-
“Homeko Fo Iray Izy Ireo”Naverin’i Jehovah Tamin’ny Laoniny ny Fivavahana Madio!
-
-
11 Ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina no nanjaka nandritra ny taonjato maro, ary nampalahelo be ny zava-nitranga tamin’izany. Nisy ihany anefa ny tena Kristianina, izany hoe ilay “vary” noresahin’i Jesosy. Nahatsiaro an’ilay tena Andriamanitra ry zareo, hoatran’ny Jiosy natao sesitany resahin’ny Ezekiela 6:9. Sahy nanohitra ny zavatra diso nampianarin’ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina ny sasany tamin-dry zareo, ka nesoesoina sy nenjehina. Dia sanatria ve hoe havelan’i Jehovah ho babo mandrakizay any amin’i Babylona Lehibe ireo mpanompony ireo? Tsy izany mihitsy! Araka ny antonony ny fomba nampiharany ny fahatezerany sy ny halavan’ny fotoana nanaovany an’izany, hoatran’ny tamin’ny Israelita ihany. (Jer. 46:28)
-
-
“Homeko Fo Iray Izy Ireo”Naverin’i Jehovah Tamin’ny Laoniny ny Fivavahana Madio!
-
-
13 Nisy Jiosy tsy nivadika koa natao sesitany niaraka tamin’ireo Jiosy nivadika. Ankoatra an’izay, dia nilaza tamin’ny alalan’i Ezekiela i Jehovah hoe hisy mpanompony hibebaka rehefa any an-tsesitany. Hanenina ry zareo rehefa hahatsiaro ny zavatra nahamenatra nataony tamin’izy nikomy tamin’i Jehovah, ka hitalaho aminy mba hahazo famelan-keloka sy hankasitrahany indray. (Ezek. 6:8-10; 12:16) Anisan’ireo Jiosy tsy nivadika natao sesitany i Ezekiela, dia i Daniela mpaminany sy ny namany telo lahy. Teo i Daniela rehefa nanomboka ilay sesitany dia mbola velona izy rehefa nifarana ilay izy. Nibebaka noho ny fahotana nataon’ny Israely izy, ary hita ao amin’ny Daniela toko faha-9 ilay vavaka vokatry ny fo nataony. Azo antoka fa voalazany tao ny fihetseham-pon’ireo Jiosy an’arivony efa tena te hahazo ny famelan-kelok’i Jehovah sy te hahazo ny fitahiany indray. Faly be àry ry zareo rehefa naheno an’ilay fampanantenana noresahin’i Ezekiela hoe hafahana ry zareo dia haverina amin’ny laoniny ny fivavahana madio.
-