-
Famantarana Ireo Mpivavaka Marina Amin’ny Andro FaranyDiniho ny Faminanian’i Daniela
-
-
21. a) Hanomboka ilay fotoana nambara mialoha ao amin’ny Daniela 12:11, rehefa ho tanteraka ny fepetra inona avy? b) Inona moa “ilay lafin-javatra tsy miova”, ary oviana izy io no nesorina? (Jereo ny faritra voafefy eo amin’ny pejy faha-298.)
21 Izao no nolazaina tamin’i Daniela: “Hatramin’ny andro [hanesorana ilay lafin-javatra tsy miova sy hametrahana, NW ] ny fahavetavetana mahatonga fandravana dia hisy andro sivi-folo sy roan-jato amby arivo.” Hanomboka àry io fe-potoana io, rehefa hita fa tanteraka ny fepetra sasantsasany. “Ilay lafin-javatra tsy miova”, na “ilay fanatitra mitohy”a, dia tsy maintsy ho efa nesorina aloha. (Daniela 12:11, NW, fanamarihana ambany pejy). Fanatitra inona no tian’ilay anjely holazaina? Tsy ireo fanatitra biby natolotra tao amin’ny tempoly teto an-tany akory izany. Na ilay tempoly tao Jerosalema aza dia “tandindon’ny tena fitoerana masina” fotsiny — ny tempoly ara-panahy lehiben’i Jehovah, izay nanomboka niasa, fony i Kristy tonga ny Mpisoronabe tao, tamin’ny 29 am.f.i.! Ao amin’io tempoly ara-panahy io, izay mampiseho ny fanompoam-pivavahana marina nalamin’Andriamanitra, dia tsy ilaina ny manohy manao fanatitra noho ny ota, satria i Kristy efa “natolotra indray mandeha hitondra ny otan’ny maro”. (Hebreo 9:24-28). Na dia izany aza, ny Kristianina marina rehetra dia manolotra fanatitra ao amin’io tempoly io. Hoy ny nosoratan’ny apostoly Paoly: “Koa aoka isika hanatitra ny fanati-piderana amin’ny alalany [Kristy] ho an’Andriamanitra mandrakariva, dia ny vokatry ny molotra izay manaiky ny anarany.” (Hebreo 13:15). Io fepetra voalohany ao amin’ilay faminaniana io — ny fanesorana an’ilay “lafin-javatra tsy miova” — àry dia hita fa tanteraka teo antenatenan’ny 1918, fony niato ara-bakiteny ny asa fitoriana.
22. a) Inona moa ilay “fahavetavetana” mandrava, ary oviana izy io no napetraka? b) Oviana no nanomboka ilay fe-potoana nambara mialoha ao amin’ny Daniela 12:11, ary oviana izy io no nifarana?
22 Ahoana anefa ny amin’ilay fepetra faharoa — ny ‘fampidirana’, na hoe ny fametrahana an’ilay “fahavetavetana mahatonga fandravana”? Araka ny hitantsika fony isika nandinika ny Daniela 11:31, io fahavetavetana io dia ny Fikambanam-pirenena aloha, izay nipoitra indray tatỳ aoriana tamin’ny anarana hoe Firenena Mikambana. Samy maharikoriko izy roa ireo, satria nohobina ho ny hany fanantenana fiadanana maneran-tany. Ao am-pon’ny maro àry, dia maka ny toeran’ny Fanjakan’Andriamanitra ireo zava-naorina ireo, raha ny tena izy! Naroso holanina tamin’ny fomba ofisialy tamin’ny Janoary 1919 ny Fikambanam-pirenena. Noho izany, tamin’io fotoana io, dia samy feno ireo fepetra roa ao amin’ny Daniela 12:11. Koa ireo 1 290 andro àry dia nanomboka teo am-piandohan’ny 1919 ary tonga hatramin’ny fararanon’ny 1922 (Ila Bolantany Avaratra).
23. Ahoana no nandrosoan’ny olo-masin’Andriamanitra mba ho voadio, nandritra ireo 1 290 andro nambara mialoha ao amin’ny Daniela toko faha-12?
23 Nandritra io fotoana io, moa ve ireo olo-masina nanao fandrosoana mba ho voafotsy sy ho voadio teo imason’Andriamanitra? Eny tokoa! Tamin’ny Martsa 1919, dia nafahana avy tany an-tranomaizina ny prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower sy ireo mpiara-miasa akaiky taminy. Nafahana madiodio tamin’ny fiampangana diso natao taminy izy ireo tatỳ aoriana. Noho ny fahafantarany fa mbola tsy tapitra velively ny asany, dia nilofo avy hatrany izy ireo, ary nandamina fivoriambe iray tamin’ny Septambra 1919. Tamin’io taona io ihany, dia navoaka voalohany ny gazety iray naman’ny Tilikambo Fiambenana. Nantsoina hoe L’Âge d’Or (Mifohaza! ankehitriny) izy io tamin’ny voalohany, ary hatramin’izay dia nanohana foana Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny fanalana sarona tsy amin-tahotra ny faharatsian’ity tontolo ity sy tamin’ny fanampiana ny vahoakan’Andriamanitra mba hitoetra ho madio. Tamin’ny faran’ireo 1 290 andro nambara mialoha, dia efa nandroso tsara mba ho voadio sy tafaverina tamin’ny toe-piainany taloha ireo olo-masina. Tamin’ny Septambra 1922, tokony ho tamin’ny fotoana nifaranan’io fe-potoana io indrindra, dia nanao fivoriambe iray nanan-tantara tao Cedar Point, any Ohio (Etazonia), izy ireo. Nanome tosika goavana ho an’ny asa fitoriana io fivoriambe io. Kanefa, dia mbola nilaina ihany ny nanao fandrosoana fanampiny. Izany dia ho amin’ilay fe-potoana niavaka nanaraka.
-
-
Famantarana Ireo Mpivavaka Marina Amin’ny Andro FaranyDiniho ny Faminanian’i Daniela
-
-
1 290 andro: Janoary 1919 ka hatramin’ny
Daniela 12:11 Septambra 1922
(Nifoha ny Kristianina
voahosotra, nandroso
ara-panahy.)
-