Nampianatra mpanjaka i Jehovah
“Marina avokoa ny asany rehetra, ary araka ny rariny ny làlany; ary izay mandeha amin’ny fiavonavonana dia hainy haetry.” — DANIELA 4:34.
1. Ny amin’ny toetran’i Jehovah inona moa no nosoritan’i Eliho?
“INDRO, Andriamanitra miasa amin’ny heriny mampiseho ny fisandratany: iza no mba mpampianatra tahaka Azy?” Ireo teny nolazain’i Eliho tamin’i Joba nianjadian’ny fahoriana ireo, dia manamarika ny anankiray amin’ireo toetra mampiavaka ny Mpamorona, dia Jehovah Andriamanitra. Mpampianatra tsy manan-tsahala izy. — Joba 36:22.
2, 3. a) Inona moa no anankiray amin’ireo fianarana noheverin’i Jehovah fa nilaina ny hanomezana azy ny olona? b) Tamin’ny andron’i Mosesy, mpitondra iza moa no tsy maintsy nomen’i Jehovah izany fianarana izany, ary tamin’ny fomba ahoana? d) Ao amin’ny Teniny, impiry moa Andriamanitra no milaza fa ny fikasany dia ny hanome ny olona izany fianarana izany?
2 Tsy maintsy nampianarin’Andriamanitra ny olona sy ny firenena indrindra ny amin’ny toerana notanan’izy ireny teo anatrehany. Izany no nosoritan’i Davida mpanao salamo ao amin’ny Salamo 9:19, 20: “Mitsangàna, Jehovah ô, aoka tsy hahery ny olona; aoka hotsaraina eo anatrehanao ny jentilisa. Asio fampahatahorana izy, Jehovah ô; aoka ho fantatry ny jentilisa fa olona ihany izy.”
3 Ny anankiray tamin’ireo mpitondra olombelona noheverin’i Jehovah Andriamanitra fa nilaina hampianarina dia ny farao tamin’ny andron’i Mosesy. Nampiasa ny loza namelezany ny Egyptiana i Jehovah tamin’izany. Izao mihitsy aza no nambarany tamin’io farao nieboebo io: “Kanefa izao indrindra no nampaharetako anao, dia ny hampahita anao ny heriko mba hambara any amin’ny tany rehetra ny anarako.” (Eksodosy 9:16). Afa-tsy izany koa, in-70 mahery ao amin’ny Teniny (manomboka ao amin’ny Eksodosy 6:7 ka hatramin’ny Joela 3:17), dia nilaza Jehovah fa hanao asa lehibe karazan’izany izy, mba hahafantaran’ireo mpanjaka sy vahoaka ary firenena fa izy no ilay Avo Indrindra ambonin’ny tany rehetra.
4. Tamin’ny andron’i Daniela, dia mpitondra telo no nomen’i Jehovah fianarana: iza avy, ary tamin’ny fomba ahoana?
4 Ny bokin’i Daniela dia mitantara toe-javatra sasany nanomezan’i Jehovah fianarana nanaitra ho an-dry Nebokadnezara sy Belsazara ary Dariosa mpanjaka. Oviana no nanaovany izany? Tena azo inoana fa teo anelanelan’ny 617 sy 535 alohan’ny fanisan-taona iraisana. Ary tamin’ny fomba ahoana? Tamin’ny alalan’ny nofy sy ny heviny, sy tamin’ny fampisehoana azy ireo ny heriny. Nampahafantarin’i Jehovah an’ireny mpitondra olombelona ireny fa izy no Tompom-piandrianana tampony eo amin’izao rehetra izao ary ny tenan’izy ireo dia olona tena nalemy fotsiny. Fianarana tsy maintsy horaisin’ireo mpitondra eo amin’izao tontolo izao ankehitriny koa izany.
