Ambara fa Sambatra Ireo Iraka Milaza Fiadanana Araka An’Andriamanitra
“Ny navotan’i Jehovah hiverina ka hankany Ziona amin’ny fihobiana, ary ny fifaliana mandrakizay no ho eny an-dohany”. — ISAIA 35:10.
1. Inona no ilain’izao tontolo izao mafy dia mafy?
AMIN’IZAO andro izao, toy ny mbola tsy hita hatramin’izay, ny olombelona dia mila iraka milaza vaovao tsara. Ilaina maika dia maika ny hisian’ny olona hilaza ny fahamarinana momba an’Andriamanitra sy ny fikasany, dia vavolombelona tsy manan-tahotra izay hampitandrina ny ratsy fanahy ny amin’ny fandringanana ho avy, sy hanampy ireo mahitsy fo hahita fiadanana araka an’Andriamanitra.
2, 3. Raha ny amin’ny Isiraely, ahoana no nanatanterahan’i Jehovah ilay fampanantenany voarakitra ao amin’ny Amosa 3:7?
2 Tamin’ny andron’ny Isiraely, dia nampanantena ny handefa iraka karazan’izany i Jehovah. Tamin’ny faran’ny taonjato fahasivy al.f.i., dia hoy i Amosa mpaminany: “Tsy manao na inona na inona tokoa Jehovah Tompo, raha tsy milaza ny heviny amin’ny mpaminany mpanompony.” (Amosa 3:7). Tamin’ireo taonjato nanaraka io fanambarana io, dia nanao asa mahery be dia be i Jehovah. Ohatra, tamin’ny 607 al.f.i. izy dia nanafay mafy an’ilay vahoaka nofidiny, satria nikomy sy nivesatra trosan-dra izy ireo. Nanasazy an’ireo firenena nanodidina izay faly erỳ noho ny fijalian’ny Isiraely koa izy. (Jeremia, toko faha-46-49). Avy eo, tamin’ny 539 al.f.i., dia nataon’i Jehovah izay hianjeran’ny herim-panjakana babyloniana natanjaka, ary ho vokatr’izany, tamin’ny 537 al.f.i., dia nisy sisa tamin’ny Isiraely niverina tany amin’ny taniny mba hanorina indray ny tempoly. — 2 Tantara 36:22, 23.
3 Fisehoan-javatra tena lehibe ireo, ary nifanaraka tamin’ny tenin’i Amosa, i Jehovah dia nampiharihary azy ireo mialoha tamin’ireo mpaminany sady iraka, ho fampitandremana ny Isiraely ny amin’izay ho avy. Teo antenatenan’ny taonjato fahavalo al.f.i., dia nanendry an’i Isaia izy. Teo antenatenan’ny taonjato fahafito al.f.i., dia nanendry an’i Jeremia izy. Avy eo, tany amin’ny faramparan’io taonjato io ihany, dia nanendry an’i Ezekiela izy. Ireo sy ny mpaminany nahatoky hafa dia nanao fanambarana tamin’ny fomba feno momba ny fikasan’i Jehovah.
Fampahafantarana ireo irak’Andriamanitra amin’izao andro izao
4. Inona no mampiseho fa mila iraka milaza fiadanana ny olombelona?
4 Ahoana ny amin’izao andro izao? Olona maro eo amin’izao tontolo izao no mahatsapa fanahiana zava-dratsy hitranga, rehefa mandinika ny fikororosian’ny fitambaran’olona izy ireo. Ireo izay tia ny fahitsiana dia malahelo am-po rehefa mahita ny fihatsarambelatsihy sy ny faharatsiam-panahy tanteraky ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana. Araka ny nambaran’i Jehovah mialoha tamin’ny alalan’i Ezekiela, dia “misento sy mitaraina noho ny fahavetavetana rehetra atao eo aminy” izy ireo. (Ezekiela 9:4). Kanefa, olona maro no tsy mahatakatra hoe inona avy ireo fikasan’i Jehovah. Mila ny hilazana izany izy ireo.
5. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa hisy iraka amin’izao androntsika izao?
