-
Hafa Indray no Mitana ny Toeran’ireo Mpanjaka RoaDiniho ny Faminanian’i Daniela
-
-
16, 17. a) Iza no naka ny toeran’ny mpanjakan’ny avaratra voalaza ao amin’ny Daniela 11:25? b) Iza no nanjary naka ny toeran’ny mpanjakan’ny atsimo, ary ahoana no nitrangan’izany?
16 Notohizin’ilay anjelin’Andriamanitra toy izao ilay faminaniana: “Hanaitra ny heriny sy ny fony izy [ny mpanjakan’ny avaratra] hamely ny mpanjakan’ny atsimo amin’ny miaramila maro; ary ny mpanjakan’ny atsimo kosa hanafika mitondra miaramila maro sady mahery indrindra; nefa tsy hahajanona izy [ny mpanjakan’ny avaratra], satria hisy [hitetika teti-dratsy hamelezana, NW ] azy.
-
-
Hafa Indray no Mitana ny Toeran’ireo Mpanjaka RoaDiniho ny Faminanian’i Daniela
-
-
17 Tokony ho 300 taona taorian’ny nanaovan’i Octavien an’i Ejipta ho provansy romanina, dia nitana ny toeran’ny mpanjakan’ny avaratra i Aurélien, emperora romanina. I Septimie Zénobie, mpanjakavavin’i Palmyre, izay zanatany romanina, kosa nitana ny toeran’ny mpanjakan’ny atsimo.a (Jereo ny hoe “Zénobie — Ilay Mpanjakavavy Mpiadin’i Palmyre”, eo amin’ny pejy faha-252.) Naka an’i Ejipta ny tafik’i Palmyre tamin’ny 269 am.f.i., mba hoe ho azo antoka ny hahazoan’i Roma azy io, araka ny fihamboany. Naniry hanao an’i Palmyre ho ny tanàna lehibe indrindra tany atsinanana i Zénobie, ary naniry hanapaka teo amin’ireo provansy romanina tatsinanana. Taitra noho izany faniriany izany i Aurélien, ka nanaitra “ny heriny sy ny fony” hamely an’i Zénobie.
18. Ahoana no niafaran’ilay fifandonana teo amin’ny Emperora Aurélien, mpanjakan’ny avaratra, sy ny Mpanjakavavy Zénobie, mpanjakan’ny atsimo?
18 Ilay fitondrana notarihin’i Zénobie, izany hoe ny mpanjakan’ny atsimo, dia ‘nanafika’ ny mpanjakan’ny avaratra, ‘nitondra miaramila maro sady nahery indrindra’, notarihin’ny jeneraly roa, dia i Zabda sy i Zabay. Naka an’i Ejipta anefa i Aurélien ary avy eo dia nandeha nanafika an’i Azia Minora sy i Syria. Resy i Zénobie tao Émèse (Homs ankehitriny), ka nihemotra nankany Palmyre. Rehefa nanao fahirano an’io tanàna io i Aurélien, dia niezaka hiaro azy io tamin-kerim-po i Zénobie, saingy tsy nahomby. Nandositra nankany Persa izy sy ny zanany lahy, nefa dia voasambotry ny Romanina teo amin’ny Ony Eofrata. Navelan’ny mponin’i Palmyre ho azon’ny mpanafika ny tanànany, tamin’ny 272 am.f.i. Notsimbinin’i Aurélien ny ain’i Zénobie, izay nataony ho ny babo nisarika maso indrindra tao amin’ny filaharan’ny mpandresy nalaminy nanerana an’i Roma tamin’ny 274 am.f.i. Nanjary andriambavy romanina izy ary nijanona ho toy izany mandra-pahafatiny.
19. Ahoana no nahalavoan’i Aurélien ‘satria nisy teti-dratsy hamelezana azy’?
19 Na i Aurélien aza anefa ‘tsy nahajanona, satria nisy teti-dratsy hamelezana azy’. Tamin’ny 275 am.f.i., dia niainga hanafika ny Persanina izy. Tao Thrace, teo am-piandrasany ny fahafahana hita ireo andilan-dranomasina ho any Azia Minora, dia nampiasa teti-dratsy hamelezana azy, ireo izay ‘nihinana ny haniny’, ka ‘nahalavo’ azy. Handeha hampamoaka an’i Eros, mpitan-tsorany, izy, noho ny tsy fanarahan-dalàna sasany, nefa i Eros efa nanao lisitra nisy anaran’ny komandy sasany, izay nokendrena hovonoina. Rehefa nahita an’io lisitra io izy ireo, dia nioko hamono an’i Aurélien, ka dia namono azy.
-