Miaraha mamindra amin’ny kalesin’i Jehovah any amin’ny lanitra
“Ary holazainao aminy ihany ny teniko na hihaino izy na tsy hihaino.” — EZEKIELA 2:7.
1, 2. Kalesi-mpanjaka inona no tsinjon’i Ezekiela, ary inona no nolazaina taminy?
MIJANONA eo anatrehan’ireo mpanompony izao ny kalesin’i Jehovah any amin’ny lanitra. Amin’ny mason’ny finoana, izy ireo dia mahatsinjo io fiara-mpanjaka izay an’ny Andriamanjakany io. Be voninahitra izy io, mahatalanjona, ary mendri-kaja.
2 Nijanona teo anatrehan’i Ezekiela mpaminanin’Andriamanitra tamin’ny fahitana io kalesi-mpanjaka io ihany, efa ho 2 600 taona lasa izay. Avy eo amin’io kalesy misy seza fiandrianana io — fandaminan’Andriamanitra any an-danitra voaforon’ireo zavaboary ara-panahy — i Jehovah dia nanome izao baiko nanaitra izao an’i Ezekiela: “Ho any amin’ny zanaka mafy handrina sy madi-po no anirahako anao, ary hianao hanao aminy hoe: Izao no lazain’i Jehovah Tompo. Ary na hihaino izy na tsy hihaino (fa taranaka maditra izy), dia ho fantany fa efa nisy mpaminany teo aminy”. — Ezekiela 2:4, 5.
3. Iza no mifanitsy amin’i Ezekiela amin’izao androntsika izao?
3 Nanatanteraka tamim-pahatapahan-kevitra io fanirahana io i Ezekiela, nanompo tamin’ny naha-fitaovana tokana teny an-tanan’Andriamanitra azy. Toy izany koa, Andriamanitra izao dia manana fandaminana tokana eo ambany fifehezany. Ny kilasin’i Ezekiela, ny sisa voahosotra, dia loha laharana amin’ny asa fanaovana fanambarana farany, miaraka amin’ny “olona betsaka” amin’ny “ondry hafa” izay miara-miasa amin’ny maha-andiany iray ihany mba hanohana. (Apokalypsy 7:9, 10; Jaona 10:16). “Andiany iray” izy ireo miaraka, manana an’i Jesosy Kristy, ilay Mpiandry Tsara, mitarika azy ireo eo ambany fiandrianan’ i Jehovah Andriamanitra, ilay Mitaingina kalesy lehibe.
4, 5. Ahoana no nampisy ny fandaminan’Andriamanitra hita maso, ary inona no hitany mifanaraka amin’ny Isaia 60:22?
4 Teo ambany fitarihan’i Jehovah, io fandaminana maneran-tany io dia nitombo avy tamin’ny fiandohana kely mba ho tonga sampan-draharaha matanjaka iray manambara ilay didy hoe “Matahora an’Andriamanitra, ka omeo voninahitra Izy; fa tonga ny andro fitsarany”. (Apokalypsy 14:7). Toy ny tsy nanandratan’i Ezekiela ny tenany na nanendreny tena ho mpaminany, dia tsy namorona ny tenany na nanendry tena ilay fandaminan’Andriamanitra hita maso. Tsy avy amin’ny sitrapo na fiezahan’olombelona izy io. Nahatonga io fandaminana io hisy ilay Mitaingina kalesy, izay Andriamanitra. Nahazo hery tamin’ny fanahin’Andriamanitra sady notohanan’ireo anjely masina ny vahoakan’i Jehovah ka nahita fitarana nanaitra aoka izany ary ‘ny malemy tonga firenena mahery’. — Isaia 60:22.
5 Manambara ny hafatr’ilay Fanjakana any amin’ny tany 212 ny Vavolombelon’i Jehovah maherin’ny 4 000 000. Mitambatambatra ao amin’ny kongregasiona maherin’ny 63 000 izay voalamina ho fizaran-tany sy distrika izy ireo. Misy biraon’ny sampana miitatra sy kojakoja momba ny fanontam-printy miasa eo ambany fitarihan’ny Kolejy Foibe, fototry ny foiben’ny fandaminana. Toy ny olon-tokana, ny rehetra dia mandroso, mitory ny vaovao tsara, mampianatra ireo izay manaiky, manorina toeram-pivoriana. Eny, ny fandaminan’i Jehovah hita maso dia miara-mamindra amin’ilay kalesy any amin’ny lanitra sy ilay Mitaingina azy.
