-
Hafa Indray no Mitana ny Toeran’ireo Mpanjaka RoaDiniho ny Faminanian’i Daniela
-
-
Eny, izay homana ny hanina avy aminy ihany no hahalavo azy, ary ny miaramilany hanerana toy ny safotra, sady maro ny faty hiampatrampatra.” — Daniela 11:25, 26.
-
-
Hafa Indray no Mitana ny Toeran’ireo Mpanjaka RoaDiniho ny Faminanian’i Daniela
-
-
Tamin’ny 275 am.f.i., dia niainga hanafika ny Persanina izy. Tao Thrace, teo am-piandrasany ny fahafahana hita ireo andilan-dranomasina ho any Azia Minora, dia nampiasa teti-dratsy hamelezana azy, ireo izay ‘nihinana ny haniny’, ka ‘nahalavo’ azy. Handeha hampamoaka an’i Eros, mpitan-tsorany, izy, noho ny tsy fanarahan-dalàna sasany, nefa i Eros efa nanao lisitra nisy anaran’ny komandy sasany, izay nokendrena hovonoina. Rehefa nahita an’io lisitra io izy ireo, dia nioko hamono an’i Aurélien, ka dia namono azy.
20. Tamin’ny ahoana no hoe ‘nanerana toy ny safotra ny miaramilan’ny’ mpanjakan’ny avaratra?
20 Tsy nifarana tamin’ny fahafatesan’ny Emperora Aurélien akory ny anjara asan’ny mpanjakan’ny avaratra. Nisy mpanapaka romanina hafa taoriany. Nisy fotoana nahitana emperora iray tany andrefana ary iray hafa tany atsinanana. Teo ambany fitarihan’ireo lehilahy ireo, dia ‘nanerana toy ny safotra’, na hoe ‘nihahaka’,b ny ‘miaramilan’ny’ mpanjakan’ny avaratra, ka maro ny ‘faty niampatrampatra’, noho ny fanafihan’ireo foko alemà avy tany avaratra. Nidiran’ireo Goths an-keriny ny sisin-tany romanina, tamin’ny taonjato fahefatra am.f.i. Nitohy ihany ireo fanafihana, ary nisesy. Tamin’ny 476 am.f.i., dia nanaisotra an’ilay emperora farany nanapaka tao Roma ilay mpitarika alemà natao hoe Odoacre. Tamin’ny fiandohan’ny taonjato fahenina, dia efa rava ny Empira Romanina tany andrefana, ary mpanjaka alemà no nanapaka tany Afrika Avaratra, Bretagne, Espaina, Gaule ary Italia. Naharitra hatramin’ny taonjato faha-15 ny tapany atsinanana tamin’ilay empira.
-