenena mahery; Izaho Jehovah no hanafaingana izany amin’ny fotoany.” (Isaia 60:22). Tanteraka ireo teny ireo, satria olona an-tapitrisany maro no nirohotra hanatevin-daharana antsika ao amin’ny fanompoam-pivavahana madio! Nataon’i Jehovah izay hisian’ny ‘rano’ tondraka mba hampiasain’ireo rehetra mitodika any aminy. (Apokalypsy 22:17). Nataony azo antoka fa mizara Baiboly sy zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly amin’ny fiteny an-jatony maro manerana izao tontolo izao, ny fandaminany hita maso. Mitovy amin’izany ihany fa ireo fivoriana kristianina sy ireo fivoriambe dia nalamina maneran-tany mba hahafahan’ny rehetra hahazo ireo ranon’ny fahamarinana madio mangalahala. Amin’ny ahoana no mahakasika ny olona ny fandaharana toy izany?
Mitondra fiainana ilay rano!
12. a) Nahoana ireo hazo tao amin’ilay fahitan’i Ezekiela no afaka namoa araka ny famoany? b) Mampiseho inona ireo hazo mamoa ireo, mandritra ny andro farany?
12 Mitondra fiainana sy fahasalamana ilay ony tao amin’ilay fahitan’i Ezekiela. Rehefa nahafantatra ny amin’ireo hazo naniry teny an-daniny roa amin’ilay ony i Ezekiela, dia nilazana toy izao: “Tsy halazo ny raviny, na ho lany ny voany; (...) ary ho fihinana ny voany, ary ho fanafody ny raviny.” Nahoana no mamoa amin’ny fomba mahazendana toy izany ireo hazo ireo? “Satria mivoaka avy ao amin’ny fitoerana masina ny ranony”. (Ezekiela 47:12b). Ireo hazo ara-panoharana ireo dia tandindon’ny fandaharana rehetra noraisin’Andriamanitra mba hamerenana ny olombelona ho amin’ny fahalavorariana, miorina amin’ny sorom-panavotan’i Jesosy. Amin’izao fotoana izao, dia mitari-dalana amin’ny fanomezana hanina ara-panahy sy fanasitranana ara-panahy eto an-tany ny sisa voahosotra. Rehefa ho samy nandray ny valisoany any an-danitra avokoa ny 144 000, dia hiitatra hatrany amin’ny hoavy ny soa entin’ny asa fisoronana ataon’izy ireo amin’ny maha mpiara-manjaka amin’i Kristy azy. Hitarika ho amin’ny fandresena tanteraka ny fahafatesana avy tamin’i Adama izany amin’ny farany. — Apokalypsy 5:9, 10; 21:2-4.
13. Inona no fanasitranana tontosa mandritra izao androntsika izao?
13 Mivarina ao amin’ny Ranomasina Maty tsy misy zavamananaina ilay ony tao amin’ilay fahitana, ka nanasitrana izay rehetra nandalovany. Sary mampiseho tontolo iray maty ara-panahy io ranomasina io. Mihahohaho anefa ny zavamananaina any amin’izay rehetra “alehan’ny ony tondraka”. (Ezekiela 47:9). Toy izany koa amin’izao andro farany izao fa manjary velona ara-panahy ny olona, any amin’izay toerana rehetra nidiran’ilay ranon’aina. Ny sisa voahosotra no voalohany novelomina toy izany, tamin’ny 1919. Niarina tamin’ny tsy fiasana intsony oharina amin’ny fahafatesana izy ireo, ka nanjary velona ara-panahy indray. (Ezekiela 37:1-14; Apokalypsy 11:3, 7-12). Nanomboka tamin’izay, dia nahatratra olona maro hafa maty ara-panahy io rano mahavelona io, hany ka nanjary velona izy ireny ary nahaforona olona betsaka amin’ny ondry hafa mihamitombo isa, izay tia sy manompo an’i Jehovah. Tsy ho ela dia hiitatra ho amin’ireo hatsangana amin’ny maty maro be io fandaharana io.