6. Inona no voafaoka amin’ny fiaraha-mamindra amin’ny fandaminan’i Jehovah hita maso?
6 Raha iray amin’ireo Vavolombelon’i Jehovah ianao, moa ve ianao miara-mamindra amin’ny fandaminan’Andriamanitra hita maso? Tsy vitan’ny fanatrehana ireo fivoriana kristiana sy ny fandaniana fotoana amin’ny fanompoana fotsiny akory ny fanaovana izany. Voalohany, ny dingana iray dia tsy maintsy mila fandrosoana sy fitomboana ara-panahy. Izany dia mahafaoka fananana fiheverana manorina, fametrahana ireo zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainana amin’ny laharana mety, ary fiezahana haharaka ireo fahalalana farany. Raha miara-mamindra amin’ny kalesin’i Jehovah any amin’ny lanitra isika, dia mifanaraka amin’ny hafatra ambarantsika izany ny fiainantsika.
7. Nahoana no ilaina ny mandinika ny fitondrantenan’i Ezekiela amin’ny maha-mpaminanin’Andriamanitra azy?
7 Raha ny amin’ny fiarahana mandeha, dia afaka mianatra betsaka avy amin’ny ohatr’i Ezekiela ny mpanompon’i Jehovah amin’izao androntsika izao. Na dia voatendrin’i Jehovah manokana ho mpaminany aza i Ezekiela, dia mbola nanana fihetseham-po, sy fanahiana ary filan-javatra ihany izy. Ohatra, tamin’ny naha-lehilahy azo lazaina ihany hoe vao nanambady azy, dia niaritra ny alahelo mafy vokatry ny famoizana ny vadiny tamin’ny fahafatesana izy. Kanefa dia tsy nanadino na oviana na oviana ny fanirahana azy ho mpaminan’i Jehovah izy. Amin’ny fandinihana ny fomba nitondran’i Ezekiela tena tamin’ny lafiny hafa koa, dia afaka manatanjaka ny tenantsika isika mba hiara-mamindra amin’ny fandaminan’Andriamanitra hita maso. Izany dia hahatonga antsika ho afaka hiara-mamindra amin’ny fandaminany tsy hita maso.
Fanirahana nekena sy notanterahina
8. Raha ny amin’ny fanirahana azy, ohatra inona no navelan’i Ezekiela?
8 Namela ohatra tsara dia tsara i Ezekiela tamin’ny fanekena ny fanirahana azy sy tamin’ny fanatanterahana izany. Na dia izany aza, dia nilàna fankatoavana sy herim-po ny fanatanterahana izany, satria izao no vakintsika: “Ary hianao, ry zanak’olona, aza matahotra azy, ary aza matahotra ny teniny, na dia voakasiky ny amiana sy ny tsilo aza hianao, ary na dia eo amin’ny maingoka aza no ipetrahanao; aza matahotra ny fiteniny, ary aza mivadi-po noho ny tarehiny, fa taranaka maditra izy. Ary holazainao aminy ihany ny teniko, na hihaino izy na tsy hihaino, fa tena maditra izy. Fa hianao kosa, ry zanak’olona, mihainoa izay lazaiko aminao; aza maditra tahaka izany taranaka maditra izany hianao”. — Ezekiela 2:6-8.
9. Tamin’ny fanaovana inona ihany vao afaka tamin’ny trosan-dra i Ezekiela?
9 Tsy tokony ho tsy miraika na ho saro-tahotra i Ezekiela, na hila ny hampahatsiahivina foana mba hanatanteraka ny fanirahana azy. Tsy ho afaka amin’ny trosan-dra izy raha tsy milaza ny tenin’i Jehovah an-tsitrapo sy amin-kerim-po. Izao no nambara tamin’i Ezekiela: “Raha mananatra ny ratsy fanahy kosa hianao, ka izy no tsy mety miala amin’ny faharatsiany sy amin’ny làlany ratsy, dia ho faty amin’ny helony ihany izy; fa ho voavonjinao ny fanahinao”. — Ezekiela 3:19.
