Toko Fahavalo
Voavonjy Tsy ho Azon’ny Vavan’ny Liona!
1, 2. a) Ahoana no nandaminan’i Dariosy Medianina ny empirany nihaniitatra? b) Lazao ireo adidy sy ny fahefan’ireo solo-mpanjaka.
NIANJERA i Babylona! Voafafa tao anatin’ny ora vitsivitsy monja ilay famirapiratan’io firenena natanjaka naharitra zato taona io. Nanomboka ny vanim-potoana vaovao iray, dia ny an’ny Medianina sy ny Persanina. I Dariosy Medianina no nandimby an’i Belsazara teo amin’ny seza fiandrianana, ary dia niatrika ilay asa sarotra handamina ny empirany nihaniitatra izy izao.
2 Ny iray tamin’ireo asa voalohany nataon’i Dariosy dia ny nanendry solo-mpanjaka 120. Misy mino fa avy tamin’ny havan’ny mpanjaka no nifantenana an’ireo izay hanao io asa io. Na ahoana na ahoana, ny solo-mpanjaka tsirairay dia nanapaka teo amin’ny faritany lehibe iray, na teo amin’ny fizaran-tany kely kokoa iray tao amin’ilay empira. (Daniela 6:2). Anisan’ny adidiny ny nanangona hetra sy ny nitondra ilay haba tany an-dapan’ny mpanjaka. Na dia nisy solontenan’ny mpanjaka nitsidika sy nanao andry maso azy tsy tapaka aza, dia nanam-pahefana be ny solo-mpanjaka. Ny hevitr’io anaram-boninahitra nentiny io dia hoe “mpiaro ny Fanjakana”. Tany amin’ny provansiny, ny solo-mpanjaka dia noheverina ho mpanjaka lefitra mihitsy, ka ny fahefana fara tampony ihany no tsy nananany.
3, 4. Nahoana i Dariosy no tia kokoa an’i Daniela, ary notendreny ho amin’ny toeran’ny inona izy?
3 Inona no anjara asan’i Daniela tao amin’izany fandaharana vaovao izany? Hampisotro ronono an’io mpaminany jiosy, izay efa sivifolo taona mahery io, ve i Dariosy Medianina? Tsia! Tsy isalasalana fa fantatr’i Dariosy fa nanambara mialoha araka ny marina ny hianjeran’i Babylona i Daniela, ary koa fa tsy maintsy ho avy tamin’ny fahazavan-tsaina ambony noho ny an’ny olombelona izany filazana mialoha izany. Fanampin’izany, dia efa am-polony taona maro izao no nifampiraharahan’i Daniela tamin’ireo antokona babo maro samihafa tao Babylona. Tapa-kevitra ny hitandro ny fihavanana tamin’ireo olom-peheziny vao avy noreseny ireo, i Dariosy. Noho izany, dia azo antoka fa olona nanana ny fahendren’i Daniela sy ny fahazaran-draharahany no niriny ho mpanolo-tsaina. Hitana ny toeran’ny inona anefa?
4 Efa ho tena nanaitra raha nanendry an’i Daniela, babo jiosy, ho solo-mpanjaka i Dariosy. Nefa alao sary an-tsaina ilay korontam-be nateraky ny fanapahan-keviny hanao an’i Daniela ho ny iray tamin’ireo komandy lehibe telo lahy, izay ho mpiandraikitra an’ireo solo-mpanjaka! Tsy vitan’izay ihany, fa “nihoatra”, na hoe tsara lavitra noho ireo komandy lehibe namany i Daniela. Eny tokoa, hita ho “nanam-panahy hendry” izy. Tapa-kevitra ny hanome azy ny toeran’ny praiminisitra mihitsy aza i Dariosy. — Daniela 6:3, 4.
5. Nanao ahoana ny tsy maintsy ho fihetsik’ireo komandy lehibe hafa sy ireo solo-mpanjaka, teo anoloan’ny fanendrena azon’i Daniela, ary nahoana?