5 Misy olona ve amin’izao andro izao sahy miteny amin’ny toe-tsaina tsy natahotra nananan’i Isaia sy i Jeremia ary i Ezekiela? I Jesosy dia nampiseho fa hisy izany. Rehefa nanambara mialoha ireo fisehoan-javatra amin’ny androntsika izy, dia nilaza toy izao: “Hotorina amin’ny tany onenana manontolo itỳ vaovao tsaran’ilay fanjakana itỳ, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra; ary avy eo dia ho tonga ny farany.” (Matio 24:14, NW ). Iza amin’izao andro izao no manatanteraka io faminaniana io, ka manao ny asan’ny iraka, na mpitory manambara ny vaovao tsara? Manampy antsika hamaly io fanontaniana io ireo fitoviana eo amin’ny androntsika sy ny andron’ny Isiraely fahiny.
6. a) Lazalazao ireo fanandraman-javatra hitan’ny “Isiraelin’Andriamanitra” nandritra ny ady lehibe voalohany. b) Ahoana no nahatanterahan’ny Ezekiela 11:17 tamin’ny Isiraely fahiny?
6 Nandritra ireo andro nanjombon’ny Ady Lehibe Voalohany, ny vahoakan’i Jehovah amin’ny andro ankehitriny, ny sisa amin’ny “Isiraelin’Andriamanitra” voahosotra, dia lasa tany amin’ny fahababoana toy ny an’ny Isiraely tany Babylona. (Galatiana 6:16). Niharan’ny sesitany ara-panahy tao Babylona Lehibe izy ireo, dia tao amin’ny fitambaran’ireo fivavahan-dison’izao tontolo izao, ka ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana no lehibe indrindra sy azo tsinina indrindra ao. Na dia izany aza, ny tenin’i Jehovah tamin’i Ezekiela dia nampiseho fa tsy nafoy izy ireo. Hoy izy: “Hovoriko avy any amin’ny firenena hianareo, ary hangoniko avy any amin’ny tany izay nampielezana anareo, ka homeko ny tanin’ny Isiraely hianareo.” (Ezekiela 11:17). Mba hanatanterahana io fampanantenana ho an’ny Isiraely fahiny io, i Jehovah dia nanendry an’i Kyrosy Persiana, izay nanongana ny Herim-panjakana babyloniana ary nanokatra ny lalana hiverenan’ny sisa tamin’ny Isiraely tany amin’ny taniny. Ahoana kosa ny amin’izao andro izao?
7. Inona no fisehoan-javatra tamin’ny 1919 nanaporofo fa nanao zavatra ho fanoherana an’i Babylona Lehibe i Jesosy? Hazavao.
7 Tany am-piandohan’itỳ taonjato itỳ, dia nisy porofo mahery fa nisy Kyrosy Lehibe nanao zavatra. Iza moa izany? Tsy iza fa i Jesosy Kristy, nahazo ny fiandrianana tao amin’ilay Fanjakana any an-danitra nanomboka tamin’ny 1914. Io Mpanjaka lehibe io dia nampiseho fankasitrahana an’ireo rahalahiny voahosotra teto an-tany, fony ireo Kristiana voahosotra, tamin’ny taona 1919, nafahana avy tamin’ny fahababoana ara-panahy ka niverina tany amin’ny ‘taniny’, dia ny toe-piainany ara-panahy. (Isaia 66:8; Apokalypsy 18:4). Araka izany, dia nanana fahatanterahana amin’ny andro ankehitriny ny Ezekiela 11:17. Tamin’ny andro fahiny, dia nilaina ny haharesy an’i Babylona vao hisokatra ny lalana hiverenan’ny Isiraelita tany amin’ny taniny. Amin’ny andro ankehitriny, ny famerenana amin’ny laoniny ny Isiraelin’Andriamanitra dia porofo fa resy teo an-tanan’ilay Kyrosy Lehibe i Babylona Lehibe. Io faharesena io dia nambaran’ilay anjely faharoa ao amin’ny Apokalypsy toko faha-14, fony izy nihiaka hoe: “[Nianjera i, NW ] Babylona Lehibe! izay nampisotro ny firenena rehetra ny divain’ny fahatezerana noho ny fijangajangany.” (Apokalypsy 14:8). Fitsimbadihan-javatra re izany ho an’i Babylona Lehibe, indrindra fa ho an’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana! Ary fitahiana re izany ho an’ny Kristiana marina!
8. Ahoana no ilazalazan’ny bokin’i Ezekiela ny fahasambaran’ny vahoakan’Andriamanitra taorian’ny nanafahana azy ireo, tamin’ny 1919?
