Toko Fahefatra
Ny Nisandratan’ny Sariolona Goavam-be Iray sy ny Nianjerany
1. Nahoana isika no tokony ho liana amin’ny toe-javatra iray niseho folo taona taorian’ny namaboan’i Nebokadnezara Mpanjaka an’i Daniela sy olon-kafa koa?
FOLO taona izao no lasa hatramin’ny nitondran’i Nebokadnezara Mpanjaka an’i Daniela sy ny ‘lehilahy mahery hafan’ny tanin’ny’ Joda ho babo tany Babylona. (2 Mpanjaka 24:15). Nanompo tao an-dapan’ny mpanjaka i Daniela mbola tanora, fony nipoitra ny toe-javatra iray nandrahona ny ainy. Nahoana izany no tokony hahaliana antsika? Satria ny fomba nisalovanan’i Jehovah Andriamanitra tamin’ilay raharaha dia tsy vitan’ny hoe namonjy ny ain’i Daniela sy ny an’olon-kafa, fa mampahafantatra antsika koa momba ny fifandimbiasan’ireo firenena matanjaka indrindra eran-tany, araka ny faminanian’ny Baiboly, hatramin’izao androntsika izao.
MIATRIKA ZAVA-MANAHIRANA SAROTRA IRAY NY MPANJAKA IRAY
2. Oviana i Nebokadnezara no nahazo ilay nofiny ara-paminaniana voalohany?
2 “Tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Nebokadnezara”, hoy ny nosoratan’i Daniela mpaminany, “dia nanonofy Nebokadnezara, ka nitebiteby ny fanahiny, ary tsy nahita torimaso izy.” (Daniela 2:1). I Nebokadnezara, mpanjakan’ny Empira Babylonianina, ilay nanonofy. Tonga mpanapaka natanjaka indrindra eran-tany izy tamin’ny 607 al.f.i., rehefa navelan’i Jehovah Andriamanitra handringana an’i Jerosalema sy ny tempoliny. Tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Nebokadnezara, fony izy mpanapaka natanjaka indrindra eran-tany (606/605 al.f.i.), dia nampahita azy nofy nahatahotra iray Andriamanitra.
3. Iza no tsy afaka nanome ny hevitry ny nofin’ilay mpanjaka, ary nanao ahoana ny fihetsik’i Nebokadnezara teo anoloan’izany?
3 Nahaketraka an’i Nebokadnezara aoka izany io nofy io, hany ka tsy nahita tory izy. Mazava ho azy fa naniry mafy hahafantatra ny heviny izy. Hadinon’io mpanjaka nahery io anefa ilay nofy! Koa nampiantso an’ireo mpanao majika sy mpanao ody ratsy ary mpisikidy tao Babylona àry izy, ka nitaky ny hitantaran’izy ireo ilay nofy sy ny hilazan’izy ireo ny heviny. Tsy vitan’izy ireo ilay izy. Naharomotra aoka izany an’i Nebokadnezara ny tsy fahaizan’izy ireo, hany ka “nasainy naringana ny olon-kendrin’i Babylona rehetra”. Nahatonga an’i Daniela mpaminany hifanatrika tamin’ilay voatendry hamono azy ireo io didy io. Nahoana? Satria nisaina ho anisan’ireo olon-kendrin’i Babylona koa izy sy ireo namany hebreo telo lahy — i Hanania sy i Misaela ary i Azaria. — Daniela 2:2-14.
TONGA MBA HAMONJY I DANIELA
4. a) Ahoana no nahafantaran’i Daniela ny nofin’i Nebokadnezara sy ny heviny? b) Inona no nolazain’i Daniela ho fankasitrahana an’i Jehovah Andriamanitra?
4 Raha vao fantatr’i Daniela ny antony nanomezan’i Nebokadnezara izany didy henjana izany, dia “niditra [izy] ka nangataka tamin’ny mpanjaka hanome andro azy, dia holazainy amin’ny mpanjaka ny hevitry ny nofy”. Nekena izany. Nody tany an-tranony i Daniela, ary dia nivavaka izy sy ireo namany hebreo telo lahy, mba hangataka “famindrampo amin’Andriamanitry ny lanitra ny amin’izany zava-miafina izany”. Tao amin’ny fahitana iray, tamin’io alina io ihany, dia nahariharin’i Jehovah tamin’i Daniela ny tsiambaratelo momba ilay nofy. Velom-pankasitrahana i Daniela, ka nanao hoe: “Isaorana anie ny anaran’Andriamanitra mandrakizay mandrakizay, fa Azy ny fahendrena sy ny hery. Ary Izy no mandahatra ny andro sy ny fotoana; Izy no manaisotra mpanjaka sy manangana mpanjaka; Izy no manome fahendrena ho an’ny hendry sy fahalalana ho an’izay mazava saina. Izy no mampiseho ny zavatra lalina sy miafina; Izy no mahalala izay ao amin’ny maizina, ary ny mazava mitoetra ao aminy.” Nidera an’i Jehovah i Daniela noho izany fahatakarana hevi-dalina izany. — Daniela 2:15-23.
5. a) Fony teo anatrehan’ny mpanjaka izy, ahoana no nanomezan’i Daniela voninahitra an’i Jehovah? b) Nahoana no mahaliana antsika amin’izao andro izao ny fanazavan’i Daniela?
5 Ny ampitso, dia nanatona an’i Arioka, lehiben’ny mpiambina, izay notendrena mba hamono an’ireo olon-kendrin’i Babylona, i Daniela. Raha vao fantatr’i Arioka fa afaka nilaza ny hevitr’ilay nofy i Daniela, dia nampandrosoany haingana tany amin’ny mpanjaka izy. Tsy naka ny voninahitra ho an’ny tenany i Daniela, fa nilaza tamin’i Nebokadnezara kosa hoe: “Misy Andriamanitra any an-danitra, Izay mampiseho zava-miafina ka mampahafantatra an’i Nebokadnezara mpanjaka izay ho tonga any am-parany.” Vonona i Daniela ny hampiharihary, tsy ny hoavin’ny Empira Babylonianina ihany, fa ny ho fandehan’ny fisehoan-javatra eto an-tany koa, nanomboka tamin’ny andron’i Nebokadnezara ka hatramin’izao androntsika izao sy any aoriana. — Daniela 2:24-30.
