Toko Fahavalo Ambin’ny Folo
Mampanantena Valisoa Mahatalanjona ho An’i Daniela i Jehovah
1, 2. a) Toetra lehibe inona no ilain’ny mpihazakazaka iray mba hahombiazana? b) Ahoana no nampitahan’ny apostoly Paoly ny fiainam-pahatokiana eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah, tamin’ny hazakazaka?
MANAO dingan-dava mba hanatratrarana ny tsipika fahatongavana ny mpihazakazaka iray. Mila ho trotraka izy, nefa efa tsinjony ny tanjony, ka atontony ao amin’ireo dingana vitsivitsy farany ireo ny heriny rehetra. Mampihenjana ny hozany rehetra izy, ary dia mandingana ilay tsipika ihany amin’ny farany! Hita soritra eny amin’ny endriny ny fahamaivamaivanana sy ny fandresena. Novalian-tsoa ny fiaretany hatramin’ny farany.
2 Eo amin’ny teny famaranan’ny Daniela toko faha-12, isika dia mahita an’ilay mpaminany malala manakaiky ny tsipika fahatongavana, eo amin’ilay ‘hazakazaky’ ny tenany manokana — ny fiainany nanompoany an’i Jehovah. Rehefa avy nanonona oha-pinoana maro samihafa teo amin’ireo mpanompon’i Jehovah talohan’ny andro kristianina ny apostoly Paoly, dia nanoratra hoe: “Koa amin’izany, satria misy vavolombelona maro be toy izany manodidina antsika toy ny rahona, dia aoka isika koa hanaisotra izay rehetra mitambesatra amintsika mbamin’ny ota izay malaky mahazo antsika, ary aoka isika hihazakazaka amin’ny faharetana amin’izao fihazakazahana filokana napetraka eo anoloantsika izao, mijery an’i Jesosy, Tompon’ny finoantsika sy Mpanefa azy, Izay naharitra ny hazo fijaliana, fa tsy nitandro henatra, mba hahazoany ny fifaliana napetraka teo anoloany, ka dia efa mipetraka eo amin’ny ankavanan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra Izy.” — Hebreo 12:1, 2.
3. a) Inona no nanosika an’i Daniela ‘hihazakazaka tamim-paharetana’? b) Zavatra telo niavaka tsara inona avy no nolazain’ilay anjelin’i Jehovah tamin’i Daniela?
3 Anisan’ireo ‘vavolombelona maro be toy ny rahona’ ireo i Daniela. Tena olona voatery ‘nihazakazaka tamim-paharetana’ tokoa izy, ka ny fitiavany lalina an’Andriamanitra no nanosika azy hanao izany. Nampiharihary zavatra maro tamin’i Daniela momba ny hoavin’ireo fitondram-panjakana eto an-tany i Jehovah, fa izao kosa Izy dia nandefa izao fampaherezana manokana izao ho azy: “Mandehana hianao mandra-pihavin’ny farany; fa hitsahatra hianao ka hitsangana ho ao amin’ny anjaranao amin’ny andro farany.” (Daniela 12:13). Nilaza zavatra telo niavaka tsara tamin’i Daniela ilay anjelin’i Jehovah teo: 1) tokony ‘handeha mandra-pihavin’ny farany’, na hoe ‘handeha ho any amin’ny farany’ (NW ), i Daniela, 2) “hitsahatra”, na hoe “hiala sasatra” (NW ), izy, ary 3) “hitsangana” indray izy any aoriana. Ahoana no ampirisihan’ireo teny ireo ny Kristianina amin’izao andro izao mba hiaritra hatramin’ny tsipika fahatongavana, eo amin’ny hazakazaka ho amin’ny fiainana?
“MANDEHANA HO ANY AMIN’NY FARANY”
4. Inona no tian’ilay anjelin’i Jehovah holazaina tamin’ny hoe “mandehana ho any amin’ny farany”, ary nahoana izany no nety ho sarotra ho an’i Daniela?
4 Inona no tian’ilay anjely holazaina, rehefa nilaza tamin’i Daniela izy hoe: “Mandehana ho any amin’ny farany ianao”? Ny faran’ny inona moa? Koa satria efa nananika ny faha-100 taonany i Daniela, io teny io dia toa manondro ny faran’ny fiainany, izay azo inoana fa efa tena akaiky.a Nampirisika an’i Daniela hiaritra tamim-pahatokiana hatramin’ny fahafatesana ilay anjely. Tsy voatery ho mora anefa ny fanaovana izany. Nahita ny nionganan’i Babylona sy ny niverenan’ny sisa tavela tamin’ny Jiosy izay tany an-tsesitany, tany Joda sy Jerosalema, i Daniela. Tsy maintsy ho nitondra fifaliana lehibe ho an’io mpaminany efa be taona io izany. Tsy misy filazana anefa hoe niara-nanao io dia io tamin’izy ireo izy. Nety ho efa antitra sy osa loatra izy tamin’io fotoana io. Na angamba sitrapon’i Jehovah ny hijanonany tao Babylona. Na ahoana na ahoana, dia tsy afaka ny tsy hanontany tena isika raha somary nalahelo kely izy nahita ny mpiray tanindrazana taminy niainga nankany Joda.
