“Efa Nahita ny Mesia Izahay”!
“Izy [Andrea] no nahita an’i Simona rahalahiny aloha, dia hoy izy taminy: Efa nahita ny Mesia izahay (izay atao hoe, raha adika, ny Kristy).” — JAONA 1:41.
1. Inona no nohamarinin’i Jaona Mpanao Batisa mikasika an’i Jesosy avy any Nazareta, ary inona no fanatsoahan-kevitr’i Andrea momba azy?
NANDINIKA naharitra sy akaiky ilay lehilahy jiosy nantsoina hoe Jesosy avy any Nazareta i Andrea. Tsy nanana fisehoana ivelany toy ny mpanjaka, na olon-kendry, na raby, izy. Tsy nanana akanjo sy firavaky ny mpanjaka izy, na volo fotsy, na tanana malambolambo na volon-koditra mazavazava. Tanora — sahabo ho 30 taona — i Jesosy amin’ireto tanana be kitro sy ny volon-koditra main’ny taninandron’ny mpanao asa tanana iray. Koa nety tsy ho gaga i Andrea raha nahafantatra fa mpandrafitra izy. Nilaza ny amin’io lehilahy io anefa i Jaona Mpanao Batisa hoe: “Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra!” Ny andro talohan’izay, dia nilaza zavatra mbola nanaitra lavitra izy: “Izy no Zanak’Andriamanitra”. Mety ho marina ve izany? Nandany fotoana kelikely nihainoana an’i Jesosy i Andrea tamin’io andro io. Tsy fantatsika izay nolazain’i Jesosy; fantatsika kosa fa nanova ny fiainan’i Andrea ny teniny. Nihazakazaka nitady an’i Simona rahalahiny izy, ary nihiaka hoe: “Efa nahita ny Mesia izahay”! — Jaona 1:34-41.
2. Nahoana no zava-dehibe ny handinihana ny fanaporofoana raha i Jesosy no ilay Mesia nampanantenaina na tsia?
2 Tonga apostolin’i Jesosy tatỳ aoriana i Andrea sy i Simona (izay novan’i Jesosy ho Petera ny anarany). Rehefa afaka roa taona mahery tamin’ny naha-mpianatra azy, dia niteny toy izao tamin’i Jesosy i Petera: “Hianao no Kristy [Mesia], Zanak’Andriamanitra velona”. (Matio 16:16). Niseho ho vonona ny ho faty noho izany finoana izany ireo apostoly sy mpianatra nahatoky tamin’ny farany. Amin’izao andro izao, dia misy olona tso-po an-tapitrisany maro manokana ny fiainany toy izany koa. Miorina amin’ny porofo inona anefa? Ny porofo tokoa no mahatonga ny fahasamihafana eo amin’ny finoana sy ny finoanoam-poana. (Jereo Hebreo 11:1.) Koa aoka isika handinika lafiny fanaporofoana ankapobeny telo izay manamarina fa i Jesosy tokoa no ilay Mesia.
Ny tetirazan’i Jesosy
3. Tsipirian-javatra inona no omen’ny Filazantsaran’i Matio sy Lioka mikasika ny tetirazan’i Jesosy?
3 Ny tetirazan’i Jesosy no fanaporofoana voalohany omen’ny Soratra Grika Kristiana mba hanohanana ny maha-Mesia azy. Nanambara mialoha ny Baiboly fa ho avy amin’ny taranak’i Davida Mpanjaka ny Mesia. (Salamo 132:11, 12; Isaia 11:1, 10). Manomboka toy izao ny Filazantsaran’i Matio: “Ny filazana ny razan’i Jesosy Kristy, zanak’i Davida, zanak’i Abrahama.” Manohana izany filazana feno fahasahiana izany i Matio tamin’ny fanjohiana ny firazanan’i Jesosy avy amin’i Josefa, rainy nitaiza azy. (Matio 1:1-16). Ny Filazantsaran’i Lioka dia manjohy ny tetirazan’i Jesosy avy amin’i Maria reniny ara-nofo, nihemotra nankany amin’i Davida sy i Abrahama hatrany amin’i Adama. (Lioka 3:23-38).a Araka izany, ireo mpanoratra ny Filazantsara dia manome porofo feno ny amin’ny filazany fa i Jesosy dia mpandova an’i Davida teo anatrehan’ny lalàna sy tamin’ny heviny ara-nofo.