14. Mampiseho tsara inona, amin’izao andro izao, ilay asa fanjonoana niroborobo teny amin’ny ampahany amin’ny moron’ny Ranomasina Maty?
14 Miteraka famokarana ny fahavelomana eo amin’ny lafiny ara-panahy. Mampiseho izany ilay asa fanjonoana niroborobo teny amoron’ilay ranomasina, izay maty teo aloha. Hoy i Jesosy tamin’ireo mpanara-dia azy: “Hataoko mpanarato olona hianareo.” (Matio 4:19). Nanomboka tamin’ny fanangonana ny sisa voahosotra ny asa fanjonoana tamin’izao andro farany izao, kanefa tsy nitsahatra teo izany. Mahakasika olona avy amin’ny firenena rehetra ilay rano manome fiainana, avy ao amin’ny tempoly ara-panahin’i Jehovah. Anisan’izany rano izany ny fitahiana toy ny fahalalana araka ny marina. Na taiza na taiza tratran’izany ony izany, dia fiainana ara-panahy no vokany.
15. Inona no mampiseho fa tsy ny rehetra akory no hanaiky ireo fandaharana ataon’Andriamanitra mba hanomezana fiainana, ary inona no vokany farany ho an’ny olona toy izany?
15 Mazava ho azy fa tsy ny rehetra, ankehitriny, no mandray tsara ny hafatra momba ny fiainana; tsy ireo rehetra hatsangana amin’ny maty mandritra ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy koa no handray izany. (Isaia 65:20; Apokalypsy 21:8). Nanambara ilay anjely fa misy faritra tsy sitrana amin’ilay ranomasina. “Havela ho sira” ireny honahona sy toerana tsy misy zavamananaina ireny. (Ezekiela 47:11). Raha ny amin’ny olona amin’izao androntsika izao, dia tsy ireo rehetra tolorana ilay rano manome fiainana avy amin’i Jehovah akory no manaiky azy io. (Isaia 6:10). Ao Haramagedona, ireo rehetra ho nifidy ny hitoetra tao anatin’ny toe-piainana ara-panahy tsy misy aina sy marary, dia havela ho sira, izany hoe, haringana mandrakizay. (Apokalypsy 19:11-21). Afaka manantena ny ho tafita velona sy hahita ny fahatanterahana faran’io faminaniana io kosa anefa ireo izay misotro amim-pahatokiana io rano io.
Mikoriana ao amin’ny Paradisa ilay ony
16. Rahoviana sy amin’ny fomba ahoana ny fahitan’i Ezekiela momba ny tempoly no hisy fahatanterahany farany?
16 Tahaka ireo faminaniana hafa momba ny famerenana amin’ny laoniny, dia hisy fahatanterahany farany mandritra ny Fanjakana Arivo Taona, ny fahitan’i Ezekiela momba ny tempoly. Tsy ho eto ambonin’ny tany intsony ny kilasin’ny mpisorona amin’izany fotoana izany. “Ho mpisoron’Andriamanitra sy Kristy [izy] ireo ka hiara-manjaka aminy [any an-danitra] arivo taona.” (Apokalypsy 20:6). Hampiarahina amin’i Kristy ireny mpisorona any an-danitra ireny mba hizara ireo soa feno entin’ny sorom-panavotan’i Kristy. Ho voavonjy, araka izany, ny olombelona mahitsy, ka haverina ho amin’ny fahalavorariana! — Jaona 3:17.
17, 18. a) Ahoana no ilazalazana ny ony iray manome fiainana, ao amin’ny Apokalypsy 22:1, 2, ary rahoviana no fotoana lehibe indrindra hahatanterahan’io fahitana io? b) Nahoana no hisy fotoana hampiitatra be ilay onin’ny ranon’aina, ao amin’ny Paradisa?