5. Inona no milaza amintsika fa niaritra hatramin’ny farany i Daniela?
5 Tsy maintsy ho nanovo tanjaka lehibe avy tamin’izao fanambarana feno hatsaram-panahin’ilay anjely izao i Daniela: “Mandehana ho any amin’ny farany”. Izany dia mety hampahatsiahy antsika an’ireo tenin’i Jesosy Kristy, eninjato taona teo ho eo tatỳ aoriana, nanao hoe: “Izay [miaritra, NW ] hatramin’ny farany no hovonjena.” (Matio 24:13). Tsy isalasalana fa nanao izany i Daniela. Niaritra hatramin’ny farany izy, nanao ilay hazakazaka ho amin’ny fiainana tamim-pahatokiana, hatramin’ny fahataperany mihitsy. Izany dia mety ho antony iray iresahana momba azy amim-pankasitrahana, atỳ aoriana, ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. (Hebreo 11:32, 33). Inona no nanampy an’i Daniela hiaritra hatramin’ny farany? Hanampy antsika hamaly izany ny fitantarana momba ny fiainany.
AFAKA NIARITRA, NOHO NY FIANARANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA
6. Ahoana no ahafantarantsika fa mpianatra ny Tenin’Andriamanitra nazoto i Daniela?
6 Nanampy an’i Daniela hiaritra hatramin’ny farany ny fanohizana nianatra sy nisaintsaina lalina momba ireo fampanantenan’Andriamanitra nampientam-po. Fantatsika fa mpianatra ny Tenin’Andriamanitra nafana fo i Daniela. Raha tsy izany, ahoana no ho nahafantarany ilay fampanantenana nomen’i Jehovah an’i Jeremia hoe haharitra 70 taona ilay sesitany? Hoy mihitsy i Daniela: “Izaho Daniela nahalala tamin’ny boky ny isan’ny taona”. (Daniela 9:2; Jeremia 25:11, 12). Azo antoka fa nikaroka tao amin’ireo bokin’ny Tenin’Andriamanitra nisy tamin’izay i Daniela. Tena tsy maintsy ho nanome an’i Daniela ora nahafinaritra be dia be ny famakiana sy ny fisaintsainana momba ireo asa soratr’i Mosesy, i Davida, i Solomona, i Isaia, i Jeremia, i Ezekiela — na inona na inona azony noraisina.
7. Rehefa mampitaha ny androntsika amin’ny an’i Daniela isika, inona avy no tombony ananantsika, raha ny amin’ny fianarana ny Tenin’Andriamanitra?
7 Tena zava-dehibe ny fianarana ny Tenin’Andriamanitra, ny fifantohana tanteraka amin’izy io, raha tiantsika ny hamboly fiaretana amin’izao andro izao. (Romana 15:4-6; 1 Timoty 4:15). Ary isika dia manana ny Baiboly manontolo, izay mirakitra ny fahatanterahan’ny sasany amin’ireo faminanian’i Daniela, taonjato vitsivitsy tatỳ aoriana. Ankoatra izany, dia sambatra isika miaina mandritra “ny andro farany”, nambara mialoha tao amin’ny Daniela 12:4. Amin’izao androntsika izao, dia notahina ireo voahosotra, ka nomena fahaiza-mahataka-javatra ara-panahy, ary mamirapiratra toy ny fanilom-pahamarinana eto amin’ity tontolo maizina ity. Ho vokany, dia maro amin’ireo faminaniana lalina ao amin’ny bokin’i Daniela, izay nahasanganehana azy ny sasany, no tena misy heviny lehibe amintsika amin’izao andro izao. Noho izany, dia aoka isika hanohy hianatra ny Tenin’Andriamanitra isan’andro, ka tsy hihevitra an’ireny zavatra ireny ho tsy dia misy lanjany. Hanampy antsika hiaritra ny fanaovantsika izany.