TADIDY ILAY NOFY
6, 7. Inona moa ilay nofy nampahatsiahivin’i Daniela ny mpanjaka?
6 Nihaino tsara izao fanazavan’i Daniela izao i Nebokadnezara: “Hianao, ry mpanjaka ô, nahita fa, indro, nisy sariolona lehibe anankiray. Izany sary izany dia lehibe sady namirapiratra tsara, nijoro teo anatrehanao izy, ary ny tarehiny dia nahatahotra. Ny lohan’izany sary izany dia volamena tsara, ny tratrany sy ny sandriny dia volafotsy, ny kibony sy ny feny dia varahina, ny ranjony dia vy, ary ny tongony dia vy sy tanimanga. Nijery hianao ambara-pahanisy vato voaendaka, nefa tsy nendahan-tànana, ary namely ilay sary teo amin’ny tongony vy sy tanimanga iny ka nahatorotoro azy. Dia niara-torotoro ny vy sy ny tanimanga sy ny varahina sy ny volafotsy ary ny volamena ka tonga toy ny akofa eo am-pamoloana fahavaratra; ary nopaohin’ny rivotra izy, ka tsy nisy hitoerany; ary ilay vato namely ny sary dia tonga tendrombohitra lehibe nahafeno ny tany rehetra.” — Daniela 2:31-35.
7 Tsy maintsy ho nampientam-po aoka izany an’i Nebokadnezara ny fandrenesana an’i Daniela nitantara ilay nofy! Andraso anefa! Tsy ho voatsimbina ny ain’ireo olon-kendrin’i Babylona, raha tsy nilaza ny hevitr’ilay nofy koa i Daniela. Hoy àry i Daniela, niresaka momba ny tenany sy ireo namany hebreo telo lahy: “Izany no nofy, ary holazainay eto anatrehan’ny mpanjaka koa ny heviny.” — Daniela 2:36.
FANJAKANA IRAY NAHAZO VONINAHITRA NIAVAKA
8. a) Iza na inona no nolazain’i Daniela fa nasehon’ilay loha volamena? b) Oviana no nanomboka nisy ilay loha volamena?
8 “Hianao, ry mpanjaka ô, izay mpanjakan’ny mpanjaka sady nomen’Andriamanitry ny lanitra fanjakana sy hery sy fahaleovana ary voninahitra, ka ny zanak’olombelona sy ny bibi-dia ary ny voro-manidina, na aiza na aiza itoerany, dia nomeny ho eo an-tànanao, ary nataony ho mpanjakan’izy rehetra hianao, — dia hianao izany loha volamena izany.” (Daniela 2:37, 38). Nihatra tamin’i Nebokadnezara ireo teny ireo, taorian’ny nampiasan’i Jehovah azy handringana an’i Jerosalema tamin’ny 607 al.f.i. Izany no izy, satria ireo mpanjaka teo amin’ny seza fiandrianana tao Jerosalema dia avy tamin’ny taranak’i Davida, ilay mpanjaka voahosotr’i Jehovah. Renivohitr’i Joda, ilay fanjakan’Andriamanitra tandindona nampiseho ny fiandrianany naneran-tany, i Jerosalema. Rehefa rava io tanàna io tamin’ny 607 al.f.i., dia nitsahatra tsy nisy intsony io fanjakan’Andriamanitra tandindona io. (1 Tantara 29:23; 2 Tantara 36:17-21). Izao ireo firenena matanjaka hifandimby, izay nasehon’ireo tapany metalin’ilay sary, dia afaka nampihatra ny fanapahany naneran-tany, tsy nisy fanakantsakanana avy tamin’ilay fanjakan’Andriamanitra tandindona. I Nebokadnezara no ilay loha volamena, dia ilay metaly sarobidy indrindra fantatra tamin’ny andro fahiny, noho izy nahazo ny voninahitra hanongana an’io fanjakana io tamin’ny fandringanana an’i Jerosalema. — Jereo ny hoe “Nanorina Empira Iray ny Mpanjaka Mpiady Iray”, eo amin’ny pejy faha-63.
9. Inona no nasehon’ilay loha volamena?
9 I Nebokadnezara, izay nanjaka 43 taona, no voalohany tamin’ny tarana-mpanjaka iray izay nanjaka teo amin’ny Empira Babylonianina. Anisan’izany i Nabonida, vinantolahiny, sy i Evila-merodaka, zanany lahimatoa. Nitohy nandritra ny 43 taona fanampiny io tarana-mpanjaka io, hatramin’ny nahafatesan’i Belsazara, zanakalahin’i Nabonida, tamin’ny 539 al.f.i. (2 Mpanjaka 25:27; Daniela 5:30). Koa ilay loha volamenan’ilay sariolona tao amin’ilay nofy àry dia nampiseho, tsy an’i Nebokadnezara ihany, fa ny tarana-mpanjaka babylonianina manontolo.
10. a) Ahoana no nampisehoan’ny nofin’i Nebokadnezara fa tsy haharitra ny Firenena Natanjaka Babylonianina? b) Inona no nambaran’i Isaia mialoha momba ilay handresy an’i Babylona? d) Tamin’ny heviny ahoana i Media-Persia no ambany noho i Babylona?
