Ahoana no Hijoroanao eo Anoloan’ny Seza Fitsarana?
“Ary raha tonga ny Zanak’olona amin’ny voninahiny, arahin’ny anjely rehetra, dia hipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianan’ny voninahiny Izy”. — MATIO 25:31.
1-3. Inona no antony ananantsika mba hijerena lafy tsaran-javatra momba ny rariny?
‘MELOKA SA TSY MELOKA?’ Maro no liana ta hahafantatra rehefa mandre tatitra momba ny raharaha ara-pitsarana sasany izy ireo. Mety hiezaka hanao ny marina ireo mpitsara sy ireo anisan’ny mpanampy ny mpitsara, saingy manjaka ve mazàna ny rariny? Tsy efa nandre ny amin’ny tsy rariny sy ny fiangarana ve ianao teo amin’ireo fanaovan-javatra ara-pitsarana? Tsy vaovao akory ny tsy rariny toy izany, araka ny hitantsika ao amin’ny fanoharana nataon’i Jesosy ao amin’ny Lioka 18:1-8.
2 Na inona na inona zavatra niainanao nifandray tamin’ny fitsaran’olombelona, dia mariho ilay famaranan-teny nataon’i Jesosy: “Andriamanitra tsy hanome rariny ny olom-boafidiny va, izay mitaraina aminy andro aman-alina (...)? Lazaiko aminareo fa homeny rariny faingana izy. Kanefa, raha avy ny Zanak’olona, moa hahita finoana etỳ ambonin’ny tany va Izy?”
3 Eny, hataon’i Jehovah izay hahazoan’ny mpanompony rariny amin’ny farany. Tafiditra amin’izany koa i Jesosy, indrindra fa ankehitriny, satria isika miaina amin’ny “andro farany” ho an’izao fandehan-javatra ratsy izao. Hampiasa tsy ho ela ny Zanany mahery i Jehovah mba hanafoanana tanteraka ny faharatsiana amin’ny tany. (2 Timoty 3:1, NW; 2 Tesaloniana 1:7, 8; Apokalypsy 19:11-16). Afaka mahazo fahatakarana hevi-dalina momba ny anjara asan’i Jesosy isika avy amin’ny iray amin’ireo fanoharana farany nataony, dia ilay matetika antsoina hoe fanoharana momba ny ondry sy ny osy.
4. Ahoana no nahatakarantsika ny hevitry ny fotoana hitrangan’ilay fanoharana momba ny ondry sy ny osy, kanefa nahoana isika no hanisy fiheverana an’ilay fanoharana ankehitriny? (Ohabolana 4:18).
4 Hatramin’ny ela dia nihevitra isika fa ilay fanoharana dia nilazalaza ny fipetrahan’i Jesosy tamin’ny naha-Mpanjaka azy tamin’ny 1914, ary hatramin’izay izy dia eo am-panaovana fitsarana — fiainana mandrakizay ho an’ny olona izay hita fa toy ny ondry, ary fahafatesana raikitra ho an’ny osy. Ny fandinihana indray an’ilay fanoharana anefa, dia mampiseho fahatakarana hevi-javatra nasiana fanitsiana raha ny amin’ny fotoana hitrangany sy ny amin’izay asehony an’ohatra. Io fanatsarana io dia manamafy ny maha-zava-dehibe ny asa fitoriana ataontsika sy ny maha-misy heviny ny fandraisan’ny olona azy io. Mba hahitana ny fototr’io fahatakarana lalina kokoa an’ilay fanoharana io, dia aoka isika handinika izay asehon’ny Baiboly momba an’i Jehovah sy i Jesosy, amin’ny maha-Mpanjaka sy amin’ny maha-Mpitsara azy ireo.
Jehovah amin’ny maha-Mpitsara Fara Tampony
5, 6. Nahoana no mety ny hiheverana an’i Jehovah ho Mpanjaka sady Mpitsara?