4, 5. a) Moa ve ireo olona niara-belona tamin’i Jesosy nametraka fisalasalana ny amin’ny naha-taranak’i Davida azy, ary nahoana no misy heviny lehibe izany? b) Ahoana no anohanan’ireo fakàn-teny tsy ara-baiboly ny tetirazan’i Jesosy?
4 Na dia ny fanoherana mametraka fisalasalana indrindra ny amin’ny maha-Mesia an’i Jesosy aza dia tsy afaka mandà ny filazan’i Jesosy ny tenany ho zanak’i Davida. Nahoana? Misy antony roa. Voalohany, izany filazana izany dia naverimberina ombieny ombieny tany Jerosalema am-polony taona maro talohan’ny naharavan’ilay tanàna tamin’ny 70 am.f.i. (Ampitahao amin’ny Matio 21:9; Asan’ny Apostoly 4:27; 5:27, 28.) Raha diso ilay filazana, na iza na iza mpanohitra an’i Jesosy — ary maro be izy ireo — dia afaka nanaporofo an’i Jesosy ho mpisandoka, tamin’ny fanamarinana fotsiny ny firazanany tao amin’ireo tahirin-taratasim-bahoaka nisy ny tetirazana.b Teo amin’ny tantara anefa, dia tsy nisy fitanana an-tsoratra ny amin’izay olona nametraka fisalasalana ny amin’ny maha-taranak’i Davida Mpanjaka an’i Jesosy. Miharihary fa tsy azo notoherina ilay filazana. Tsy isalasalana fa i Matio sy i Lioka dia nandika mivantana ireo anarana misongadina indrindra ao amin’ny fitantarany avy tao amin’ireo boky fitanana an-tsoratra ny vahoaka.
5 Faharoa, dia misy tahirin-kevitra maro ivelan’ny Baiboly manamafy ny faneken’ny maro ny tetirazan’i Jesosy. Ny Talmoda, ohatra, dia mitantara ny amin’ny raby iray tamin’ny taonjato fahefatra, izay nanao teny sahisahy ratsy namely an’i Maria, renin’i Jesosy, ho ‘mpijangajanga tamin’ny mpandrafitra’; miaiky tsy satry anefa io tapany amin’ny lahatsoratra io fa “taranaka andriana sy mpanapaka izy”. Ohatra iray taloha kokoa ny an’i Hegesippus, mpanoratra tantara tamin’ny taonjato faharoa. Nilaza izy fa, rehefa naniry handringana izay nety ho taranak’i Davida ilay Kaisara romana atao hoe Dominitien, dia niampanga an’i Joda, rahalahin’i Jesosy iray reny taminy, “ho fianakavian’i Davida” ny sasany tamin’ireo fahavalon’ny Kristiana voalohany. Raha fantatra ho taranak’i Davida i Joda, moa ve i Jesosy tsy mba toy izany koa? Tsy azo lavina fa izany tokoa! — Galatiana 1:19; Joda 1.
Faminaniana momba ny Mesia
6. Toy inona ny habetsahan’ireo faminaniana momba ny Mesia ao amin’ny Soratra Hebreo?
6 Lafiny hafa iray manaporofo ny maha-Mesia an’i Jesosy ny faminaniana tanteraka. Maro be ireo faminaniana mihatra amin’ny Mesia ao amin’ny Soratra Hebreo. Ao amin’ny bokiny hoe The Life and Times of Jesus the Messiah, i Alfred Edersheim dia nitanisa andinin-teny 456 ao amin’ny Soratra Hebreo izay noheverin’ireo raby taloha ho nahakasika ny Mesia. Nanana hevi-diso maro be momba ny Mesia anefa ireo raby; maro amin’ireo andinin-teny notondroin’izy ireo no tsy mahakasika ny Mesia velively. Na dia izany aza, dia misy faminaniana maromaro izay mampahafantatra an’i Jesosy ho Mesia. — Ampitahao amin’ny Apokalypsy 19:10.