5. Inona no fanambarana mampisava ny fisalasalan’ny sasany ny amin’ny fahamarinan’ny bokin’i Daniela?
5 Nefa moa ve tsy manao izay hisalasalana ny amin’ny fahamarinan’ny bokin’i Daniela ny mpanao fanakianana maro amin’izao androntsika izao? Mba hamaliana ireny mpanaratsy ireny, dia ara-drariny tokoa ny nanambaran’ny mpandinika Baiboly iray hoe: “Ireo fahagagana tantarain’io boky io, ireo faminaniana raketiny, dia tsy maintsy nosoratan’i Daniela tamin’ny fotoana nitrangan-javatra. Izay iray àry na ilazana fahagagana sy faminaniana marina isika, na ilazana lainga mifanototra fotsiny.” (Daniela mpaminany, nataon’i E. Pusey, pejy faha-75 [anglisy]). Imbetsaka no mampahafantatra ny tenany ny mpanoratra an’io boky io, porofon’izany ireto teny ireto: “Izaho Daniela.” (Daniela 8:15; 9:2; 10:2). Moa ve izany tsy tantara notefitefena fotsiny? Na dia misy milaza izany aza, talohan’ny nanombohan’ny taonjato faha-18, na ny Jiosy na ny kristiana dia samy tsy nisy nanohitra ny hoe Daniela no niavian’ny boky mitondra ny anarany. Ananantsika anefa ny porofo azo inoana kokoa noho ny an’izay rehetra mety ho mpandinika Baiboly amin’izao androntsika izao momba ny bokin’i Daniela: ny an’ny Soratra masina. Intelo tokoa no anononana an’i Daniela ao amin’ny bokin’i Ezekiela (Ezekiela 14:14, 20; 28:3). Ny porofo mampiaiky indrindra dia ity fanambarana nataon’i Jesosy Zanak’Andriamanitra ity, voarakitra ao amin’ny Matio 24:15, 16: “Koa raha hitanareo mitsangana ao amin’izay fitoerana masina ‘ny fahavetavetan’ny fandravana’, izay nampilazaina an’i Daniela mpaminany (aoka hisaina izay mamaky izany), dia aoka izay olona any Jodia handositra ho any an-tendrombohitraa.”
Fantatr’i Nebokadnezara ny hoe iza no Andriamanitra marina
6. Inona no fahombiazana nety ho namelona ny fieboeboan’ny mpanjakan’i Babylona, ary inona no noresahiny ao amin’ny soratra nataony?
6 Araka ny nolazain’i Isaia dia feno fiavonavonana ireo mpanjakan’i Babylona (Isaia 14:4-23). Mpivavaka be koa i Nebokadnezara ambonin’izany. Noresahiny tao amin’ny teny nosoratany ny amin’ny “volavolan-kevi-panorenany sy ny amin’ny fankamasinany ireo andriamanitr’i Babylonia”. Azo antoka fa nampieboebo azy ny fahombiazana azony tamin’ny nakany an’i Jerosalema sy ny tanin’ny Joda manontolo, tao amin’izay tsy nahombiazan’i Sankeriba mafy.
7. Tao anatin’ny toe-javatra niseho inona, voatantara ao amin’ny Daniela toko voalohany, no tokony ho nianaran’i Nebokadnezara nanaja ny Andriamanitry ny Hebreo?
7 Rariny raha hanaja ilay Andriamanitr’i Daniela sy ireo namany hebreo telo i Nebokadnezara taorian’ny nisehoan’ireo lehilahy ireo teo anatrehany. Marina tokoa fa “ny amin’ny fahendrena sy ny fahalalana rehetra izay nanontanian’ny mpanjaka azy, dia hitany fa nanan-tombo impolo heny noho ny ombiasy rehetra sy ny mpisikidy izay teo amin’ny fanjakany rehetra aza izy”. Eny, nihoatra lavitra noho ny mpivavaka tamin’ny andriamani-kafa rehetra ireo olon-kendry nanana an’i Jehovah ho Andriamanitra. Tsy takona tamin’i Nebokadnezara izany toe-javatra izany. — Daniela 1:20.
8. Tamin’ny fomba ahoana no nampihariharian’i Jehovah fa tsy nanana fahalalana niavaka mihitsy ireo olon-kendrin’i Babylona?