10 Hoy i Daniela tamin’i Nebokadnezara: “Manarakaraka anao dia hisy fanjakana hafa hitsangana ambany noho ny anao”. (Daniela 2:39). Hisy fanjakana iray, nasehon’ny tratra sy ny sandry volafotsin’ilay sariolona, handimby ny tarana-mpanjakan’i Nebokadnezara. Tokony ho 200 taona talohan’io, dia efa nanambara mialoha momba an’io fanjakana io i Isaia, ka nanome ny anaran’ilay mpanjakany handresy mihitsy aza: Kyrosy. (Isaia 13:1-17; 21:2-9; 44:24–45:7; 44:13). Ny Empira Medianina sy Persanina izy io. Na dia namokatra kolontsaina ambony, izay tsy latsa-danja noho ny an’i Babylona aza i Media-Persia, ny fanjakany dia naseho tamin’ny volafotsy, izay metaly tsy dia sarobidy toy ny volamena. Ambany noho i Babylona izy io, satria tsy nahazo ilay voninahitra hanongana ny Joda, ilay fanjakan’Andriamanitra tandindona, sy an’i Jerosalema renivohiny.
11. Oviana no nitsahatra tsy nisy intsony ny tarana-mpanjakan’i Nebokadnezara?
11 Tokony ho 60 taona taorian’ny nanomezan’i Daniela ny hevitr’ilay nofy, dia nanatri-maso ny fiafaran’ny tarana-mpanjakan’i Nebokadnezara izy. Teo i Daniela tamin’ny alin’ny 5/6 Oktobra 539 al.f.i., fony nandresy an’i Babylona, izay toa tsy hety ho resy, ny tafika medianina sy persanina, ka namono an’i Belsazara Mpanjaka. Rehefa maty i Belsazara, dia nitsahatra tsy nisy intsony ilay loha volamenan’ilay sariolona — ny Empira Babylonianina.
NAFAHAN’NY FANJAKANA IRAY ILAY VAHOAKA TANY AN-TSESITANY
12. Inona no soa nentin’ny didy navoakan’i Kyrosy tamin’ny 537 al.f.i., ho an’ireo Jiosy tany an-tsesitany?
12 Naka ny toeran’ny Empira Babylonianina i Media-Persia, ka tonga ny firenena natanjaka indrindra eran-tany tamin’ny 539 al.f.i. Tonga ny mpanapaka voalohany tao amin’ilay tanànan’i Babylona resy i Dariosy Medianina, teo amin’ny faha-62 taonany. (Daniela 5:30–6:1). Nandritra ny fotoana kelikely, dia niara-nanjaka teo amin’ny Empira Medianina sy Persanina izy sy i Kyrosy Persanina. Rehefa maty i Dariosy, dia tonga ny hany filohan’ny Empira Persanina i Kyrosy. Nanafaka ny Jiosy tao Babylona avy tamin’ny fahababoana ny fanjakan’i Kyrosy. Tamin’ny 537 al.f.i., i Kyrosy dia namoaka didy iray nanome lalana an’ireo Jiosy tany an-tsesitany tany Babylona, hiverina tany an-tanindrazany ka hanorina indray an’i Jerosalema sy ny tempolin’i Jehovah. Tsy tafaorina indray tao Joda sy Jerosalema anefa ilay fanjakan’Andriamanitra tandindona. — 2 Tantara 36:22, 23; Ezra 1:1–2:2a.
13. Inona no nasehon’ny tratra sy ny sandry volafotsin’ilay sariolona nonofisin’i Nebokadnezara?
13 Ny tratra sy ny sandry volafotsin’ilay sariolona dia nampiseho ny tarana-mpanjaka persanina, izay nanomboka tamin’i Kyrosy Lehibe. Naharitra 200 taona mahery io tarana-mpanjaka io. Inoana ho maty an’ady tamin’ny 530 al.f.i. i Kyrosy. Tamin’ireo mpanjaka 12 teo ho eo nandimby azy teo amin’ny seza fiandrianan’ny Empira Persanina, dia nisy 2, fara fahakeliny, tsara fanahy tamin’ny vahoaka voafidin’i Jehovah. Ny iray dia i Dariosy I (Persanina), ary ny faharoa dia i Artaksersesy I.
14, 15. Fanampiana inona no nomen’i Dariosy Lehibe sy i Artaksersesy I an’ireo Jiosy?
14 Ny fahatelo teo amin’ny tarana-mpanjaka persanina, taorian’i Kyrosy Lehibe, dia i Dariosy I. Ireo roa teo alohany angamba dia i Cambyse II sy i Bardiya rahalahiny (na angamba ny mpisorona mpisandoka iray, nantsoina hoe Gaumata). Tamin’ny fotoana niakaran’i Dariosy I, fantatra koa amin’ny anarana hoe Dariosy Lehibe, teo amin’ny seza fiandrianana tamin’ny 521 al.f.i., dia mbola voarara ny asa fanorenana indray ilay tempoly tao Jerosalema. Raha vao nahita ilay soratra nisy ny didin’i Kyrosy tao amin’ireo tahirin-taratasy tao Ekbatàna (Akmeta), i Dariosy, dia nanaisotra ilay fandrarana tamin’ny 520 al.f.i. Tsy izay ihany anefa no nataony, fa namatsy vola avy tao amin’ny rakitry ny mpanjaka koa izy mba hanorenana indray ilay tempoly. — Ezra 6:1-12.
15 Ilay mpanapaka persanina nanaraka, izay nanampy teo amin’ny asa fanorenana nataon’ny Jiosy dia i Artaksersesy I, izay nandimby an’i Ahasoerosy rainy (Ksersesy I) tamin’ny 475 al.f.i. Nomena ny anaram-bosotra hoe Longimanus i Artaksersesy, satria lava noho ny tanany havia ny tanany havanana. Tamin’ny taona faha-20 nanjakany, tamin’ny 455 al.f.i., dia nanendry an’i Nehemia, Jiosy iray mpitondra kapoakany, ho governoran’ny Joda sy hanorina indray ireo mandan’i Jerosalema, izy. Izany no nanamarika ny fiandohan’ireo ‘herinandron-taona fitopolo’ soritana ao amin’ny toko faha-9 ao amin’ny bokin’i Daniela, ary nametra ireo daty hisehoan’ny Mesia, na Kristy, dia i Jesosy avy any Nazareta, sy hahafatesany. — Daniela 9:24-27; Nehemia 1:1; 2:1-18.