5 Tsy maintsy ho sempotry ny hatezerana ireo komandy lehibe hafa sy ireo solo-mpanjaka. Tsy tantin’izy ireo ilay eritreritra hoe nanam-pahefana teo aminy i Daniela, izay sady tsy Medianina no tsy Persanina na havan’ny mpanjaka akory! Ahoana no nahafahan’i Dariosy nanandratra olona iray hafa firenena ho amin’io toerana ambony io, ka nanao an-kilabao ny mpiray tanindrazana taminy, ary na dia ny fianakaviany mihitsy aza? Tsy maintsy ho toa tsy rariny tamin’izy ireo izany. Ambonin’izany, dia azo antoka fa noraisin’ireo solo-mpanjaka ho fanakantsakanana azy teo amin’ny fanaovany ny tsy marina sy ny fandraisany kolikoly, ny fanaovan’i Daniela ny marina. Kanefa, tsy sahy nanatona an’i Dariosy momba io raharaha io ireo komandy lehibe sy solo-mpanjaka, satria nanaja fatratra an’i Daniela i Dariosy.
6. Inona no nataon’ireo komandy lehibe sy solo-mpanjaka mba hanalana baraka an’i Daniela, ary nahoana no very maina foana ny ezaka nataon’izy ireo?
6 Koa nioko àry ireo mpanao politika feno fialonana ireo. “Nitady izay hiampangany an’i Daniela ny amin’ny fanjakana” izy ireo. Nahitana tsininy ve ny fomba nisahanany ireo andraikiny? Nanao ny tsy marina ve izy? Tsy nahitan’ireo komandy lehibe sy solo-mpanjaka, fanaovana tsirambina na tsininy na dia kely aza, ny fomba nanatontosan’i Daniela ny adidiny. “Tsy ho hitantsika izay hiampangantsika io Daniela io”, hoy izy ireo nanjohy hevitra, “raha tsy ny amin’ny lalàn’Andriamaniny no misy hitantsika hiampangana azy.” Koa dia namorona teti-dratsy iray àry ireo lehilahy feno hafetsen-dratsy ireo. Nihevitra izy ireo fa ho vita hatreo ny amin’i Daniela. — Daniela 6:5, 6.
NATOMBOKA NY FANATANTERAHANA NY TETI-DRATSY IRAY HAMONOANA OLONA
7. Inona no fanoloran-kevitra nataon’ireo komandy lehibe sy solo-mpanjaka tamin’ny mpanjaka, ary ahoana no fomba nitondran’izy ireo izany?
7 Nohatonina komandy lehibe sy solo-mpanjaka, izay “somaritaka nivory ho any” aminy, i Dariosy. Ilay teny aramianina nandikana an’io dia manana hevitra hoe korontam-be toy ny kotroka. Toa ta hampiseho ireo lehilahy ireo hoe raharaha maika be no tiany hoentina tany amin’i Dariosy. Nety ho nanjohy hevitra izy ireo hoe tsy dia hisalasala loatra momba ny hevitra hatolotr’izy ireo ny mpanjaka, raha nataon’izy ireo tamim-piekena mafy sy ho toy ny zavatra maika dia maika ilay izy. Noho izany, dia nanambara ny tiany holazaina avy hatrany izy ireo hoe: “Ny komandy lehibe rehetra amin’ny fanjakana sy ny mpanapaka sy ny solo-mpanjaka sy ny mpanolo-tsaina ary ny governora dia mifanara-kevitra fa tokony hanao lalàna sy didy mafy hianao, ry mpanjaka, ka na zovy na zovy no hanao fangatahana ato anatin’ny telo-polo andro, na amin’Andriamanitra na amin’olona, afa-tsy aminao ihany, ry mpanjaka ô, dia hatsipy ao an-davaky ny liona izy.”a — Daniela 6:7, 8.
8. a) Nahoana no nety ho nanintona an’i Dariosy ilay lalàna natolotra? b) Inona no tena antony nanosika an’ireo komandy lehibe sy solo-mpanjaka?