17 Raha ny marina, dia hikorianan’ny ranon’aina mahery indrindra ilay ony hitan’i Ezekiela, amin’izany fotoana izany. Io no fotoana lehibe indrindra hahatanterahan’ilay faminaniana voarakitra ao amin’ny Apokalypsy 22:1, 2 hoe: “Izy naneho ahy onin’ny ranon’aina, manganohano tahaka ny vato krystaly, nivoaka avy teo amin’ny seza fiandrianan’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry teo afovoan’ny làlambeny. Ary teny an-daniny roa amin’ny ony nisy hazon’aina mamoa voa roa ambin’ny folo samy hafa sady mamoa isam-bolana; ary ny ravin’ny hazo dia ho fanasitranana ny firenena maro.”
18 Mandritra ny Fanjakana Arivo Taona, dia hositranina ny aretina rehetra, ara-batana sy ara-tsaina ary ara-pihetseham-po. Mampiseho izany tsara ny “fanasitranana ny firenena maro” amin’ny alalan’ireo hazo ara-panoharana. Noho ireo fandaharana hampiharin’i Kristy sy ireo 144 000, dia “tsy hisy amin’ny mponina ao hilaza hoe: Marary aho”. (Isaia 33:24). Ary hiditra amin’ny fotoana hivelarany be indrindra ilay ony. Tsy maintsy hiitatra sy hihalalina izy io mba hanomezana izay ilain’ireo hatsangana amin’ny maty an-tapitrisany maro, angamba an’arivo tapitrisany maro, izay hisotro amin’io ranon’aina madio io. Nanasitrana ny Ranomasina Maty ilay ony tao amin’ny fahitana, ka nitondra aina tany amin’izay rehetra nalehany. Ao amin’ny Paradisa, dia ho tonga amin’ny fiainana amin’ny heviny feno indrindra ireo lehilahy sy vehivavy, satria hositranina amin’ny fahafatesana nolovana tamin’i Adama izy ireo raha maneho finoana ny soa entin’ny avotra izay hatolotra azy ireo. Manambara mialoha ny Apokalypsy 20:12 (NW ) fa hisy “horonam-boky” hosokafana amin’izany andro izany, ka hanome fahatakaran-javatra fanampiny, ary handray soa avy amin’izany ireo hatsangana amin’ny maty. Mampalahelo fa tsy hety hositranina ny sasany, na dia ao amin’ny Paradisa aza. Ireny mpikomy ireny no “havela ho sira”, izany hoe ho ringana mandrakizay. — Apokalypsy 20:15.
19. a) Ahoana no hahatanterahan’ilay fizarana ny tany, ao amin’ny Paradisa? b) Lafiny inona ao amin’ny Paradisa no asehon’ilay tanàna? d) Inona no hevitry ny hoe any amin’ny toerana lavidavitra ny tempoly no misy ilay tanàna?
19 Amin’izany fotoana izany koa, dia hisy fahatanterahany farany ny fizarana ny tany ao amin’ilay fahitan’i Ezekiela. Nahita ilay tany voazara araka ny tokony ho izy i Ezekiela; afaka mahazo antoka tahaka izany koa ny Kristianina mahatoky tsirairay fa hanan-toerana, na lova, ao amin’ny Paradisa ny tenany. Azo inoana fa ho to amin’ny fomba milamina ny faniriana hanana ny tranon’ny tena manokana mba hipetrahana sy hokarakaraina. (Isaia 65:21; 1 Korintiana 14:33). Mampiseho tsara ny fandaharam-pitantanana nokasain’i Jehovah ho an’ny tany vaovao ilay tanàna hitan’i Ezekiela. Tsy ho eo anivon’ny olombelona ara-bakiteny intsony ny kilasin’ireo mpisorona voahosotra. Toa manondro izany koa ilay fahitana, amin’ny fampisehoana ilay tanàna ho eo amin’ny tany “tsy masina”, lavidavitra ny tempoly. (Ezekiela 48:15). Raha mbola miara-manapaka amin’i Kristy any an-danitra ireo 144 000, dia hanana solontena eto an-tany koa ilay Mpanjaka. Ireo olom-peheziny dia handray soa be dia be amin’ny fitarihana feno fitiavana omen’ny kilasin’ilay filoha. Ny tena foiben’ilay fitondram-panjakana anefa dia ho any an-danitra, fa tsy eto an-tany. Ny olona rehetra eto an-tany, anisan’izany ny kilasin’ilay filoha, dia hanaiky ny Fanjakana Mesianika. — Daniela 2:44; 7:14, 18, 22.