16. Oviana no nifarana ny Firenena Natanjaka Medianina sy Persanina, ary iza no mpanjakany farany?
16 Ny farany tamin’ireo mpanjaka enina nandimby an’i Artaksersesy I teo amin’ny seza fiandrianan’ny Empira Persanina dia i Dariosy III. Nifarana tampoka tamin’ny 331 al.f.i. ny fanjakany, rehefa resin’i Aleksandra Lehibe tanteraka tao Gaugamèles, tany akaikin’i Ninive fahiny, izy. Io faharesena io no namarana ny Firenena Natanjaka Medianina sy Persanina, nasehon’ny tapany volafotsin’ilay sariolona nonofisin’i Nebokadnezara. Ilay fanjakana nanaraka dia ambony kokoa tamin’ny lafiny sasany, saingy ambany kokoa tamin’ny lafiny hafa. Hazava kokoa izany, raha manohy mihaino an’i Daniela milaza ny hevitr’ilay nofin’i Nebokadnezara isika.
FANJAKANA IRAY NIDADASIKA SAINGY AMBANY KOKOA
17-19. a) Firenena natanjaka iza no nasehon’ny kibo sy ny fe varahina, ary niitatra hatraiza ny fanapahany? b) Iza moa i Aleksandra III? d) Ahoana no nahatongavan’ny teny grika ho fiteny niraisam-pirenena, ary nety tsara ho amin’inona izy io?
17 Nilaza tamin’i Nebokadnezara i Daniela fa ny kibo sy ny fen’ilay sariolona goavam-be dia “fanjakana fahatelo koa izay varahina sady hanam-pahefana amin’ny tany rehetra”. (Daniela 2:32, 39). Io fanjakana fahatelo io dia hanarakaraka an’i Babylona sy i Media-Persia. Toy ny varahina ambany karazana kokoa noho ny volafotsy, io firenena natanjaka vaovao io dia ho ambany kokoa noho i Media-Persia, satria tsy homena voninahitra na tombontsoa toy ny fanafahana ny vahoakan’i Jehovah. Kanefa, ilay fanjakana varahina dia “hanam-pahefana amin’ny tany rehetra”, izany hoe hidadasika kokoa noho i Babylona na i Media-Persia. Zava-nisy teo amin’ny tantara inona avy no manamarina izany?
18 Tsy ela taorian’ny nandovany ny seza fiandrianan’i Makedônia (Macédoine) tamin’ny 336 al.f.i., teo amin’ny faha-20 taonany, dia nandeha nanafika sy nandresy faritany vaovao i Aleksandra III fatra-paniry laza. Noho ireo fandreseny ara-tafika, dia nanjary nantsoina hoe Aleksandra Lehibe izy. Tsy nitsahatra nahazo fandresena izy, ka nanohy niditra tao amin’ny faritra nanapahan’ny Persanina. Rehefa nandresy an’i Dariosy III tamin’ilay ady tao Gaugamèles tamin’ny 331 al.f.i. izy, dia nanomboka nirodana ny Empira Persanina. Nampiorina an’i Gresy (Grisia) ho ny firenena natanjaka indrindra vaovao àry i Aleksandra.
19 Taorian’ilay fandresena tao Gaugamèles, dia nanohy ihany i Aleksandra ka naka an’i Babylona, i Sosa, i Persopolisy ary i Ekbatàna, renivohitra persanina. Nandresy ny faritra sisa tamin’ny Empira Persanina izy, ka nanitatra ny faritany vaovao resiny hatrany Inde andrefana. Nanorina zanatany grika izy tao amin’ireny tany resiny ireny. Noho izany, dia niitatra nanerana ny faritra niadidiany ny fiteny sy ny kolontsaina grika. Raha ny marina, dia nanjary lehibe kokoa noho izay rehetra teo alohany ny Empira Grika. Araka ny nambaran’i Daniela mialoha, dia ‘nanam-pahefana tamin’ny tany rehetra’ ilay fanjakana varahina. Ny iray tamin’ireo vokatra naterak’izany dia hoe nanjary fiteny niraisam-pirenena ny teny grika (kôine). Noho izy io nahafahana naneho hevitra araka ny marina tsara, dia lasa faran’izay nety izy io mba hanoratana ny Soratra Grika Kristianina sy mba hanelezana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra.
20. Inona no nitranga tamin’ny Empira Grika, taorian’ny nahafatesan’i Aleksandra Lehibe?
20 Valo taona monja no nitanan’i Aleksandra Lehibe ny toeran’ny mpanapaka natanjaka indrindra eran-tany. Na dia mbola tanora aza i Aleksandra, 32 taona, dia narary taorian’ny fanasana iray, ka maty, fotoana fohy taorian’izay, tamin’ny 13 Jona 323 al.f.i. Tatỳ aoriana, dia voazarazara ho faritany efatra ny empirany goavam-be, ka nahazo iray avy hanapahany ny tsirairay tamin’ireo jeneraliny. Noho izany, avy tamin’ny fanjakana lehibe iray, dia nisy fanjakana efatra nipoitra, izay natelin’ny Empira Romanina tamin’ny farany. Ilay firenena natanjaka varahina dia tsy naharitra afa-tsy hatramin’ny 30 al.f.i., fony nianjera teo an-tanan’i Roma tamin’ny farany ny farany tamin’ireo fanjakana efatra ireo — ny tarana-mpanjakan’ireo Ptolémées izay nanjaka tany Ejipta.
FANJAKANA IRAY IZAY MAMAKIVAKY SY MANOROTORO
21. Ahoana no nilazalazan’i Daniela ilay “fanjakana fahefatra”?
21 Nanohy ny fanazavany momba ilay sariolona toy izao i Daniela: “Ary ny fanjakana fahefatra [taorian’i Babylona sy i Media-Persia, ary i Gresy] dia ho mafy toy ny vy; fa toy ny vy manorotoro sy mahamongomongo ny zavatra rehetra, ary toy ny famakivakin’ny vy ireo rehetra ireo, dia toy izany no amakivakiany sy anorotoroany azy.” (Daniela 2:40). Noho ny heriny sy ny fahafahany hanorotoro, dia ho toy ny vy io firenena matanjaka io — matanjaka noho ireo empira nasehon’ny volamena, ny volafotsy, na ny varahina. Toy izany ny Empira Romanina.