8 Ao amin’ny Ezekiela 11:18-20, isika dia mamaky ny filazalazan’ilay mpaminany ny fahasambaran’ny vahoakan’Andriamanitra, taorian’ilay famerenana azy ireo tany amin’ny taniny. Ny fahatanterahana voalohan’ny teniny dia nidika ho fanadiovana ny Isiraely tamin’ny andron’i Ezra sy i Nehemia. Ny fahatanterahan’izy io amin’ny andro ankehitriny dia nidika ho zavatra nitovy tamin’izany. Andeha hojerentsika hoe tamin’ny fomba ahoana. Hoy i Jehovah: “Ho tonga ao [amin’ny taniny] izy ka hanaisotra ny zava-dratsiny rehetra sy ny fahavetavetany rehetra.” Tsy misy hafa amin’izay voambaran’ny faminaniana, nanomboka tamin’ny 1919, dia nanadio ny vahoakany i Jehovah ka nanatanjaka azy ireo indray mba hanompo azy. Nanomboka nanaisotra avy teo amin’ny tontolony ara-panahy ireo fanao sy foto-pampianarana babyloniana rehetra izay nandoto ny tenany teo imason’i Jehovah, izy ireo.
9. Fitahiana lehibe inona avy no nomen’i Jehovah ny vahoakany, nanomboka tamin’ny 1919?
9 Avy eo, araka ny andininy faha-19, i Jehovah dia manohy ny teniny toy izao: “Dia homeko fo iray izy, ary hasiako fanahy vaovao ao [anatiny, NW ]; ary hesoriko amin’ny nofony ny fo vato, ka homeko fo nofo izy”. Mifanaraka amin’ireo teny ireo, tamin’ny 1919, i Jehovah dia nampiray an’ireo mpanompony voahosotra, nanome azy ireo “fo iray”, raha azo atao ny milaza izany, mba hanompoan’izy ireo azy “amin’ny firaisan-kina”. (Zefania 3:9). Ankoatra izany, i Jehovah dia nanome ny fanahy masina ny vahoakany, mba hanatanjahana azy ireo teo amin’ny asa fanambarana, sy mba hamokarana teo amin’izy ireo ilay vokatra tsara dia tsara voalazalaza ao amin’ny Galatiana 5:22, 23. Ary tsy fo vato tsy mihontsina akory no nomen’i Jehovah azy ireo, fa fo malefaka, sy mahay milefitra ary mankatò, dia fo izay hanaiky ny sitrapony.
10. Nahoana i Jehovah no nitahy ny vahoakany tafaverina tamin’ny laoniny nanomboka tamin’ny 1919?
10 Nahoana izy no nanao izany? I Jehovah mihitsy no manazava izany. Izao no vakintsika ao amin’ny Ezekiela 11:20: “Mba handehanany araka ny didiko sy hitandremany ny fitsipiko ka hanarahany izany, ary izy dia ho oloko, ary Izaho ho Andriamaniny.” Nianatra ny hankatò ny lalàn’i Jehovah, fa tsy hanaraka ny hevitry ny tenany manokana, ny Isiraelin’Andriamanitra. Nianatra ny hanao ny sitrapon’Andriamanitra, tsy nisy fahatahorana olona, izy ireo. Tamin’izany izy ireo dia hita ho hafa noho ireo Kristiana sandoka tao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana. Vahoakan’i Jehovah izy ireo. Tamin’ny naha-izany azy ireo, dia vonona ny hampiasa azy ireo ho irany, ho ‘mpanompony mahatoky sy malina’, i Jehovah. — Matio 24:45-47, NW.