8 Ireo soratra ara-tantara dia manamafy fa noheverina ho andriamanitra, ary nivavahana toy ny andriamanitra mazàna ny mpanjakan’i Mezôpôtamia. Azo antoka àry fa sodokan’io fanoloran-kevitra io i Dariosy. Nety ho nahita tombony avy tamin’izy io koa izy. Tadidio fa sady vahiny no vaovao i Dariosy, ho an’ny mponin’i Babylona. Io lalàna vaovao io dia hampiorina azy ho mpanjaka tokoa, ary hampirisika an’ireo vahoaka nonina tao Babylona hanambara ny tsy fivadihany tamin’ilay fitondram-panjakana vaovao sy ny fanohanany azy. Tsy ny mpanjaka velively anefa no nahin’ireo komandy lehibe sy solo-mpanjaka, rehefa nanolotra io didy io izy ireo. Ny tena nanosika azy ireo dia ny hamandrika an’i Daniela, satria fantany fa fanaon’i Daniela ny nivavaka tamin’Andriamanitra intelo isan’andro teo anoloan’ireo varavarankely nivohan’ny efitranony ambony.
9. Nahoana no tsy hiteraka zava-nanahirana ho an’ny ankamaroan’ireo tsy Jiosy ilay lalàna vaovao?
9 Hiteraka zava-manahirana ho an’ireo mpivavaka samihafa rehetra tao Babylona ve io lalàna nametra ny fanaovana vavaka io? Tsy voatery ho izany, indrindra fa satria tsy haharitra afa-tsy iray volana ilay fandrarana. Ankoatra izany, dia vitsy tamin’ireo olona tsy Jiosy no hihevitra fa fanekena lembenana ny nivavaka tamin’olombelona nandritra ny fotoana kelikely. Hoy ny manam-pahaizana momba ny Baiboly iray: “Ny fivavahana tamin’ny mpanjaka dia tsy zavatra hafahafa tamin’ilay firenena mpanompo sampy indrindra tamin’ny rehetra; hany ka rehefa nasaina hanome ho an’ny mpandresy azy — Dariosy Medianina — ilay fanajana tokony ho an’ny andriamanitra iray ny Babylonianina, dia nankato avy hatrany. Ny Jiosy ihany no tsy faly tamin’ny fitakiana toy izany.”
10. Ahoana no niheveran’ny Medianina sy ny Persanina ny lalàna iray nataon’ny mpanjakany?
10 Na ahoana na ahoana, ireo mpitsidika an’i Dariosy dia nampirisika azy ‘hanao mafy ny lalàna, ka hanisy sonia mba tsy hiova, araka ny lalàn’ny Medianina sy ny Persanina izay tsy azo ovana’. (Daniela 6:9). Tany Atsinanana fahiny, dia noheverina ho didy jadona matetika ny sitrapon’ny mpanjaka. Izany dia nampaharitra ilay fiheverana hoe tsy nety diso izy. Na dia ny lalàna iray nampamono ho faty olona tsy nanan-tsiny aza dia tsy maintsy nanan-kery foana!
11. Amin’ny ahoana i Daniela no ho voakasik’ilay didy navoakan’i Dariosy?
11 Tsy nieritreritra an’i Daniela i Dariosy, rehefa nanao sonia an’ilay didy. (Daniela 6:10). Tsy fantany fa tamin’ny fanaovana izany izy dia nanao sonia ny fanamelohana ho faty ny komandiny sarobidy indrindra. Eny, tsy maintsy ho voakasik’io didy io i Daniela.
VOATERY NAMOAKA DIDIM-PITSARANA FANAMELOHANA I DARIOSY
12. a) Inona no nataon’i Daniela, raha vao nahafantatra ilay lalàna vaovao izy? b) Iza no nitazana an’i Daniela, ary nahoana?