20, 21. a) Nahoana no mifanentana tsara amin’ilay tanàna ny anarany? b) Mahatonga antsika hanontany tena hoe ahoana ny fahatakarantsika ny hevitry ny fahitan’i Ezekiela?
20 Mariho izao teny farany amin’ny faminanian’i Ezekiela izao: “Ny anaran’ny tanàna hatramin’izay andro izay dia Jehovah no ao.” (Ezekiela 48:35). Tsy natao hanomezana fahefana na hery ho an’ny olona akory io tanàna io; tsy natao koa mba hanefana izay rehetra mety ho sitrapon’olona izy io. Tanànan’i Jehovah izy io, ka hahitana foana taratry ny toe-tsainy sy ny lalany feno fitiavana sy araka ny antonony. (Jakoba 3:17). Izany dia sady mahavelom-bolo antsika no manome toky antsika fa hitahy ny fitambaran’olon’ny “tany vaovao” voalamina i Jehovah, eny, hitahy azy io hatrany amin’ny hoavy tsy voafetra izy. — 2 Petera 3:13.
21 Tsy mientam-po ve isika mieritreritra izay miandry antsika? Mety àry raha manontany tena toy izao ny tsirairay amintsika: ‘Ahoana no fihetsiko eo anoloan’ireo fitahiana mahatalanjona nahariharin’ny fahitan’i Ezekiela? Tohanako amim-pahatokiana ve ny asa ataon’ireo mpiandraikitra be fitiavana, ao anatin’izany ireo anisan’ny sisa voahosotra sy ireo ho anisan’ny kilasin’ilay filoha? Nataoko tena vaindohan-draharaha teo amin’ny fiainako ve ny fanompoam-pivavahana madio? Hararaotiko amin’ny fomba feno ve ny fisian’ny ranon’aina tondraka aoka izany amin’izao andro izao?’ Enga anie ny tsirairay avy amintsika hanohy hanao izany ka ho finaritra mandrakizay amin’ireo fandaharana ataon’i Jehovah!
[Fanamarihana ambany pejy]
a Io lohasahan-driaka io dia mety hanondro ny Lohasahan’i Kidrona, izay mitohy mianatsimo atsinanana avy ao Jerosalema, ary miafara any amin’ny Ranomasina Maty. Ny ampahany farany amin’izy io indrindra indrindra no tsy misy rano fa maina mandavantaona.
b Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 1 Novambra 1981, sy ny 1 Desambra 1981.
Ahoana no Havalinao?
◻ Sary mampiseho inona ilay rano nikoriana avy tao amin’ny tempoly?
◻ Fanasitranana manao ahoana no notontosain’i Jehovah tamin’ny alalan’ilay ony ara-panoharana, ary nahoana ilay ony no nihalehibe?
◻ Sary mampiseho inona ireo hazo teny amoron’ilay ony?
◻ Sary hampiseho inona ilay tanàna mandritra ny Fanjakana Arivo Taona, ary nahoana no mifanentana tsara amin’ilay tanàna ny anarany?
[Sary, pejy 23]
Sary mampiseho ny fandaharana ataon’Andriamanitra ho amin’ny famonjena, ilay onin’aina