8 Nanan-javatra hafa tsy maintsy nampianarina an’i Nebokadnezara anefa i Jehovah. Voatantara ao amin’ny Daniela toko faha-2 ny fianarana manaraka nomeny azy. Nataony izay hanonofisan’io mpanjaka io zavatra mahatahotra hadinony rehefa avy eo. Koa satria nanakorontan-tsaina mafy an’ilay mpanjakan’i Babylona io nofy io, dia nampiantso ny olon-kendriny rehetra izy mba hitantaran’ireo aminy ny nofiny sy hilazany ny heviny. Hita avy hatrany fa tsy afaka nanambara taminy ny nofy izy ireo, indrindra ka hoe hilaza ny heviny, hany ka voatery niaiky tsy nivantana izy ireo fa tsy nanana fahalalana mahagaga mihitsy. Tezitra aoka izany ny mpanjaka ka nandidy ny hamonoana azy rehetra. Rehefa nampahafantarina an’i Daniela sy ireo namany ny voalazan’ny didin’ny mpanjaka, dia nangataka fanalavam-potoana i Daniela ka nekena izany. Avy eo, dia niara-nivavaka mafy tamin’ireo namany telo ny amin’izany izy, ka nasehon’i Jehovah azy ny nofy sy ny heviny. — Daniela 2:16-20.
9. a) Iza irery ihany moa no afaka nilaza ny hevitry ny nofin’i Nebokadnezara, ary inona no heviny nolazainy? b) Tonga tamin’ny fanatsoahan-kevitra hoe ahoana moa ny mpanjaka tamin’ny farany?
9 Rehefa nampidirina teo anatrehan’ny mpanjaka Daniela, dia nanontany azy toy izao i Nebokadnezara: “Moa mahay manambara amiko ny nofy izay hitako mbamin’ny heviny va hianao?” Rehefa avy nampahatsiahy an’ilay mpanjaka nieboebo ny amin’ny tsy nahaizan’ireo olon-kendriny nanambara taminy ny zava-miafina nofonosin’io nofy io sy ny heviny i Daniela, dia niteny taminy hoe: “Kanefa misy Andriamanitra any an-danitra, Izay mampiseho zava-miafina ka mampahafantatra an’i Nebokadnezara mpanjaka izay ho tonga any am-parany.” Nolazain’i Daniela tamin’ny mpanjaka àry ny nofiny rehefa avy eo, dia ny amin’ny sary makadiry iray, ary nampahafantariny azy ny nasehon’izany. Nanaitra mafy ny sain’ilay mpanjaka izany ka hoy ny nambarany: “Marina tokoa fa Andriamanitrareo dia Andriamanitry ny andriamanitra sy Tompon’ny mpanjaka ary Mpampiseho zava-miafina, ka dia nahay nampiseho izany zava-miafina izany hianao.” Tamin’izany fomba izany no nampahafantaran’i Jehovah an’i Nebokadnezara hoe izy no Ilay hany Andriamanitra marina. — Daniela 2:26, 28, 47.
10, 11. a) Tamim-pieboeboana, inona moa no nataon’i Nebokadnezara mpanjaka, ary baiko inona no nomeny nanaraka izany? b) Tamin’ny tsy fetezana hanaraka ny baikon’ny mpanjaka, nanao izay hisalasalana ny amin’inona moa ireo Hebreo telo lahy, ary inona no vokatr’izany?
10 Na dia nanaitra ny sainy tokoa aza ny fahalalana sy ny fahendren’ilay Andriamanitry ny Hebreo, dia tsy maintsy mbola tokony handray fianarana hafa i Nebokadnezara mpanjaka. Natosiky ny fieboeboana izy ka nanangana tao amin’ny tany lemaka Dora, sary goavana 60 hakiho ny haavony ary 6 hakiho ny sakany, refy mahatonga antsika hieritreritra ny isa 666, mariky ny “bibi-dia” avy amin’i Satana resahina ao amin’ny Apokalypsy 13:18. (Mitovy amin’ny 45 santimetatra ny hakiho iray. Eo amin’ny 27 metatra àry ny haavon’ilay sary ary 2,70 metatra ny sakany.) Nodidian’ny mpanjaka ny manamboninahitra rehetra tao amin’ny fanjakany ho “tonga hitokana ilay sary” sy hiankohoka eo anatrehany mba hankalaza azy rehefa maneno ny rodoben-javamaneno. Rehefa nahamarika ny manamboninahitra kaldeana sasany be fialonana fa tsy nandray anjara tamin’io fombafomba io ireo Hebreo telo lahy tonga teo, dia lasa niampanga azy ireo tany amin’ny mpanjaka izy. — Daniela 3:1, 2, MN.
