Fanontanian’ny Mpamaky
Nahafinaritra ny nianatra ireo faminanian’i Daniela, araka ny anazavana azy ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana. Nahoana anefa no tsy mitovy amin’ny ao amin’ny boky Fanambarana ny daty omena ho an’ireo fetr’andro telo sy tapany ao amin’ny Apokalypsy 11:3?
Marina fa Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Novambra 1993 dia nanolotra fanitsiana kely raha ny amin’ny fanisana ny fahatanterahan’ny Apokalypsy 11:3 tamin’ny andro ankehitriny. Nahoana?
Aoka hojerentsika voalohany ny eo amin’ny Apokalypsy 11:2, izay miresaka momba ireo “roa amby efa-polo volana” eo amin’ny tapany farany. Tohizintsika eo amin’ny Ap 11:3 andininy faha-3 hoe: “Homeko hery ny vavolombeloko roa, ka haminany enim-polo amby roan-jato amby arivo andro izy, sady hitafy lamba fisaonana.” Oviana izany no mihatra?
Efa hatramin’ny ela no niaiky ny Vavolombelon’i Jehovah fa io faminaniana io dia tanteraka tamin’ireo Kristiana voahosotry ny fanahy taorian’ny faran’ny “fotoana voatondro ho an’ireo firenena” (ny Andron’ny Jentilisa) tamin’ny 1914. (Lioka 21:24, NW; 2 Korintiana 1:21, 22). Milaza toy izao ny boky Ny Fanambarana — Akaiky ny Fiafarany Malaza!a (1988) eo amin’ny pejy faha-164, rehefa manome fanazavana ny amin’izy io: ‘Nisy vanim-potoana voafetra telo taona sy tapany niaretan’ireo mpanompon’Andriamanitra andro sarotra, izay nifanitsy tamin’ny fisehoan-javatra nambara ara-paminaniana eto; nanomboka tamin’ny fipoahan’ny ady lehibe voalohany tamin’ny faramparan’ny 1914 io vanim-potoana io, ary nitohy hatramin’ny fiandohan’ny 1918.’
Mariho fa ny fanisana ny fotoana dia hoe “ny fipoahan’ny ady lehibe voalohany tamin’ny faramparan’ny 1914 [ka hatramin’ny] fiandohan’ny 1918.” Izany dia mifanitsy amin’ny daty naseho matetika, toy ny tao amin’ny boky “Alors sera consommé le mystère de Dieu” eo amin’ny pejy faha-261–264, (1969).b
Kanefa, Ny Tilikambo Fiambenana dia nifantoka tamin’ireo faminaniana ao amin’ny Daniela, boky izay indroa no miresaka fe-potoana mitovy amin’izay resahina atỳ aoriana ao amin’ny Apokalypsy — izany hoe telo taona sy tapany na 42 volana. Mba ho marina tsara, dia milaza ny Daniela 7:25 fa ny olo-masin’Andriamanitra dia nampahorina ‘fetr’andro iray sy fetr’andro roa ary antsasaky ny fetr’andro’, na fetr’andro telo sy tapany. Tatỳ aoriana, ny Daniela 12:7 dia nanambara mialoha “fetr’andro iray sy fetr’andro roa ary antsasaky ny fetr’andro”, na fetr’andro telo sy tapany, izay niafara tamin’ny ‘famitana ny fanamontsamontsanana ny herin’ny olo-masina’.
Koa manana faminaniana mahakasika fe-potoana mitovy isika ao amin’ny Daniela 7:25 sy ao amin’ny Daniela 12:7 ary ao amin’ny Apokalypsy 11:2, 3, ary koa ao amin’ny Apokalypsy 13:5. Nasehon’ireo zavatra vita an-tsoratra navoakanay fa ireo rehetra ireo dia tanteraka tamin’ny fe-potoana 1914 ka hatramin’ny 1918. Rehefa nohazavaina mitokana anefa ny tsirairay avy tamin’ireo faminaniana ireo, dia niova kely ireo fanisana fotoana ho amin’ny fiantombohany sy ho amin’ny fiafarany.
Kanefa Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Novambra 1993 dia nanao izao fanontaniana izao: “Ahoana avy no nahatanterahan’ireo faminaniana mifanitsy rehetra ireo?” Eny, nekena ho “faminaniana mifanitsy” ireo faminaniana momba ny fetr’andro telo sy tapany eo amin’ny Daniela 7:25 sy Daniela 12:7 ary Apokalypsy 11:3. Noho izany, dia nifanitsy izy ireo raha ny amin’ny fiantombohany sy ny fiafarany.
Raha ny amin’ny fiafarany, dia nasehon’ilay gazety ny fomba nampahoriana ireo voahosotr’Andriamanitra, (Daniela 7:25), izay tonga tamin’ny fara tampony tamin’ny Jona 1918, rehefa ‘voaheloka hanefa sazy naharitra tany an-tranomaizina noho ny fiampangana lainga’ i J. F. Rutherford sy ireo mpitantana hafa tao amin’ny Watch Tower Bible and Tract Society. Izany fisehoan-javatra izany dia ‘famitana ny fanamontsamontsanana ny herin’ny olo-masina’ marina tokoa, araka izay nomarihin’ny Daniela 12:7.
Rehefa isaina miverina manomboka amin’ny Jona 1918 izany, dia mitondra antsika ho amin’ny Desambra 1914 raha ny amin’ny fiantombohan’ny fetr’andro telo sy tapany. Tamin’io volana namarana ny 1914 io, dia fantatr’ireo voahosotra teto an-tany ny teny fototra nofidina ho an’ny taona 1915, dia ny hoe: “ ‘Hainareo va ny hisotro amin’ny kapoaka izay efa hisotroako?’ — Matio 20:20-23.” Nanome izao fampiomanana izao ny lahatsoratra nanambara azy io: “Iza no mahafantatra raha mety hisy fisedrana manokana sasany, kapoakam-pijaliana na fampietrena ho an’ireo mpanara-dia mahatokin’ny Zanak’ondry mandritra ny 1915!” Araka ny nanambaran’ny Daniela 7:25 mialoha izay hitranga ho amin’io fe-potoana telo sy tapany io, dia ‘nipoitra ny fampahoriana ary nitohy namely ny olo-masin’ny Avo Indrindra’. Hitan’ireo firenena, izay nampikorontanina tao anatin’ny Ady Lehibe Voalohany, ho mora kokoa ny nampihatra fampahoriana tsy voamarina. Izao no famaranan-kevitra: Ireo faminaniana telo mifanitsy ireo — Daniela 7:25, 12:7 sy Apokalypsy 11:3 — dia tanteraka tao anatin’ireo fetr’andro telo sy tapany na 42 volana, nanomboka tamin’ny Desambra 1914 ka hatramin’ny Jona 1918.
Izany dia manazava ny fanatsarana kely nentina teo amin’ny fanisana ny fotoana ho amin’ny fahatanterahan’ny Apokalypsy 11:3. Zavatra azontsika atao an-tsaina io fanitsiana io rehefa hianatra sy hampiasa ny boky Fanambarana isika amin’ny hoavy.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of New York, Inc.
b Navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of New York, Inc.