NAHARITRA TAMIN’NY VAVAKA I DANIELA
8. Inona no ohatra navelan’i Daniela, raha ny amin’ny vavaka?
8 Nanampy an’i Daniela hiaritra hatramin’ny farany koa ny vavaka. Nitodika tany amin’i Jehovah Andriamanitra isan’andro izy, ka namboraka ny tao am-pony taminy, tamim-pinoana sy tamim-patokiana. Fantany fa ilay “Mpihaino vavaka” i Jehovah. (Salamo 65:2; ampitahao amin’ny Hebreo 11:6.) Rehefa novesaran’alahelo noho ny fikomian’ny Isiraely ny fon’i Daniela, dia noloarany teo anatrehan’i Jehovah ny fihetseham-pony. (Daniela 9:4-19). Na dia rehefa nandidy ny tsy hivavahana afa-tsy taminy irery ihany nandritra ny 30 andro aza i Dariosy, dia tsy navelan’i Daniela hisakana ny tenany tsy hivavaka tamin’i Jehovah Andriamanitra izany. (Daniela 6:11). Tsy mampihetsi-po antsika ve ny fahitana an’eritreritra an’io lahiantitra nahatoky io, sahy nisetra ny lavaka iray feno liona toy izay hamoy ny tombontsoa sarobidy hivavaka? Tsy misy isalasalana fa teo am-pandehanany tamim-pahatokiana ho any amin’ny faran’ny fiainany, dia nivavaka tamin-kafanam-po tamin’i Jehovah isan’andro i Daniela.
9. Nahoana isika no tsy tokony hihevitra na oviana na oviana ny tombontsoa hivavaka ho tsy dia misy lanjany?
9 Zavatra tsotra ny mivavaka. Afaka mivavaka isika na rahoviana na rahoviana, na aiza na aiza, na amin’ny feo avo na mangina. Tsy tokony hanamaivana an’io tombontsoa sarobidy io na oviana na oviana isika. Ny Baiboly dia mampifandray ny vavaka amin’ny fiaretana sy ny faharetana ary ny fifohazana ara-panahy mandrakariva. (Lioka 18:1; Romana 12:12; Efesiana 6:18; Kolosiana 4:2). Tsy mahavariana ve ny fananantsika fahafahana malalaka sy misokatra foana hiresaka amin’ilay Avo Indrindra eo amin’izao rehetra izao? Sady mihaino izy! Tsarovy ilay fotoana nivavahan’i Daniela, ka namalian’i Jehovah azy tamin’ny fanirahana anjely iray. Raha mbola teo am-pivavahana i Daniela no tonga ilay anjely! (Daniela 9:20, 21). Mety ho tsy andron’ny fitsidihan’ny anjely toy izany intsony ny antsika, nefa i Jehovah dia tsy niova. (Malakia 3:6). Tsy misy hafa amin’ny nihainoany ny vavak’i Daniela, dia hihaino ny antsika koa izy. Ary rehefa mivavaka isika, dia hanatona akaiky kokoa an’i Jehovah, ka hanorina fatorana izay hanampy antsika hiaritra hatramin’ny farany, sahala amin’i Daniela.
NIARITRA TEO AMIN’NY FAMPIANARANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA
10. Nahoana no zava-dehibe tamin’i Daniela ny fampianarana ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra?
10 Tsy maintsy ‘nandeha ho any amin’ny farany’ tamin’ny heviny hafa koa i Daniela. Tsy maintsy nampianatra ny fahamarinana tamim-piaretana izy. Tsy hadinony na oviana na oviana fa anisan’ilay vahoaka voafidy, izay nolazain’ny Soratra Masina toy izao, ny tenany: “Hianareo no vavolombeloko, hoy Jehovah, sady mpanompoko izay efa nofidiko”. (Isaia 43:10). Nanao izay rehetra azony natao i Daniela mba hanatontosana io asa nanirahana azy io. Azo inoana fa tafiditra tao amin’ny asany ny fampianarana ireo mpiray firenena taminy izay tany an-tsesitany tao Babylona. Tsy mahalala firy momba ny fifampiraharahany tamin’ireo Jiosy hafa isika, ankoatra ny fifandraisany tamin’ireo telo lahy izay nantsoina hoe “ny namany” — i Hanania sy i Misaela ary i Azaria. (Daniela 1:7; 2:13, 17, 18). Tsy maintsy ho nanampy be dia be ny tsirairay avy taminy mba hiaritra, ny fisakaizany akaiky. (Ohabolana 17:17). Be dia be ny zavatra tsy maintsy nampianarin’i Daniela an’ireo namany, noho izy notahin’i Jehovah ka nomeny fahaiza-mahataka-javatra manokana. (Daniela 1:17). Nisy fampianarana hafa tsy maintsy nataony koa anefa.
11. a) Inona no nahatonga ny asan’i Daniela ho tsy nanam-paharoa? b) Nandaitra ve ny fomba nanatontosan’i Daniela io asany tsy nahazatra io?