Ny fahasambaran’ireo irak’Andriamanitra
11. Ahoana no ilazalazan’ny bokin’i Isaia ny fahasambaran’ny vahoakan’i Jehovah?
11 Afaka maka sary an-tsaina ny fahasambaran’izy ireo ve ianao, fony takatr’izy ireo ny toerana nisy tombontsoa notanany? Tamin’ny fitambarany, izy ireo dia namerina ny tenin’ny Isaia 61:10, manao hoe: “Hifaly dia hifaly amin’i Jehovah aho, ny fanahiko ho ravoravo amin’Andriamanitro”. Tanteraka tamin’izy ireo ny fampanantenana ao amin’ny Isaia 35:10, manao hoe: “Ny navotan’i Jehovah hiverina ka hankany Ziona amin’ny fihobiana, ary ny fifaliana mandrakizay no ho eny an-dohany; hahazo fifaliana sy faharavoravoana izy, ka dia handositra ny alahelo sy ny fisentoana.” Toy izany no fahasambaran’ireo irak’i Jehovah nilaza fiadanana araka an’Andriamanitra tany amin’ny 1919 tany, fony izy ireo nanomboka nitory ny vaovao tsara tamin’ny olombelona rehetra. Nanomboka tamin’izay ka mandraka ankehitriny, dia tsy nitsahatra nanatontosa io asa io izy ireo, ary dia nitombo ny fahasambarany. Tao amin’ny Toriteniny teo An-tendrombohitra, dia hoy ny nambaran’i Jesosy: “Sambatra ny mpampihavana; fa izy no hatao hoe zanak’Andriamanitra.” (Matio 5:9). Ny fahamarinan’io fanambarana io dia hitan’ny sisa tamin’ny “zanak’Andriamanitra” voahosotra, nanomboka tamin’ny 1919 ka hatramin’izao.
12, 13. a) Iza no niaraka tamin’ny Isiraelin’Andriamanitra teo amin’ny fanompoana an’i Jehovah, ary asa inona no nataon’izy ireo? b) Inona no fifaliana lehibe hitan’ireo mpanompo voahosotr’i Jehovah?
12 Arakaraka ny fandehan’ireo taona, dia nitombo be ny isan’ny Isiraelin’Andriamanitra hatramin’ireo taona 1930, fony nadiva ho tapitra ny fanangonana ny sisa tamin’ireo voahosotra. Nijanona teo ve ny fitomboan’ny isan’ny mpitory ny vaovao tsara? Tsia dia tsia tokoa. Nisy vahoaka be voaforona Kristiana nanantena ny ho eto an-tany, efa nanomboka niseho sahady, ary ireo dia niaraka tamin’ireo rahalahiny voahosotra teo amin’ny asa fitoriana. Nahita an’io vahoaka be io tao amin’ny fahitana ny apostoly Jaona, ary mendri-komarihina ny fomba nilazalazany azy ireo: “Mitoetra eo anoloan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra izy ka manompo Azy andro aman-alina”. (Apokalypsy 7:15). Eny, be natao teo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra ilay vahoaka be. Vokatr’izany, rehefa nanomboka nihena ny isan’ireo voahosotra, taorian’ny 1935, ny asa fanaovana fanambarana kosa dia nandroso hatrany ka nitombo hery noho ireo namana mahatoky ireo.
13 Tamin’izany fomba izany no nahatanterahan’ ny Isaia 60:3, 4, manao hoe: “Ny firenena manatona ny fahazavanao, ary ny mpanjaka mankeo amin’ny famirapiratan’ny fiposahanao. Atopazy manodidina ny masonao, ka jereo! Izy rehetra dia mivory ka mankaty aminao; ny zanakao-lahy dia avy lavitra, ny zanakao-vavy dia sakelehina.” Ny fahasambarana nentin’ireny fisehoan-javatra ireny ho an’ny Isiraelin’Andriamanitra dia voalazalaza amin’ny fomba kanto ao amin’ny Isaia 60:5, izay amakiantsika toy izao: “Ary hahita izany hianao ka ho miramirana, dia hiemponempona sady hohalehibiazina ny fonao; fa ho entina ho anao ny haren’ny ranomasina, ary hafindra ho anao ny fananan’ny firenena.”
Mandroso ny fandaminan’i Jehovah
14. a) Fahitana ny amin’ny zavatra any an-danitra inona no hitan’i Ezekiela, ary inona no baiko azony? b) Inona no hitan’ny vahoakan’i Jehovah amin’ny andro ankehitriny, ary inona no adidy tsapan’izy ireo?
14 Tamin’ny 613 al.f.i., i Ezekiela dia nahita tao amin’ny fahitana ny fandaminan’i Jehovah any an-danitra toy ny kalesy mandroso. (Ezekiela 1:4-28). Taorian’izay, dia hoy i Jehovah taminy: “Ry zanak’olona, andeha mankany amin’ny taranak’Isiraely, ka lazao aminy ny teniko.” (Ezekiela 3:4). Amin’izao taona 1997 izao, isika dia mahita fa ny fandaminan’i Jehovah any an-danitra dia mbola mandroso tsy azo sakanana ihany mba hanatanteraka ny fikasan’Andriamanitra. Noho izany, dia mbola mahatsiaro ho voatosika hilaza amin’ny hafa momba izany fikasana izany ihany isika. Tamin’ny androny, i Ezekiela dia nilaza teny izay ara-tsindrimandrin’i Jehovah nivantana. Amin’izao andro izao isika dia milaza teny izay avy ao amin’ny Teny ara-tsindrimandrin’i Jehovah, ny Baiboly. Ary hafatra toy inona moa no raketin’io boky io ho an’ny olombelona! Raha mbola manahy ny amin’ny hoavy ny olona maro, ny Baiboly kosa dia mampiseho fa mbola ratsy lavitra — no sady tsara lavitra — noho ny eritreretin’izy ireny aza, ny tarehin-javatra.
