-
Nohatanjahin’ny Mpitondra Hafatra Iray avy Tamin’AndriamanitraDiniho ny Faminanian’i Daniela
-
-
10 Fahitana re io azon’i Daniela io! Miharihary fa tsy olona tsotra no hitany, raha vao nanopy ny masony hijery izy. Nanome izao filazalazana toa hitan’ny maso izao i Daniela: “Tahaka ny krysolita ny tenany, ary tahaka ny helatra ny tarehiny, ary tahaka ny fanilo mirehitra ny masony, ary mivolom-barahina manganohano ny sandriny sy ny tongony; ary ny feony toy ny feon’ny olona maro be”. — Daniela 10:6.
-
-
Nohatanjahin’ny Mpitondra Hafatra Iray avy Tamin’AndriamanitraDiniho ny Faminanian’i Daniela
-
-
13 Nahatahotra an’i Daniela koa ny fisehoan’ilay mpitondra hafatra — ny fanjopiakan’ny vatany toy ny vatosoa, ny famirapiratry ny tarehiny toa nanajamba, ny fibanjin’ny masony nivaivay toy ny afo, ary ny fanjelanjelatry ny sandriny sy ny tongony natanjaka. Na dia ny feony feno fahefana aza dia nahatahotra. Izany rehetra izany dia mampiseho mazava fa tsy olombelona izy io. Tsy iza io ‘lehilahy nitafy rongony fotsy’ io fa anjely iray ambony laharana, izay nanompo teo anatrehan’i Jehovah, ilay nampitondra hafatra.a
-
-
Nohatanjahin’ny Mpitondra Hafatra Iray avy Tamin’AndriamanitraDiniho ny Faminanian’i Daniela
-
-
a Na dia tsy voatonona anarana aza io anjely io, dia toa izy io ihany ilay re nanome toromarika an’i Gabriela mba hanampy an’i Daniela hahatakatra ny hevitry ny fahitana iray vao azony. (Ampitahao amin’ny Daniela 12:7, 8 ny 8:2, 15, 16.) Ankoatra izany, ny Daniela 10:13 dia mampiseho fa tonga mba hanampy an’io anjely io i Mikaela, “anankiray amin’ireo andriana lehibe”. Araka izany, io anjely tsy voatonona anarana io, dia tsy maintsy ho nanana tombontsoa niara-niasa akaiky tamin’i Gabriela sy tamin’i Mikaela.
-