-
Manatona ny Hiafarany Ireo Mpanjaka MpifanandrinaDiniho ny Faminanian’i Daniela
-
-
Ary izay hendry ao amin’ny olona dia hampianatra ny maro; nefa ho lavon’ny sabatra sy ny lelafo sy ny famaboana ary ny fandrobana elaela ihany izy.” — Daniela 11:32, 33.
-
-
Manatona ny Hiafarany Ireo Mpanjaka MpifanandrinaDiniho ny Faminanian’i Daniela
-
-
5, 6. Iza moa ireo ‘olona izay nahalala ny Andriamaniny’, ary nanao ahoana izy ireo teo ambany fanapahan’ny mpanjakan’ny avaratra?
5 Ahoana ny amin’ireo Kristianina marina — “ny olona izay mahalala an’Andriamaniny” sy “hendry”? Na dia ‘nanaiky ny fahefana lehibe’ araka ny tokony ho izy aza ny Kristianina niaina teo ambany fanapahan’ny mpanjakan’ny avaratra, dia tsy anisan’ity tontolo ity. (Romana 13:1; Jaona 18:36). Nitandrina izy ireo mba ‘handoa ho an’i Kaisara izay an’i Kaisara’, nefa nanome koa “ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra”. (Matio 22:21). Noho izany, dia niharam-pisedrana ny tsy fivadihan’izy ireo. — 2 Timoty 3:12.
6 Ho vokany, dia sady ‘lavo’ ny Kristianina marina no ‘nandresy’. Lavo izy ireo, satria niharan’ny fanenjehana faran’izay mafy, ka novonoina mihitsy aza ny sasany. Nandresy anefa izy ireo, satria tsy nivadika ny ankamaroany. Naharesy izao tontolo izao izy ireo, tsy misy hafa amin’i Jesosy. (Jaona 16:33). Ambonin’izany, dia tsy nitsahatra nitory mihitsy izy ireo, na dia tany an-tranomaizina na tany amin’ny toby fitanana aza. Tamin’ny fanaovana izany, dia ‘nampianatra ny maro’ izy ireo. Na dia nisy fanenjehana aza tany amin’ny ankamaroan’ireo tany notapahin’ny mpanjakan’ny avaratra, dia nitombo ny isan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Noho ny fahatokian’ireo “izay hendry”, dia nahitana “olona betsaka” nihanitombo isa hatrany tany amin’ireo tany ireo. — Apokalypsy 7:9-14.
-