22. Tamin’ny ahoana ny Empira Romanina no sahala amin’ny vy?
22 Namakivaky sy nanorotoro ny Empira Grika i Roma, ka nitelina ny sisa tamin’ny fanjakan’i Media-Persia sy i Babylona. Tsy naneho fanajana velively ny Fanjakan’Andriamanitra nambaran’i Jesosy Kristy izy io, ka nampamono azy teo amin’ny hazo fijaliana tamin’ny 33 am.f.i. Nitady hanorotoro ny Kristianisma marina i Roma, ka nanenjika ny mpianatr’i Jesosy. Ambonin’izany, dia nandringana an’i Jerosalema sy ny tempoliny ny Romanina tamin’ny 70 am.f.i.
23, 24. Ankoatra ny Empira Romanina, inona koa no asehon’ireo ranjon’ilay sariolona?
23 Ireo ranjo vin’ilay sariolona nonofisin’i Nebokadnezara dia nampiseho, tsy ny Empira Romanina ihany, fa ny rantsany ara-politika koa. Diniho ireto teny voarakitra ao amin’ny Apokalypsy 17:10 ireto: “Mpanjaka fito ireo; efa lavo ny dimy, fa ny iray mbola eo ihany, ary ny iray koa mbola tsy tonga; ary rehefa tonga izy, dia tsy maintsy mitoetra kelikely.” Fony nanoratra ireo teny ireo ny apostoly Jaona, dia voatanan’ny Romanina an-tsesitany tany amin’ny nosin’i Patmo. Ireo mpanjaka, na firenena natanjaka, dimy izay lavo, dia i Ejipta, i Asyria, i Babylona, i Media-Persia ary i Gresy. Ny fahenina — ny Empira Romanina — dia mbola nitana ny fahefana. Ho lavo koa anefa izy io, ary ny mpanjaka fahafito dia hipoitra avy amin’ny iray amin’ireo faritany babon’i Roma. Ho iza moa izany?
24 Tapany iray tamin’ny Empira Romanina, tany avaratrandrefana, i Grande-Bretagne teo aloha. Tamin’ny taona 1763 anefa, dia efa tonga ny Empira Britanika izy io — ilay Bretagne nanjaka teny amin’ireo ranomasina fito. Tamin’ny 1776, dia nanambara ny fahaleovan-tenany ireo zanataniny amerikanina 13 mba hanorina ny Fanjakana Mitambatr’i Amerika (Etazonia). Tatỳ aoriana anefa, dia nanjary mpinamana i Grande-Bretagne sy i Etazonia, na tamin’ny fotoan’ny ady na tamin’ny fotoan’ny fandriampahalemana. Noho izany, dia teraka ilay fikambanana anglisy-amerikanina, ka tonga ny firenena matanjaka fahafito araka ny faminanian’ny Baiboly. Toy ny Empira Romanina, dia “mafy toy ny vy” izy io, ary mampihatra fahefana tsy milefitra toy ny vy. Samy asehon’ireo ranjo vin’ilay sariolona àry ny Empira Romanina sy ny firenena matanjaka roa sosona anglisy-amerikanina.
FIFANGAROAN-JAVATRA MALEMY
25. Inona no nolazain’i Daniela momba ireo tongotra sy rantsantongotr’ilay sariolona?
25 Hoy ny tenin’i Daniela nanaraka tamin’i Nebokadnezara: “Satria hitanao ny tongotra sy ny rantsantongotra, fa ny tapany tanimangan’ny mpanefy tanimanga, ary ny tapany vy, dia ho fanjakana mizarazara izy; nefa hisy herim-by ao aminy, satria nahita vy miharo tanimanga mbola fotaka hianao. Ary toy ny rantsantongotra, ny tapany vy, ny tapany tanimanga, dia ho toy izany ny fanjakana, ny tapany ho mafy, ary ny tapany ho malemy. Ary toy ny nahitanao ny vy miharo tanimanga mbola fotaka, dia ho toy izany no hiharoany amin’ny taranak’olombelona; nefa tsy hitambatra izy, dia toy ny tsi-fetezan’ny vy miharo amin’ny tanimanga.” — Daniela 2:41-43.
26. Amin’ny fotoana inona no hisehoan’ilay fanapahana nasehon’ireo tongotra sy rantsantongotra?
26 Ny fifandimbiasan’ireo firenena matanjaka nasehon’ireo tapany samihafan’ilay sariolona nonofisin’i Nebokadnezara dia nanomboka tamin’ny lohany ary nifarana tamin’ny tongony. Ara-drariny àry raha hampiseho ny fanapahana faran’ny olombelona mandritra ny “andro farany”, ireo tongotra sy rantsantongotra “vy miharo tanimanga mbola fotaka”. — Daniela 12:4.
27. a) Toe-javatra naneran-tany nanao ahoana no nasehon’ireo tongotra sy rantsantongotra vy miharo tanimanga? b) Inona no asehon’ireo rantsantongotra folon’ilay sariolona?
27 Teo am-piandohan’ny taonjato faha-20, dia ny ampahefatry ny mponin’ny tany no nanjakan’ny Empira Britanika. Ireo empira eoropeanina hafa dia nifehy olona an-tapitrisany maro hafa. Vondrom-pirenena samihafa anefa no hita nipoitra taorian’ny Ady Lehibe Voalohany, fa tsy empira intsony. Taorian’ny Ady Lehibe Faharoa dia nihafaingana io fironana io. Vao mainka nihanitombo ny fanindrahindram-pirenena, ka nitombo haingana dia haingana koa ny isan’ireo firenena naneran-tany. Ireo rantsantongotra folon’ilay sariolona dia mampiseho ireny fanjakana sy fitondram-panjakana rehetra miara-misy ireny, satria ao amin’ny Baiboly ny isa folo indraindray dia milaza fahafenoana eto an-tany. — Ampitahao amin’ny Eksodosy 34:28; Matio 25:1; Apokalypsy 2:10.
