-
Mandoto ny Fitoerana Masin’i Jehovah ny Mpanjaka IrayNy Tilikambo Fiambenana—1993 | 1 Novambra
-
-
Ilay mpanjaka sy ny fanekena
15. Iza moa ireo “izay mivadika ny fanekena”, ary fifandraisana inona no nananan’izy ireo tamin’ny mpanjakan’ny avaratra?
15 Izao ilay anjely dia nilaza hoe: “Ary izay mivadika ny fanekena dia hambosiny [“hotarihiny ho amin’ny fivadiham-pinoana”, NW ] amin’ny fandroboana”. (Daniela 11:32a). Iza moa ireo izay mivadika ny fanekena? Eto indray, dia tsy iza izy ireo fa ireo mpitarika ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana, izay mihambo ho Kristiana kanefa mandoto ilay anarana hoe Kristianisma mihitsy amin’ny asany. Nandritra ny ady lehibe faharoa, “ny Fitondrana Sovietika dia niezaka nampiasa ny fanohanana ara-nofo sy ara-tsain’ireo Fiangonana ho an’ny fiarovana ny tanindrazana”. (Religion in the Soviet Union, nataon’i Walter Kolarz). Taorian’ny ady, dia niezaka nitana izany fisakaizana izany ireo mpitondra ny fiangonana na dia teo aza ny foto-kevitra tsy mino ny fisian’Andriamanitra nijoroan’ilay herim-panjakana izay tonga mpanjakan’ny avaratra izao.b Araka izany, dia tonga naman’izao tontolo izao mbola tsy nisy toy izany ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana — fivadiham-pinoana maharikoriko eo imason’i Jehovah. — Jaona 17:14; Jakoba 4:4.
16, 17. Iza moa ireo “izay hendry”, ary nanao ahoana izy ireo teo ambanin’ny fanapahan’ny mpanjakan’ny avaratra?
16 Ahoana anefa ny amin’ireo tena Kristiana marina? “Fa ny olona izay mahalala an’Andriamaniny kosa dia [handresy, NW ] ka hankatò azy.
-
-
Mandoto ny Fitoerana Masin’i Jehovah ny Mpanjaka IrayNy Tilikambo Fiambenana—1993 | 1 Novambra
-
-
Sady ‘nandresy’ izy ireo no ‘lavo’. Lavo izy ireo amin’ny heviny hoe, izy ireo dia nenjehina sy nijaly fatratra, ary novonoina ho faty mihitsy aza ny sasany. Kanefa dia nandresy izy ireo amin’ny heviny hoe, tamin’ny ankamaroan’ny toe-javatra dia nitoetra ho tsy nivadika izy ireo. Eny, nandresy izao tontolo izao izy ireo, toy ny nandresen’i Jesosy an’izao tontolo izao. (Jaona 16:33). Ambonin’izany, dia tsy nitsahatra nitory mihitsy izy ireo, na dia tany an-tranomaizina na tany amin’ny toby fitanana aza.
-