7. Inona avy ireo faminaniana sasany izay notanterahin’i Jesosy nandritra ny fivahiniany teto an-tany?
7 Anisan’izany ny tanàna nahaterahany (Mika 5:1; Lioka 2:4-11); ilay loza famonoana ankizy maro indray niaraka izay nitranga taorian’ny nahaterahany (Jeremia 31:15; Matio 2:16-18); hantsoina hiala any Egypta izy (Hosea 11:1; Matio 2:15); hitambatra mba handringana azy ireo mpanapaka eo amin’ny firenena (Salamo 2:1, 2; Asan’ny Apostoly 4:25-28); ny famadihana azy tamin’ny sekely volafotsy 30 (Zakaria 11:12; Matio 26:15); na dia ny fomba nahafatesany aza. — Salamo 22:16; Jaona 19:18, 23; 20:25, 27.c
Ny fahatongavany nambaran’ny faminaniana
8. a) Faminaniana inona no manondro marina ny fotoana hahatongavan’ny Mesia? b) Anton-javatra roa inona no tsy maintsy fantarina mba hahatakarana io faminaniana io?
8 Aoka isika hifantoka amin’ny faminaniana iray monja. Ao amin’ny Daniela 9:25, dia nilazana ny amin’ny fotoana hiavian’ny Mesia ireo Jiosy. Izao no vakina ao: “Koa aoka ho fantatrao sy ho azonao fa hatramin’ny hivoahan’ny didy hanavaozana sy hanamboarana an’i Jerosalema ka hatramin’i Mesia Andriana dia ho fito herinandro sy roa amby enim-polo herinandro”. Raha vao jerena io faminaniana io dia mety ho toa saro-pantarina. Amin’ny heviny ankapobeny anefa, dia mangataka ny hahitantsika ampahana filazana roa monja izy: fotoana niaingana iray sy vanim-potoana iray. Mba hanazavana izany dia inty misy ohatra: raha toa ianao ka manana sarintany iray izay manondro ny toerana misy harena milevina eo amin’ny “in-50 mandingana atsinanan’ny fantsakana ao amin’ny zaridainan’ilay tanàna”, dia mety hihevitra ilay torolalana ho saro-takarina ianao — indrindra raha tsy fantatrao ny toeran’ilay fantsakana, na ny refin’ny ‘indray mandingana’. Moa ve ianao tsy hitady hamantatra ireo zavatra roa ireo mba hahafahana mamaritra ny toeran’ilay harena? Be itoviana amin’izany ny faminanian’i Daniela, fa isika kosa dia tsy maintsy mamantatra fotoana niaingana iray, ary mandrefy ilay vanim-potoana nanaraka izany.
9, 10. a) Inona ilay fotoana niaingana izay hanombohana manisa ny 69 herinandro? b) Toy inona ny halavan’ny 69 herinandro, ary ahoana no ahafantarantsika izany?
9 Ilaintsika aloha ilay fotoana niaingana, dia ny daty ‘nivoahan’ny didy hanavaozana sy hanamboarana an’i Jerosalema’. Avy eo, dia ilaintsika hofantarina ny elanelam-potoana nanomboka tamin’io fotoana io, izany hoe naharitra hafiriana ireo herinandro 69 (7 ampiana 62). Tsy sarotra ny mahazo ireo ampahana filazana ireo. Nilaza tamintsika mazava tsara i Nehemia fa navoaka ny teny nandidy ny hanorenana indray ny manda nanodidina an’i Jerosalema mba hahatonga azy io ho tanàna niorina indray “tamin’ny taona faharoa-polo nanjakan’i Artaksersesy”. (Nehemia 2:1, 5, 7, 8). Izany dia mametraka ilay fotoana niaingana ho tamin’ny taona 455 al.f.i.d
10 Raha ny amin’ireo herinandro 69 indray, moa ve izy ireo herinandro misy fito andro ara-bakiteny? Tsia, satria ny Mesia dia tsy niseho herintaona mahery monja taorian’ny 455 al.f.i. Araka izany, dia misy manam-pahaizana momba ny Baiboly maro sy fandikana ny Baiboly maro (anisan’izany ny Tanakh jiosy, eo amin’ny fanamarihana ambany pejy momba io andinin-teny io) manaiky fa izany dia herinandro “taona”. Nahazatra teo amin’ny Jiosy fahiny io hevitra momba ny ‘herinandro taona’, na tsingerina isaky ny fito taona io. Toy ny nitandremany andro sabata isaky ny fito andro, dia nitandrina sabatan-taona isaky ny fito taona koa izy ireo. (Eksodosy 20:8-11; 23:10, 11). Koa ny herinandro taona 69 àry, dia hitovy amin’ny 7 taona in-69, na 483 taona. Ny hany sisa tsy maintsy ataontsika dia ny manisa. Manomboka eo amin’ny 455 al.f.i., ny fanisana ireo 483 taona dia mitondra antsika ho eo amin’ny taona 29 am.f.i. — dia ilay taona nanaovana batisa an’i Jesosy mihitsy ka nahatongavany ho ma·shiʹach, ilay Mesia! — Jereo “Soixante-dix semaines”, Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible, Boky faha-7 Ri-Zo, pejy faha-1412.