11 Mihoatra noho ny an’ny mpaminany hafa rehetra ny asa fitorian’i Daniela tamin’ny olo-nanan-kaja jentilisa. Na dia tsy maintsy nampita hafatra tsy tian’ny olona aza izy matetika, dia tsy nihevitra an’ireny mpanapaka ireny ho toy ny hoe naharikoriko na hoe ambany noho ny tenany. Niresaka tamin’izy ireny tamim-panajana sy tamim-pahakingana izy. Nisy naniry hamono an’i Daniela — toy ireo solo-mpanjaka mpialona sy mpioko. Na dia izany aza, dia nisy olo-nanan-kaja hafa nanjary nanaja azy. Noho i Jehovah nanampy an’i Daniela hahay hanazava zava-niafina izay nahasanganehana mpanjaka sy olon-kendry, dia nahazo toerana ambony dia ambony ilay mpaminany. (Daniela 2:47, 48; 5:29). Marina fa rehefa nandroso fahanterana izy, dia tsy narisika toy ny tamin’ny fahatanorany intsony. Azo antoka anefa fa teo am-pandehanany ho any amin’ny faran’ny fiainany, dia mbola nitady tamim-pahatokiana izay fomba rehetra hisehoany ho vavolombelon’ilay Andriamanitra malalany ihany izy.
12. a) Asa fampianarana inona avy no ataontsika Kristianina amin’izao andro izao? b) Ahoana no ahafahantsika manaraka ny torohevitr’i Paoly mba ‘handeha amim-pahendrena amin’izay eo ivelany’?
12 Ao amin’ny kôngregasiôna kristianina amin’izao andro izao, dia mety hahita namana mahatoky izay hanampy antsika hiaritra isika, toy ny nifanampian’i Daniela sy ireo namany telo lahy. Afaka mifampianatra koa isika, ka ‘hifampahery’. (Romana 1:11, 12). Sahala amin’i Daniela, dia nirahina mba hitory amin’ny tsy mpino isika. (Matio 24:14; 28:19, 20). Noho izany, dia mila mandranitra ny fahaizantsika isika, mba ‘hampiasantsika tsara ny tenin’ny fahamarinana’, rehefa miresaka amin’ny olona momba an’i Jehovah isika. (2 Timoty 2:15, NW ). Ary hanampy antsika ny fankatoavana ny torohevitry ny apostoly Paoly hoe: “Mandehana amin’ny fahendrena amin’izay eo ivelany”. (Kolosiana 4:5). Tafiditra ao amin’izany fahendrena izany ny fomba fijery voalanjalanja momba an’ireo izay tsy iray finoana amintsika. Tsy manamavo ny olona toy izany isika, ka hoe hihevitra ny tenantsika ho ambony kokoa. (1 Petera 3:15). Manandrana misarika azy ireo ho amin’ny fahamarinana kosa isika, amin’ny fampiasana ny Tenin’Andriamanitra amim-pahaiza-mandanjalanja sy amim-pahakingana, mba hanohinana ny fony. Toy inona moa ny fifaliantsika, rehefa mahavita manohina ny fon’ny olona iray isika! Azo antoka fa ny fifaliana toy izany dia manampy antsika hiaritra hatramin’ny farany, sahala amin’i Daniela.
“HIALA SASATRA IANAO”
13, 14. Nahoana no naharaiki-tahotra ny Babylonianina maro ny fahatsinjovana ny ho faty, ary nahoana no hafa noho ny azy ireo ny fomba fijerin’i Daniela?
13 Nanaraka izany, dia nanome toky an’i Daniela ilay anjely hoe: “Hiala sasatra ianao”. (Daniela 12:13, NW ). Inona no hevitr’ireo teny ireo? Fantatr’i Daniela fa efa nananontanona ny hahafatesany. Ny fahafatesana no fiafarana tsy azon’ny olombelona rehetra ihodivirana, nanomboka tamin’ny andron’i Adama ka hatramin’izao androntsika izao. Tena mety àry ny iantsoan’ny Baiboly ny fahafatesana hoe “fahavalo”. (1 Korintiana 15:26). Ho an’i Daniela anefa, ny fahatsinjovana ny ho faty dia nidika ho zavatra hafa tanteraka noho ny fiheveran’ny Babylonianina nanodidina azy. Ho azy ireo, izay tafalatsaka lalina tao amin’ny fivavahana nisafotofoto tamin’andriamani-diso 4 000 teo ho eo, ny fahafatesana dia namelona izao karazan-tahotra rehetra izao. Nino izy ireo fa aorian’ny fahafatesana, ireo izay tsy nanana fiainana sambatra na maty tamin-kerisetra, dia tonga angatra nitady valy faty sy nihelohelo nanodidina ny velona. Nino ny tontolon’ny maty nampihoron-koditra sy feno mponina sampontsampona sy nahatsiravina ary niendrika olona sy biby, koa ny Babylonianina.
14 Tsy toy izany mihitsy ny fahafatesana tamin’i Daniela. An-jatony taona maro talohany, dia nomen’Andriamanitra tsindrimandry hilaza toy izao i Solomona Mpanjaka: “Fa ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona”. (Mpitoriteny 9:5). Ary ny mpanao salamo dia nihira toy izao, momba ny olona maty iray: “Miala ny fofonainy, ka miverina ho amin’ny taniny izy; ary amin’izay indrindra no hahafoanan’ny fikasany.” (Salamo 146:4). Koa fantatr’i Daniela àry fa tsy ho diso ireo tenin’ilay anjely taminy, satria fialan-tsasatra ny fahafatesana. Tsy hisy eritreritra, tsy hisy nenina bevava, tsy hisy fijalijaliana — ary azo antoka fa tsy hisy olona na biby sampontsampona. Nilaza hevitra nitovy tamin’izany i Jesosy Kristy, fony maty i Lazarosy. Hoy izy: “Lasa niala sasatra i Lazarosy sakaizantsika”. — Jaona 11:11, NW.