10. Ahoana no nanaporofoan’ny kilasin’i Ezekiela ny fitoviany tamin’ilay mpaminany?
10 Sahala amin’ny nataon’i Ezekiela, dia nanaiky ny fanirahana nomen’Andriamanitra azy ireo sy manatanteraka izany ny kilasin’i Ezekiela nahazo hosotra. Raha Vavolombelon’i Jehovah isika, dia tokony hotadidintsika fa miankina amin’ny fankatoavantsika ny aintsika sy ny ain’ny hafa. (1 Timoty 4:15, 16). Mila ny miara-mamindra amin’ny fandaminan’i Jehovah ny Vavolombelona tsirairay. Tsy hamatotra antsika amin’ny kalesiny akory Andriamanitra ka hitaritarika antsika. Mampietry ilay Mitaingina kalesy ny tsy firaikana sy ny fo voazarazara. Koa mampirisika antsika ny fandaminan’i Jehovah hita maso mba hitazona ny tombontsoan’Andriamanitra ho ny zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainantsika. Ny fihetsika mifanaraka amin’ny fampirisihana toy izany dia mitazona antsika hiara-mamindra amin’ny fandaminan’Andriamanitra ary manandratra ny fanompoana masina ataontsika ho ambonin’ny fahazarana, fanaovan-javatra mandeha ho azy. Azo antoka fa mampiseho fitiavam-pivavahana miavaka ny vahoakan’i Jehovah amin’ny fitambarany. Ny anjarantsika isam-batan’olona dia ny fitanana ny hafainganam-pandeha.
Tenin’Andriamanitra raisina ao am-po
11. Ohatra inona no navelan’i Ezekiela raha ny amin’ny tenin’Andriamanitra?
11 Namela ohatra tsara dia tsara koa i Ezekiela tamin’ny fandraisana ny tenin’Andriamanitra tao am-pony. Noho ny baiko, dia nihinana horonan-taratasy iray nomen’Andriamanitra, na horonana izy. “Mamy tao am-bavako toy ny tantely izy”, hoy i Ezekiela. Na dia feno “fitomaniana sy fidradradradrana sy loza” aza ilay horonan-taratasy, dia mamy tamin’i Ezekiela satria nankasitraka ny voninahitra hisolo tena an’i Jehovah izy. Fanandraman-javatra mamy ho an’ilay mpaminany ny fanatanterahana ny asa nanendren’Andriamanitra azy. Nilaza taminy Andriamanitra hoe: “Ry zanak’olona, ny teny rehetra izay holazaiko aminao dia aoka ho mamin’ny fonao [raiso ao am-ponao, MN] ka henoy amin’ny sofinao”. (Ezekiela 2:9–3:3, 10). Ireo fahitana ireo dia nahatonga an’i Ezekiela hahalala tsara izay navelan’Andriamanitra handraisany anjara ary nanamafy ny fifandraisany tamin’i Jehovah.
12. Inona no nataon’i Ezekiela tao anatin’ny roapolo taona mahery nanaovany ny asan’ny mpaminany?
12 Nomena fahitana sy hafatra maro ho an’ny fikasana sy mpihaino isan-karazany i Ezekiela. Tsy maintsy nihaino tamim-pitandremana izy ary avy eo dia niteny sy nanao zavatra araka izay voalaza. Nisy filazana sy fomba fanaovan-javatra vaovao nampahafantarina azy niandalana nandritra ny 22 taona teo ho eo nanaovany ny asan’ny mpaminany. Indraindray, dia nilaza hafatra natao tamin’ny fiteny manokana i Ezekiela. Tamin’ny fotoana hafa, dia nampiasa fihetsehana, toy ny fandriana teo anoloan’ny biriky tanimanga iray nampiseho an’i Jerosalema izy. (Ezekiela 4:1-8). Ny ohatra navelany teo amin’ny raharaha manokana toy ny fihetsiny teo anatrehan’ny fahafatesan’ny vadiny, dia nitondra hafatra koa. (Ezekiela 24:15-19). Tsy maintsy nampiasa teny nahazatra izy, mandrakariva dia nampiseho ny hafatra marina sy nanao zavatra nety tamin’ny fotoana nety. Voafatotra tao anatin’ny fifandraisam-piaraha-miasa tsara tena akaiky sy nandroso tamin’i Jehovah i Ezekiela.
13. Ahoana no ahafahantsika manorina fifandraisana akaiky amin’i Jehovah?
13 Toy izany koa fa, mba hanorenana sy hitanana fifandraisana akaiky amin’i Jehovah amin’ny maha-mpiara-miasa aminy, dia tsy maintsy mandray ny Tenin’Andriamanitra ao am-pontsika isika. (1 Korintiana 3:9). Ny fiaraha-mamindra amin’ny fandaminan’Andriamanitra hita maso amin’io lafiny io, dia mitaky antsika haharaka ny fahatondrahan’ny sakafo ara-panahy arakaraka ny anomezana azy amin’ny fotoana mety. (Matio 24:45-47). Miitatra tsy an-kijanona ny “fiteny madio”. (Zefania 3:9, MN). Raha maharaka ireo fahalalana farany ihany isika vao tena ho afaka hanaiky amim-pankatoavana ny fitarihan’ilay Mitaingina kalesy.