11. Ahoana no azontsika amaliana ireo izay milaza fa fomba maoderina fanazavana ny faminanian’i Daniela fotsiny izany?
11 Mety hisy hanohitra fa izany dia fomba fanazavana maoderina ny faminaniana mba hifanitsy amin’ny tantara fotsiny. Raha izany no izy, nahoana ny olona tamin’ny andron’i Jesosy no niandry ny hisehoan’ny Mesia tamin’izay fotoana izay? I Lioka mpanoratra tantara kristiana, i Tacitus sy i Suetonius, mpanoratra tantara romana, i Josephus, mpanoratra tantara jiosy, ary i Philo, filozofa jiosy dia samy niaina tany akaikikaikin’izany fotoana izany ary nanamarina ny fisian’io fiandrasana io. (Lioka 3:15). Misy manam-pahaizana sasany amin’izao fotoana izao manizingizina fa ny fampijaliana nataon’ny Romana no nahatonga ny Jiosy haniry fatratra sy hiandry ny Mesia tamin’izany andro izany. Nahoana anefa ny Jiosy no niandry ny Mesia tamin’izay fotoana izay fa tsy nandritra ilay fanenjehana tsy nifaditrovana nataon’ny Grika taonjato vitsivitsy talohan’izay? Nahoana i Tacitus no nilaza fa “faminaniana mifono zava-miafina” no nitarika ireo Jiosy hiandry mpanapaka mahery ho tonga avy any Jodia ary “hahazo empira eo amin’izao rehetra izao”? Ao amin’ny bokiny hoe A History of Messianic Speculation in Israel, i Abba Hillel Silver dia miaiky fa “ny Mesia dia nandrasana teo amin’ny nanodidindidina ny antsasaky ny taonjato voalohany am.f.i.”, tsy noho ny fanenjehan’ny Romana, fa noho ny “fanisana andro nalaza tamin’izany andro izany”, izay avy amin’ny bokin’i Daniela ny ampahany aminy.
Nampahafantarina avy any ambony
12. Ahoana no nampahafantaran’i Jehovah an’i Jesosy ho ilay Mesia?
12 Ny fanaporofoana karazany fahatelo momba ny maha-Mesia an’i Jesosy dia ny fanambaran’ny tenan’Andriamanitra mihitsy. Araka ny Lioka 3:21, 22, taorian’ny nanaovana batisa an’i Jesosy, dia voahosotra tamin’ilay hery faran’izay masina sy mahery eo amin’izao rehetra izao izy, dia ny fanahy masin’i Jehovah Andriamanitra. Ary tamin’ny feony manokana, dia niaiky i Jehovah fa nankasitrahany i Jesosy Zanany. Tamin’ny toe-javatra roa hafa, dia niresaka nivantana tamin’i Jesosy avy tany an-danitra i Jehovah, ka tamin’izany dia nilaza ny fankasitrahany: indray mandeha, teo anatrehan’ny apostolin’i Jesosy telo lahy, ary tamin’ny fotoana iray hafa, teo anatrehan’ny vahoaka mpitazana. (Matio 17:1-5; Jaona 12:28, 29). Ankoatra izany, dia nisy anjely nirahina avy tany an-danitra mba hanamafy ny toeran’i Jesosy amin’ny maha-Kristy na Mesia azy. — Lioka 2:10, 11.
13, 14. Ahoana no nampisehoan’i Jehovah ny fankasitrahany an’i Jesosy tamin’ny naha-Mesia azy?