5 Manapaka izao rehetra izao i Jehovah amin’ny fananana fahefana eo amin’ny zava-drehetra. Noho izy tsy nanam-piandohana sy tsy manam-piafarana, dia “Mpanjaka tsy manan-taloha” izy. (1 Timoty 1:17; Salamo 90:2, 4; Apokalypsy 15:3). Manana fahefana hamoaka didy, na lalàna, sy hampihatra izany, izy. Ny fahefany anefa dia mahatafiditra ny maha-Mpitsara azy. Hoy ny Isaia 33:22: “Jehovah no Mpitsara antsika; Jehovah no Mpanome lalàna antsika; Jehovah no Mpanjakantsika; Izy no hamonjy antsika.”
6 Hatramin’ny ela ireo mpanompon’Andriamanitra dia nanaiky an’i Jehovah ho Mpitsara an’ireo raharaha nilana famotopotorana sy ireo raharaha niadian-kevitra. Ohatra, rehefa avy nanombana ny porofon’ny faharatsian’i Sodoma sy i Gomora ilay “Mpitsara ny tany rehetra”, dia sady nitsara an’ireo mponina ho mendrika fandringanana izy no nampihatra izany didim-pitsarana marina izany. (Genesisy 18:20-33; Joba 34:10-12). Tokony hanome toky antsika tokoa ny mahafantatra fa i Jehovah dia Mpitsara marina izay afaka manatanteraka mandrakariva ny didim-pitsarany!
7. Ahoana no niasan’i Jehovah tamin’ny naha-Mpitsara rehefa nifampiraharaha tamin’ny Isiraely izy?
7 Teo amin’ny Isiraely fahiny, dia namoaka didim-pitsarana nivantana i Jehovah indraindray. Tsy ho nampionona anao ve tamin’izany ny nahafantatra fa Mpitsara lavorary iray no manapaka ireo raharaha? (Levitikosy 24:10-16; Nomery 15:32-36; 27:1-11). Andriamanitra dia nanome koa “fitsipika” izay tsara tanteraka ho fari-pitsipika mba hitsarana. (Levitikosy 25:18, 19; Nehemia 9:13; Salamo 19:9, 10; 119:7, 75, 164; 147:19, 20). Izy no “Mpitsara ny tany rehetra”, koa misy fiantraikany eo amintsika rehetra izany. — Hebreo 12:23.
8. Fahitana mifandray amin’izany inona no azon’i Daniela?
8 Manana ny fanambarana nataon’ny “vavolombelona nanatri-maso” mahakasika izany raharaha izany isika. Nomena fahitana iray nisy biby dia masiaka izay nampiseho fitondram-panjakana na empira i Daniela. (Daniela 7:1-8, 17). Nanampy teny toy izao izy: ‘Napetraka ny seza fiandrianana, ary ny Fahagola no nipetraka teo, ny fitafiany dia fotsy toy ny fanala’. (Daniela 7:9). Mariho fa nahita seza fiandrianana i Daniela, ary “ny Fahagola [Jehovah] no nipetraka”. (Izahay no manao sora-mandry.) Manontania tena hoe: ‘Moa ve i Daniela eto nanatrika ny fahatongavan’Andriamanitra ho Mpanjaka?’
9. Inona no heviny iray amin’ny hoe ‘mipetraka’ eo ambonin’ny seza fiandrianana? Manomeza ohatra.
9 Rehefa mamaky isika fa nisy olona “nipetraka” teo ambonin’ny seza fiandrianana, dia mety hieritreritra ny amin’ny fahatongavany ho mpanjaka isika, satria mampiasa fitenenana toy izany indraindray ny Baiboly. Ohatra: “Nony vao nanjaka Zimry ka nipetraka tamin’ny seza fiandrianany, dia (...)”. (1 Mpanjaka 16:11; 2 Mpanjaka 10:30; 15:12; Jeremia 33:17, izahay no manao sora-mandry). Hoy ny faminaniana mesianika iray: “Izy no (...) hipetraka sy hanapaka eo amin’ny seza fiandrianany”. Noho izany, ny hoe ‘mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana’ dia mety hidika hoe tonga mpanjaka. (Zakaria 6:12, 13, izahay no manao sora-mandry.) Lazalazaina ho Mpanjaka iray mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana, i Jehovah. (1 Mpanjaka 22:19; Isaia 6:1; Apokalypsy 4:1-3). “Mpanjaka mandrakizay” izy. Kanefa rehefa nanamafy lafiny vaovao iray tamin’ny fiandrianany izy, dia azo nolazaina hoe tonga Mpanjaka, toy ny hoe teo am-pipetrahana indray tamin’ny seza fiandrianany. — 1 Tantara 16:1, 31, NW; Isaia 52:7, NW; Apokalypsy 11:15-17; 15:3; 19:1, 2, 6.
