-
Miatrika Fitsarana ny Bokin’i DanielaDiniho ny Faminanian’i Daniela
-
-
NY AMIN’ILAY MPANJAKA TSY FANTATRA
7. a) Nahoana ireo firesahan’i Daniela momba an’i Belsazara no nahafaly an’ireo mpanao tsikera ny Baiboly nandritra ny ela be? b) Inona no niafaran’ilay hevitra hoe olona toy ny ao amin’ny tantara foronina fotsiny i Belsazara?
7 Nanoratra i Daniela fa i Belsazara, ‘zanak’i’ Nebokadnezara, no mpanjaka nanapaka tao Babylona tamin’ny fotoana nanonganana an’io tanàna io. (Daniela 5:1, 11, 18, 22, 30). Nandritra ny ela be, dia may erỳ ireo mpanao tsikera hampiasa io fanambarana io, satria tsy hita na taiza na taiza, ivelan’ny Baiboly, ny anaran’i Belsazara. I Nabonida, mpandimby an’i Nebokadnezara, kosa no nolazain’ny mpahay tantara fahiny ho ny mpanjaka babylonianina farany. Noho izany, tamin’ny 1850, dia nilaza i Ferdinand Hitzig fa tsy maintsy ho noforonin’ny sain’ilay mpanoratra fotsiny i Belsazara. Tsy hitanao ho somary maika loatra anefa ve i Hitzig nilaza izany heviny izany? Rehefa dinihina tokoa, moa ve ny tsy fanisiana teny momba an’io mpanjaka io — indrindra fa tamin’ny fe-potoana tsy nananana firaketana an-tsoratra ara-tantara firy — tena manaporofo fa tsy nisy izy? Na ahoana na ahoana, tamin’ny 1854, dia nisy varingarina tanimanga kely nofongarina tao amin’ireo sisan-javatr’i Ora, tanàna babylonianina fahiny tany amin’ny misy ny faritra atsimon’i Irak ankehitriny. Nirakitra vavaka iray nataon’i Nabonida Mpanjaka ho an’i “Bel-sar-ussur, zanako lahimatoa”, ireo soratra cunéiformes ireo. Na dia ireo mpanao tsikera aza dia voatery nanaiky fa ilay Belsazaran’ny bokin’i Daniela io.
8. Ahoana no nahitana fa marina ny filazan’i Daniela an’i Belsazara ho mpanjaka tena nanapaka?
8 Na izany aza, dia tsy afa-po ireo mpanao tsikera. “Tsy manaporofo na inona na inona izany”, hoy ny nosoratan’ny mpanao tsikera iray nantsoina hoe H. F. Talbot. Nilaza izy fa mety ho ankizy kely ilay zanaka voatonona tao amin’ilay soratra, nefa mpanjaka tena nanapaka no resahin’i Daniela. Herintaona monja taorian’ny namoahana ireo tenin’i Talbot ireo anefa, dia nisy takelaka cunéiformes hafa koa nofongarina, izay niresaka an’i Belsazara ho nanana mpitan-tsoratra sy mpiasa an-trano. Izany ve dia ankizy? Farany, dia nisy takelaka hafa hita ka namarana ilay adihevitra, satria nahitana filazana fa naharitra taona maro ireo fialan’i Nabonida tao Babylona. Nasehon’ireo takelaka ireo koa fa nandritra ireny fe-potoana ireny, dia ‘nanankina ny fanjakana’ tao Babylona tamin’ny zanany lahimatoa (Belsazara) izy. Tamin’ireny fotoana ireny, raha ny marina, dia mpanjaka i Belsazara — niara-nanjaka tamin-drainy.b
-
-
Miatrika Fitsarana ny Bokin’i DanielaDiniho ny Faminanian’i Daniela
-
-
b Tsy tao Babylona i Nabonida, fony io tanàna io nianjera. Noho izany, dia mety ny filazana an’i Belsazara ho mpanjaka tamin’io fotoana io. Mbola mikiribiby ihany ireo mpanao tsikera satria hoe tsy miantso an’i Belsazara amin’ny anaram-boninahitra ofisialy hoe mpanjaka ireo soratra tsy ara-pivavahana. Na dia izany aza, ny porofo tamin’ny andro fahiny dia toa milaza fa na ny governora aza dia mety ho nantsoin’ny olona hoe mpanjaka tamin’izany andro izany.
-