15. Amin’ny ahoana ny andro ahafatesana no tsara noho ny andro ahaterahana?
15 Diniho ny antony iray hafa tsy naharaiki-tahotra an’i Daniela teo anoloan’ny fahatsinjovana ny ho faty. Hoy ny Tenin’Andriamanitra: “Tsara ny laza soa noho ny menaka manitra; ary ny andro ahaterahana tsy mahaleo ny andro ahafatesana.” (Mpitoriteny 7:1). Ahoana no hetezan’ny andro ahafatesana, izay fotoam-palahelovana tsy misy toy izany, ho tsara noho ny andro mahafalin’ny fahaterahana? Ao amin’ny “laza soa”, na hoe “anarana” (NW ), ny valiny. Nety ho faran’izay lafo vidy ny “menaka manitra”. Indray mandeha, dia nanosotra menaka manitra ny tongotr’i Jesosy i Maria, anabavin’i Lazarosy, dia menaka izay nila hitovy vidy tamin’ny karama herintaona! (Jaona 12:1-7). Dia nety ho sarobidy noho izany ve ny anarana tsotra iray? Mampiasa ny hoe “anarana tsara” ny Septante grika, ao amin’ny Mpitoriteny 7:1. Tsy ilay anarana fotsiny akory no sarobidy toy izany, fa izay asehony koa. Rehefa teraka ny olona iray, dia tsy misy laza, tsy misy firaketana momba ny asa tsara nataony, tsy misy fahatsiarovana ankamamina ny amin’ny toetrany. Rehefa mifarana anefa ny fiainany, dia izany rehetra izany no asehon’ny anarany. Ary raha anarana tsara, na laza soa, araka ny fomba fijerin’Andriamanitra ilay izy, dia sarobidy lavitra noho izay fananana ara-nofo rehetra.
16. a) Inona no ezaka nataon’i Daniela mba hananana laza soa teo anatrehan’Andriamanitra? b) Nahoana i Daniela no afaka nandeha niala sasatra tamim-patokiana tanteraka fa nahavita nanorina laza soa teo anatrehan’i Jehovah ny tenany?
16 Nandritra ny fiainany manontolo, dia nanao izay rehetra nety ho vitany i Daniela, mba hanorenana laza soa teo anatrehan’Andriamanitra, ary tsy nisy tsy hitan’i Jehovah izany rehetra izany. Nandinika an’i Daniela sy ny fony izy. Izany koa no nataony tamin’i Davida Mpanjaka, izay nihira hoe: “Jehovah ô, efa nandinika ahy Hianao ka mahalala ahy. Hianao no mahalala ny fipetrako sy ny fitsangako sady mahafantatra ny hevitro eny lavitra eny.” (Salamo 139:1, 2). Ekena aloha fa tsy tanteraka i Daniela. Taranak’i Adama mpanota izy no sady anisan’ny firenena nanota iray. (Romana 3:23). Nibebaka noho ny fahotany anefa i Daniela, ary tsy nitsahatra nanao ezaka mba hiara-mandeha tamin’Andriamaniny tamim-pahitsiana. Noho izany, dia afaka natoky io mpaminany nahatoky io fa hamela ny fahotany i Jehovah, ka tsy hitana lolompo aminy. (Salamo 103:10-14; Isaia 1:18). Mifidy ny hitadidy ny asa tsara ataon’ny mpanompony mahatoky i Jehovah. (Hebreo 6:10). Izany no niantsoan’ilay anjelin’i Jehovah indroa an’i Daniela hoe “lehilahy tena faniry”. (Daniela 10:11, 19, NW ). Nidika izany fa malalan’Andriamanitra i Daniela. Afaka nandeha niala sasatra, afa-po, i Daniela, noho ny fahafantarana fa nanorina laza soa teo anatrehan’i Jehovah ny tenany.
17. Nahoana no ilaina maika ny hanorenantsika laza soa eo anatrehan’i Jehovah amin’izao andro izao?
17 Tsara raha manontany tena ny tsirairay amintsika hoe: ‘Moa ve aho nanorina laza soa teo anatrehan’i Jehovah?’ Miaina amin’ny fotoana mikorontana isika. Tsy fomba fijery manjombona akory, fa fijerena ny zava-misy fotsiny, ny fanekena fa mety hahazo na iza na iza amintsika, na rahoviana na rahoviana, ny fahafatesana. (Mpitoriteny 9:11). Tena zava-dehibe ho an’ny tsirairay amintsika àry ny manapa-kevitra ny hanorina laza tsara eo anatrehan’Andriamanitra dieny izao, tsy misy hataka andro. Raha manao izany isika, dia tsy mila ny hatahotra ny fahafatesana. Fialan-tsasatra fotsiny izy io — toy ny torimaso — ary toy ny torimaso, dia harahin’ny fifohazana!
