-
Fanontanian’ny MpamakyNy Tilikambo Fiambenana (Fianarana)—2016 | Jona
-
-
Tsy noringanina niaraka tamin’ny ratsy fanahy anefa ny marina. Be fitiavana i Jehovah, ka nataony izay hamonjena an’ireo Jiosy tsy nankasitraka ny zava-maharikoriko tao Jerosalema.
Tsy anisan’ny nanisy an’ilay marika i Ezekiela sady tsy anisan’ny nandrava an’i Jerosalema. Anjely no nitarika an’ilay fandravana. Manampy antsika haka sary an-tsaina an’izay nitranga tany an-danitra àry io faminaniana io. Nirahin’i Jehovah hiandraikitra ny fandringanana an’ireo ratsy fanahy ny anjely sady nasainy namonjy ny olo-marina.a
-
-
Fanontanian’ny MpamakyNy Tilikambo Fiambenana (Fianarana)—2016 | Jona
-
-
Nilazana io lehilahy io hoe: “Mandehana mamakivaky ny tanàna, . . . ka asio marika eo amin’ny handrin’ny olona misento sy mitaraina noho ny zava-maharikoriko rehetra atao ao.”
-
-
Fanontanian’ny MpamakyNy Tilikambo Fiambenana (Fianarana)—2016 | Jona
-
-
a Tsy nisy marika ara-bakiteny ny handrin’ireo tsy maty tamin’ilay fandravana. Toy ny hoe nisy marika anefa izy ireo ka voavonjy. Anisan’izany i Baroka (mpitan-tsoratr’i Jeremia) sy Ebeda-meleka Etiopianina ary ireo Rekabita. Jer. 35:1-19; 39:15-18; 45:1-5.
-
-
Fanontanian’ny MpamakyNy Tilikambo Fiambenana (Fianarana)—2016 | Jona
-
-
Nihevitra isika taloha fa ireo sisa voahosotra ilay lehilahy mitondra fitoeran-dranomainty. Nieritreritra isika tamin’izany hoe izay manaiky ny hafatra torintsika no misy an’ilay marika ka ho voavonjy.
-
-
Fanontanian’ny MpamakyNy Tilikambo Fiambenana (Fianarana)—2016 | Jona
-
-
Tsy nisy olona nasiana marika ara-bakiteny teo amin’ny handrina, tamin’ny andron’i Ezekiela. Mitovy amin’izany koa ankehitriny. Inona àry no tokony hataon’ny olona mba ho voavonjy? Mila mandray tsara ny hafatra torina aminy izy, manahaka ny toetran’i Kristy, manokan-tena ho an’i Jehovah, ary manohana foana an’ireo rahalahin’i Kristy. (Mat. 25:35-40) Toy ny hoe hasiana marika izay manao an’ireo ka ho tafavoaka velona amin’ny fahoriana lehibe.
I Jesosy Kristy ilay lehilahy mitondra fitoeran-dranomainty, amin’ny andro ankehitriny. Izy no hanisy marika an’ireo olona ho tafavoaka velona. Hasiany marika ny vahoaka be mandritra ny fahoriana lehibe, rehefa hitany hoe toy ny ondry. Ho afaka hiaina mandrakizay eto an-tany izy ireo amin’izay.—Mat. 25:34, 46.b
-
-
Fanontanian’ny MpamakyNy Tilikambo Fiambenana (Fianarana)—2016 | Jona
-
-
b Tsy mila hasiana an’izany marika izany ireo voahosotra tsy mivadika. Hasiana tombo-kase farany kosa izy ireo alohan’ny hahafatesany, na aloha kelin’ny fahoriana lehibe.—Apok. 7:1, 3.
-