11 Raharaha lehibe tokoa izany teo imason’i Nebokadnezara. Moa ve izy indray andro tsy nirehareha ho “ilay mametraka ao am-bavan’ny vahoaka ny fankamasinana ireo andriamanitra lehibe”? Fanaovana zavatra tsy nety lehibe tamin’ny fahamboniany tamin’ny naha-emperora sy tamin’ny firehetany tamin’ny fivavahana ny fihetsik’ireo Hebreo ireo. Nisafoaka mafy io mpanjaka nieboebo io ka nanome ho an’ireo Hebreo telo lahy, fahafahana fanindroany hankatò, nefa niaraka tamin’izao farateny izao: “Fa raha tsy mety mivavaka kosa hianareo, dia hatsipy miaraka amin’izay ho ao anatin’ny lafaoro misy afo mirehitra; fa iza moa izany Andriamanitra hahavonjy anareo amin’ny tànako izany?” Tsy maintsy nianatra koa i Nebokadnezara fa ny Andriamanitr’izy ireo dia tena afaka namonjy ireo Mpanompony tamin’ny tanan’ny mpanjaka osa iray toy izany ary tsy nisy mihitsy andriamanitra hafa nahavonjy tahaka ilay Andriamanitry ny Hebreo. — Daniela 3:15.
Ny nofy ny amin’ilay hazo
12, 13. a) Ahoana moa no hevitry ny nofy ny amin’ny hazo nomen’i Daniela an’i Nebokadnezara? b) Tamin’ny fomba ahoana moa no nampisehoan’i Nebokadnezara fa tsy nampihena ny fiavonavonany ny filazana ny hevitry ny nofy?
12 Inona no ho vokatr’ireo fianarana telo ireo teo aminao? Toa tsy ampy nampamerina an’i Nebokadnezara teo amin’ny toerany izany. Voatery nanome fianarana hafa iray koa ho azy àry Jehovah. Nampiasa nofy vaovao indray izy, ary teo indray koa dia tsy nisy nahalaza ny heviny ireo olon-kendrin’i Babylona. Tamin’ny farany, dia nampanantsoina Daniela, ary afaka nampahafantatra ny mpanjaka ny hevitr’io nofy io, dia ny hoe: hiaina tahaka “ny bibi-dia” io mpanjaka io mandritra ny fito taona, rehefa avy eo dia hody indray ny sainy. — Daniela 3:31 – 4:34.
13 Asehon’ny tohin’ny zava-nitranga fa tsy nampihena ny fiavonavonan’i Nebokadnezara io nofy io. Rehefa afaka herintaona teo ho eo tatỳ aoriana tokoa, raha mbola nitsangatsangana tao an-dapany io mpanjaka io, dia nanao izao fanambarana tamim-pireharehana izao: “Tsy ity va no Babylona lehibe, izay nataoko ho lapan’ny fanjakana tamin’ny haben’ny heriko mba ho voninahitry ny fahalehibiazako?” Fizahozahoana re izany! Tamin’izay fotoana izay indrindra, dia nisy feo re avy any an-danitra nilaza tamin’ilay mpanjaka nieboebo fa hesorina aminy ny fanjakany ka hiara-hitoetra amin’ny biby any an-tsaha mandritra ny fetr’andro fito izy ‘ambara-pahafantany fa ny Avo Indrindra no manapaka amin’ny fanjakan’ny olona’. — Daniela 4:27-29.