‘HITSANGANA IANAO’
18, 19. a) Inona no tian’ilay anjely holazaina rehefa nanambara mialoha izy fa “hitsangana” i Daniela amin’ny hoavy? b) Nahoana no tsy maintsy ho nahafantatra ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty i Daniela?
18 Mifarana amin’ny iray amin’ireo fampanantenana kanto indrindra nomen’Andriamanitra ho an’olombelona ny bokin’i Daniela. Hoy ilay anjelin’i Jehovah tamin’i Daniela: “Hitsangana ho ao amin’ny anjaranao [ianao] amin’ny andro farany.” Inona no tian’ilay anjely holazaina? Koa satria ny fahafatesana ilay ‘fialan-tsasatra’ vao avy noresahiny, ilay fampanantenana hoe “hitsangana” i Daniela any aoriana àry dia tsy ho afaka ny hidika afa-tsy zavatra iray ihany — fitsanganana amin’ny maty!b Raha ny marina aza, ny manam-pahaizana sasany dia nanambara fa io Daniela toko faha-12 io no manonona mivantana voalohany ny fitsanganana amin’ny maty, ao amin’ny Soratra Hebreo. (Daniela 12:2). Diso hevitra anefa izy ireo amin’izany. Nahafantatra tsara ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty i Daniela.
19 Ohatra, tsy isalasalana fa nahafantatra ireto teny noraketin’i Isaia an-tsoratra, taonjato roa talohany ireto, i Daniela: “Ho velona indray ny olonao izay efa maty, ny fatin’ny oloko hitsangana; koa mifohaza sy mihobia, hianareo izay mandry ao amin’ny vovoka; fa (...) ny tany hiteraka ny maty.” (Isaia 26:19). Ela be talohan’io, i Elia sy i Elisa dia efa nomen’i Jehovah hery mba hanangana olona tamin’ny maty ara-bakiteny. (1 Mpanjaka 17:17-24; 2 Mpanjaka 4:32-37). Taloha kokoa aza, i Hana, renin’i Samoela mpaminany, dia nanaiky fa afaka nanangana olona avy tao amin’ny Sheola, na ny fasana, i Jehovah. (1 Samoela 2:6). Mbola taloha kokoa noho io aza, i Joba nahatoky dia naneho ny fanantenany tamin’izao teny izao: “Raha maty ny olona, moa ho velona indray va izy? Raha izany, dia hiandry mandritra ny andro fanafihako aho, mandra-pahatongan’ny fahafahako. Dia hiantso Hianao, ary izaho hamaly Anao; ary mba halahelo ny asan’ny tànanao Hianao.” — Joba 14:14, 15.
20, 21. a) Karazam-pitsanganana amin’ny maty inona no azo antoka fa ho azon’i Daniela? b) Amin’ny fomba ahoana no azo inoana fa hisehoan’ny fitsanganana amin’ny maty ao amin’ny Paradisa?
20 Sahala amin’i Joba, dia nanana antony natokisana i Daniela fa tena haniry mafy ny hamerina azy ho amin’ny fiainana i Jehovah indray andro any, amin’ny hoavy. Na dia izany aza, dia tsy maintsy ho nitondra fampiononana lalina ho azy ny nandre ny zavaboary ara-panahy nahery iray nanamafy io fanantenany io. Eny, hitsangana i Daniela amin’ny “fitsanganan’ny marina”, izay hitranga mandritra ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy. (Lioka 14:14). Ho toy ny inona moa izany ho an’i Daniela? Milaza zavatra be dia be momba izany amintsika ny Tenin’Andriamanitra.
21 I Jehovah akory “tsy tompon’ny fikotranana, fa tompon’ny fiadanana”. (1 Korintiana 14:33). Miharihary àry fa hiseho amin’ny fomba milamina ny fitsanganan’ny maty ao amin’ny Paradisa. Angamba ho efa nisy fotoana kelikely lasa hatramin’ny Haramagedona. (Apokalypsy 16:14, 16). Ho efa nesorina avokoa ny soritra rehetra tamin’ny fandehan-javatra tranainy, ary tsy maintsy ho efa nisy fiomanana natao mba handraisana ny maty. Raha ny amin’ny filaharana hiverenan’ny maty kosa, dia manolotra izao fitsipika izao ny Baiboly: “Samy amin’ny filaharany avy”. (1 Korintiana 15:23). Toa azo inoana fa, raha ny amin’ny “fitsanganan’ny marina sy ny tsy marina”, dia ny marina no hatsangana voalohany. (Asan’ny Apostoly 24:15, NW ). Amin’izay, ireo olo-nahatoky taloha, toa an’i Daniela, dia ho afaka hanampy amin’ny fitantanana ny raharaha eto an-tany, anisan’izany ny fampianarana ireo “tsy marina” an’arivo tapitrisany maro haverina ho amin’ny fiainana. — Salamo 45:16.