12 Tsy ela dia nahafantatra ilay lalàna nametra ny fanaovana vavaka i Daniela. Avy hatrany izy dia nankany an-tranony ary niditra tao amin’ny efitranony ambony nisy varavarankely nivoha nanandrify an’i Jerosalema.b Tao i Daniela dia nanomboka nivavaka tamin’Andriamanitra, “satria fanaony hatramin’ny taloha izany”. Nety ho nihevi-tena ho irery i Daniela, nefa hay nanao andry maso azy ireo mpioko. Tampoka teo, dia “somaritaka nivory” nankao aminy izy ireo, tsy misy hafa amin’ny tamin’ny nanatonany an’i Dariosy. Ny mason’izy ireo mihitsy izao no nahita — ‘nangataka sy nifona teo anatrehan’Andriamaniny’ i Daniela. (Daniela 6:11, 12). Nanana ny porofo rehetra nilainy mba hiampangana an’i Daniela tamin’ny mpanjaka ireo komandy lehibe sy solo-mpanjaka.
13. Inona no tatitra nataon’ireo fahavalon’i Daniela tamin’ny mpanjaka?
13 Hoy ireo fahavalon’i Daniela fangoloka ireo, nanontany an’i Dariosy: “Moa tsy misy lalàna nasianao sonia va fa na zovy na zovy no hanao fangatahana, na amin’Andriamanitra na amin’olona, ato anatin’ny telo-polo andro, afa-tsy aminao ihany, ry mpanjaka ô, dia hatsipy ao an-davaky ny liona?” Namaly i Dariosy hoe: “Marina izany, dia araka ny lalàn’ny Mediana sy ny Persiana izay tsy azo ovana.” Nanambara ny tiany holazaina avy hatrany ireo mpioko. “Ilay Daniela, isan’ny babo avy amin’ny taranak’i Joda, dia tsy manaiky anao, na ny lalàna izay nasianao sonia, ry mpanjaka ô, fa manao fangatahana intelo isan-andro izy.” — Daniela 6:13, 14.
14. Inona no antony miharihary niantsoan’ireo komandy lehibe sy solo-mpanjaka an’i Daniela hoe “isan’ny babo avy amin’ny taranak’i Joda”?
14 Mendri-komarihina ny niantsoan’ireo komandy lehibe sy solo-mpanjaka an’i Daniela hoe “isan’ny babo avy amin’ny taranak’i Joda”. Miharihary fa tian’izy ireo hasongadina fa io Daniela nasandratr’i Dariosy ho amin’ny toerana ambony io anie ka tsy inona fa andevo jiosy ihany. Noho izany, araka ny hevitr’izy ireo, dia tsy hoe ambony aoka izany i Daniela ka tsy hofehezin’ny lalàna — na inona na inona fihetseham-pon’ny mpanjaka momba azy!
15. a) Nanao ahoana ny fihetsik’i Dariosy teo anoloan’ilay vaovao nentin’ireo komandy lehibe sy solo-mpanjaka teo aminy? b) Ahoana koa no mbola nampisehoan’ireo komandy lehibe sy solo-mpanjaka ny fanamavoany an’i Daniela?
15 Angamba ireo komandy lehibe sy solo-mpanjaka nanantena ny homen’ny mpanjaka valisoa, noho ny asan’ny mpitsongo dia feno hakingana nataony. Raha izany no izy, dia hagagana no niandry azy ireo. Sahiran-tsaina mafy i Dariosy rehefa nahare ilay vaovao. Tsy tezitra tamin’i Daniela i Dariosy, na nandefa azy avy hatrany tany an-davaky ny liona, fa nandritra ny andro manontolo kosa izy dia nitady fomba hamonjena azy. Very maina foana anefa ny ezaka nataony. Tsy ela dia niverina ireo mpioko, ary tsy tahotra tsy henatra, araka ny toetrany ihany, dia nitaky ny ain’i Daniela izy ireo. — Daniela 6:15, 16.
16. a) Nahoana i Dariosy no nanaja ny Andriamanitr’i Daniela? b) Inona no nantenain’i Dariosy momba an’i Daniela?