14, 15. Fahazarana inona no ilaina mba hanarahana ny dia noferan’ny fandaminan’Andriamanitra?
14 Amin’izany, dia mila fahazarana tsara amin’ny vavaka manokana, sy ny fianarana mitokana ary fandraisana anjara amin’ny fanompoana masina momba ny vaovao tsara isika. (Romana 15:16, MN). Tsarovy ny ohatra navelan’i Ezekiela tamin’ny fihinanana ilay horonan-taratasy nirakitra ny hafatr’Andriamanitra. Nihinana ilay horonan-taratasy iray manontolo i Ezekiela, fa tsy ny tapany aminy ihany. Tsy nitsimpona sy nifidy tapatapany izay nety ho nifanaraka tamin’ny fitiavany manokana kokoa izy. Toy izany koa, ny fianarantsika manokana ny Baiboly sy ireo zavatra vita an-tsoratra kristiana dia tokony hampifanarahina hatrany amin’ny fahatondrahan’ny sakafo ara-panahy, ary tokony handray amin’izay rehetra aroso eo amin’ny latabatra ara-panahy isika, anisan’izany ireo fahamarinana lalina kokoa.
15 Moa ve isika manao fiezahana arahim-bavaka mba hahazoana ny hevitr’ireo ventin-kanina? Ny fiaraha-mamindra dia mitaky ny handrosoan’ny fahalalantsika sy ny fahazoantsika hevi-javatra hihoatra ny zavatra fototra, satria izao no vakintsika: “Izay rehetra mivelona amin’ny ronono dia tsy zatra amin’ny tenin’ny fahamarinana, satria mbola zaza-bodo. Fa ho an’izay efa lehibe ny ventin-kanina, dia ho an’izay manana ny saina efa zatra nampiasaina tsara ka mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy”. — (Hebreo 5:13, 14). Eny, ny fandrosoana ara-panahy dia anisan’ny tapany tena lehibe amin’ny fiaraha-mamindra mifanaraka amin’ireo zavatra noferan’ny fandaminan’Andriamanitra.
Tsy kivy noho ny tsy firaikana
16, 17. Ahoana no niatrehan’i Ezekiela ny tsy firaikana, ny fanarabiana ary ny tsy fisian’ny fahalianana?
16 Namela ohatra tsara koa i Ezekiela tamin’ny fankatoavany sy ny tsy namelany ny tenany ho kivy noho ny tsy firaikana sy ny fanarabiana. Toy izany koa, amin’ny fiezahantsika haharaka ny fandrosoan’ny fiteny madio, dia hahay hanaraka ny fitarihan’ilay Mitaingina kalesy toy ny mpanjaka isika. Amin’izay dia ho ampy fitaovana isika mba hanekena ny didiny, hatanjaka mba tsy ho kivy noho ny tsy firaikana sy ny fanarabian’ireo izay iresahantsika ny hafatra fanamelohan’i Jehovah. Toy ny tamin’i Ezekiela, Andriamanitra dia nampitandrina antsika mialoha fa hisy olona sasany hanohitra mafy, ho mafy hatoka sy ho mafy fo. Tsy handre ny hafa satria tsy maniry ny hihaino an’i Jehovah. (Ezekiela 3:7-9). Mbola misy hafa koa hihatsaravelatsihy, toy ny ilazan’ny Ezekiela 33:31, 32 azy hoe: “Mankao aminao tahaka ny fihavin’ny olona izy ka mipetraka eo anatrehanao toa oloko ary mahare ny teninao, nefa tsy mety mankatò azy; fa, indro teny mamy no lazain’ny vavany, nefa ny fony dia lasa manaraka ny filan-karena. Koa, indro, hianao dia ataony ho tahaka ny mpanao hira mahafinaritra, izay tsara feo sady mahay mitendry; fa mandre ny teninao izy, nefa tsy mety mankatò azy”.
17 Inona no ho fiafaran’izany? Nanampy teny toy izao ny Ezk 33 andininy faha-33: “Ary nony tanteraka izany (indro, efa ho tanteraka ihany), dia ho fantany fa efa nisy mpaminany tokoa tao aminy”. Asehon’ireo teny ireo fa tsy niraviravy tanana akory i Ezekiela noho ny tsy fisian’ny fahalianana. Tsy nahatonga azy tsy hiraika ny tsy firaikan’ny hafa. Na nihaino ny olona na tsia, dia nankatò an’Andriamanitra izy ary nanatanteraka ny fanirahana azy.