13 Naneho ny fankasitrahany an’ilay voahosony i Jehovah tamin’ny fanomezana azy hery hanatanterahana asa lehibe. I Jesosy ohatra, dia nanonona faminaniana izay nilaza mialoha ny tantara tamin’ny antsipiriany — ny sasany amin’izany dia tonga hatramin’izao androntsika izao.e Nanao fahagagana koa izy, toy ny famahanana vahoaka noana sy fanasitranana ny marary. Nanangana olona tamin’ny maty mihitsy aza izy. Moa ve ireo mpanara-dia azy namoromporona tantara ny amin’ireo asa mahery ireo fotsiny taorian’ny zava-nisy? Raha ny marina dia nanao ny maro tamin’ny fahagagany i Jesosy, teo anatrehan’ny vavolombelona nanatri-maso izay olona an’arivony maro niaraka indraindray. Na dia ireo fahavalon’i Jesosy aza dia tsy afaka nanda fa tena nanao izany zavatra izany tokoa izy. (Marka 6:2; Jaona 11:47). Etsy an-danin’izany, raha nirona hamoromporona fitantarana toy izany ireo mpanara-dia an’i Jesosy, nahoana àry izy ireo no feno fahatsorana aoka izany rehefa nahakasika ny kileman-toetrany manokana? Moa ve izy ireo ho vonona marina tokoa ny ho faty ho an’ny finoana iray niorina tamin’ny angano izay noforomporonin’ny tenany fotsiny? Tsia. Zava-nisy teo amin’ny tantara ny fahagagana nataon’i Jesosy.
14 Lasa lavitra kokoa anefa ny porofo nomen’Andriamanitra mikasika ny maha-Mesia an’i Jesosy. Tamin’ny alalan’ny fanahy masina, dia nataony izay hahazoana antoka fa ny fanaporofoana ny maha-Mesia an’i Jesosy dia nosoratana sy tonga anisan’ilay boky nadika sy nozaraina betsaka indrindra tao anatin’ny tantara iray manontolo.
Nahoana ireo Jiosy no tsy nanaiky an’i Jesosy?
15. a) Toy inona ny habetsahan’ireo porofo mampahafantatra an’i Jesosy ho Mesia? b) Fanantenan’ny Jiosy inona avy no nitarika ny maro taminy tsy hanaiky an’i Jesosy ho ilay Mesia?
15 Amin’ny fitambarany àry, ireo porofo karazany telo ireo dia mahafaoka ara-bakiteny zava-misy an-jatony maro izay mampahafantatra an’i Jesosy ho ilay Mesia. Tsy ampy ve izany? Alao sary an-tsaina fotsiny ange hoe manao fangatahana hahazo karatra fahazoan-dalana mamily fiarakodia ianao na karatra fanaovan-trosa (carte de crédit), dia ilazana fa tsy ampy ny kara-panondro telo — tsy maintsy mitondra an-jatony maro ianao. Izany ka hadalana! Azo antoka àry fa nampahafantarina tamin’ny fomba ampy i Jesosy ao amin’ny Baiboly. Nahoana anefa ny firenen’i Jesosy no nanda ireo porofo rehetra nilaza ny naha-Mesia azy? Satria ny porofo, na dia zava-dehibe ho an’ny tena finoana marina aza, dia tsy miantoka ny isian’ny finoana. Mampalahelo fa olona maro be no mino izay tiany hinoana, na dia efa tototry ny porofo aza. Raha ny amin’ny Mesia, ny ankamaroan’ny Jiosy dia nanana hevitra raikitra mikasika izay nirin’izy ireo. Naniry mesia ara-politika iray izy ireo, dia mesia iray izay ho namarana ny fampahorian’ny Romana ary ho namerina indray ny Isiraely ho amin’ny voninahitra iray nitovy tamin’ilay voninahitra ara-nofo nisy tamin’ny andron’i Solomona. Koa ahoana àry no ahafahan’izy ireo hanaiky io zanaka mpandrafitra mavomavo io, io Nazareana izay tsy liana mihitsy tamin’ny politika sy ny harena io? Ahoana indrindra no ahafahany ho ny Mesia taorian’ny nijaliany sy nahafatesany tamin’ny fomba nanala baraka teo amin’ny hazo fijaliana?