22. Fanontaniana inona avy no tsy isalasalana fa ho tian’i Daniela hahazoana valiny?
22 Alohan’ny hahafahan’i Daniela hiantsoroka izany andraikitra izany, dia azo antoka fa hisy fanontaniana ho tiany hapetraka. Rehefa heverina tokoa, dia hoy izy momba ny sasany tamin’ireo faminaniana lalina nankinina taminy: “Nandre izany aho, nefa tsy nahafantatra”. (Daniela 12:8). Hientam-po tokoa izy hahatakatra ny hevitr’ireny zava-miafin’Andriamanitra ireny rehefa ela ny ela! Tena haniry hianatra momba ny Mesia tokoa izy. Hambabo ny fony sy ny sainy ny fianarana momba ny firoson’ireo firenena natanjaka indrindra nanomboka tamin’ny androny ka hatramin’ny antsika, sy momba ny “olo-masin’ny Avo Indrindra” nahatoky — izay naharitra na dia teo aza ny fanenjehana tamin’ny “andro farany” — ary momba ny fandringanana farany ny fanjakan’olombelona rehetra tamin’ny alalan’ny Fanjakana Mesianikan’Andriamanitra. — Daniela 2:44; 7:22; 12:4.
NY ANJARAN’I DANIELA AO AMIN’NY PARADISA — SY NY ANAO!
23, 24. a) Amin’ny ahoana ilay tontolo hisy an’i Daniela tafatsangana amin’ny maty no ho hafa noho ilay tontolo fantany? b) Hanana toerana ao amin’ny Paradisa ve i Daniela, ary ahoana no ahafantarantsika izany?
23 Ho tian’i Daniela ho fantatra ny momba ilay tontolo hisy azy amin’izany fotoana izany — tontolo iray hafa tanteraka noho ilay tontolo tamin’ny androny. Tsy ho hita soritra intsony na ny ady na ny fampahoriana izay nanimba ilay tontolo fantany. Tsy hisy alahelo, na aretina, na fahafatesana intsony. (Isaia 25:8; 33:24). Ny sakafo kosa anefa ho tondraka, ny fonenana hisy be dia be, ary ny asa hisy ho an’ny rehetra sady hahafa-po. (Salamo 72:16; Isaia 65:21, 22). Ho fianakaviana iray ihany, izay ho tafaray sy sambatra, ny olombelona rehetra.
24 Tena hanana toerana ao amin’izany tontolo izany mihitsy i Daniela. “Hitsangana ho ao amin’ny anjaranao [ianao]”, hoy ilay anjely taminy. Ilay teny hebreo nadika eto hoe ‘anjara’ dia mitovy amin’ilay nampiasaina hilazana sombin-tany ara-bakiteny.c Nety ho nahafantatra ny faminanian’i Ezekiela momba ny fizarana ny tanin’ny Isiraely tafaverina tamin’ny laoniny, i Daniela. (Ezekiela 47:13–48:35). Hanao ahoana ny ho fahatanterahan’ny faminanian’i Ezekiela ao amin’ny Paradisa? Toy izao: samy hanana toerana ao amin’ny Paradisa ny mpanompon’Andriamanitra rehetra, satria ny tany dia hozaraina amin’ny fomba milamina sy araka ny rariny. Mazava ho azy fa tsy resaka tany fotsiny akory ny anjaran’i Daniela ao amin’ny Paradisa. Tafiditra ao koa ny anjara asa horaisiny ao amin’ny fikasan’Andriamanitra amin’izay. Azo antoka ilay valisoa nampanantenaina an’i Daniela.
25. a) Lafiny inona avy ao amin’ny fiainana ao amin’ny Paradisa no manintona anao? b) Nahoana no azo lazaina fa ao amin’ny Paradisa no tokony hisy ny olombelona?