10. Inona no asa voalohany indrindra nataon’ireo mpanjaka isiraelita? Hazavao amin’ny ohatra.
10 Eto anefa dia misy hevitra tena lehibe iray: Ny asa voalohany indrindra nataon’ireo mpanjaka fahiny dia ny fihainoana ireo raharaha ara-pitsarana sy ny famoahana didim-pitsarana. (Ohabolana 29:14). Tsarovy ilay fitsarana feno fahendrena nataon’i Solomona rehefa samy nihambo ho tompon’ny zaza iray ihany ny vehivavy anankiroa. (1 Mpanjaka 3:16-28; 2 Tantara 9:8). Ny iray tamin’ireo tranom-panjakany dia “lavarangana hitoeran’ny seza fiandrianana izay hitsarany”, izay nantsoina koa hoe “lavarangana fitsarana”. (1 Mpanjaka 7:7). Nolazalazaina ho toerana “misy seza fitsarana mipetraka”, i Jerosalema. (Salamo 122:5). Mazava fa ny hoe ‘mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana’ dia afaka midika koa hoe mampihatra fahefana ara-pitsarana. — Eksodosy 18:13; Ohabolana 20:8.
11, 12. a) Inona no hevitra ampitain’ny fipetrahan’i Jehovah, voalaza ao amin’ny Daniela toko faha-7? b) Ahoana no anamafisan’ireo andininy hafa fa mipetraka mba hitsara i Jehovah?
11 Aoka isika izao hiverina any amin’ilay fisehoan-javatra nahitan’i Daniela ‘ny Fahagola nipetraka’. Manampy teny toy izao ny Daniela 7:10: “Nipetraka ny Mpitsara, ary novelarina ny boky.” Eny nipetraka ny Fahagola mba hamoaka didim-pitsarana momba ny fanapahana izao tontolo izao, sy mba hitsara ny Zanak’olona ho mendrika ny hanapaka. (Daniela 7:13, 14). Avy eo, dia vakintsika fa tonga “ny Fahagola, ka nomena rariny ny olo-masin[a]”, dia ireo izay notsaraina ho mendrika ny hiara-manapaka amin’ny Zanak’olona. (Daniela 7:22, izahay no manao sora-mandry.) Farany, dia “hipetraka ny Mpitsara” ary hamoaka didim-pitsarana fanamelohana ho an’ilay herim-panjakana farany. — Daniela 7:26.a
12 Noho izany, ny fahitan’i Daniela an’Andriamanitra ‘nipetraka teo amin’ny seza fiandrianana’ dia nidika ho ny fahatongavany mba hamoaka didim-pitsarana. Taloha kokoa, dia nihira toy izao i Davida: “Efa nitsara ahy Hianao [Jehovah] ka nanome ahy ny rariny; mipetraka eo amin’ny seza fitsaranao Hianao ho Mpitsara marina.” (Salamo 9:4, 7). Ary i Joela dia nanoratra toy izao: “Hifoha ny jentilisa ka hiakatra ho ao amin’ny Lohasahan’i Josafata; fa ao no hipetrahako [Jehovah] hitsara ny jentilisa rehetra”. (Joela 4:12; ampitahao amin’ny Isaia 16:5.) I Jesosy sy i Paoly dia samy tao anatin’ny tarehin-javatra ara-pitsarana izay nisian’ny olona iray nipetraka mba hihaino raharaha ara-pitsarana sy hamoaka didim-pitsarana.b — Jaona 19:12-16; Asan’ny Apostoly 23:3; 25:6.