16. Nahoana ireo mpanara-dia an’i Jesosy no tsy maintsy nanitsy ny fanantenan’izy ireo momba ny Mesia?
16 Na dia ireo mpianatr’i Jesosy aza dia nikorontan-tsaina noho ny fahafatesany. Taorian’ny fitsanganany tamin’ny maty be voninahitra, dia niharihary fa nanantena izy ireo fa ‘hampody ny fanjakana ho amin’ny Isiraely’ avy hatrany i Jesosy. (Asan’ny Apostoly 1:6). Tsy nanda an’i Jesosy ho Mesia anefa izy ireo satria fotsiny hoe tsy tanteraka io fanantenan’izy ireo manokana io. Naneho finoana azy izy, niorina tamin’ireo porofo ampy izay nisy, ary nitombo tsikelikely ny fahatakaran’izy ireo; nihanazava ireo zava-miafina. Nanjary hitan’izy ireo fa ny Mesia dia tsy afaka nanatanteraka ireo faminaniana rehetra momba azy nandritra ny fotoana fohy dia fohy naha-olombelona azy teto an-tany. Raha niresaka ny amin’ny fahatongavany amim-panetren-tena, mitaingina zana-boriky ny faminaniana iray, ny iray hafa kosa dia niresaka ny amin’ny fiaviany amim-boninahitra eo amin’ny rahona! Ahoana no mety hahasamy marina izany? Miharihary fa tsy maintsy ho tonga fanindroany izy. — Daniela 7:13; Zakaria 9:9.
Ny antony tsy maintsy nahafatesan’ny Mesia
17. Ahoana no anazavan’ny faminanian’i Daniela tsara fa tsy maintsy ho faty ny Mesia, ary noho ny antony inona no hahafatesany?
17 Ankoatra izany, ireo faminaniana momba ny Mesia dia milaza mazava tsara fa tsy maintsy ho faty ny Mesia. Ilay faminaniana izay nanambara mialoha ny fotoana hahatongavan’ny Mesia indrindra, ohatra, dia nanambara mialoha toy izao ao amin’ilay andininy manaraka: “Ary rehefa afaka ny roa amby enim-polo herinandro [izay nanaraka ny fito herinandro], dia hovonoina ny Mesia”. (Daniela 9:26). Ilay teny hebreo hoe ka·rathʹ nadika eto hoe “hovonoina”, dia mitovy amin’ilay teny ampiasaina ho an’ny fanamelohana ho faty teo ambanin’ny Lalàn’i Mosesy. Tsy misy isalasalana fa tsy maintsy ho faty ny Mesia. Nahoana? Manome antsika ny valiny ny Da 9:24 andininy faha-24: “Hanampina ny fahotana, ary hanao fanavotana noho ny heloka sy hampiditra fahamarinana mandrakizay”. Fantatr’ireo Jiosy tsara fa ny sorona ihany, fahafatesana iray, no afaka manao fanavotana ho an’ny fahadisoana. — Levitikosy 17:11; ampitahao amin’ny Hebreo 9:22.
18. a) Ahoana no ampisehoan’ny Isaia toko faha-53 fa tsy maintsy mijaly sy ho faty ny Mesia? b) Mampipoitra toa fifanoheran-javatra inona io faminaniana io?
18 Ny Is 53 Isaia toko faha-53 dia miresaka ny amin’ny Mesia ho toy ny Mpanompon’i Jehovah manokana iray izay tsy maintsy hijaly sy ho faty mba hanaronana ny fahotan’ny hafa. Izao no lazain’ny Is 53:5 andininy faha-5: “Nefa Izy dia voalefona noho ny fahadisoantsika sy notorotoroina noho ny helotsika”. Rehefa avy nilaza tamintsika io faminaniana io fa tsy maintsy ho faty toy ny “fanati-panonerana” io Mesia io, dia ampahafantariny fa izy io dia “ho maro andro, ary ny sitrapon’i Jehovah dia hambinina eo an-tànany”. (Is 53:10 Andininy faha-10, jereo fanamarihana ambany pejy). Tsy mifanohitra ve izany? Ahoana no ahafahan’ny Mesia ho faty, ary avy eo dia “ho maro andro”? Ahoana no ahafahan’ny tenany hatolotra ho fanatitra ary avy eo dia hanao izay ‘hanambinana ny sitrapon’i Jehovah’? Ahoana tokoa no ahafahany ho faty ary hitoerany ho maty kanefa tsy nanatanteraka ilay faminaniana lehibe indrindra momba azy izy, dia ny hanjakany mandrakizay amin’ny maha-Mpanjaka sy hitondrany fiadanana sy fahasambarana ho an’ny tany manontolo? — Isaia 9:5, 6.