28, 29. a) Araka an’i Daniela, inona no asehon’ilay tanimanga? b) Inona no azo lazaina momba ny fifangaroan’ny vy sy ny tanimanga?
28 Amin’izao isika ao anatin’ny “andro farany” izao, dia efa eo amin’ny fotoan’ireo tongotr’ilay sariolona isika. Ny sasany amin’ireo fitondram-panjakana asehon’ireo tongotra sy rantsantongotra vy miharo tanimangan’ilay sariolona dia toy ny vy — tsy refesi-mandidy na mpanao jadona. Ny hafa kosa sahala amin’ny tanimanga. Amin’ny heviny ahoana? Nampifandraisin’i Daniela tamin’ny “taranak’olombelona” ny tanimanga. (Daniela 2:43). Na dia malemy aza ny tanimanga, izay nanaovana ny taranak’olombelona, ireo fanapahana toy ny vy dia voatery nihaino bebe kokoa hatrany ny sarambabem-bahoaka, izay maniry ho afaka hilaza ny heviny ao amin’ireo fitondram-panjakana manapaka azy. (Joba 10:9). Tsy nikambana anefa ny fanapahana tsy refesi-mandidy sy ny sarambabem-bahoaka — toy ny tsy hetezan’ny vy sy ny tanimanga hitambatra. Amin’ny fotoana hianjeran’ilay sariolona, dia tena hizarazara ara-politika tokoa ny tany!
29 Hahatonga an’ilay sariolona manontolo hirodana ve ireo tongotra sy rantsantongotra mizarazara? Inona no hanjo an’ilay sariolona?
FIAFARANA MANAITRA MAFY!
30. Lazalazao ny fara tampon’ilay nofin’i Nebokadnezara.
30 Diniho ny fara tampon’ilay nofy. Hoy i Daniela tamin’ny mpanjaka: “Nijery hianao ambara-pahanisy vato voaendaka, nefa tsy nendahan-tànana, ary namely ilay sary teo amin’ny tongony vy sy tanimanga iny ka nahatorotoro azy. Dia niara-torotoro ny vy sy ny tanimanga sy ny varahina sy ny volafotsy ary ny volamena ka tonga toy ny akofa eo am-pamoloana fahavaratra; ary nopaohin’ny rivotra izy, ka tsy nisy hitoerany; ary ilay vato namely ny sary dia tonga tendrombohitra lehibe nahafeno ny tany rehetra.” — Daniela 2:34, 35.
31, 32. Inona no nambara mialoha momba ny tapany farany amin’ny nofin’i Nebokadnezara?
31 Ho fanazavana izany, dia hoy ny tohin’ilay faminaniana: “Amin’ny andron’ireo mpanjaka ireo Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana izay tsy ho rava mandrakizay; ary izany fanjakana izany tsy havela ho an’olon-kafa, fa ireo fanjakana rehetra ireo dia hotorotoroiny sy holevoniny, fa izy kosa hitoetra mandrakizay. Fa toy ilay nahitanao ny vato nendahana tamin’ny tendrombohitra, nefa tsy nendahan-tànana, sy ny nanorotoroany ny vy sy ny varahina sy ny tanimanga sy ny volafotsy ary ny volamena, dia ampahafantarin’Andriamanitra lehibe ny mpanjaka ny amin’ny zavatra ho avy rahatrizay: marina ny nofy, ary tsy maintsy ho to ny heviny.” — Daniela 2:44, 45.
32 Takatr’i Nebokadnezara fa nampahatsiahivina azy sy nohazavaina ilay nofiny, hany ka niaiky izy fa ny Andriamanitr’i Daniela ihany no “Tompon’ny mpanjaka ary Mpampiseho zava-miafina”. Nanome an’i Daniela sy ireo namany hebreo telo lahy toerana nisy andraikitra lehibe koa ilay mpanjaka. (Daniela 2:46-49). Midika ho inona amin’izao andro izao anefa ny ‘hevitra tsy maintsy ho to’, na hoe ‘mendri-pitokisana’ (NW ), nolazain’i Daniela?
‘NAHAFENO NY TANY NY TENDROMBOHITRA IRAY’
33. Avy tamin’ny “tendrombohitra” inona no nanendahana ilay “vato”, ary oviana sy tamin’ny fomba ahoana no nitrangan’izany?
33 Rehefa nifarana “ny andron’ny jentilisa” tamin’ny Oktobra 1914, “Andriamanitry ny lanitra” dia nanorina ilay Fanjakana any an-danitra tamin’ny fanomezana ny seza fiandrianana ho an’ny Zanany voahosotra, dia i Jesosy Kristy, ilay “Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo”.a (Lioka 21:24; Apokalypsy 12:1-5; 19:16). Koa ny herin’Andriamanitra àry, fa tsy tanan’olombelona, no nanendaka ilay “vato”, izany hoe ny Fanjakana Mesianika, avy tamin’ilay “tendrombohitra”, dia ny fiandrianan’i Jehovah eo amin’izao rehetra izao. Eo an-tanan’i Jesosy Kristy, izay nomen’Andriamanitra tsy fahafatesana, io fitondram-panjakana any an-danitra io. (Romana 6:9; 1 Timoty 6:15, 16). Noho izany, dia tsy hafindra na amin’iza na amin’iza io ‘fanjakan’ny Tompontsika [Andriamanitra] sy ny Kristiny’ io, izay fisehoan’ny fiandrianan’i Jehovah eo amin’izao rehetra izao. Hitoetra mandrakizay izy io. — Apokalypsy 11:15.