Ny toeran’i Jesosy
13, 14. a) Toky inona no nananan’ny vahoakan’Andriamanitra fa ho tonga Mpanjaka i Jesosy? b) Oviana i Jesosy no nipetraka teo amin’ny seza fiandrianany, ary amin’ny heviny ahoana izy no manapaka nanomboka tamin’ny taona 33 am.f.i.?
13 Sady Mpanjaka no Mpitsara i Jehovah. Ahoana ny amin’i Jesosy? Hoy ilay anjely nanambara ny fahaterahany: “Jehovah Andriamanitra hanome Azy ny seza fiandrianan’i Davida rainy; (...) ary ny fanjakany tsy hanam-pahataperana.” (Lioka 1:32, 33). Ho mpandova raikitra ny fanjakan’ny taranak’i Davida, i Jesosy. (2 Samoela 7:12-16). Hanapaka avy any an-danitra izy, satria hoy i Davida: “Izao no lazain’i Jehovah amin’ny Tompoko [Jesosy]: Mipetraha eo an-tànako ankavanana ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao. Ny tehin’ny herinao havoak’i Jehovah avy ao Ziona; manapaha eo amin’ny fahavalonao Hianao.” — Salamo 110:1-4.
14 Rahoviana no hitranga izany? Tsy nanapaka tamin’ny naha-Mpanjaka i Jesosy fony izy olombelona. (Jaona 18:33-37). Tamin’ny 33 am.f.i. dia maty izy, natsangana tamin’ny maty ary niakatra tany an-danitra. Hoy ny Hebreo 10:12: “Izy kosa, rehefa nanao fanatitra iray monja ho mandrakizay noho ny ota, dia efa mipetraka eo an-tànana ankavanan’Andriamanitra”. Fahefana inona no nananan’i Jesosy? ‘Nampitoetra Azy eo amin’ny tànany ankavanana any an-danitra [Andriamanitra], ambony lavitra noho ny fanapahana rehetra sy ny fahefana sy ny hery sy ny fanjakana ka nanao Azy ho Lohany manapaka ny zavatra rehetra ho an’ny fiangonana’. (Efesiana 1:20-22). Koa satria nanana ny fahefan’ny mpanjaka teo amin’ireo Kristiana i Jesosy tamin’izay, dia afaka nanoratra i Paoly fa “nahafaka antsika tamin’ny fahefan’ny maizina ka namindra antsika ho amin’ny fanjakan’ny Zanany malalany”, i Jehovah. — Kolosiana 1:13; 3:1.
15, 16. a) Nahoana isika no milaza fa tsy tonga Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra i Jesosy tamin’ny 33 am.f.i.? b) Oviana i Jesosy no nanomboka nanapaka tao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra?
15 Tamin’izay fotoana izay anefa, dia tsy niasa tamin’ny naha-Mpanjaka sy Mpitsara azy teo amin’ireo firenena, i Jesosy. Nipetraka teo anilan’Andriamanitra izy, niandry ilay fotoana hiasany amin’ny maha-Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra. Nanoratra toy izao momba azy, i Paoly: “Anjely iza no mba nilazany hoe: ‘Mipetraha eo an-tànako ankavanana, ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao’?” — Hebreo 1:13.
16 Namoaka porofo betsaka ny Vavolombelon’i Jehovah fa ilay fotoam-piandrasan’i Jesosy dia tapitra tamin’ny 1914, rehefa tonga mpanapaka ny Fanjakan’Andriamanitra tany an-danitra tsy hita maso izy. Hoy ny Apokalypsy 11:15, 18: “Ny fanjakana amin’izao tontolo izao dia efa lasan’ny Tompontsika sy ny Kristiny; ary Izy no hanjaka mandrakizay mandrakizay.” “Ary tezitra ny firenena maro, ary tonga ny fahatezeranao”. Eny, nifaneho fahatezerana ireo firenena nandritra ny Ady Lehibe Voalohany. (Lioka 21:24). Ireo ady sy horohoron-tany sy areti-mandringana sy ny tsy fahampian-kanina ary ny toy izany, izay hitantsika hatramin’ny 1914 dia manamafy fa manapaka ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra izao i Jesosy, ary akaiky ny faran’izao tontolo izao. — Matio 24:3-14.