18. Fanontaniana inona avy no mety hataonao amin’ny tenanao?
18 Ny fandaminan’i Jehovah hita maso izao dia eo am-panamafisana ny fanambarana fa tokony hatahotra an’Andriamanitra sy hanome voninahitra azy ny rehetra. Maharitra ve ianao rehefa kianina noho ny fananana herim-po amin’ny fanaovana fanambarana ilay Fanjakana, sy noho ianao madio fitondrantena eo amin’ny fomba fiainanao? Moa ve ianao tsy mihozongozona rehefa kendren’ny fanerena satria tsy manaiky fampidiran-dra, na tsy manolotra fankalazana ireo marika famantarana ara-pirenena, na tsy mankalaza fetin’izao tontolo izao? — Matio 5:11, 12; 1 Petera 4:4, 5.
19. Raha ny amin’ny lalana haleha, inona no hataontsika raha miara-mandeha amin’ny kalesin’i Jehovah any amin’ny lanitra isika?
19 Tsy mora akory io lalana io, saingy izay miaritra hatramin’ny farany no hovonjena. (Matio 24:13, MN). Noho ny fanampian’i Jehovah, dia tsy havelantsika ny olona eo amin’izao tontolo izao hanao antsika ho sahala amin’izy ireo, ka amin’izay dia hampiala antsika amin’ny famindrana miaraka amin’ilay kalesin’i Jehovah any amin’ny lanitra. (Ezekiela 2:8; Romana 12:21). Raha miara-mamindra amin’ny fandaminan’anjely mitovy amin’ny kalesy isika, dia ho mailaka hanaiky ny fitarihana sy toromarika raisina avy amin’ny alalan’ny fandaminan’Andriamanitra hita maso. Manome izay ilaintsika i Jehovah mba hiatrehana amim-pahombiazana ireo fanafihana ny finoantsika, mba hihazonana ny fifikirantsika amin’ny Tenin’ny fiainana, ary mba hibanjina ireo zava-misy ara-panahy izay mifantoka amin’ilay Mitaingina toy ny mpanjaka ilay kalesy any amin’ny lanitra.
Voatosika hiara-mamindra
20. Zavatra sasany notantarain’i Ezekiela inona no tokony hanosika antsika haharaka ny dia?
20 Ny fahitan’i Ezekiela dia tokony hanosika antsika haharaka ny dia. Tsy nanambara fotsiny ny fitsaran’Andriamanitra ny Isiraely izy, fa nitantara faminaniana momba ny fanarenana indray koa. Nanondro Ilay manana zo ara-dalàna hanjaka eo amin’ny seza fiandrianan’i Jehovah amin’ny fotoana voatendry i Ezekiela. (Ezekiela 21:32, [21:27, MN]). Io Mpanompon’ny Mpanjaka io, i “Davida”, dia hanangona indray ny vahoakan’Andriamanitra ka hiandry azy. (Ezekiela 34:23, 24). Na dia hotafihin’i Goga avy any Magoga aza izy ireo, dia hamonjy azy Andriamanitra, ary ho voatery ‘hahafantatra an’i Jehovah’ ireo fahavalony raha eo am-pandehanana ho any amin’ny fandringanana ireo. (Ezekiela 38:8-12; 39:4, 7). Avy eo ireo mpanompon’Andriamanitra dia hifaly amin’ny fiainana tsy hanam-pahataperana ao anatin’ny fandaharam-panompoam-pivavahana madio mahatafiditra tempoly ara-panahy iray. Ny ranon’aina mikoriana avy eo amin’ny alitara dia ho loharanon-tsakafo sy fanasitranana, ary hisy tany lova hozaraina ho fitahiana azy ireo. — Ezekiela 40:2; 47:9, 12, 21.
21. Nahoana no lehibe kokoa noho ny an’i Ezekiela ny anjara asan’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao?
