-
Voavonjy Tsy ho Azon’ny Vavan’ny Liona!Diniho ny Faminanian’i Daniela
-
-
NATOMBOKA NY FANATANTERAHANA NY TETI-DRATSY IRAY HAMONOANA OLONA
7. Inona no fanoloran-kevitra nataon’ireo komandy lehibe sy solo-mpanjaka tamin’ny mpanjaka, ary ahoana no fomba nitondran’izy ireo izany?
7 Nohatonina komandy lehibe sy solo-mpanjaka, izay “somaritaka nivory ho any” aminy, i Dariosy. Ilay teny aramianina nandikana an’io dia manana hevitra hoe korontam-be toy ny kotroka. Toa ta hampiseho ireo lehilahy ireo hoe raharaha maika be no tiany hoentina tany amin’i Dariosy. Nety ho nanjohy hevitra izy ireo hoe tsy dia hisalasala loatra momba ny hevitra hatolotr’izy ireo ny mpanjaka, raha nataon’izy ireo tamim-piekena mafy sy ho toy ny zavatra maika dia maika ilay izy.
-