17. Hevitra tena lehibe inona avy no voaorintsika hatreto?
17 Indro misy famerenana fohy: Andriamanitra dia azo lazaina hoe mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana amin’ny maha-Mpanjaka azy, kanefa amin’ny heviny hafa dia afaka mipetraka eo amin’ny seza fiandrianany izy mba hitsara. Tamin’ny 33 am.f.i., i Jesosy dia nipetraka teo an-tanana ankavanan’Andriamanitra, ary izao izy dia Mpanjaka ao amin’ilay Fanjakana. Kanefa moa ve manompo amin’ny maha-Mpitsara koa i Jesosy amin’izao izy manjaka amin’ny maha-Mpanjaka izao? Ary nahoana izany no tokony hahakasika antsika, indrindra amin’izao fotoana izao?
18. Inona no porofo fa ho Mpitsara koa i Jesosy?
18 I Jehovah izay manana zo hanendry mpitsara, dia nifidy an’i Jesosy ho Mpitsara mahafeno ireo fepetra takin’ny fari-pitsipiny. Nampiseho izany i Jesosy fony izy niresaka ny amin’ny olona izay nanjary velona ara-panahy: “Ny Ray aza tsy mitsara olona, fa ny fitsarana rehetra dia nomeny ny Zanaka”. (Jaona 5:22). Na dia izany aza, dia lasa lavitra kokoa noho io karazana fitsarana io ny anjara asan’i Jesosy ara-pitsarana, satria mpitsara ny velona sy ny maty izy. (Asan’ny Apostoly 10:42; 2 Timoty 4:1). Nanambara toy izao i Paoly indray mandeha: “Izy [Andriamanitra] efa nanendry andro iray, izay hitsarany izao tontolo izao amin’ny fahamarinana amin’ny alalan’ny Lehilahy iray [Jesosy] vo[a]tendriny, koa efa nanome vavolombelona hampino ny olona rehetra izany Izy tamin’ny nananganany Azy”. — Asan’ny Apostoly 17:31; Salamo 72:2-7.
19. Nahoana no mety ny ilazana an’i Jesosy ho mipetraka amin’ny maha-Mpitsara?
19 Moa ve isika, araka izany, manana antony ara-dalàna hanatsoahana hevitra fa mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana be voninahitra iray i Jesosy, manana ilay anjara asa voafaritra tsara hoe Mpitsara? Eny. Nilaza tamin’ireo apostoly toy izao i Jesosy: “Rehefa mby amin’ny fanavaozana, ka hipetraka amin’ny seza fiandrianan’ny voninahiny ny Zanak’olona, hianareo koa, izay nanaraka Ahy, dia hipetraka amin’ny seza fiandrianana roa ambin’ny folo ka hitsara ny firenen’Isiraely roa ambin’ny folo.” (Matio 19:28, izahay no manao sora-mandry.) Na dia Mpanjakan’ilay Fanjakana aza i Jesosy ankehitriny, ny asany fanampiny voalaza ao amin’ny Matio 19:28 dia hahafaoka fipetrahana eo amin’ny seza fiandrianana mba hitsara mandritra ny Fanjakana Arivo Taona. Amin’izay fotoana izay no hitsarany ny taranak’olombelona manontolo, dia ny marina sy ny tsy marina. (Asan’ny Apostoly 24:15, NW ). Mahasoa ny mitadidy izany ao an-tsaina rehefa mampitodika ny saintsika any amin’ny iray amin’ireo fanoharana nataon’i Jesosy izay mifandray amin’ny androntsika sy ny fiainantsika isika.
Inona no lazain’ilay fanoharana?
20, 21. Inona no fanontaniana mifandray amin’ny androntsika nataon’ireo apostolin’i Jesosy, ka mitarika ho amin’ny fanontaniana inona izany?
