-
Iza no “Mpanjakan’ny Avaratra” Amin’ny Fotoanan’ny Farany?Ny Tilikambo Fiambenana (Fianarana)—2020 | Mey
-
-
8. Iza no mpanjakan’ny atsimo nandritra ny andro farany?
8 Nifanampy i Grande-Bretagne sy Etazonia nandritra ny Ady Lehibe I, ka lasa natanjaka be ny tafik’izy ireo. Tamin’izay ry zareo no lasa firenena matanjaka indrindra teto an-tany, antsoina hoe Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina. Lasa nanana “tafika tena lehibe sy mahery” ry zareo, araka ny efa nolazain’i Daniela mialoha. (Dan. 11:25)
-
-
Iza no “Mpanjakan’ny Avaratra” Amin’ny Fotoanan’ny Farany?Ny Tilikambo Fiambenana (Fianarana)—2020 | Mey
-
-
IZA NO MPANJAKAN’NY AVARATRA?
9. Oviana no lasa nisy mpanjakan’ny avaratra indray? Ary ahoana no nahatanteraka ny Daniela 11:25?
9 Hitantsika teo hoe tamin’ny 1870 ry Russell sy ny namany no nanomboka niara-nandinika ny Baiboly. Nipoitra indray ny mpanjakan’ny avaratra herintaona taorian’izay. Nitambatra ny faritra maromaro tany Eoropa tamin’izay, dia lasa firenena natanjaka antsoina hoe Alemaina. Nanjanaka firenena maro tany Afrika sy Oseana Pasifika i Alemaina tatỳ aoriana, ary nanomboka nifaninana tamin’i Grande-Bretagne. (Vakio ny Daniela 11:25.) Nanangana tafika natanjaka be izy, ary ny tafika an-dranomasina alemà no natanjaka indrindra eran-tany taorian’ny tafika britanika. Nalefan’i Alemaina hiady tamin’ny fahavalony daholo ireny tafiny ireny, tamin’ny Ady Lehibe I.
10. Ahoana no nahatanterahan’ny Daniela 11:25b, 26?
10 Niresaka momba an’izay hitranga amin’i Alemaina sy ny tafiny i Daniela avy eo. Nilaza izy hoe “tsy hahatohitra tokoa” ny mpanjakan’ny avaratra. Fa maninona? “Satria hitetika ny hamely azy izy ireo. Ary ireo mihinana ny hanim-py avy aminy ihany no handavo azy.” (Dan. 11:25b, 26a) Iza ireo olona ireo? Ny olona ambony ‘nanompo teo anatrehan’ny mpanjaka’ no nihinana tamin’ny “hanim-py fihinan’ny mpanjaka”, tamin’ny andron’i Daniela. (Dan. 1:5) Ny olona ambony tao amin’ny fitondrana alemà àry no tian’ilay faminaniana horesahina. Anisan’izany ireo jeneraly sy manamboninahitry ny tafika niara-niasa akaiky tamin’ny mpanjaka. Tsy nanana fahefana intsony ny mpanjaka noho ny nataon’izy ireo, ka lasa nisy karazana fitondrana hafa indray tany Alemaina.d
-
-
Iza no “Mpanjakan’ny Avaratra” Amin’ny Fotoanan’ny Farany?Ny Tilikambo Fiambenana (Fianarana)—2020 | Mey
-
-
d Nisy zavatra maromaro nataon’ireo olona ireo, ka nahatonga ny fanjakana ho rava haingana. Tsy nanohana ny mpanjaka intsony, ohatra, ry zareo sady namoaka tsiambaratelo momba ny ady. Noteren-dry zareo hiala tamin’ny fitondrana koa ny mpanjaka.
-