16 Tsapan’i Dariosy fa tsy nanan-tsafidy izy tamin’io raharaha io. Tsy azo novana ilay lalàna, no sady tsy azo nivalozana ny “fahotan’i” Daniela. Ny hany azon’i Dariosy nolazaina tamin’i Daniela dia hoe: “Andriamanitrao Izay tompoinao mandrakariva anie hamonjy anao.” Toa nanaja ny Andriamanitr’i Daniela i Dariosy. I Jehovah tokoa no nanome an’i Daniela ilay fahaizana hanambara mialoha ny fianjeran’i Babylona. Nanome an’i Daniela ‘fanahy hendry’ koa Andriamanitra, ka izany no nahatonga azy hiavaka tamin’ireo komandy lehibe hafa. Angamba fantatr’i Dariosy fa am-polony taona maro talohan’izay, io Andriamanitra io ihany dia namonjy tanora hebreo telo lahy avy tamin’ny lafaoro nirehitra afo. Azo inoana fa nanantena i Dariosy fa izao i Jehovah dia hamonjy an’i Daniela, satria tsy afaka nanova ilay lalàna nosoniaviny intsony ny tenany. Natsipy tany an-davaky ny liona àry i Daniela.c Avy eo, dia “nisy vato natampina ny vava-lavaka; ary ny mpanjaka nanomboka izany tamin’ny fanombohan-kaseny sy tamin’ny fanombohan-kasen’ny andriandahiny, mba tsy hovana ny teny ny amin’i Daniela”. — Daniela 6:17, 18.
FIOVAN-JAVATRA NANAITRA MAFY
17, 18. a) Inona no mampiseho fa nampahory an’i Dariosy ilay toe-javatra nisy an’i Daniela? b) Inona no nitranga, rehefa niverina tany amin’ilay lavaky ny liona ny mpanjaka ny ampitso maraina?
17 Niverina tany an-dapany i Dariosy, nalahelo mafy. Tsy nisy mpitendry zavamaneno nampidirina teo anatrehany, satria tsy te hiala voly velively izy. Tsy natory kosa aza izy ny alina tontolo, ary nifady hanina. “Tsy nahita torimaso izy.” Raha vao maraina koa, dia nandeha haingana tany amin’ilay lavaky ny liona izy. Hoy izy, niantso tamin’ny feo malahelo: “Ry Daniela, mpanompon’Andriamanitra velona ô, moa Andriamanitrao Izay tompoinao mandrakariva mahavonjy anao amin’ny liona va?” (Daniela 6:19-21). Talanjona izy nahazo valiny — no sady nahatsiaro ho maivamaivana tsy nisy ohatra izany!
18 “Ry mpanjaka, ho velona mandrakizay anie hianao.” Tamin’io fiarahabana feno fanajana io i Daniela dia nampiseho fa tsy nitahiry lolompo tamin’ny mpanjaka akory ny tenany. Takany fa ny tena niavian’ilay fanenjehana azy dia tsy i Dariosy akory, fa ireo komandy lehibe sy solo-mpanjaka feno fialonana. (Ampitahao amin’ny Matio 5:44; Asan’ny Apostoly 7:60.) Hoy i Daniela nanohy ny teniny: “Andriamanitro efa naniraka ny anjeliny ka nanakombona ny vavan’ny liona tsy handratra ahy, satria fahamarinana no hitany tamiko; ary teo anatrehanao koa, ry mpanjaka ô, tsy nanao ratsy aho.” — Daniela 6:22, 23.
19. Ahoana no namitahan’ireo komandy lehibe sy solo-mpanjaka an’i Dariosy sy nanaovan’izy ireo azy ho fitaovana?
19 Tsy maintsy ho nanindrona ny feon’ny fieritreretan’i Dariosy toy inona moa ireo teny ireo! Fantany dieny teo am-boalohany fa tsy nanao na inona na inona mendrika ny hanipazana azy tao an-davaky ny liona i Daniela. Fantany tsara koa fa ireo komandy lehibe sy solo-mpanjaka no nioko ny hamonoana an’i Daniela ho faty, fa nataon’izy ireo fitaovana ny mpanjaka mba hanatratrarana ny tanjony feno fitiavan-tena. Rehefa nanizingizina izy ireo hoe “ny komandy lehibe rehetra amin’ny fanjakana” no nanolo-kevitra ny handaniana ilay didy, dia te hilaza fa efa nakana hevitra koa i Daniela. Hikarakara ny raharaha momba ireo lehilahy fetsy ratsy ireo i Dariosy any aoriana, fa izao aloha, dia nanome baiko ny hampakarana an’i Daniela avy tao amin’ilay lavaky ny liona izy. Noho ny fahagagana, dia tsy voarangotra na dia kely akory aza i Daniela! — Daniela 6:24.