25 Ahoana anefa ny amin’ny anjaranao? Natao ho anao koa ireo fampanantenana ireo. Tian’i Jehovah “hitsangana” ho amin’ny anjarany, hanana toerana ao amin’ny Paradisa, ny olombelona mankato. Eritrereto fotsiny ange e! Tena hampientam-po tokoa ny hahafantatra an’i Daniela, ary koa ireo lehilahy sy vehivavy nahatoky hafa tamin’ny andron’ny Baiboly. Avy eo, dia ho eo koa ny hafa sesehena izay hiverina avy amin’ny fahafatesana, ary hila fampianarana mba hahafantarany sy hitiavany an’i Jehovah Andriamanitra. Alao sary an-tsaina ny tenanao mikarakara ny tany fonenantsika, sy manampy mba hanova azy ho paradisa hahitana karazan-javatra tsy tambo isaina sy hakanto tsy hety ho lefy. Eritrereto ny tenanao hampianarin’i Jehovah, sy hianatra ny hiaina araka ny nikasany hiainan’ny olombelona. (Isaia 11:9; Jaona 6:45). Eny, hisy toerana ho anao ao amin’ny Paradisa. Na dia mety ho hevitra tsy mahazatra ny sasany amin’izao andro izao aza ny hoe Paradisa, dia tadidio fa ny fikasan’i Jehovah tany am-boalohany dia ny hiainan’ny olombelona tao amin’ny toerana toy izany. (Genesisy 2:7-9). Amin’izany heviny izany, ny Paradisa dia ny fonenana voajanaharin’ny mponin’ny tany an’arivo tapitrisany maro. Ao no tokony hisy azy ireo. Ny hoe mahatratra azy io dia ho toy ny miverina mody.
26. Ahoana no aneken’i Jehovah fa tsy mora ho antsika ny miandry ny faran’ity fandehan-javatra ity?
26 Arehitry ny fankasitrahana ny fontsika, rehefa mieritreritra momba izany rehetra izany isika, sa tsy izany? Moa ve ny tenanao tsy mba maniry mafy ny ho ao? Tsy mahagaga àry raha may erỳ ny Vavolombelon’i Jehovah hahafantatra ny fotoana hahatongavan’ny faran’ity fandehan-javatra ity! Tsy mora ny miandry. Fantatr’i Jehovah tsara izany, matoa izy mampirisika antsika hoe “andraso ihany” ny farany, “na dia mitaredretra aza” izy io. Ny tiany holazaina dia hoe mety ho toa mitaredretra, araka ny fomba fijerintsika, izy io, satria ao amin’io andinin-teny io ihany, dia omena izao toky izao isika: “Tsy ho diso aoriana izy.” (Habakoka 2:3, NW; ampitahao amin’ny Ohabolana 13:12.) Eny, ho tonga ara-potoana tsara ny farany.
27. Inona no tsy maintsy ataonao mba hijoroana eo anatrehan’Andriamanitra mandrakizay doria?
27 Inona no tokony hataonao, amin’izao fahantomoran’ny farany izao? Sahala amin’i Daniela, ilay mpaminany malalan’i Jehovah, dia miareta amim-pahatokiana. Mazotoa mianatra ny Tenin’Andriamanitra. Mivavaha amin-kafanam-po. Mifaneraserà amim-pitiavana amin’ireo mpiray finoana aminao. Mazotoa mampianatra ny fahamarinana amin’ny hafa. Koa satria mihamanatona hatrany isan’andro ny faran’ity fandehan-javatra ratsy ity, dia aoka ianao ho tapa-kevitra mandrakariva ny ho mpanompo mahatokin’ny Avo Indrindra sy ho mpanohana mafana fo ny Teniny. Na ahoana na ahoana, dia diniho ny faminanian’i Daniela! Ary enga anie i Jehovah, ilay Tompo Manam-piandrianana, hanome anao ny tombontsoa hijoro amim-pifaliana eo anatrehany mandrakizay doria!
[Fanamarihana ambany pejy]
a Azo inoana fa zatovo i Daniela, fony izy nentina an-tsesitany tao Babylona, tamin’ny 617 al.f.i. Io fahitana io dia azony tamin’ny taona fahatelo nanjakan’i Kyrosy, na tamin’ny 536 al.f.i. — Daniela 10:1.
b Araka ny The Brown-Driver-Briggs Hebrew and English Lexicon, ilay teny hebreo nampiasaina eto ka nadika hoe “hitsangana” dia manondro “fahavelomana indray aorian’ny fahafatesana”.
c Ilay teny hebreo nampiasaina eto dia mifandray amin’ilay teny adika hoe “vato kilonjy”, satria vatokely no nampiasaina mba hilokana. Toy izany no nizarana ny tany indraindray. (Nomery 26:55, 56). Milaza ny A Handbook on the Book of Daniel fa io teny io eto dia midika hoe “izay natokana (natokan’Andriamanitra) ho an’ny olona iray”.
INONA NO AZONAO?
• Inona no nanampy an’i Daniela hiaritra hatramin’ny farany?
• Nahoana no tsy naharaiki-tahotra an’i Daniela ny fahatsinjovana ny ho faty?
• Ahoana no hahatanterahan’ny fampanantenan’ilay anjely hoe ‘hitsangana ho ao amin’ny anjarany’ i Daniela?
• Inona no soa azon’ny tenanao avy tamin’ny fandinihana ny faminanian’i Daniela?
[Sary, pejy 307]
[Sary, pejy 318]
Sahala amin’i Daniela, moa ve ianao mandinika ny teny ara-paminanian’Andriamanitra?