19. Amin’ny ahoana no ampifanarahan’ny fitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty ireo faminaniana toa mifanohitra mikasika ny Mesia?
19 Io toa fifanoheran-javatra io dia voalamina tamin’ny alalan’ny fahagagana manaitra tokana monja. Natsangana tamin’ny maty i Jesosy. Jiosy tso-po an-jatony maro no tonga vavolombelona nanatri-maso io zava-nisy be voninahitra io. (1 Korintiana 15:6). Nanoratra toy izao ny apostoly Paoly tatỳ aoriana: “Fa izy [Jesosy Kristy] kosa, rehefa nanao fanatitra iray monja ho mandrakizay noho ny ota, dia efa mipetraka eo an-tànana ankavanan’Andriamanitra, ka hatramin’izao dia miandry Izy mandra-panaony ny fahavalony ho fitoeran-tongony.” (Hebreo 10:10, 12, 13). Eny, taorian’ny nitsanganan’i Jesosy ho amin’ny fiainana any an-danitra, ary taorian’ny vanim-potoana iray ‘niandrasana’, no hanomezana azy ny seza fiandrianana amin’ny maha-Mpanjaka azy amin’ny farany, ka hamelezany ireo fahavalon’i Jehovah Rainy. Manana fiantraikany eo amin’ny fiainan’ny olona tsirairay velona ankehitriny i Jesosy, ilay Mesia, noho ny asany amin’ny maha-Mpanjaka any an-danitra azy. Amin’ny fomba ahoana? Handinika ny amin’izany ny lahatsoratra manaraka.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Rehefa milaza ny Lioka 3:23 hoe: “i Josefa, izay zanak’i Hely”, dia miharihary fa izany dia midika hoe “zanaka” amin’ny heviny hoe “vinantolahy”, satria i Hely dia rain’i Maria ara-nofo. — Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible, Boky faha-4 Ha-Jo, pejy faha-657.
b I Josephus, mpanoratra tantara jiosy, dia nampiharihary tsara fa nisy ny fitanana an-tsoratra toy izany talohan’ny 70 am.f.i., rehefa nampiseho ny tetirazany izy. Toa niara-potika tamin’ny tanànan’i Jerosalema ireo fitanana an-tsoratra ireo, ka nahatonga izay rehetra filazana tena ho Mesia ho tsy azo noporofoina taorian’izany.
c Jereo ny Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible, Boky faha-5 Jo-Ni, pejy faha-1008.
d Misy porofo mahery avy amin’ireo tahirin-kevitra grika, babyloniana, ary persiana izay manondro fa ny taona voalohany nanjakan’i Artaksersesy dia tamin’ny 474 al.f.i. Jereo ny Insight on the Scriptures, Boky faha-2, pejy faha-614-616, 900.
e Tao amin’ny iray amin’ireny faminaniana ireny, dia nambarany mialoha fa hisy mesia sandoka hitsangana nanomboka tamin’ny androny. (Matio 24:23-26). Jereo ilay lahatsoratra teo aloha.
Ahoana no Havalinao?
◻ Nahoana no mandinika ny fanaporofoana raha i Jesosy no ilay Mesia nampanantenaina na tsia?
◻ Ahoana no anohanan’ny tetirazan’i Jesosy ny maha-Mesia azy?
◻ Ahoana no anampian’ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly mba hanaporofoana fa i Jesosy no ilay Mesia?
◻ Tamin’ny fomba ahoana avy no nanamarinan’i Jehovah manokana ny maha-Mesia an’i Jesosy?
◻ Nahoana no nisy Jiosy maro aoka izany nanda an’i Jesosy ho Mesia, ary nahoana no tsy ara-dalàna ireny antony ireny?
[Sary, pejy 12]
Ny tsirairay amin’ireo fahagagana maro nataon’i Jesosy dia manome porofo fanampiny ny maha-Mesia azy