14. Ahoana no nahatanterahan’ilay nofy ny amin’ny hazo, ary niteraka inona ho an’i Nebokadnezara izany?
14 Rehefa avy niaina toy ny biby nandritra ireo fetr’andro fito na fito taona ireo i Nebokadnezara, dia nataon’i Jehovah izay hodian’ny sainy ka voatery niaiky izy fa ‘tsy misy mahasakana ny Avo Indrindra, na manao aminy hoe: ‘Inona no ataonao?’ Nasehon’ilay mpanjaka babyloniana aza fa mbola nandray soa lehibe kokoa tamin’io fianarana io izy tamin’ny filazana hoe: “Koa amin’izany, izaho Nebokadnezara midera sy manandratra ary mankalaza ny Mpanjakan’ny lanitra; marina avokoa ny asany rehetra, ary araka ny rariny ny làlany; ary izay mandeha amin’ny fiavonavonana dia hainy aetry” — tahaka ny tenany. Moa ve io fanambarana ny amin’ny fomba nandaminan’i Jehovah imbetsaka raharaha momba ny fiandrianana io tsy porofo tsy mivantana mafy orina manamarina fa tsy noforonin’ny saina fotsiny akory ireny fitantarana ireny, fa zava-nisy ara-tantara nolazain’olona nahazo tsindrimandry avy tamin’Andriamanitra? — Daniela 4:32, 34.
Belsazara sy ny soratra teo amin’ny rindrina
15. Ahoana moa no nampisehoan’i Belsazara ny fanamavoany an’i Jehovah, ilay Andriamanitra marina?
15 Belsazara dia mpanjaka hafa iray koa afaka nahazo fianarana avy amin’i Jehovah. Niara-nanjaka tamin’i Nabonida rainy izay nandimby an’i Nebokadnezara, izy. Tamin’ny fanasana lehibe iray, dia sahisahy ratsy i Belsazara nandidy ny hitondrana ireo kapoaka volamena nalain’ny raibeny tany amin’ny tempolin’i Jerosalema, mba hisotroan’izy sy ireo mpanapany mbamin’ireo vadiny sy ireo vaditsindranony. Tamin’izany, dia “nisotro divay izy sady nankalaza ny andriamanitra volamena sy volafotsy sy varahina sy vy sy hazo ary vato”. — Daniela 5:3, 4.
16, 17. a) Tamin’ny fomba ahoana moa no nampitahoran’i Jehovah an’i Belsazara? Inona no hevitry ny soratra niseho teo amin’ny rindrina nolazain’i Daniela, ary ahoana no nisehoan’izany ho marina?
16 Tonga ny fotoana hamaranan’Andriamanitra ny fanapahana babyloniana. Nisy soratra hafahafa nasehony àry teo amin’ny rindrina. Naharaiki-tahotra aoka izany ny mpanjaka io fahagagana io, hany ka nantsoiny niaraka tamin’izay ny olon-kendriny rehetra mba hilaza ny hevitry ny soratra, nefa tsy nisy nahay izany. Nampahatsiarovin-dreniny azy tamin’izay fa tokony ho afaka hilaza ny hevitr’io soratra io i Daniela izay nilaza ny hevitry ny nofin’i Nebokadnezara (Daniela 5:10-12). Dia nantsoina Daniela. Rehefa nanontany azy ilay mpanjaka raha afaka nilaza ny hevitry ny soratra izy, dia nampahatsiarovin’i Daniela azy fa naetrin’Andriamanitra ny raibeny niavonavona mba hahafantarany fa ny Avo Indrindra no Filoha eo amin’ny fanjakan’ny olombelona. — Daniela 5:20, 21.
17 Hoy koa i Daniela tamin’i Belsazara: “Andriamanitra Izay mitana ny ainao sady Tompon’ny alehanao dia tsy mba nankalazainao.” (Daniela 5:23). Ilay soratra àry dia natao hampahafantarana an’ilay mpanjaka babyloniana fa nifarana ny fiandrianany, nolanjaina izy ka hita fa latsa-danja, ary homena ny Mediana sy ny Persiana ny fanjakany. Ary tamin’io alina io, rehefa avy nanome an’i Belsazara an’io fianarana mendrika azy tokoa io i Jehovah, dia novonoina ilay mpanjaka kaldeana niavonavona. — Daniela 5:30.
18. Ahoana no hanomezan’i Jehovah fianarana sahala amin’izany ho an’ireo mpitondra ankehitriny raha ny amin’ny fiandrianany sy ny fahefany hanafaka?