15. Nahoana ny tarehin-javatra no ratsy kokoa noho ny eritreretin’ny olona maro amin’izao andro izao?
15 Ratsy kokoa ny tarehin-javatra satria, araka ny nianarantsika tao amin’ireo lahatsoratra teo aloha, ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana sy ny fivavahan-diso hafa rehetra, tsy ho ela dia horinganina tanteraka toa an’i Jerosalema tamin’ny 607 al.f.i. Tsy izay ihany, fa ny tontolo ara-politika maneran-tany manontolo, aseho ho toy ny biby dia iray manana loha fito sy tandroka folo ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy, dia madiva hofoanana toy ny maro tamin’ireo mpanompo sampy nonina teo akaikin’i Jerosalema. (Apokalypsy 13:1, 2; 19:19-21). Tamin’ny andron’i Ezekiela, i Jehovah dia nanao filazalazana toy ny hitan’ny maso momba ny horohoro nateraky ny fandravana an’i Jerosalema nihananatona. Hisy heviny lehibe lavitra anefa ny teniny, rehefa hahatsapa ny fandringanana an’itỳ tontolo itỳ mihamanatona ny olona. Hoy i Jehovah tamin’i Ezekiela: “Ary hianao, ry zanak’olona, midridridridria toy ny tapa-balahana, eny, midridridridria amin’ny fangidiana eo imasony. Ary raha izy manao aminao hoe: Nahoana hianao no midridridridry? Dia valio hoe: Noho ny teny efa re, fa ho avy izany — ho kivy ny fo rehetra, hiraviravy ny tànana rehetra, ary hivarahontsana ny fanahy rehetra, sady hanjary ho toy ny rano ny lohalika rehetra — eny, ho avy izany ka ho tanteraka, hoy Jehovah Tompo.” (Ezekiela 21:11, 12; Matio 24:30). Misy fisehoan-javatra mahatahotra efa tena antomotra izao. Ny fiahiantsika lalina ny mpiara-belona amintsika dia manosika antsika hampanakoako ilay fampitandremana, hilaza ilay “teny re” momba ny fahatezeran’i Jehovah ho avy.
16. Ho an’ny mpandefitra, nahoana ny tarehin-javatra no tsara kokoa noho izay eritreretin’ny olona maro?
16 Etsy an-danin’izany, ho an’ny mpandefitra, dia tsara lavitra noho ny eritreretin’ny ankamaroan’ny olona ny tarehin-javatra. Amin’ny fomba ahoana? Satria maty noho ny fahotantsika i Jesosy Kristy ary ankehitriny izy dia Mpanjaka manapaka ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. (1 Timoty 1:15; Apokalypsy 11:15). Ireo zava-manahirana ny olombelona izay toa tsy azo alamina, tsy ho ela dia ho voalamina amin’ny alalan’io Fanjakana any an-danitra io. Ny fahafatesana, ny aretina, ny fandraisana kolikoly, ny hanoanana, ary ny heloka bevava dia hanjary ho anisan’ny lasa, ary ny Fanjakan’Andriamanitra dia hanapaka tsy hisy fanoherana, eo amin’ny tany zary paradisa. (Apokalypsy 21:3, 4). Hahita fiadanana araka an’Andriamanitra ny olombelona — fifandraisana milamina amin’i Jehovah Andriamanitra sy eo amin’izy samy izy. — Salamo 72:7.