34. Tamin’ny ahoana no hoe teraka ‘tamin’ny andron’ireo mpanjaka ireo’ ny Fanjakan’Andriamanitra?
34 ‘Tamin’ny andron’ireo mpanjaka ireo’ no nahaterahan’ilay Fanjakana. (Daniela 2:44). Tsy ireo mpanjaka nasehon’ireo rantsantongotra folon’ilay sariolona ihany akory no tondroin’izany, fa ireo nasehon’ireo tapany vy, varahina, volafotsy ary volamena koa. Na dia efa tsy firenena natanjaka intsony aza ny empira babylonianina, persanina, grika ary romanina, dia mbola nisy sisa tavela tamin’izy ireo ihany tamin’ny 1914. Tamin’izay, ny Empira Ôtômanina Tiorka dia nifehy ny faritanin’i Babylonia, ary nisy fitondram-panjakana niasa tao amin’ny firenen’i Persa (Iran), sy i Gresy ary i Roma, any Italia.
35. Rahoviana ilay “vato” no hamely ilay sariolona, ary ho tonga hatraiza ny fanesorana an’ilay sariolona?
35 Tsy ho ela ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra dia hamely ilay sariolona ara-panoharana eo amin’ny tongony, ka hamotipotika an’ireo fanjakana rehetra nasehon’ilay sariolona metaly, ary hamarana ny fisian’izy ireo. Eny tokoa, amin’ny “adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha”, dia hamely amin-kery mafy aoka izany io “vato” io, hany ka ho montsamontsana ilay sariolona ara-panoharana, ary hofaohin’ny rivotry ny fahatezeran’Andriamanitra, toy ny akofa eo am-pamoloana. (Apokalypsy 16:14, 16). Avy eo, toy ilay vato izay nihalehibe ka tonga toy ny tendrombohitra nameno ny tany, ny Fanjakan’Andriamanitra dia ho tonga ilay fitondram-panjakana izay hisy vokany eo amin’ny “tany rehetra”. — Daniela 2:35.
36. Nahoana no azo atao hoe fitondram-panjakana mafy orina ilay Fanjakana Mesianika?
36 Na dia any an-danitra aza ilay Fanjakana Mesianika, dia hanitatra ny fahefany hatreto amin’ny planetantsika izy, ho fitahiana ny mponina mankato rehetra eto an-tany. “Tsy ho rava mandrakizay” na “havela ho an’olon-kafa” io fitondram-panjakana mafy orina io. Tsy mitovy amin’ny fanjakan’ny mpanapaka olombelona izay mety maty izy io, fa “hitoetra mandrakizay”. (Daniela 2:44). Enga anie ianao hanana tombontsoa ho iray amin’ireo olom-peheziny mandrakizay.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ny Toko Faha-6 amin’ity boky ity.
INONA NO AZONAO?
• Firenena matanjaka iza avy no asehon’ireo tapany samihafan’ilay sariolona goavam-be nonofisin’i Nebokadnezara?
• Toe-javatra maneran-tany inona no asehon’ireo tongotra sy rantsantongotra folo vy miharo tanimanga?
• Oviana, ary avy tamin’ny “tendrombohitra” inona no nanendahana ilay “vato”?
• Rahoviana ilay “vato” no hamely ilay sariolona?
[Efajoro/Sary, pejy 63-67]
NANORINA EMPIRA IRAY NY MPANJAKA MPIADY IRAY
NANAMONTSAMONTSANA ireo tafika ejipsianina notarihin’i Farao-neko tao Karkemisy, any Syria, ilay mpandova ny seza fiandrianan’i Babylona, sy ny tafiny. Nandositra nankany Ejipta, tany atsimo, ireo Ejipsianina resy, ary dia nenjehin’ireo Babylonianina. Nisy hafatra anefa avy tany Babylona nanery an’ilay andriana nandresy hampitsahatra ny fanenjehany. Ilay vaovao dia momba ny nahafatesan’i Nabopolasara rainy. Nasain’i Nebokadnezara nokarakarain’ireo jeneraliny ny andraikitra hitondra ireo babo — olona sy entana — hiverina, fa izy kosa nody haingana, ka naka ilay seza fiandrianana navelan-drainy.
Niakatra teo amin’ny seza fiandrianan’i Babylona tamin’ny taona 624 al.f.i. àry i Nebokadnezara, ka tonga ny mpanapaka faharoa teo amin’ny Empira Neo-babylonianina. Nandritra ny fanjakany naharitra 43 taona, dia naka ireo faritany nanjakan’i Asyria, ny Firenena Natanjaka teo aloha, izy ka nanitatra ny faritra notapahiny, tamin’ny fakana an’i Syria tany avaratra, sy i Palestina tany andrefana, ka hatrany amin’ny sisin-tanin’i Ejipta. — Jereo ilay sarintany.
Tamin’ny taona fahefatra nanjakany (620 al.f.i.), dia nanao an’i Joda ho fanjakana teo ambany fahefany i Nebokadnezara. (2 Mpanjaka 24:1). Telo taona tatỳ aoriana, dia nikomy ny mponin’ny Joda ka nahatonga ny Babylonianina hanao fahirano an’i Jerosalema. Nitondra an’i Joiakina sy i Daniela ary hafa koa ho babo tany Babylona i Nebokadnezara. Nitondra sasany tamin’ireo fanaka tao amin’ny tempolin’i Jehovah koa izy. Nanao an’i Zedekia, rahalahin-drain’i Joiakina, ho mpanjaka teo ambany fahefany izy. — 2 Mpanjaka 24:2-17; Daniela 1:6, 7.
Tsy ela taorian’izay, dia nikomy koa i Zedekia, ary niara-dia tamin’i Ejipta. Nanao fahirano an’i Jerosalema indray i Nebokadnezara, tamin’ny 607 al.f.i., nanagorobaka ny mandany, nandoro ny tempoliny ary nandringana an’ilay tanàna. Novonoiny ny zanak’i Zedekia rehetra, ary avy eo dia nataony jamba i Zedekia, ka nofatorany, mba hitondrana azy ho babo tany Babylona. Nentin’i Nebokadnezara tany Babylona ny ankamaroan’ilay vahoaka nataony babo, ary koa ny sisa rehetra tamin’ireo fanaka tao amin’ny tempoly. “Toy izany no nitondrana ny Joda ho babo niala tamin’ny taniny.” — 2 Mpanjaka 24:18–25:21.