20. Inona no nanjo an’ireo fahavalon’i Daniela feno haratsiam-panahy?
20 Voavonjy soa aman-tsara izao i Daniela, ka afaka nikarakara raharaha hafa amin’izay i Dariosy. “Ny mpanjaka nandidy, ka nentina ireo lehilahy niampanga an’i Daniela ireo, dia natsipy tao an-davaky ny liona izy mbamin’ny vadiny aman-janany, ary ny liona nanan-kery taminy ka nanapatapaka ny taolany, raha tsy mbola nipaka tamin’ny vodin’ny lavaka akory aza izy.”d — Daniela 6:25.
21. Inona no nampiavaka ny Lalàn’i Mosesy sy ny lalàn’ny kolontsaina fahiny sasany, raha ny amin’ny mpianakavin’ny mpanao ratsy?
21 Mety ho toa tafahoatra sy henjana ny famonoana ho faty ny vady aman-janak’ireo mpioko niaraka taminy. Nifanohitra tamin’izany ilay Lalàna nomen’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Mosesy mpaminany hoe: “Ny ray tsy hatao maty amin’ny ataon’ny zanany, ary ny zanaka tsy hatao maty amin’ny ataon’ny rainy; fa samy hatao maty amin’ny fahotany avy ihany ny olona.” (Deoteronomia 24:16). Na dia izany aza, teo amin’ny kolontsaina fahiny sasany, dia fahita ny famonoana ho faty ny mpianakavin’ny mpanao ratsy iray niaraka taminy, tamin’ny raharaha nahakasika heloka tena lehibe. Angamba izany natao mba tsy hahafahan’ireo mpianakavy hitady hamaly faty any aoriana. Na izany na tsy izany anefa, dia tsy i Daniela velively no fototr’io famonoana ny fianakavian’ireo komandy lehibe sy solo-mpanjaka io. Azo inoana fa nampahory azy kosa aza ny loza nampitondrain’ireo lehilahy ratsy fanahy ireo ny fianakaviany.
22. Fanambarana vaovao inona no navoakan’i Dariosy?
22 Tsy teo intsony izao ireo komandy lehibe sy solo-mpanjaka mpanao teti-dratsy. Namoaka izao fanambarana izao i Dariosy: “Manao lalàna aho mba hangovitan’ny olona sy hatahorany eo anatrehan’Andriamanitr’i Daniela eran’ny fanjakako rehetra; fa Izy no Andriamanitra velona sady maharitra mandrakizay; ny fanjakany tsy ho rava, ary ny fanapahany haharitra hatramin’ny farany. Izy no mamonjy sy manafaka ary manao famantarana sy fahagagana any an-danitra sy etỳ an-tany, ary Izy no namonjy an’i Daniela ho afaka tamin’ny herin’ny liona.” — Daniela 6:26-28.
MANOMPOA AN’ANDRIAMANITRA AMIN’NY FOMBA TSY MIOVAOVA
23. Inona no ohatra navelan’i Daniela, raha ny amin’ny asany, ary ahoana no ahafahantsika manahaka azy?
23 Namela ohatra tsara dia tsara ho an’ny mpanompon’Andriamanitra rehetra amin’izao androntsika izao i Daniela. Tsy nisy azo nokianina na oviana na oviana ny fitondran-tenany. Teo amin’ny asany i Daniela dia “marina (...), ka tsy nisy kilema na tsiny hita taminy”. (Daniela 6:5). Toy izany koa, ny Kristianina dia tokony hazoto eo amin’ny asany. Tsy midika akory izany fa tokony ho mpandraharaha maty eritreritra, izay mikatsaka mafy harena ara-nofo, na manao ny hafa ho tohatra fiakarana mba hisondrotana, izy. (1 Timoty 6:10). Mitaky ny hiantsorohan’ny Kristianina ny adidiny any am-piasana amim-panaovana ny marina sy amin’ny fanahiny manontolo, “toy ny ho an’i Jehovah”, ny Soratra Masina. — Kolosiana 3:22, 23, NW; Titosy 2:7, 8; Hebreo 13:18.