17. Fitomboana inona avy no mampifaly ny fon’ireo iraka milaza fiadanana araka an’Andriamanitra?
17 Any amin’ny faritra sasany amin’ny tany, dia vahoaka betsaka amin’ny fomba manaitra, voaforon’olona mpandefitra, no manaiky io hafatra milaza fiadanana araka an’Andriamanitra io. Raha hanonona ohatra vitsivitsy monja isika, tamin’ny taon-dasa, i Ukraine dia nitatitra fitomboana 17 isan-jato teo amin’ny isan’ny mpitory. I Mozambika dia nitatitra fitomboana 17 isan-jato, i Lituanie fitomboana 29 isan-jato. I Rosia dia nanana fitomboana 31 isan-jato, ary i Albania kosa dia nahita fitomboana 52 isan-jato teo amin’ny isan’ny mpitory. Ireo fitomboana ireo dia midika ho olona tso-po an’aliny maro izay maniry hanana fiadanana araka an’Andriamanitra ary niandany tamin’ny fahitsiana. Ny fitomboana haingana toy izany dia mitondra fifaliana ho an’ny fianakavian’ny mpirahalahy kristiana manontolo.
18. Na mihaino ny olona na tsia, inona no ho fihetsitsika?
18 Manaiky mora foana toy izany ve ny olona ao amin’ny misy anao? Raha eny, dia miara-mifaly aminao izahay. Any amin’ny faritany sasany anefa, dia mila ezaka mafy mandritra ny ora maro dia maro vao mba mahita olona liana iray. Moa ve ireo izay manompo any amin’ny faritany toy izany miraviravy tanana na mamoy fo? Tsia. Ny Vavolombelon’i Jehovah dia mahatadidy izao tenin’Andriamanitra tamin’i Ezekiela izao, fony Izy naniraka voalohany an’ilay mpaminany tanora hitory tamin’ireo Jiosy mpiray tanindrazana taminy: “Na hihaino izy na tsy hihaino (fa taranaka maditra izy), dia ho fantany fa efa nisy mpaminany teo aminy.” (Ezekiela 2:5). Sahala amin’i Ezekiela, dia tsy mitsahatra milaza amin’ny olona momba ny fiadanana araka an’Andriamanitra isika, na mandray izy ireny na tsia. Raha mihaino izy ireny, dia faly isika. Raha mandà antsika kosa izy ireny, maneso antsika na manenjika antsika mihitsy aza, dia maharitra isika. Tia an’i Jehovah isika, ary hoy ny Baiboly: “Ny fitiavana (...) miaritra ny zavatra rehetra.” (1 Korintiana 13:4, 7, NW ). Noho isika mitory amim-piaretana, dia fantatry ny olona hoe iza moa ny Vavolombelon’i Jehovah. Fantatr’izy ireo ny hafatra entintsika. Rehefa tonga ny farany, dia ho fantatr’izy ireo fa niezaka hanampy azy ireo hahita fiadanana araka an’Andriamanitra ny Vavolombelon’i Jehovah.
19. Amin’ny maha-mpanompon’ilay Andriamanitra marina antsika, inona no tombontsoa lehibe heverintsika ho sarobidy?
19 Moa ve misy tombontsoa lehibe kokoa noho ny fanompoana an’i Jehovah? Tsia! Ny fahasambarantsika lehibe indrindra dia avy amin’ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra sy ny fahalalana fa manao ny sitrapony isika. “Sambatra izay olona mahalala ny feo mahafaly; Jehovah ô, amin’ny fahazavan’ny tavanao no handehanany.” (Salamo 89:15). Enga anie isika hihevitra ho sarobidy foana ny fifaliana satria hoe irak’Andriamanitra milaza fiadanana ho an’ny olombelona isika. Enga anie isika hanao amim-pahazotoana ny anjarantsika amin’io asa io, mandra-pilazan’i Jehovah hoe vita ilay izy.
Tadidinao Ve?
◻ Iza moa ireo irak’Andriamanitra milaza fiadanana amin’izao andro izao?
◻ Ahoana no ahafantarantsika fa nianjera i Babylona Lehibe tamin’ny 1919?
◻ Inona no zavatra lehibe indrindra ahin’ny “vahoaka be”?
◻ Nahoana ny hoavy no mahakivy kokoa noho ny eritreretin’ny ankamaroan’ny olona amin’izao andro izao?
◻ Ho an’ny mahitsy fo, nahoana ny hoavy no ho tsara kokoa noho ny eritreretin’izy ireo?
[Sary, pejy 21]
Rehefa mahita ny fikororosian’ny fitambaran’olona ny maro, dia mahatsapa fanahiana zava-dratsy hitranga
[Sary, pejy 23]
Ireo iraka milaza fiadanana araka an’Andriamanitra no olona sambatra indrindra eto an-tany amin’izao andro izao