21 Toy inona no tsy maintsy ho fientanam-po nahazo an’i Ezekiela nanoratra ireo faminaniana ireo! Lehibe kokoa anefa ny anjara asan’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao androntsika izao. Miaina amin’ny fotoana ahatanterahan’ny faminaniana sasany isika. Raha ny marina, dia mandray anjara amim-paharisihana amin’ny fahatanterahana sasany isika. Amin’ny fomba fiainantsika, moa ve isika mampiseho isam-batan’olona ny fiekentsika mafy fa manjaka izao i Jesosy amin’ny maha-Ilay manana zo ara-dalàna azy? Moa ve isika miaiky mafy manokana fa tsy ho ela i Jehovah dia hanamasina ny tenany ary hamonjy ho ao amin’ny tontolony vaovao ireo izay miara-mamindra amin’ny fandaminany? (2 Petera 3:13). Ny fiekena mafy toy izany, arahin’ny asan’ny finoana, dia mampiseho fa miara-mamindra tokoa amin’ny kalesin’i Jehovah any amin’ny lanitra isika.
Manohiza miara-mamindra
22. Inona no azo atao mba hanalavirana ny fahavarimbarinana ka hitanana fiheverana ara-panahy mazava?
22 Rehefa ‘nitana fangady tarihina’ isika dia tsy tokony hiherika any aoriana amin’ny fanembonana izay azon’izao tontolo izao atolotra. (Lioka 9:62; 17:32; Titosy 2:11-13). Koa aoka àry isika hifehy izay fironana hanangona harena eto an-tany, ary aoka isika hitazona ny masontsika ho tsotra, mifantoka amin’ilay Fanjakana. (Matio 6:19-22, 33). Hanampy antsika hiara-mamindra amin’ny fandaminan’i Jehovah ny fanatsorana ny fiainantsika sy ny fanariana ireo enta-mavesatr’izao tontolo izao araka izay azo atao. (Hebreo 12:1-3). Mety hampanjavozavo ny fahitantsika ilay kalesy any amin’ny lanitra sy ilay Mitaingina azy ireo zavatra mahavarimbariana. Kanefa noho ny fanampiany, dia afaka mitana fahatsinjovan-javatra ara-panahy mazava isika, sahala amin’ny nataon’i Ezekiela.
23. Inona no ilain’ireo Vavolombelona tsy mivadika hatao ho an’ireo vaovao?
23 Ny tapany amin’ny andraikitsika amin’ny maha-Vavolombelon’i Jehovah dia mahafaoka ny fanampiana ireo vaovao maro be mba hiara-mamindra amin’ny kalesin’i Jehovah any amin’ny lanitra. Tamin’ny 1990, dia olona efa ho 10 000 000 no nanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy Kristy. Na dia mety manatrika fivoriana kristiana vitsivitsy aza ny maro amin’ireo olona ireo, dia mila mahita ny maha-zava-dehibe ny fandrosoana miaraka amin’ny fandaminan’i Jehovah hita maso izy ireo. Amin’ny maha-Vavolombelona tsy mivadika antsika, dia afaka manampy azy ireo isika amin’ny toe-tsaina asehontsika sy ny fampaherezana omentsika.
24. Tokony hanao inona isika amin’izao fotoana fifaranan-javatra lehibe izao?
24 Fotoana fifaranan-javatra lehibe izao. Amin’ny mason’ny finoana dia nahita ilay kalesy any amin’ny lanitra mijanona eo anatrehantsika isika. Ilay Mitaingina kalesy toy ny mpanjaka dia naniraka ny fandaminany hita maso mba hitory amin’ireo firenena ka, amin’ny farany, dia ho fantatr’izy ireo hoe iza i Jehovah. (Ezekiela 39:7). Hararaoty araka izay farany azo atao io fahafahana lehibe handray anjara amin’ny fanamarinana ny fiandrianan’Andriamanitra sy ny fanamasinana ny anarany masina io amin’ny fiaraha-mamindra amin’ilay kalesin’i Jehovah any amin’ny lanitra.
Ahoana no havalinao?
◻ Ohatra inona no navelan’i Ezekiela raha ny amin’ny fanirahana azy?
◻ Inona no dikan’ny hoe miara-mamindra amin’ny fandaminan’Andriamanitra?
◻ Ahoana no nahitan’i Ezekiela ny tenin’i Jehovah?
◻ Ahoana no azontsika anarahana ny ohatr’i Ezekiela rehefa miatrika tsy firaikana?
◻ Inona no tokony hanosika ny mpanompon’i Jehovah hiara-mamindra amin’ny kalesiny any amin’ny lanitra?
[Sary, pejy 15]
Inona no takina mba hiarahana mamindra amin’ilay kalesin’i Jehovah any amin’ny lanitra?
[Sary, pejy 16]
Nankasitraka ny tombontsoa nomen’Andriamanitra azy i Ezekiela. Ary ianao?