24. Ahoana no nampisehoan’i Daniela fa tsy nampandefitra ny fanompoam-pivavahany izy?
24 Tsy nampandefitra ny fanompoam-pivavahany i Daniela. Fantatry ny besinimaro ny fahazarany nivavaka. Ankoatra izany, dia fantatr’ireo komandy lehibe sy solo-mpanjaka tsara fa nihevitra ny fanompoam-pivavahany ho zava-dehibe i Daniela. Eny tokoa, nino izy ireo fa tsy hiala tamin’ilay fahazarany izy, na dia nisy lalàna nandrara izany aza. Izany ka ohatra faran’izay tsara ho an’ny Kristianina amin’ny andro ankehitriny! Izy ireo koa dia malaza ho mametraka ny fanompoam-pivavahany amin’Andriamanitra ho eo amin’ny toerana voalohany. (Matio 6:33). Tokony hiharihary amin’ny mpitazana azy avy hatrany izany, satria nandidy ny mpanara-dia azy toy izao i Jesosy: “Aoka hazava eo imason’ny olona (...) ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra.” — Matio 5:16.
25, 26. a) Inona no mety ho fanatsoahan-kevitry ny sasany momba ny lalana narahin’i Daniela? b) Nahoana no noheverin’i Daniela ho fanekena lembenana ny fanovana ny fahazarany?
25 Mety hisy hilaza fa ho afaka nanalavitra ilay fanenjehana i Daniela, tamin’ny fivavahana tamin’i Jehovah tao amin’ny miafina nandritra ireo 30 andro. Rehefa heverina tokoa, dia tsy misy fomba fitoetry ny vatana manokana, na toerana manokana takina, vao hohenoin’Andriamanitra ny tena. Afaka mahafantatra ny fisainan’ny fo mihitsy aza izy. (Salamo 19:14). Na dia izany aza, tamin’i Daniela, ny fanovana ny fahazarany dia ho fanekena lembenana. Fa nahoana?
26 Koa satria fantatry ny rehetra ny fahazaran’i Daniela nivavaka, inona no hafatra ho nampitainy, raha nanajanona izany tampoka izy? Nety ho nanatsoaka hevitra ireo mpandinika azy hoe natahotra olona izy, sy hoe afaka nisongona ny lalàn’i Jehovah ny didin’ny mpanjaka. (Salamo 118:6). Nasehon’i Daniela tamin’ny zavatra nataony anefa fa nahazo ny fifikirany tsy nizarazara i Jehovah. (Deoteronomia 6:14, 15; Isaia 42:8). Mazava ho azy fa tsy namingavinga tsy nisy fanajana ny lalàn’ny mpanjaka akory i Daniela, tamin’ny fanaovana izany. Tsy niforitra koa anefa izy, ka hoe hanaiky lembenana. Nanohy nivavaka tsotra fotsiny tao amin’ny efitranony ambony i Daniela, toy ny “fanaony hatramin’ny taloha”, izany hoe talohan’ilay didin’ny mpanjaka.
27. Ahoana no ahafahan’ny mpanompon’Andriamanitra amin’izao andro izao manahaka an’i Daniela a) raha ny amin’ny fanekena ny fahefana ambony? b) raha ny amin’ny fanekena an’Andriamanitra mihoatra noho ny olona? d) raha ny amin’ny fiezahany hiara-miaina amim-pihavanana amin’ny olona rehetra?
27 Afaka mandray fianarana avy amin’ny ohatr’i Daniela ny mpanompon’Andriamanitra amin’izao andro izao. ‘Manaiky ny fahefana lehibe’ mandrakariva izy ireo, ka mankato ireo lalan’ilay tany misy azy. (Romana 13:1). Rehefa mifanipaka amin’ny an’Andriamanitra anefa ny lalàn’ny olombelona, dia manaraka ny fihetsik’ireo apostolin’i Jesosy ny vahoakan’i Jehovah, ka manambara amim-pahasahiana koa hoe: “Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona.” (Asan’ny Apostoly 5:29). Tsy mampirisika hanongam-panjakana na hikomy akory ny Kristianina, rehefa manao izany. Ny katsahiny kosa dia ny hiara-miaina amim-pihavanana amin’ny olona rehetra tsotra fotsiny, mba ‘hiainany miadana sy mandry fahizay amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra’. — 1 Timoty 2:1, 2; Romana 12:18.