20 Taloha kelin’ny nahafatesan’i Jesosy, dia nanontany azy toy izao ireo apostoliny: “Rahoviana no ho tonga izany zavatra izany, ary inona no ho famantarana ny fanatrehanao sy ny an’ny fifaranan’ny fandehan-javatra?” (Matio 24:3, NW ). Nanambara mialoha fisehoan-javatra lehibe eto an-tany alohan’ny ‘hahatongavan’ny farany’, i Jesosy. Aloha kelin’izany farany izany, dia “hahita ny Zanak’olona avy amin-kery sy voninahitra lehibe eo amin’ny rahon’ny lanitra” ireo firenena. — Matio 24:14, 29, 30.
21 Hanao ahoana anefa ny olona eo amin’ireo firenena ireo rehefa tonga amin’ny voninahiny ny Zanak’olona? Aoka hojerentsika izany avy amin’ilay fanoharana momba ny ondry sy ny osy, izay miandoha amin’ny teny hoe: “Ary raha tonga ny Zanak’olona amin’ny voninahiny, arahin’ny anjely rehetra, dia hipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianan’ny voninahiny Izy; ary ny firenena rehetra hangonina eo anatrehany”. — Matio 25:31, 32.
22, 23. Hevitra inona avy no mampiseho fa tsy nanomboka tamin’ny 1914 ny fahatanterahan’ilay fanoharana momba ny ondry sy ny osy?
22 Mihatra ve io fanoharana io fony i Jesosy nipetraka nahazo fahefan’ny mpanjaka tamin’ny 1914, araka ny nahazoantsika ny heviny hatramin’ny ela? Ny Matio 25:34 dia tena miresaka an’i Jesosy ho Mpanjaka, koa araka ny lojika àry, dia nihatra hatramin’ny nahatongavan’i Jesosy ho Mpanjaka tamin’ny 1914, ilay fanoharana. Fitsarana inona anefa no nataony tsy ela taorian’izay? Izany dia tsy ny fitsarana “ny firenena rehetra”. Nampitodika ny sainy kosa izy, ho amin’ireo izay nilaza tena ho nahaforona ny “ankohonan’Andriamanitra”. (1 Petera 4:17, izahay no manao sora-mandry.) Mifanaraka amin’ny Malakia 3:1-3, dia nanao fisafoana ara-pitsarana an’ireo Kristiana voahosotra sisa teto an-tany i Jesosy, tamin’ny naha-irak’i Jehovah azy. Tamin’izay koa no fotoana nanamelohana ara-pitsarana ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana izay nilaza tena tamin’ny fomba diso ho “ankohonan’Andriamanitra”.c (Apokalypsy 17:1, 2; 18:4-8). Na dia izany aza, dia tsy misy na inona na inona mampiseho fa tamin’izay fotoana izay, na hatramin’io fotoana io, i Jesosy no nipetraka mba hitsara ny olona amin’ny firenena rehetra ho ondry na osy amin’ny farany.
23 Raha fakafakaintsika ny asan’i Jesosy ao amin’ilay fanoharana, dia hahita azy hitsara ny firenena rehetra isika amin’ny farany. Ilay fanoharana dia tsy mampiseho hoe hitohy mandritra ny fe-potoana miitatra an-taonany maro izany fitsarana izany, toy ny hoe ny olona rehetra maty nandritra ireo am-polony taona maro lasa ireo dia efa voatsara ho mendrika fahafatesana mandrakizay na fiainana mandrakizay. Toa hita fa ny ankamaroan’ireo maty tao anatin’ireo am-polony taona farany dia nankany amin’ny fasana iombonan’ny olombelona. (Apokalypsy 6:8; 20:13). Ilay fanoharana anefa dia milazalaza ilay fotoana hitsaran’i Jesosy ny “firenena rehetra” izay velona amin’izay ka hiatrika ny fampiharana ny fanamelohana.
24. Rahoviana no ho tanteraka ilay fanoharana momba ny ondry sy ny osy?
24 Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia manondro ny hoavy ilay fanoharana, rehefa ho tonga amin’ny voninahiny ny Zanak’olona. Hipetraka izy mba hitsara ireo olona velona amin’izay fotoana izay. Ny fitsarany dia hiorina amin’izay ho efa nahariharin’izy ireo ny amin’ny tenany. Amin’izay fotoana izay, dia ho efa voaorina mazava tsara “ny tsi-fitovian’ny marina sy ny meloka”. (Malakia 3:18). Ilay tena fanononana sy ny fampiharana ny didim-pitsarana dia hotontosaina ao anatin’ny fotoana voafetra. Hamoaka fanapahan-kevitra ara-drariny miorina amin’izay ho nanjary niharihary mahakasika ny isam-batan’olona, i Jesosy. — Jereo koa ny 2 Korintiana 5:10.