Nandresy an’i Tyro koa i Nebokadnezara, tamin’ny fanaovana fahirano azy — fahirano izay naharitra 13 taona. Nandritra ilay fahirano, dia “tonga sola” ny lohan’ny miaramilany, noho ny fikasokasohany lava tamin’ny fiarovan-dohany, ary “niendaka ny sorony”, noho ny fitondrana ireo fitaovana nanaovana ilay fahirano. (Ezekiela 29:18). Tamin’ny farany, dia nilavo lefona teo anatrehan’ny tafika babylonianina i Tyro.
Miharihary fa miaramila mpahay tetikady faran’izay kinga ilay mpanjaka babylonianina. Lazain’ny boky sasany, indrindra fa ny asa soratra babylonianina, fa mpanjaka tia ny rariny koa izy. Na dia tsy milaza mivantana aza ny Soratra Masina hoe tia ny rariny i Nebokadnezara, i Jeremia mpaminany dia nilaza fa na dia efa nikomy aza i Zedekia, dia ho nentina araka ny rariny, ‘raha nivoaka hanatona ny mpanapaky ny mpanjakan’i Babylona’. (Jeremia 38:17, 18). Ary taorian’ny nandringanany an’i Jerosalema, dia nitondra an’i Jeremia tamim-panajana i Nebokadnezara. Momba an’i Jeremia, dia hoy ny baikon’ny mpanjaka: “Ento izy, ka tandremo tsara, fa aza asian-dratsy; fa araka izay lazainy aminao no ataovy aminy.” — Jeremia 39:11, 12; 40:1-4.
Raha ny amin’ny fitantanan-draharaha, vetivety dia hitan’i Nebokadnezara ireo toetra tsara sy fahaizan’i Daniela sy ireo namany telo lahy — Sadraka sy Mesaka ary Abednego — izay hoe Hanania sy Misaela ary Azaria ny anarany hebreo. Noho izany, dia nampiasa azy ireo teo amin’ny toerana nisy andraikitra tao amin’ny fanjakany ilay mpanjaka. — Daniela 1:6, 7, 19-21; 2:49.
I Mardoka, ny andriamanitra lehibe indrindran’i Babylona, no tena niantefan’ny fanompoam-pivavahan’i Nebokadnezara. Nanome voninahitra an’i Mardoka noho ireo fandreseny rehetra izy. Nanorina sy nanatsara ireo tempolin’i Mardoka sy ny an’andriamanitra babylonianina maro hafa tao Babylona izy. Nety ho natokana ho an’i Mardoka ilay sariolona volamena natsangana tao amin’ny lemak’i Dora. Ary toa niantehitra mafy tamin’ny fanaovana sikidy i Nebokadnezara, teo am-panomanany ireo fanafihany ara-tafika.
Nirehareha noho ny fanavaozany an’i Babylona, ilay tanàna nimanda lehibe indrindra tamin’izay fotoana izay, koa i Nebokadnezara. Namita ireo manda roa sosona natevin’ilay tanàna natomboky ny rainy izy, ka nanao an’ilay renivohitra ho toa tsy hety ho resy. Nanamboatra ny simba tamin’ny lapa tranainy iray teo afovoan-tanàna ilay mpanjaka, ary nanorina lapa iray ho an’ny andro fahavaratra, tokony ho roa kilaometatra tany avaratra. Mba hanomezana fahafaham-po ny vadiny medianina, izay nalahelo ireo havoana sy ala tany an-tanindrazany, hono, dia nanorina ireo zaridaina nihantona i Nebokadnezara, dia ny iray tamin’ireo zava-nahatalanjona fito teo amin’ny tontolo fahiny.
“Tsy ity va no Babylona lehibe, izay nataoko ho lapan’ny fanjakana tamin’ny haben’ny heriko mba ho voninahitry ny fahalehibiazako?”, hoy ny fireharehan’ilay mpanjaka indray andro, fony izy nandehandeha teo amin’ny lapany tao Babylona. “Raha mbola teo am-bavan’ny mpanjaka ihany ny teny”, dia lasa adala izy. Tsy afaka nanjaka nandritra ny fito taona izy, ka nihinana ahitra, araka ny nambaran’i Daniela mialoha. Tamin’ny faran’io fe-potoana io, dia naverina tamin’i Nebokadnezara ny fanjakana, ary nanjaka mandra-pahafatiny tamin’ny 582 al.f.i. izy. — Daniela 4:27-33.
INONA NO AZONAO?
Inona no azo lazaina momba an’i Nebokadnezara, tamin’ny naha
• miaramila mpahay tetikady azy?
• mpitantan-draharaha azy?
• mpivavaka tamin’i Mardoka azy?
• mpanao fanorenana azy?
[Sarintany]
(Jereo ny boky)
EMPIRA BABYLONIANINA
RANOMASINA MENA
Jerosalema
Ony Eofrata
Ony Tigra
Ninive
Sosa
Babylona
Ora
[Sary]
Babylona, ilay tanàna nimanda lehibe indrindra tamin’ny androny
[Sary]
Sary nampiseho an’i Mardoka ny dragona
[Sary]
Ireo zaridaina nihantona malazan’i Babylona
[Kisary/Sary, pejy 56]
(Jereo ny boky)
IREO FIRENENA MATANJAKA AO AMIN’NY FAMINANIAN’I DANIELA
Ilay sariolona goavam-be (Daniela 2:31-45)
BABYLONIA nanomboka tamin’ny 607 al.f.i.
MEDIA-PERSIA nanomboka tamin’ny 539 al.f.i.
GRESY nanomboka tamin’ny 331 al.f.i.
ROMA nanomboka tamin’ny 30 al.f.i.
FIRENENA MATANJAKA ANGLISY-AMERIKANINA nanomboka tamin’ny 1763 am.f.i.
TONTOLO MIZARAZARA ARA-POLITIKA amin’ny andro farany
[Sary, pejy 47]
[Sary, pejy 58]