18 Toy ny nanomezan’Andriamanitra fianarana an’ireo mpanjaka nieboebo toa an’i Nebokadnezara sy Belsazara mba hitarihana azy ireo hanaiky ny fiandrianany sy ny fahefany hanafaka, dia tahaka izany koa fa ao Haramagedona dia hampahafantariny ny mpitondra rehetra amin’ny tany fa izy ny Filoha tampony, ny Tompom-piandrianana tsitoha eo amin’izao rehetra izao. Ho voakasika amin’izay ny fiainanao. Nahoana? Satria amin’izay fotoana izay Jehovah dia hanafaka koa ireo mpanompony mahatoky, tahaka ny nanafahany ireo Hebreo telo lahy avy ao amin’ny lafaoro nivaivay. — Daniela 3:26-30.
Fantatr’i Dariosa fa afaka mamonjy Jehovah
19, 20. Fisehoan-javatra inona teo amin’ny fiainan’i Daniela moa no nampahafantatra an’i Dariosa fa manana fahefana hamonjy Jehovah?
19 Tantarain’ny toko faha-6 amin’ny bokin’i Daniela fa nomen’i Jehovah fianarana koa ny mpanjaka hafa iray, Dariosa: naharihariny taminy ny fahefany hanafaka. Noho ny fiaraha-mioko, dia azo lazaina hoe voatery nanipy an’i Daniela tany an-davaky ny liona ny mpanjaka. Tsy nanandra-tena tamim-pieboeboana nanohitra an’ilay Andriamanitra marina akory io mpanjaka io. Kanefa, na dia nanome toky an’i Daniela aza izy fa nahafaka azy ny Andriamaniny, dia toa tsy niaiky tanteraka ny amin’izany izy. Raha tsy izany no izy, nahoana izy no tsy nahita tory, feno fanahiana, ka nandeha haingana, raha vao nazava ratsy, nankany amin’ny lavaky ny liona? Nihiaka toy izao izy tamin’izay: “Ry Daniela, mpanompon’Andriamanitra velona ô, moa Andriamanitrao Izay tompoinao mandrakariva mahavonjy anao amin’ny liona va?” — Daniela 6:19-21.
20 Eny, afaka niaro an’i Daniela Andriamanitra. Faly aoka izany i Dariosa mpanjaka ka namoaka izao didy izao: “Manao lalàna aho mba hangovitan’ny olona sy hatahorany eo anatrehan’Andriamanitr’i Daniela eran’ny fanjakako rehetra; fa Izy no Andriamanitra velona sady maharitra mandrakizay; ny fanjakany haharitra (...). Izy no mamonjy sy manafaka ary manao famantarana sy fahagagana any an-danitra sy etỳ an-tany, ary Izy no namonjy an’i Daniela ho afaka tamin’ny herin’ny liona.” — Daniela 6:27, 28.
21. a) Ohatra miavaka inona avy moa no omen’ireo toko enina voalohany amin’ny bokin’i Daniela? b) Inona no tokony ho vokatry ny fitantarana izany zava-niseho izany eo amintsika?
21 Ireo toko enina voalohany amin’ny bokin’i Daniela dia tena manazava amin’ny fomba manaitra ny hoe ahoana no nampahafantaran’i Jehovah be zotom-po, eny saro-piaro noho ny anarany, tamina mpanjaka mahery fa Izy tokoa no Tsitoha, Tompom-piandrianana eo amin’izao rehetra izao, izay afaka mampietry ireo mpitondra miavonavona sy manafaka ireo mpanompony mahatoky. Tokony hiteraka tahotra an’Andriamanitra mahasoa sy fanajana ny maha-tsitoha azy sy ny fiandrianany izany zava-nitranga izany. Etsy an-daniny koa, io fitantarana ara-tsindrimandrin’Andriamanitra io dia manatanjaka aoka izany ny finoantsika, satria manome ohatra miavaka ny amin’ny mpanompon’i Jehovah Andriamanitra nampiseho finoana sy herim-po lehibe, araka ny hahariharin’ny lahatsoratra manaraka.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 janoary 1987, pejy faha-3 ka hatramin’ny faha-7.
Ahoana no havalinao?
◻ Fianarana inona moa no tsy maintsy nomen’i Jehovah ho an’ny mpitondra olombelona?
◻ Inona no azo lazaina ny amin’ny fahamarinan’ny bokin’i Daniela?
◻ Fianarana inona moa no nampietry an’i Nebokadnezara mpanjaka?
◻ Inona moa no vokatry ny fianarana nomen’i Jehovah an’ireo mpanjaka babyloniana eo amintsika?