25. Inona no lazalazain’ny Matio 25:31 rehefa miresaka ny amin’ny Zanak’olona mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianan’ny voninahiny?
25 Izany àry dia midika fa ny ‘fipetrahan’i Jesosy eo ambonin’ny seza fiandrianan’ny voninahiny’ ho fitsarana, izay voalaza ao amin’ny Matio 25:31, dia mihatra amin’ny fotoana mbola hoavy, rehefa hipetraka io Mpanjaka mahery io mba hanonona sy hampihatra didim-pitsarana amin’ireo firenena. Eny, ilay fisehoan-javatra ara-pitsarana izay mahatafiditra an’i Jesosy ao amin’ny Matio 25:31-33, 46, dia azo ampitahaina amin’ilay fisehoan-javatra ao amin’ny Daniela toko faha-7 izay nisy an’ilay Mpanjaka am-perinasa, dia ny Fahagola, nipetraka mba hanatontosa ny anjara asany amin’ny maha-Mpitsara.
26. Fanazavana vaovao inona momba ilay fanoharana no manjary miharihary?
26 Ny fahatakarana ny hevitr’ilay fanoharana momba ny ondry sy ny osy amin’izany fomba izany dia milaza fa mbola ho avy ny famoahana ny didim-pitsarana ho an’ny ondry sy ny osy. Hitranga izy io aorian’ny fipoahan’ilay “fahoriana” voalaza ao amin’ny Matio 24:29, 30, ka ‘ho tonga amin’ny voninahiny’ ny Zanak’olona. (Ampitahao amin’ny Marka 13:24-26.) Avy eo, miaraka amin’ny faran’ny fandehan-javatra ratsy manontolo, dia hitsara i Jesosy ka hamoaka sy hampihatra didim-pitsarana. — Jaona 5:30; 2 Tesaloniana 1:7-10.
27. Tokony ho liana amin’ny fahafantarana inona momba ilay fanoharana farany nataon’i Jesosy isika?
27 Izany dia manazava ny fahatakarantsika ny fotoana hitrangan’ilay fanoharan’i Jesosy, izay mampiseho ny fotoana hitsarana ny ondry sy ny osy. Amin’ny ahoana anefa izany no misy fiantraikany eo amintsika izay mitory amin-jotom-po ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana? (Matio 24:14, NW ). Moa ve izany mahatonga ny asantsika hihen-danja, sa mitondra andraikitra mavesatra kokoa? Aoka hojerentsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka ny fiantraikan’izany eo amintsika.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ilay teny nadika hoe “Mpitsara” ao amin’ny Daniela 7:10, 26 dia hita koa ao amin’ny Ezra 7:26 sy Daniela 4:34; 7:22.
b Momba ny fifampitorian’ny Kristiana tany amin’ny fitsarana, dia nanontany toy izao i Paoly: “Moa izay ataon’ny fiangonana ho tsinontsinona va no tendrenareo ho mpitsara [ara-bakiteny hoe “no apetrakareo”]?” — 1 Korintiana 6:4.
c Jereo Ny Fanambarana — Akaiky ny Fiafarany Malaza!, pejy faha-56, 73, 235-245, 260, navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of Pennsylvania.
Tadidinao Ve?
◻ Ahoana no iasan’i Jehovah amin’ny maha-Mpanjaka sy Mpitsara?
◻ Heviny roa inona avy no mety hananan’ny hoe ‘mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana’?
◻ Inona no nolazaintsika taloha momba ny fotoana hitrangan’ny Matio 25:31, kanefa inona no fototra mahatonga fomba fiheverana nasiana fanitsiana?
◻ Oviana ny Zanak’olona no mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianany, araka ny aseho ao amin’ny Matio 25:31?