28. Ahoana no nanompoan’i Daniela an’i Jehovah ‘tamin’ny fomba tsy niovaova’?
28 Indroa i Dariosy no nilaza fa nanompo an’Andriamanitra “mandrakariva”, na hoe ‘tamin’ny fomba tsy niovaova’ (NW ), i Daniela. (Daniela 6:17, 21). Ilay fototeny aramianina nadika hoe ‘tamin’ny fomba tsy niovaova’ dia midika hoe “mihodinkodina tsy an-kijanona”. Izy io dia milaza hevitra momba ny tsingerina mitohy iray, na ny zavatra iray tsy misy farany. Toy izany ny tsy fivadihan’i Daniela. Nanaraka lalana iray azo nampoizina izy io. Tsy nisy nisalasalana ny amin’izay hataon’i Daniela, rehefa tojo fitsapana izy, na kely izany na lehibe. Hanohy hanaraka ilay lalana naoriny efa am-polony taona maro talohan’io izy — ny lalan’ny tsy fivadihana sy ny fahatokiana tamin’i Jehovah.
29. Ahoana no ahafahan’ny mpanompon’i Jehovah amin’izao andro izao mandray soa avy amin’ny lalam-pahatokiana narahin’i Daniela?
29 Maniry hanaraka ny ohatr’i Daniela ny mpanompon’Andriamanitra amin’ny andro ankehitriny. Eny tokoa, ny apostoly Paoly dia nananatra ny Kristianina rehetra mba handinika ny ohatr’ireo olona natahotra an’Andriamanitra tamin’ny andro fahiny. Noho ny finoana, izy ireny dia “niasa fahamarinana, nahazo teny fikasana”, ary “nanakombona ny vavan’ny liona” — teny miharihary fa manondro an’i Daniela. Isika mpanompon’i Jehovah amin’izao andro izao, aoka isika haneho finoana sy tsy hiovaova sahala amin’i Daniela ka “hihazakazaka amin’ny faharetana amin’izao fihazakazahana filokana napetraka eo anoloantsika izao”. — Hebreo 11:32, 33; 12:1.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ny fisian’ny ‘lavaky ny liona’ iray tany Babylona dia hamarinin’ny soratra tranainy izay mampiseho fa matetika no nanana zaridaina nisy bibidia ireo mpanapaka tatsinanana.
b Ny efitrano ambony dia efitra manokan’ny olona iray, izay azony naleha, rehefa tsy naniry hohelingelenina izy.
c Nety ho efitra iray tany ambanin’ny tany, izay nisokatra tetỳ ambony, ilay lavaky ny liona. Nety ho nisy varavarana na makarakara azo nakarina mba hidiran’ireo biby, koa izy io.
d Ny teny hoe “niampanga” dia nadika avy tamin’ny teny aramianina iray izay azo adika koa hoe “nanendrikendrika”. Izany dia manasongadina ny fahatapahan-kevitra feno haratsiam-panahin’ireo fahavalon’i Daniela.
INONA NO AZONAO?
• Nahoana i Dariosy Medianina no nanapa-kevitra ny hanome toerana ambony an’i Daniela?
• Tetika feno hafetsen-dratsy inona no nokotrehin’ireo komandy lehibe sy solo-mpanjaka? Ahoana no namonjen’i Jehovah an’i Daniela?
• Inona no nianaranao avy tamin’ny fandinihana ny oha-pahatokiana navelan’i Daniela?
[Sary, pejy 114]
[Sary, pejy 121]
[Sary, pejy 127]
Nanompo an’i Jehovah ‘tamin’ny fomba tsy niovaova’ i Daniela. Ary ianao?